Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 9

Avelao i Jehovah Hampionona Anao

Avelao i Jehovah Hampionona Anao

“Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko, dia ny fampiononanao no nanafosafo ahy.”—SAL. 94:19.

HIRA 44 Vavaky ny Torotoro Fo

HO HITANAO ATO *

1. Inona no mety hahatonga antsika hiady saina? Inona no vokatr’izany eo amintsika?

EFA nisy fotoana ve ianao tototry ny adin-tsaina? * Miady saina angamba ianao satria nisy niteny na nanao zavatra nandratra ny fonao. Na mety ho ianao no niteny na nanao zavatra tsy nety, dia mampiady saina anao izany. Nanao fahadisoana angamba ianao dia matahotra hoe tsy hamela anao mihitsy i Jehovah. Vao mainka ratsy aza raha mieritreritra ianao hoe: ‘Izaho ity angamba tena tsy ampy finoana matoa miady saina be hoatr’izao! Tsy avotra intsony aho!’ Izany ve anefa no tena marina?

2. Tsy voatery hoe tsy ampy finoana ny olona iray raha miady saina. Ny tantaran’iza no mampiseho an’izany?

2 Andao isika handinika ohatra vitsivitsy ao amin’ny Baiboly. Tena nanam-pinoana, ohatra, i Hana, renin’i Samoela mpaminany. Niady saina mafy anefa izy satria nisy nampijaly azy tao amin’ny fianakaviany. (1 Sam. 1:7) Nanana finoana matanjaka koa ny apostoly Paoly, nefa tototry ny adin-tsaina izy satria ‘nanahy momba ny fiangonana rehetra.’ (2 Kor. 11:28) Tena niavaka koa ny finoan’i Davida Mpanjaka, dia izay no nahatonga an’i Jehovah hiraiki-po be taminy. (Asa. 13:22) Nanao fahadisoana maromaro anefa izy dia nitambesatra tao an-tsainy ireny. (Sal. 38:4) Nampahery sy nampitony ny tsirairay tamin’ireo mpanompony ireo i Jehovah. Andao hodinihintsika hoe inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo.

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’I HANA?

3. Nahoana isika no mety hiady saina rehefa nisy olona nanao teny maharary tamintsika?

3 Mety hiady saina isika rehefa nisy olona nanao teny maharary tamintsika na ratsy fanahy tamintsika. Vao mainka aza mankarary fo raha namantsika akaiky na havantsika no nanao an’izany. Mety hitaintaina isika sao tsy hihavana aminy intsony. Lasalasa fotsiny angamba ny vavan’ilay olona, nefa nanindrona ny fontsika ny teniny. (Ohab. 12:18) Misy indray mety hanao fanahy iniana hanao teny maharary mihitsy. Izao no notantarain’ny anabavy tanora iray: “Nisy olona nanely tsaho momba an’ahy tany amin’ny Internet, taona vitsivitsy lasa izay. Izy anefa mba noeritreretiko hoe namana. Nalahelo aho tamin’izay sady niasa saina be! Tsy azoko mihitsy hoe fa maninona izy no nanao an’izany!” Afaka mandray lesona avy amin’i Hana ianao, raha nisy havanao na namanao be nandratra ny fonao.

4. Inona no olana nianjady tamin’i Hana?

4 Nisy olana maromaro nianjady tamin’i Hana. Tsy niteraka izy nandritra ny taona maro. (1 Sam. 1:2) Noheverina ho voaozona ny vehivavy hoatr’izany, teo amin’ny Israely. (Gen. 30:1, 2) Nahatsiaro ho afa-baraka àry i Hana. Tsy izay ihany anefa no nampahory azy. Nanana rafivavy koa izy. Penina no anarany ary nanan-janaka maromaro izy io. Nihevitra an’i Hana ho fahavalo i Penina, ka ‘nanorisory azy mafy mba hahamenatra azy.’ (1 Sam. 1:6) Tsy zakan’i Hana mihitsy ny nahazo azy tamin’ny voalohany. Nalahelo be izy ka “nitomany sy tsy nahahinan-kanina.” “Ory dia ory” ny fony. (1 Sam. 1:7, 10) Inona no nampionona azy?

