Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 15

Ahoana no Fahitanao ny Olona eny Amin’ny Saha?

Ahoana no Fahitanao ny Olona eny Amin’ny Saha?

“Atopazo ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.”​—JAONA 4:35.

HIRA 64 Mahafaly ny Asa Fijinjana

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no mety ho nahatonga an’i Jesosy hilaza an’ireo teny ao amin’ny Jaona 4:35, 36?

AVY nandalo tanimbary i Jesosy tamin’izay. (Jaona 4:3-6) Vary orza angamba no naniry teo, ary vao nitsiry ilay izy. Izao no nolazain’i Jesosy: “Atopazo ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.” (Vakio ny Jaona 4:35, 36.) Hoatran’ny hafahafa io teniny io, satria efa-bolana teo ho eo tatỳ aoriana vao tonga ny fijinjana. Inona àry no tiany hotenenina?

2 Mety ho fanangonana olona no tian’i Jesosy horesahina tamin’ilay hoe fijinjana. Nahoana? Eritrereto izay nitranga taloha kelin’izay: Nitory tamin’ny vehivavy samaritanina i Jesosy, dia nihaino ilay vehivavy. Zara raha nifandray tamin’ny Samaritanina anefa ny Jiosy. Nisy Samaritanina maromaro koa naheno an’ilay vehivavy niresaka momba an’i Jesosy, dia lasa te hahafantatra bebe kokoa. (Jaona 4:9, 39-42) Teny an-dalana ho any amin’i Jesosy ry zareo, tamin’i Jesosy niteny an’ilay hoe “efa masaka hojinjaina ny vokatra.” Izao no hazavain’ny boky iray momba an’io tantara io: “Maika hihaino an’i Jesosy ireo olona ireo. ... Hita amin’izany fa hoatran’ny voa efa masaka hojinjaina ry zareo”, izany hoe efa vonona ho lasa mpianatr’i Jesosy.

Inona no tokony hataontsika raha mino isika hoe “efa masaka hojinjaina ny vokatra” ao amin’ny faritanintsika? (Fehintsoratra 3)

3. Inona no ho vokany raha hoatran’ny an’i Jesosy no fiheveranao ny olona eny amin’ny saha?

3 Ary ianao? Ahoana no fahitanao ny olona eny amin’ny saha? Hoatran’ny voa efa masaka hojinjaina ve? Raha izany, dia izao no ho vokany: Voalohany, ho tsapanao kokoa hoe maika ny asa fitoriana. Voafetra mantsy ny fotoam-pijinjana, dia tsy azo atao ny mandanilany fotoana. Faharoa, ho faly ianao rehefa mahita olona mihaino. Milaza ny Baiboly hoe “mifaly amin’ny fotoam-pijinjana” ny olona. (Isaia 9:3) Fahatelo, lasa manantena ianao hoe mety ho lasa mpianatr’i Jesosy ny olona tsirairay ka hataonao mifanaraka amin’izay mahaliana azy ny fomba fitorinao.

4. Inona no ianarantsika avy amin’i Paoly?

4 Mety ho nanilikilika ny Samaritanina ny mpianatr’i Jesosy sasany. Tsy nanao an’izany anefa i Jesosy. Nieritreritra izy hoe mety ho lasa mpianany ireny olona ireny. Hoatr’izany no tokony hiheverantsika ny olona. Tena modely amin’izany koa ny apostoly Paoly. Inona no azontsika ianarana avy aminy? 1) Nahalala ny zavatra ninoan’ny olona nitoriany izy. 2) Nofantariny izay nahaliana an-dry zareo. 3) Nanantena izy hoe mety ho lasa mpianatr’i Kristy izy ireo. Hiresaka an’ireo isika izao.

INONA NO INOAN’IZY IREO?

5. Nahoana i Paoly no nahazo ny fomba fihevitry ny mpihaino azy tao amin’ny synagoga?

5 Nitory tao amin’ny synagogan’ny Jiosy i Paoly matetika. Tamin’izy tany amin’ny synagoga tany Tesalonika, ohatra, dia ‘niezaka nandresy lahatra ny Jiosy niorina tamin’ny Soratra Masina nandritra ny sabata telo.’ (Asa. 17:1, 2) Nahazo aina angamba i Paoly tamin’izy nitory tany amin’ny synagoga, satria izy Jiosy. (Asa. 26:4, 5) Nahazo tsara ny fomba fihevitry ny Jiosy izy, ka tsy natahotra nitory tamin’izy ireo.​—Fil. 3:4, 5.

