Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 11

Vonona Hatao Batisa ve Ianao?

Vonona Hatao Batisa ve Ianao?

“Mamonjy anareo koa ankehitriny ... ny batisa.”​—1 PET. 3:21.

HIRA 28 Te ho Namanao Izahay, Jehovah

HO HITANAO ATO *

1. Inona no tokony hataon’ny olona iray alohan’ny hanorenany trano?

ERITRERETO hoe misy olona te hanao trano, ary efa fantany hoe hataony hoatran’ny ahoana ilay izy. Tonga dia hividy fitaovana sy hanomboka hanangana an’ilay trano ve izy? Tsia. Misy zava-dehibe tsy maintsy hataony aloha. Mila manao kajy izy hoe ohatrinona ny vola ilainy. Tokony ho fantany mantsy hoe ampy hamitana an’ilay trano ve ny eo am-pelatanany. Azo inoana hoe hahavita an’ilay trano hatramin’ny farany izy, raha kajiny tsara mialoha izay ho lany.

2. Araka ny Lioka 14:27-30, inona no tokony hoeritreretinao tsara alohan’ny hanaovana batisa anao?

2 Tena tia an’i Jehovah sy mankasitraka azy ve ianao ka mieritreritra ny hatao batisa? Raha izany, dia hoatran’io olona te hanao trano io ianao. Nahoana? Diniho izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Lioka 14:27-30. (Vakio.) Nanazava ny atao hoe mpanara-dia azy izy. Nanao kajy an’izay ho lany ilay lehilahy tao amin’ilay fanoharana. Midika izany fa misy vola tsy maintsy hafoiny. Raha te hanara-dia an’i Jesosy koa isika, dia misy zavatra tsy maintsy hafointsika ary mila vonona hiatrika zava-tsarotra isika. (Lioka 9:23-26; 12:51-53) Alohan’ny hanaovana batisa anao àry, dia tokony hoeritreretinao tsara hoe inona avy no tafiditra amin’izany. Amin’izay ianao ho vonona kokoa hoe hanompo an’i Jehovah foana sy tsy hivadika aminy rehefa vita batisa.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Marina fa hamoy zavatra sy hiatrika olana ianao raha vita batisa ka lasa mpianatr’i Kristy. Tsy ho matiantoka mihitsy anefa ianao. Be dia be mantsy ny fitahiana ho azonao, ary tsy amin’izao ihany fa amin’ny hoavy koa. Handinika fanontaniana lehibe sasany momba ny batisa isika izao. Ho hainao amin’izay ny hamaly an’ilay hoe: “Vonona hatao batisa ve aho?”

FANOKANAN-TENA SY BATISA

4. a) Inona no atao hoe manokan-tena ho an’Andriamanitra? b) Inona no dikan’ilay hoe ‘mandà’ tena, ao amin’ny Matio 16:24?

4 Inona no atao hoe manokan-tena? Tsy maintsy manokan-tena ho an’i Jehovah ianao izay vao azo atao batisa. Ny hoe manokan-tena dia midika hoe manao vavaka manokana anankiray, dia mampanantena an’i Jehovah hoe hampiasainao mba hanompoana azy mandrakizay ny fiainanao. ‘Mandà’ ny tenanao ianao rehefa manokan-tena. (Vakio ny Matio 16:24.) Lasa an’i Jehovah àry ianao, ary tombontsoa be izany. (Rom. 14:8) Milaza aminy koa ianao hoe manomboka izao, dia ny hanompo azy no zava-dehibe indrindra aminao fa tsy ny hanao izay mahafinaritra anao. Voady na fampanantenana atao amin’Andriamanitra ny fanokanan-tena, ary tsy azo hamaivanina. Tsy manery antsika hanao an’io voady io izy. Raha manao azy io anefa isika, dia manantena izy hoe tena hotanterahintsika ilay izy.​—Sal. 116:12, 14.

5. Inona no ifandraisan’ny fanokanan-tena sy ny batisa?

5 Inona no ifandraisan’ny fanokanan-tena sy ny batisa? Tsy misy olon-kafa mahalala hoe nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao. Anao sy i Jehovah irery mantsy izany. Ny batisa kosa atao eo imason’ny olona, ary matetika any amin’ny fivoriamben’ny faritra na vondrom-paritra. Rehefa atao batisa ianao, dia mampiseho amin’ny olona hoe efa nanokan-tena ho an’i Jehovah. * Hitan’ny olona amin’izany hoe tia an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo ianao, ary tapa-kevitra ny hanompo azy mandrakizay.​—Mar. 12:30.