5. Inona no vokany rehefa nivavaka i Hana?

5 Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah i Hana. Rehefa avy nivavaka izy, dia nohazavainy tamin’i Ely Mpisoronabe hoe ory dia ory izy ka nilaza ny fihetseham-pony tamin’i Jehovah. Niteny taminy i Ely hoe: “Mirary soa ho anao àry aho! Homen’ny Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy!” Inona no vokany? “Lasa nandeha tamin’ny nalehany” i Hana “ka nihinan-kanina. Ary hita tamin’ny endriny fa tsy niady saina intsony izy.” (1 Sam. 1:17, 18) Nanampy an’i Hana ho tony indray ny vavaka.

Ahoana no azonao anahafana an’i Hana, raha te ho tony sy tsy te hiady saina intsony ianao? (Fehintsoratra 6-10)

6. Inona no ianarantsika avy amin’i Hana? Ary inona no ianarantsika avy amin’ny Filipianina 4:6, 7?

6 Afaka ny ho tony indray isika raha tsy mitsahatra mivavaka. Niresaka ela be tamin’ilay Rainy any an-danitra i Hana. (1 Sam. 1:12) Afaka mamboraka ny ao am-pontsika amin’i Jehovah koa isika, ka hiresaka aminy an’izay mampanahy antsika, sy izay mampahatahotra antsika, ary ny toetra ratsy tiantsika hialana. Tsy voatery hilaza teny niangaliana be sy mirindra tsara isika rehefa mivavaka. Indraindray aza isika mety hifokofoko hitomany rehefa mitantara ny alahelontsika amin’i Jehovah. Tsy ho leo mihaino antsika mihitsy anefa izy. Tsara koa ny mitadidy an’ilay torohevitr’i Paoly ao amin’ny Filipianina 4:6, 7 rehefa mivavaka. (Vakio.) Nolazainy ao hoe tokony hisaotra an’i Jehovah koa isika. Be dia be ny antony tokony hisaorantsika azy. Izy, ohatra, no nanome aina antsika. Namorona zavatra kanto koa izy, sady tia antsika foana na inona na inona mitranga. Tsy vitan’izany fa nomeny fanantenana tsara be isika. Mbola misy azontsika ianarana avy amin’i Hana anefa.

7. Inona no tsy najanon’i Hana sy ny vadiny mihitsy?

7 Niaraka tamin’ny vadiny nankany amin’ny toeram-pivavahana tamin’i Jehovah tany Silo foana i Hana, na teo aza ny olana nahazo azy. (1 Sam. 1:1-5) Tamin’izy tany amin’ny tranolay masina no nampaherezin’i Ely Mpisoronabe. Nilaza taminy mantsy i Ely hoe enga anie mba hovalian’i Jehovah ny vavaka nataony.—1 Sam. 1:9, 17.

8. Nahoana ny fivoriana no afaka manampy antsika?

8 Ho tony indray isika raha mivory foana. Atomboka amin’ny vavaka ny fivoriana, ary matetika ilay rahalahy manao an’io vavaka io no mangataka fanahy masina ho antsika. Anisan’ny vokatry ny fanahy ny fiadanana, ka ho afaka ny hilamin-tsaina indray isika rehefa mahazo azy io. (Gal. 5:22) Inona no ho vokany raha mivory foana isika na dia miasa saina be aza? Lasa afaka mampahery antsika i Jehovah sy ny mpiara-manompo, sady afaka manampy antsika hilamin-tsaina sy hanana fo tony indray. Ny vavaka sy ny fivoriana no ampiasain’i Jehovah mba hanamaivanana ny fahoriantsika. (Heb. 10:24, 25) Inona koa no azontsika ianarana avy amin’i Hana?