6. Inona no tsy nampitovy ny olona nitorian’i Paoly tany amin’ny tsenan’i Atena sy tany amin’ny synagoga?

6 Voatery niala tany Tesalonika i Paoly rehefa nenjehina. Hoatr’izany koa no nitranga tany Beria. Tonga tany Atena izy tamin’ny farany. Nankany amin’ny synagoga indray izy rehefa tany, dia “niezaka nandresy lahatra ny Jiosy mbamin’ny olon-kafa nivavaka tamin’Andriamanitra.” (Asa. 17:17) Rehefa nitory tany an-tsena anefa izy, dia hafa ny olona nihaino azy. Tsy Jiosy no niresahany tany, ary filozofa ny sasany. Nihevitra ry zareo hoe nitondra “fampianarana vaovao” i Paoly. Hoy izy ireo: ‘Vaovao amin’ny sofinay izany lazainao izany.’​—Asa. 17:18-20.

7. Ahoana no nanovan’i Paoly ny fomba fitoriny, rehefa jerena ny Asan’ny Apostoly 17:22, 23?

7 Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:22, 23. Hafa mihitsy ny fomba nitorian’i Paoly tamin’ny olona hafa firenena tany Atena, fa tsy hoatran’ny nataony tamin’ny Jiosy tany amin’ny synagoga. Azo inoana fa nieritreritra izy hoe: ‘Inona re no inoan’ny olona eto Atena e?’ Nandinika tsara ny manodidina azy izy, dia nijery hoe inona no fombafomba ara-pivavahana narahin-dry zareo. Izay hevitra efa neken-dry zareo no nanombohany resaka, rehefa nampita ny fahamarinana avy ao amin’ny Soratra Masina izy. Hoy ny olona iray mpamakafaka teny ao amin’ny Baiboly: “Kristianina jiosy i Paoly, ka fantany fa tsy manompo an’ilay noheverin’ny Jiosy sy ny Kristianina hoe tena Andriamanitra ny Grika mpanompo sampy. Niezaka nampiseho anefa izy hoe tsy vaovao tamin’ny Atenianina ilay Andriamanitra noresahiny.” Hita amin’izany fa nataony nifanaraka tamin’izay olona hitany ny fomba fitoriny. Nilaza tamin’ny Atenianina izy hoe avy amin’ilay ‘Andriamanitra Tsy Fantatra’ nivavahan-dry zareo ny hafatra notoriny. Na dia tsy nahalala ny Soratra Masina aza ny hafa firenena, dia tsy nieritreritra i Paoly hoe tsy ho lasa Kristianina mihitsy ry zareo. Hoatran’ny voa efa masaka hojinjaina no fahitany ny Atenianina, ka nataony nifanaraka tamin’izay efa fantatr’izy ireo ny fomba fitoriny.

Manahaka an’i Paoly ianao raha mahay mandinika, mampifanaraka ny fomba fitorinao amin’izay mahaliana ny olona, ary manantena hoe mety ho lasa mpianatr’i Jesosy izy ireny (Fehintsoratra 8, 12, 18) *

8. a) Ahoana no hahafantaranao an’izay inoan’ny olona ao amin’ny faritaninareo? b) Ahoana no havalinao raha misy miteny hoe efa manana ny fivavahany izy?

8 Mila mahay mandinika isika, hoatran’i Paoly. Mitadiava zavatra hamantarana hoe inona no inoan’ny olona ao amin’ny faritaninareo. Hoatran’ny ahoana, ohatra, ny fomba nampihaingoiny ny tranony na ny fiarany? Hita amin’ny anarany na ny akanjony na ny paoziny na ny fomba fiteniny ve hoe inona no fivavahany? Mety ho nolazainy mivantana taminao koa hoe efa manana ny fivavahany izy. Rehefa sendra an’izany ny mpisava lalana manokana antsoina hoe Flutura, dia izao no avaliny: “Tsy ny hanery anao hanaraka ny zavatra inoako no nahatongavako eto. Mba te hiresaka aminao momba an’izao fotsiny aho: ...”

