Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Iza ireo Jiosy mpiambina ny tempoly? Inona no andraikitr’izy ireo?

Betsaka ny andraikitry ny Levita tsy mpisorona. Niambina ny tempoly, ohatra, ry zareo ary mitovitovy amin’ny asan’ny polisy no nataony tamin’izany. Ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly no niandraikitra an-dry zareo. Nanazava ny asan’ireo mpiambina ireo ilay mpanoratra jiosy atao hoe Philon. Izao no nolazainy: “Nasaina nijoro teo amin’ireo varavarana fidirana ny sasany tamin’ireo [Levita ireo] mba hiambina. Ny sasany indray tao anatin’ny [faritry ny tempoly] teo anoloan’ny toerana masina. Nosakanan’izy ireo izay olona tsy nahazo alalana hiditra, na nanao fanahy iniana ilay olona na tsia. Nisy koa nivezivezy nanodidina ny tempoly mba hanara-maso izay nitranga. Nifandimby nanao an’izany ry zareo na andro na alina.”

Afaka nibaiko an’ireo mpiambina ireo ny Fitsarana Avo Jiosy. Ireo Jiosy mpiambina ireo ihany no navelan’ny Romanina hitondra fitaovam-piadiana.

Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Joachim Jeremias: ‘Rehefa nosamborina i Jesosy, dia nanontany an’ireo nisambotra azy izy hoe fa maninona no tsy tamin’izy nampianatra tao amin’ny tempoly no nosamborin-dry zareo. (Mat. 26:55) Tsy ho nanontany an’izany izy raha tsy anisan’ny mpiambina ny tempoly ireo olona ireo.’ Nihevitra io manam-pahaizana io hoe mpiambina ny tempoly koa ireo nirahina hisambotra an’i Jesosy talohan’izay. (Jaona 7:32, 45, 46) Tatỳ aoriana dia nasaina nisambotra ny mpianatr’i Jesosy sy nitondra an-dry zareo nankeo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy ny mpiambina ny tempoly sy ny lehiben’izy ireo. Azo inoana koa fa ry zareo no nitaritarika ny apostoly Paoly nankeny ivelan’ny tempoly.​—Asa. 4:1-3; 5:17-27; 21:27-30.