6-7. Nahoana ny batisa no tena ilaina, rehefa jerena ny 1 Petera 3:18-22?

6 Tena ilaina ve ny atao batisa? Diniho ny voalazan’ny 1 Petera 3:18-22. (Vakio.) Porofo mivaingana ny sambofiara hoe nanam-pinoana i Noa. Hoatr’izany koa ny batisa. Izy io no porofo hita maso hoe nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao. Tena ilaina ve anefa ny batisa? Izany mihitsy! Nahoana? Nanazava an’izany i Petera. Voalohany, “mamonjy” anao izy io. Afaka mamonjy antsika ny batisa raha asehontsika hoe mino an’i Jesosy isika, izany hoe mino fa maty ho antsika izy, dia efa natsangana ho any an-danitra, ary “eo ankavanan’Andriamanitra” izy izao.

7 Faharoa, lasa manana “feon’ny fieritreretana madio” ianao. Rehefa manokan-tena ho an’Andriamanitra sy atao batisa ianao, dia lasa afaka manana fifandraisana manokana aminy. Mamela ny fahotanao izy rehefa tena mibebaka ianao sady mino ny vidim-panavotana. Lasa afaka manana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehany àry ianao.

8. Inona avy no tokony handrisika anao hatao batisa?

8 Inona avy no tokony handrisika anao hatao batisa? Be dia be angamba ny zavatra lasa fantatrao momba an’i Jehovah, noho ianao mianatra tsara ny Baiboly. Lasa fantatrao, ohatra, hoe hoatran’ny ahoana ny toetrany ary ahoana no fomba fanaovany zavatra. Manohina ny fonao izany ka lasa tianao be izy. Ny fitiavanao an’i Jehovah no antony lehibe indrindra tokony handrisika anao hatao batisa.

9. Inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina?

9 Rehefa mahalala ny marina ao amin’ny Baiboly sy mino an’izany koa ianao, dia lasa te hatao batisa. Eritrereto izay notenenin’i Jesosy tamin’izy nandidy antsika hanao mpianatra. (Vakio ny Matio 28:19, 20.) Nilaza izy hoe tsy maintsy “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina” no hanaovana batisa ny olona. Midika izany hoe tsy maintsy mino tanteraka an’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah sy Jesosy ary ny fanahy masina ianao. Misy heriny lehibe ny fahalalana an’ireo, ary mety hanohina lalina ny fonao. (Heb. 4:12) Handinika ny sasany amin’izany isika izao.

10-11. Inona avy no nianaranao sy inoanao momba ny Ray?

10 Tadidinao ve tamin’ianao nianatra momba ny Ray? Lasa fantatrao, ohatra, fa “manana anarana hoe Jehovah” izy, dia izy no “Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo”, ary izy irery no ‘tena Andriamanitra.’ (Sal. 83:18; Isaia 37:16) Izy koa no Mpamorona antsika, ary ‘avy aminy ny famonjena.’ (Sal. 3:8; 36:9) Nanao zavatra izy mba hahatonga antsika ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana ary hanantena fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3) Rehefa manokan-tena sy atao batisa ianao, dia mampiseho hoe lasa Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10-12) Lasa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany koa ianao. Mirehareha izy ireo hoe antsoina amin’ny anaran’Andriamanitra, ary tena faly mampahafantatra an’io anarana io amin’ny olona.​—Sal. 86:12.

11 Tombontsoa be ny hoe mahazo tsara an’izay marina lazain’ny Baiboly momba ny Ray! Rehefa mino an’ireny fahamarinana sarobidy ireny ianao, dia hanohina ny fonao izany ka hanokan-tena sy hatao batisa ianao.

12-13. Inona avy no nianaranao sy inoanao momba ny Zanaka?

12 Ary ahoana indray no fihetseham-ponao tamin’ianao nianatra ny marina momba ny Zanaka? Nianaranao, ohatra, hoe izy no lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao, aorian’i Jehovah. I Jesosy koa no Mpanavotra antsika. Nanaiky hamoy ny ainy ho antsika izy. Rehefa asehontsika amin’ny ataontsika hoe mino ny vidim-panavotana isika, dia ho voavela ny helotsika sady hinamana amin’Andriamanitra isika ary hiaina mandrakizay. (Jaona 3:16) Mpisoronabe koa i Jesosy. Tiany hampiana isika mba handray soa avy amin’ny vidim-panavotana, ka hifandray akaiky amin’Andriamanitra. (Heb. 4:15; 7:24, 25) Tsy izay ihany fa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Hampiasa azy i Jehovah mba hanamasina ny anarany sy hanafoana ny ratsy rehetra, ary hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny olona ao amin’ny Paradisa. (Mat. 6:9, 10; Apok. 11:15) Modelintsika koa i Jesosy. (1 Pet. 2:21) Natokany hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ny fiainany, ka tena ohatra tsara ho antsika izy.​—Jaona 4:34.