9. Inona, ohatra, no hevitra iombonantsika amin’ny mpivavaka sasany?

9 Mitadiava marimaritra iraisana rehefa miresaka amin’ny olona efa mpivavaka. Inona, ohatra, ny hevitra iombonanareo? Andriamanitra iray ihany angamba no ivavahany, hoatr’anao ihany. Na izy koa mino hoe i Jesosy no Mpamonjy, na hoe ratsy be ny fiainana amin’izao ary efa hifarana izany. Izay hevitra iombonanareo ampiasaina mba hampitana ny hafatra ao amin’ny Baiboly, ary ataovy izay hahatonga an’ilay izy hahaliana azy.

10. Inona no tokony hiezahantsika hatao, ary nahoana?

10 Tadidio hoe mety tsy hino an’izay rehetra ampianarina azy any amin’ny fivavahany ny olona. Raha hainao àry hoe inona no fivavahany, dia ezaho fantarina koa hoe inona no tena inoany. Hoy i David, mpisava lalana manokana any Aostralia: “Be dia be ny olona amin’izao no mampifangaro ny fivavahana amin’ny filozofia.” Izao indray no nolazain’i Donalta, any Albania: “Milaza ny olona sasany itorianay hoe manana ny fivavahany, nefa avy eo izy miteny indray hoe tsy tena mino an’Andriamanitra.” Voamariky ny rahalahy misionera iray any Arzantina koa hoe na dia milaza fa mino ny Trinite aza ny olona sasany, dia mety tsy hino akory hoe Andriamanitra iray ihany ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina. Hoy koa izy: “Rehefa fantatrao izany, dia mora kokoa ny mahita marimaritra iraisana.” Miezaha àry hamantatra hoe inona no tena inoan’ny olona. Afaka ny ho ‘tonga zava-drehetra amin’ny karazan’olona rehetra’ ianao amin’izay, hoatran’i Paoly.​—1 Kor. 9:19-23.

INONA NO MAHALIANA AZY IREO?

11. Araka ny Asan’ny Apostoly 14:14-17, ahoana no nataon’i Paoly mba hahatonga ny olona tao Lystra ho liana?

11 Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:14-17. Hitan’i Paoly hoe inona no nahaliana ny olona, dia nampifanarahany tamin’izany ny fomba fitoriny. Tsy nahalala ny Soratra Masina na zara raha nahalala azy io, ohatra, ny olona nitoriany tao Lystra. Izay hevitra mety ho azon’izy ireo àry no noresahiny, ohatra hoe fijinjana vokatra be dia be sy fahafahana mankafy fiainana. Teny sy ohatra mora azon’ny mpihaino no nampiasainy.

12. Ahoana no ahalalanao an’izay mahaliana ny olona? Ahoana no atao mba hifanaraka amin’izany ny fomba fitorinao?

12 Fantaro izay mahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo, dia ampifanaraho amin’izany ny fomba fitorinao. Inona, ohatra, no mety hamantaranao an’izay mahaliana an’ilay olona rehefa manatona azy na ny tranony ianao? Mila mandinika tsara ianao, hoatran’ilay teo ihany. Mikarakara zaridaina angamba izy, na mamaky boky, na manamboatra aotomobilina, na manao zavatra hafa. Maninona raha izay ataony no anombohana resaka? (Jaona 4:7) Na ny akanjony aza mety hahalalana ny momba azy, ohatra hoe ny fireneny, na ny asany, na ny ekipa mpanao spaoro tiany indrindra. Hoy i Gustavo: “Niresaka tamin’ny ankizilahy 19 taona aho indray mandeha. Nisy sarina mpihira malaza ny akanjony, dia nanontaniako momba an’izany izy. Nohazavainy tamiko avy eo hoe inona no itiavany an’ilay mpihira. Lasa nianatra Baiboly izy vokatr’izany, dia efa rahalahintsika izy izao.”