9. Inona no tsy niova tamin’izay nanjo an’i Hana, fa inona no niova?

9 Tsy nilamina teo no ho eo ny olana nahazo an’i Hana. Rehefa niverina avy tany amin’ny tranolay masina izy, dia mbola tsy maintsy niara-nipetraka tamin’ilay rafivaviny. Ny Baiboly koa tsy milaza hoe niova ny toetran’i Penina. Azo inoana àry hoe mbola tsy maintsy niaritra ny vavan’ilay rafivaviny ihany i Hana. Efa tony anefa izy ary tsy nalahelo intsony. Fa oviana izy no nanomboka tsy nitebiteby intsony? Rehefa avy nametraka an’ilay olana tamin’i Jehovah. Navelany hampionona sy hanambitamby azy i Jehovah. Novalian’i Jehovah mihitsy aza ny vavaka nataony tatỳ aoriana ka nanan-janaka ihany izy.—1 Sam. 1:19, 20; 2:21.

10. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Hana?

10 Afaka ny ho tony isika na dia mbola tsy mivaha aza ilay olana mampiady saina antsika. Tsy mety milamina ny olana sasany indraindray, na dia efa mivavaka mafy sy manatrika fivoriana tsy tapaka aza isika. Inona anefa no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Hana? Hoe tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hampionona ny fontsika feno alahelo. Tsy hanadino antsika mihitsy i Jehovah. Hamaly soa antsika izy na ho ela na ho haingana, noho isika tsy mivadika.—Heb. 11:6.

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’NY APOSTOLY PAOLY?

11. Inona no nampiady saina an’i Paoly?

11 Betsaka ny zavatra nampiady saina an’i Paoly. Rehefa niatrika olana, ohatra, ny mpiara-manompo taminy, dia nanahy be momba an-dry zareo izy satria tena tiany ry zareo. (2 Kor. 2:4; 11:28) Rehefa nitory izy, dia nokapohin’ny mpanohitra sy nogadrain’izy ireo. Niatrika olana hafa koa izy, anisan’izany ny “tsy fisiana.” (Fil. 4:12) Tsy vitan’izany fa vaky sambo intelo i Paoly, fara fahakeliny, ka azo antoka hoe natahotra izy rehefa nandeha sambo. (2 Kor. 11:23-27) Ahoana no nataon’i Paoly rehefa niady saina izy?

12. Inona no nanampy an’i Paoly tsy hiady saina be loatra?

12 Marina fa niady saina i Paoly rehefa nanana olana ny mpiara-manompo taminy. Tsy niezaka hamaha samirery ny olana rehetra natrehin’izy ireo anefa izy. Fantany hoe voafetra ihany ny azony atao. Nangataka tamin’ny olon-kafa àry izy mba hanampy azy hikarakara ny fiangonana, anisan’izany i Timoty sy Titosy. Tena mendri-pitokisana ireo lehilahy ireo, ary azo antoka hoe nanampy an’i Paoly tsy hiady saina be loatra ny zavatra nataon’izy ireo.—Fil. 2:19, 20; Tit. 1:1, 4, 5.

Ahoana no hanahafanao ny apostoly Paoly, raha tsy te ho tototry ny adin-tsaina ianao? (Fehintsoratra 13-15)

13. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Paoly?

13 Mangataha fanampiana amin’ny hafa. Be dia be koa ny anti-panahy mangoraka hoatran’i Paoly. Mampiady saina azy ireny ny olana atrehin’ny rahalahy sy anabavy. Tsy ho vitan’ny anti-panahy iray anefa ny hamaha ny olana mahazo ny fiangonana iray manontolo. Mila miaiky izy hoe voafetra ny azony atao. Hangataka fanampiana amin’ny rahalahy hafa mendri-pitokisana izy amin’izay, ary hampiofana tanora mba hanampy azy hikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra.—2 Tim. 2:2.