13 Lasa tia an’ilay Zanaka malalan’Andriamanitra ianao, rehefa ekenao izay lazain’ny Baiboly momba azy. Ny fitiavana an’i Jesosy no handrisika anao hanahaka azy, ka hampiasa ny fiainanao mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Haniry hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa ianao amin’izay.

14-15. Inona avy no nianaranao sy inoanao momba ny fanahy masina?

14 Ary inona no tsapanao tamin’ianao nianatra ny marina momba ny fanahy masina? Nianaranao, ohatra, hoe tsy andriamanitra izy io fa hery ampiasain’Andriamanitra. Nampiasa azy io izy rehefa nampanoratra ny Baiboly. Ny fanahy masina koa no manampy antsika hahazo sy hampihatra an’izay vakintsika ao amin’ny Baiboly. (Jaona 14:26; 2 Pet. 1:21) Mbola io fanahy io ihany no ampiasain’i Jehovah mba hanomezana antsika “hery fanampiny.” (2 Kor. 4:7) Manampy antsika izy io mba hahavita hitory ny vaovao tsara, handresy fakam-panahy, hiatrika ny hakiviana, ary hiaritra olana. Ny fanahy masina koa no mahatonga antsika hanana an’ireo toetra tsara antsoina hoe “vokatry ny fanahy.” (Gal. 5:22) Vonona hanome fanahy masina ho an’izay olona matoky azy i Jehovah, raha mangataka azy io amin’ny fo izy ireo.​—Lioka 11:13.

15 Afaka miantehitra amin’ny fanahy masina ny mpanompon’i Jehovah mba hanampy azy ireo hanompo azy. Tsy mampahery anao ve izany? Rehefa ekenao ny fahamarinana nianaranao momba ny fanahy masina, dia hanohina ny fonao izany ka haniry hanokan-tena sy hatao batisa ianao.

16. Inona avy no nianarantsika hatreto?

16 Fanapahan-kevitra lehibe ny hoe manokan-tena ho an’Andriamanitra sy atao batisa. Hitantsika teo fa mila vonona hiatrika zava-tsarotra sy hamoy zavatra sasany ianao. Betsaka lavitra noho izay mety hafoinao anefa ny fitahiana ho azonao. Afaka mamonjy anao, ohatra, ny batisa sady manampy anao hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra. Hitantsika koa hoe ny fitiavanao an’i Jehovah no antony lehibe indrindra tokony handrisika anao hatao batisa. Tsy maintsy mino tanteraka an’izay voalazan’ny Baiboly momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina koa ianao. Rehefa avy nandinika ny fanazavana teo àry ianao, dia ahoana amin’izay no hamalianao an’ilay hoe: “Vonona hatao batisa ve aho?”

INONA NO TOKONY HATAONAO ALOHAN’NY BATISANAO?

17. Inona avy no tsy maintsy ataon’ny olona iray alohan’ny batisa?

17 Vonona hatao batisa àry ve ianao? Raha izany, dia azo antoka fa betsaka ny zavatra efa nataonao mba hahatonga anao hifandray tsara amin’i Jehovah. * Nianatra Baiboly tsy tapaka ianao, dia lasa mahalala zavatra be dia be momba an’i Jehovah sy Jesosy. Lasa manam-pinoana koa ianao. (Heb. 11:6) Matoky tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Baiboly ianao. Resy lahatra koa ianao hoe ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana, satria mino ny soron’i Jesosy. Tsy vitan’izany fa nibebaka ianao. Midika izany hoe nalahelo be ianao noho ny ratsy vitanao, ka nangataka famelan-keloka tamin’i Jehovah. Efa ‘niverina’ koa ianao, izany hoe niala tanteraka tamin’ny zava-dratsy fanaonao taloha, ary lasa manao izay mampifaly an’Andriamanitra. (Asa. 3:19) Nahafeno fepetra ho mpitory ianao ka nanomboka nitory niaraka tamin’ny fiangonana, ary tena mazoto miresaka amin’ny olona momba an’izay inoanao. (Mat. 24:14) Tena ilaina ireo rehetra ireo, ary mirehareha aminao i Jehovah noho ianao nanao an’ireo. Tena mampifaly ny fony ianao!​—Ohab. 27:11.