13. Rehefa manasa olona hianatra Baiboly ianao, dia inona no azonao atao mba hahatonga an’ilay izy hanintona azy?

13 Rehefa manasa olona hianatra Baiboly ianao, dia ataovy izay hahatonga an’ilay izy hanintona azy. Asehoy azy hoe maninona ilay izy no tena ilainy. (Jaona 4:13-15) Liana, ohatra, ny vehivavy iray nitorian’ny anabavy atao hoe Hester, dia nampandroso azy tao an-trano. Nisy diplaoma hitan’i Hester teo amin’ny rindrina, dia izay no nahafantarany hoe manam-pahaizana momba ny fampianarana ilay olona. Nohazavainy taminy àry hoe mampianatra koa isika, satria isika mampianatra Baiboly sy mandamina fivoriana. Nanaiky hianatra ilay vehivavy, dia nandeha nivory ny ampitson’iny. Namonjy fivoriamben’ny faritra koa izy taoriana kelin’izay, ary natao batisa herintaona tatỳ aoriana. Eritrereto àry izao: ‘Inona no mahaliana ny olona tsidihiko? Rehefa manasa azy ireo hianatra Baiboly aho, dia inona no azoko atao mba hahatonga an’ilay izy hanintona azy?’

14. Ahoana no azonao atao mba hifanaraka amin’izay ilain’ny mpianatrao tsirairay ny zavatra ampianarinao?

14 Ahoana indray raha nanomboka fampianarana Baiboly ianao? Manomàna foana isaky ny hampianatra an’ilay olona, dia eritrereto ny momba ny fianakaviany, ny fianarana nataony, ny zavatra iainany, ary izay mahaliana azy. Rehefa manomana ianao, dia fidio izay andinin-teny hovakina mandritra an’ilay fianarana sy izay video hasehonao azy ary izay fanoharana tianao hampiasaina mba hanazavana hevitra. Eritrereto hoe: ‘Inona no tena hahaliana azy sy hanohina ny fony?’ (Ohab. 16:23) Izany no nataon’ny mpisava lalana atao hoe Flora, any Albania. Nanizingizina ilay vehivavy nampianariny hoe: “Tsy mino an’izany fitsanganana amin’ny maty izany mihitsy aho!” Tsy nanery azy hino an’izany àry i Flora. Hoy izy: “Hitako hoe nila nahafantatra an’ilay Andriamanitra mampanantena hanangana ny maty aloha izy.” Isaky ny nampianatra azy àry i Flora nanomboka teo, dia nasongadiny hoe be fitiavana sy hendry ary tena mahery i Jehovah. Lasa mora kokoa tamin’ilay vehivavy ny nino ny fitsanganana amin’ny maty, tatỳ aoriana. Vavolombelon’i Jehovah izy izao ary tena mazoto.

TADIDIO HOE METY HO LASA MPIANATR’I JESOSY IZY IREO

15. Inona no nahasorena an’i Paoly tany Atena, araka ny Asan’ny Apostoly 17:16-18? Nahoana anefa izy no nitory tamin’ny Atenianina ihany?

15 Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:16-18. Feno sampy tao Atena sady ratsy fitondran-tena ny olona tao, ary nanaraka ny filozofian’ny mpanompo sampy. Tsy navelan’i Paoly hahakivy azy anefa izany. Naneso azy koa ry zareo nefa nitory tamin-dry zareo ihany izy. Na i Paoly aza mantsy lasa Kristianina ihany, nefa “mpanevateva an’Andriamanitra” izy taloha “sady mpanenjika no mpanambany olona.” (1 Tim. 1:13) Natoky i Jesosy hoe mety ho lasa mpianany i Paoly. Nanantena koa i Paoly hoe mety ho lasa mpianatr’i Jesosy ny Atenianina, ary tsy diso fanantenana izy.​—Asa. 9:13-15; 17:34.

16-17. Inona no porofo fa mety ho lasa mpianatr’i Kristy ny olona isan-karazany?

16 Nisy olona isan-karazany lasa mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Hoatr’izany ny fiangonana tao Korinto, any Gresy. Rehefa nanoratra ho azy ireo i Paoly, dia nilaza fa mpanao heloka bevava na ratsy fitondran-tena be ny sasany tamin-dry zareo taloha. Hoy izy: “Efa toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa madio tsara ianareo.” (1 Kor. 6:9-11) Raha ianao no nitory tamin-dry zareo, dia ho nanantena ve ianao hoe hiova sy ho lasa mpianatr’i Jesosy ry zareo?