14. Inona no tsy natahoran’i Paoly? Ahoana no azontsika anahafana azy?

14 Ekeo hoe mila fampaherezana ianao. Nanetry tena i Paoly ka nitady fampaherezana tamin’ny namany. Tsy natahotra izy hoe sao dia hoheverin’ny olona ho mora kivy matoa nampaherezin’ny namany. Izao no nosoratany ho an’i Filemona: ‘Nitondra fifaliana sy fankaherezana lehibe ho ahy ny fitiavanao.’ (Filem. 7) Nisy mpiara-manompo maromaro koa noresahin’i Paoly hoe nampahery be azy, tamin’izy niatrika zava-tsarotra. (Kol. 4:7-11) Rehefa manetry tena isika ka manaiky hoe mila ampaherezina, dia ho faly hanao an’izany ny rahalahy sy anabavintsika.

15. Inona no nataon’i Paoly rehefa nitaintaina be izy?

15 Ianaro ny Tenin’Andriamanitra. Fantatr’i Paoly hoe hampahery azy ny Soratra Masina. (Rom. 15:4) Hanome azy ny fahendrena ilaina koa izy io mba hahafahany hiatrika an’izay olana rehetra mitranga. (2 Tim. 3:15, 16) Azo antoka, ohatra, fa nitaintaina be i Paoly tamin’izy nigadra fanindroany tany Roma. Fantany mantsy hoe kely sisa izy dia hovonoina. Inona no nataony? Nasainy nankany aminy haingana i Timoty mba hitondra “horonam-boky.” (2 Tim. 4:6, 7, 9, 13) Fa maninona? Ampahany tamin’ny Soratra Hebreo angamba ireo horonam-boky ireo, ary azon’i Paoly nampiasaina mba hianarana samirery. Afaka manao hoatr’azy koa isika ka mianatra tsy tapaka ny Baiboly. Hampiasa ny Soratra Masina i Jehovah amin’izay mba hampiononana antsika, na inona na inona olana mianjady amintsika.

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’I DAVIDA MPANJAKA?

Rehefa jerena ny tantaran’i Davida Mpanjaka, dia inona no hanampy antsika raha nanao fahadisoana lehibe isika? (Fehintsoratra 16-19)

16. Inona no nataon’i Davida ka nahatonga azy hiady saina?

16 Nanao zavatra tena ratsy i Davida. Nijangajanga tamin’i Batseba mantsy izy, ary nataony avy eo izay hahafaty ny vadin’i Batseba. Nanafina ny fahotana vitany koa izy. (2 Sam. 12:9) Tsy mahagaga raha nenjehin’ny eritreriny i Davida. Tsy noraharahainy anefa izany tamin’ny voalohany. Lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah àry izy, dia kivy be ary narary mihitsy. (Sal. 32:3, 4) Inona no nanampy an’i Davida rehefa niady saina noho ny fahadisoana vitany izy? Ary inona no hanampy antsika raha sanatria manao fahadisoana lehibe isika?

17. Inona no voalazan’ny Salamo 51:1-4, ka ahitana fa nanenina tongotra aman-tanana i Davida?

17 Angataho i Jehovah mba hamela ny helokao. Nivavaka tamin’i Jehovah ihany i Davida tatỳ aoriana. Nanenina tongotra aman-tanana izy, dia niaiky ny fahotany. (Vakio ny Salamo 51:1-4.) Nahatsiaro ho maivamaivana izy tamin’ny farany. (Sal. 32:1, 2, 4, 5) Raha nanao fahotana lehibe àry ianao, dia aza manandrana manafina an’izany mihitsy. Mivavaha kosa amin’i Jehovah dia lazao aminy daholo izay nataonao. Hahatsiaro ho maivamaivana kokoa ianao amin’izay, ary tsy dia henjehin’ny eritreritrao intsony. Tsy ampy anefa ny mivavaka raha tianao hiverina amin’ny laoniny ny fifandraisanao amin’i Jehovah.