18. Inona koa no tokony hataonao alohan’ny batisa?

18 Mbola misy zavatra vitsivitsy tokony hataonao anefa alohan’ny hanaovana batisa anao. Efa hitantsika teo hoe mila manokan-tena ho an’i Jehovah ianao. Mila miresaka aminy mitokana ianao, dia mampanantena hoe hampiasa ny fiainanao mba hanaovana ny sitrapony. (1 Pet. 4:2) Ampahafantaro ny anti-panahy mpandrindra aorian’izay hoe te hatao batisa ianao. Hisy anti-panahy hafa hasainy hiresaka aminao avy eo. Aza matahotra ny hiresaka amin-dry zareo, satria azo inoana hoe efa mahafantatra anao ry zareo sady tena tia anao. Hodinihin’izy ireo miaraka aminao ny fampianarana fototra efa nianaranao tao amin’ny Baiboly. Tian-dry zareo ho azo antoka hoe azonao tsara ireo fampianarana ireo, ary mazava aminao fa fanapahan-kevitra lehibe ny hoe manokan-tena sy atao batisa. Rehefa hitan’izy ireo hoe vonona ianao, dia hampahafantariny anao hoe azo atao batisa ianao amin’ny fivoriamben’ny faritra na vondrom-paritra manaraka.

INONA NO TOKONY HATAONAO AORIAN’NY BATISANAO?

19-20. Inona no tokony hataonao aorian’ny batisanao, ary ahoana no hanaovanao an’izany?

19 Inona no tokony hataonao rehefa vita batisa ianao? * Tadidio hoe nivoady tamin’i Jehovah ianao rehefa nanokan-tena ho azy, ary manantena izy hoe hitana ny teninao ianao. Tokony hiaina mifanaraka amin’ilay voady nataonao àry ianao rehefa vita batisa. Ahoana no hanaovanao an’izany?

20 Miezaha hifandray akaiky amin’ny fiangonanao foana. Rehefa vita batisa ianao, dia lasa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. (1 Pet. 2:17) Fianakavianao ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonana. Vao mainka hinamana amin-dry zareo ianao rehefa mivory tsy tapaka. Vakio sy saintsaino isan’andro koa ny Tenin’Andriamanitra. (Sal. 1:1, 2) Rehefa avy mamaky azy io ianao, dia makà fotoana hieritreretana tsara an’izay novakinao. Hanohina ny fonao ilay izy amin’izay. “Mivavaha foana” koa. (Mat. 26:41) Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah ianao rehefa mivavaka amin’ny fo. Ankoatra izany, dia “katsaho foana ... aloha ny fanjakany.” (Mat. 6:33) Manao an’izany ianao raha ny fitoriana no zava-dehibe indrindra aminao. Hihamatanjaka ny finoanao raha mitory tsy tapaka ianao. Mety hanampy olon-kafa mba hanantena hiaina mandrakizay koa ianao.​—1 Tim. 4:16.

21. Inona no soa ho azonao raha atao batisa ianao?

21 Ny hanokan-tena sy hatao batisa no fanapahan-kevitra lehibe indrindra horaisinao. Marina fa mila mahafoy zavatra ianao ary hiatrika olana. Tsy ho matiantoka mihitsy anefa ianao raha manao an’izany! “Mihelina sy maivana” daholo mantsy ny zava-tsarotra mahazo anao eto amin’ity tontolo efa ho rava ity. (2 Kor. 4:17) Raha atao batisa koa ianao, dia hihatsara ny fiainanao dieny izao ary hahazo ny “tena fiainana” ianao amin’ny hoavy. (1 Tim. 6:19) Iangavianay àry ianao hivavaka sy hieritreritra tsara an’ilay fanontaniana hoe: “Vonona hatao batisa ve aho?”

HIRA 50 Manokan-tena ho Anao Aho, Jehovah

^ feh. 5 Mieritreritra ny hatao batisa ve ianao? Raha izany, dia natao ho anao mihitsy ity lahatsoratra ity. Hamaly fanontaniana lehibe momba ny batisa isika ato. Ho hitanao amin’izany raha vonona ianao.

^ feh. 19 Raha mbola tsy vitanao hatramin’ny farany ny fianarana an’ilay boky hoe Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly? sy ilay hoe “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, dia tokony hisy hampianatra anao mandra-pahavitanao azy ireo. (Ilay boky hoe Aza Miala Aminʼny FitiavanʼAndriamanitra indray ampiasaina rehefa mivoaka izy io.)