17 Be dia be amin’izao no vonona hiova mba ho lasa mpianatr’i Jesosy. Niaiky an’izany i Yukina, mpisava lalana manokana any Aostralia. Hitany hoe tena mety handray ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny olona isan-karazany. Tany amin’ny orinasa mpivarotra tany sy trano izy indray mandeha, dia nihaona tamin’ny ankizivavy nisy tatoazy sady nanao akanjo mivareraka be. Hoy i Yukina: “Nisalasala aho tamin’ny voalohany, fa niresaka taminy ihany avy eo. Hay izy liana be tamin’ny Baiboly! Ny sasany tamin’ny tatoaziny aza andinin-teny avy ao amin’ny Salamo.” Lasa nianatra Baiboly ilay ankizivavy ary nivory. *

18. Nahoana isika no tsy tokony hitsaratsara olona?

18 Marina fa nilaza i Jesosy hoe masaka hojinjaina ny saha. Midika ve izany fa nanantena izy hoe ho lasa mpanara-dia azy ny ankamaroan’ny olona? Tsy izany mihitsy. Na ny Soratra Masina aza efa nilaza hoe vitsy ihany no hino an’i Jesosy. (Jaona 12:37, 38) Izy koa mahay mamantatra ny any am-pon’ny olona, dia azo inoana fa fantany hoe vitsy ny olona hino azy. (Mat. 9:4) Nifantoka tamin’ireo olona vitsy ireo izy, dia izay no nilazany hoe efa masaka hojinjaina ny saha. Na izany aza, dia nazoto nitory tamin’ny olona rehetra izy. Tsy hoatran’i Jesosy isika, satria tsy mahay mamantatra ny any am-pon’ny olona. Tsy vao mainka àry ve isika mila mitandrina mba tsy hitsaratsara ny faritany iasantsika na ny olona itoriantsika? Mila manantena isika hoe mety ho lasa mpianatr’i Jesosy ny olona. Hoy i Marc, misionera any Burkina Faso: “Tsy mianatra intsony matetika ny olona eritreretiko ho lasa mpanompon’i Jehovah, fa ny olona tsy ampoiziko indray no tena mandroso. Dia hitako hoe tsara kokoa ny manaiky hotarihin’ny fanahy masina.”

19. Ahoana no tokony ho fahitantsika ny olona eny amin’ny faritany?

19 Mieritreritra angamba ianao hoe hoatran’ny vitsy kely ny olona azo oharina amin’ny voa efa masaka hojinjaina ao amin’ny faritaninareo. Tadidio anefa ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany, hoe efa masaka hojinjaina ny vokatra. Afaka miova àry ny olona ka lasa mpianatr’i Kristy. Sarobidy amin’i Jehovah ireny olona ireny. (Hag. 2:7) Raha mitovy amin’ny an’i Jehovah sy Jesosy no fahitantsika ny olona, dia hiezaka hamantatra ny mombamomba azy sy izay mahaliana azy isika. Hanantena foana koa isika hoe mety mbola ho lasa rahalahy sy anabavintsika izy ireny.

HIRA 57 Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra

^ feh. 5 Ahoana no fiheveranao ny olona ao amin’ny faritany? Zava-dehibe izany satria misy vokany amin’ny fomba fitorinao sy ny fomba fampianatrao. Hodinihintsika ato hoe ahoana no fahitan’i Jesosy sy ny apostoly Paoly ny olona nitoriany. Horesahintsika koa hoe manahaka azy ireo isika rehefa mihevitra an’izay inoan’ny olona sy izay mahaliana azy ireny, sady manantena foana hoe mety ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy izy ireny.

^ feh. 17 Misy tantaran’olona maro niova ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly.” Nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana izy io taloha. Mivoaka ao amin’ny jw.org® indray anefa izy io nanomboka tamin’ny 2017. Jereo ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY > FITANTARANA.

^ feh. 57 SARY: Mpivady mitory isan-trano dia mandinika tsara. Ireto avy no hitany: 1) Trano voakarakara tsara sy voaravaka voninkazo. 2) Trano misy fianakaviana manan-janaka kely. 3) Trano tsy voakarakara na ny anatiny na ny ivelany. 4) Tranona mpivavaka. Iza amin’izy ireo no tena eritreretinao hoe mety ho lasa mpianatr’i Jesosy?