Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Varingarina tanimanga misy ny anaran’i Belsazara

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no hitan’ny mpikaroka ka manaporofo fa tena nisy i Belsazara, ary nanjaka tany Babylona?

EFA an-taonany maro ny mpitsikera Baiboly no nilaza fa tsy tena nisy i Belsazara Mpanjaka, ilay voaresaka ao amin’ny bokin’i Daniela. (Dan. 5:1) Nahoana ry zareo no nilaza an’izany? Satria tsy nahita porofo manamarina an’izany ny mpikaroka an’ireo sisan-javatra fahiny. Niova anefa izany tamin’ny 1854.

Nikaroka tao amin’ireo sisan-javatra tany amin’ny faritra atsimon’i Irak i J. Taylor, manam-pahefana britanika, tamin’io taona io. Tany no nisy ny tanànan’i Ora fahiny. Nahita varingarina tanimanga maromaro tao amin’ny tilikambo lehibe iray izy tany. Folo santimetatra eo ho eo ny halavan’ny varingarina tsirairay, ary misy soratra miendri-pantsika eo amin’ilay izy. Vavaka natao mba hahaela velona an’i Nabonida mpanjakan’i Babylona sy Belsazara zanany lahimatoa no misoratra eo amin’ny varingarina iray. Voaporofo àry hoe tena nisy i Belsazara. Na ny mpitsikera Baiboly aza tsy maintsy niaiky an’izany!

Tsy milaza fotsiny ny Baiboly hoe tena nisy i Belsazara, fa lazainy koa hoe mpanjaka izy. Tsy nanaiky an’izany anefa ny mpitsikera, anisan’izany i William Talbot, mpahay siansa anglisy tamin’ny taonjato faha-19. Izao no nosoratany: “Misy milaza fa niara-nanjaka tamin’i Nabonida rainy i Bel-sar-ussur [Belsazara]. Tsy misy porofon’izany mihitsy anefa.”

Nilamina ihany io adihevitra io tatỳ aoriana. Hita tamin’ny varingarina hafa mantsy fa tsy tao an-drenivohitra nandritra ny taona maro i Nabonida Mpanjaka, rain’i Belsazara. Iza no nitondra nandritra an’izany fotoana izany? Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Rehefa nankany an-tany hafa i Nabonida, dia nankininy tamin’i Belsazara ny fanjakana sy ny ankamaroan’ny tafiny.” Midika izany fa i Belsazara no nanjaka tao Babylona rehefa tsy teo ny rainy. Nilaza àry i Alan Millard, mpikaroka sady manam-pahaizana momba ny fiteny, fa mety ny ilazan’ny “Bokin’i Daniela hoe ‘mpanjaka’ i Belsazara.”

Mazava ho azy fa ho an’ny mpanompon’Andriamanitra, dia izay voalazan’ny Baiboly no porofo lehibe indrindra hoe azo itokisana ny bokin’i Daniela, sady tena avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra.—2 Tim. 3:16.