18. Ahoana no nataon’i Davida rehefa nahitsin’i Jehovah izy?

18 Ekeo ny fanitsian’i Jehovah. Nirahin’i Jehovah hiresaka tamin’i Davida momba ny fahotany i Natana mpaminany. Tsy nanamarin-tena i Davida tamin’izay sady tsy nanamaivana ny fahotany. Tonga dia niaiky izy hoe tamin’i Jehovah mihitsy izy no nanota, fa tsy tamin’ny vadin’i Batseba fotsiny. Nanaiky hahitsin’i Jehovah izy, dia namela azy i Jehovah. (2 Sam. 12:10-14) Raha nanao fahotana lehibe isika, dia mila miresaka amin’ireo notendren’i Jehovah hikarakara antsika. (Jak. 5:14, 15) Tsy tokony hanamarin-tena isika. Vetivety isika dia hilamin-tsaina sy ho falifaly indray, raha tonga dia manaiky sy mampihatra an’izay fanitsiana omena antsika.

19. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

19 Miezaha ho tapa-kevitra ny tsy hamerina ny fahadisoanao. Fantatr’i Davida Mpanjaka hoe mila ny fanampian’i Jehovah izy raha tsy te hamerina ny fahotany. (Sal. 51:7, 10, 12) Rehefa namela ny helony i Jehovah, dia tapa-kevitra izy hoe tsy hieritreri-dratsy intsony. Lasa nilamin-tsaina indray àry izy.

20. Ahoana no ampisehoantsika hoe sarobidy amintsika ny famelan-kelok’i Jehovah?

20 Asehontsika hoe sarobidy amintsika ny famelan-kelok’i Jehovah rehefa mivavaka isika mba hahazo an’izany, dia manaiky hahitsy ary miezaka mafy mba tsy hamerina an’ilay fahadisoana. Ho tony indray isika rehefa manao an’ireo. Izany no tsapan’i James. Nanao fahotana lehibe izy taloha. Hoy izy: “Nahatsiaro ho maivamaivana aho rehefa avy nilaza ny fahotako tamin’ny anti-panahy. Hoatran’ny hoe nisy enta-mavesatra be nesorina teo an-tsoroko! Lasa nilamin-tsaina indray aho.” Mampahery be ny mahalala hoe “akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”—Sal. 34:18.

21. Inona no azontsika atao raha tiantsika hampionona antsika i Jehovah?

21 Efa tena akaiky ny farany ka azo inoana fa hihabetsaka ny olana hampitebiteby antsika. Rehefa miady saina àry ianao, dia aza mangataka andro fa tonga dia mangataha fanampiana amin’i Jehovah. Ianaro tsara ny Baiboly. Tahafo i Hana sy Paoly ary Davida. Angataho ilay Rainao any an-danitra mba hanampy anao hahafantatra hoe inona no mahatonga anao hiady saina. (Sal. 139:23) Avelao izy hitondra ny enta-mavesatra zakainao, indrindra raha tsy misy azonao atao mihitsy amin’ilay olana, na zara raha misy azonao atao. Ho tsapanao ny fihetseham-pon’ilay mpanao salamo raha manao an’izany ianao. Nihira ho an’i Jehovah izy hoe: “Rehefa nihabetsaka ny tebiteby tato anatiko, dia ny fampiononanao no nanafosafo ahy.”—Sal. 94:19.

HIRA 4 “Jehovah no Mpiandry Ahy”

^ feh. 5 Miady saina noho ny olana mahazo antsika isika rehetra indraindray. Handinika mpanompon’i Jehovah telo resahin’ny Baiboly hoe niady saina isika ato. Horesahina ato koa hoe ahoana no nataon’i Jehovah mba hampiononana an-dry zareo.

^ feh. 1 FANAZAVANA: Mitebiteby na manahy ny olona miady saina. Mety hiady saina isika satria tsy manam-bola, na tsy salama, na misy olana ao amin’ny fianakaviantsika, na zavatra hafa. Mety hampiady saina antsika koa ny fahadisoana nataontsika, na izay olana eritreretintsika hoe mety hanjo antsika.