LAHATSORATRA FIANARANA 14

Mpanafika avy any Avaratra!

Mpanafika avy any Avaratra!

“Misy firenena ... miakatra mamely ny taniko.”​—JOELA 1:6.

HIRA 95 Mihamazava ny Lalantsika

HO HITANAO ATO *

1. Ahoana no nataon-dry Rahalahy Russell rehefa nianatra Baiboly? Inona no porofo hoe nety tsara ny fomba fianatr’izy ireo?

NANOMBOKA niara-nandinika ny Tenin’Andriamanitra ny Rahalahy Russell sy ny namany vitsivitsy, 100 taona mahery lasa izay. Tian-dry zareo ho fantatra hoe inona marina no lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah Andriamanitra, Jesosy Kristy, ny vidim-panavotana, ary hoe manao ahoana ny maty. Tsotra ny fomba fianatr’izy ireo: Misy iray mametraka fanontaniana, dia avy eo ry zareo mijery ny andinin-teny rehetra mifandray amin’iny. Soratany hoe inona no hevitra hitany avy amin’ilay fikarohana, amin’ny farany. Nampian’i Jehovah ireo Kristianina ireo, ka nahita fahamarinana fototra be dia be. Mbola sarobidy amintsika hatramin’izao izy ireny.

2. Nahoana isika no mety hanatsoaka hevi-diso rehefa mandinika faminaniana?

2 Hitan’ireo mpianatra Baiboly ireo anefa hoe sarotra kokoa ny mahazo ny tena dikan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, raha oharina amin’ny fampianarana fototra. Nahoana? Voalohany, satria matetika no tsy azo tsara ny faminaniana raha tsy efa tanteraka, na mandritra ny fotoana ahatanterahany. Faharoa, mila mahazo ny teny manodidina isika izay vao hazava tsara ny tena dikan’ny faminaniana iray. Raha ny lafiny iray amin’ilay faminaniana fotsiny no ifantohana, dia mety hanatsoaka hevi-diso isika. Hoatran’ny hoe izany mihitsy anefa no nataontsika rehefa nandinika ny faminaniana iray ao amin’ny bokin’i Joela. Andao hodinihina indray io faminaniana io, dia horesahintsika hoe nahoana no mila ahitsy ny fahazoantsika azy.

3-4. Ahoana no fahazoantsika an’ilay faminaniana ao amin’ny Joela 2:7-9 hatramin’izay?

3 Vakio ny Joela 2:7-9. Naminany i Joela hoe hisy andiam-balala handravarava an’i Israely. Hoatran’ny an’ny liona ny nifin’izy ireo sy ny valanoranony, ary tsy hisy hataony miangana ny zavamaniry any. (Joela 1:4, 6) Nieritreritra isika nandritra ny taona maro hoe ny fitoriana ataon’ny mpanompon’i Jehovah no tian’io faminaniana io horesahina. Tsy mitsahatra mitory mantsy isika, hoatran’ny andiam-balala tsy mety voasakana mihitsy. Nieritreritra koa isika hoe hisy vokany be amin’ilay ‘tany’ ny hafatra torintsika, izany hoe hisy vokany be amin’ny olona eo ambany fahefan’ny mpitondra fivavahana. *

4 Raha ny Joela 2:7-9 fotsiny no vakintsika, dia hoatran’ny hoe marina ny fahazoantsika an’ilay faminaniana. Rehefa dinihina anefa ny teny manodidina, dia hita hoe hafa mihitsy no dikan’ilay izy. Nahoana? Andao isika handinika antony efatra.

INONA NO ANTON’ILAY FANITSIANA?

5-6. Inona no fanontaniana mipetraka rehefa jerena ny a) Joela 2:20? b) Joela 2:25?

5 Inona no antony voalohany? Mariho izay nolazain’i Jehovah: “Hataoko lavitra anareo ilay tavaratra.” (Joela 2:20) Ilay andiam-balala no antsoina hoe “tavaratra” eo. Raha ny Vavolombelon’i Jehovah mankatò an’ilay didin’i Jesosy mba hitory sy hanao mpianatra io andiam-balala io, dia hitombina ve hoe horoahin’i Jehovah izy ireo? (Ezek. 33:7-9; Mat. 28:19, 20) Mazava ho azy fa tsia! Tsy ny mpanompony tsy mivadika àry no horoahin’i Jehovah, fa zavatra manimba ny vahoakany na olona mitady hanisy ratsy azy ireo.

6 Ao amin’ny Joela 2:25 ny antony faharoa. Izao no lazain’i Jehovah ao: “Honerako ny fahavoazanareo tamin’ireo taona nandripahan’ny valala.” Mariho fa mampanantena i Jehovah hoe ‘hanonitra ny fahavoazana’ vokatry ny nataon’ireo valala. Raha mpitory ilay Fanjakana ireo valala ireo, dia hitondra fahavoazana ve ny hafatra toriny? Tsy mitombina izany. Mety hahatonga ny ratsy fanahy hibebaka mantsy io hafatra mamonjy aina io, ary fitahiana izany fa tsy fahavoazana.​—Ezek. 33:8, 19.

7. Nahoana no manampy antsika hahazo kokoa an’ilay faminaniana ilay teny hoe “aorian’izany” ao amin’ny Joela 2:28, 29?

7 Vakio ny Joela 2:28, 29. Ny filahatry ny zava-mitranga resahin’ilay faminaniana no antony fahatelo. Mariho fa nilaza i Jehovah hoe “aorian’izany” dia handatsaka ny fanahiny izy, izany hoe rehefa avy mamita ny asany ilay andiam-balala. Raha mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra ireo valala ireo, dia maninona no aorian’ny fitorian’izy ireo i Jehovah vao hanome azy ireo ny fanahiny? Tsy ho nahavita nitory mihitsy ry zareo, raha ny marina, nandritra an’izay taona maro izay, raha tsy teo ny fanahy maherin’Andriamanitra. Nenjehina mantsy ry zareo ary indraindray aza norarana mihitsy ny asany.

Tsy natahotra nitory ny didim-pitsaran’i Jehovah ho an’ity tontolo ratsy ity ny Rahalahy Rutherford sy ny voahosotra hafa (Fehintsoratra 8)

8. Iza ilay andiam-balala resahin’ny Apokalypsy 9:1-11? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

8 Vakio ny Apokalypsy 9:1-11. Andao isika handinika ny antony fahefatra. Misy faminaniana mitovitovy amin’ilay resahin’i Joela ao amin’ny Apokalypsy, ary miresaka andiam-balala koa izy io. Izany no nahatonga antsika hampifandray an’ilay andiam-balala resahin’i Joela tamin’ny asa fitoriana. Hoatran’ny tarehin’olona ny tarehin’ireo valala resahin’ny Apokalypsy, ary “nisy toa satroboninahitra hoatran’ny volamena” teo amin’ny lohany. Ampijalin’izy ireo mandritra ny dimy volana izay olona “tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny”, izany hoe ny fahavalon’Andriamanitra. Ny voahosotra no resahina amin’io faminaniana ao amin’ny Apokalypsy io. Tsy matahotra izy ireo mitory ny didim-pitsaran’i Jehovah ho an’ity tontolo ratsy ity. Vokatr’izany, dia mahatsiaro ho mijaly izay olona manohana an’ity tontolo ity.

9. Inona no tena tsy mampitovy ny valala hitan’i Joela sy Jaona?

9 Marina hoe misy itovizany ilay faminaniana ao amin’ny Apokalypsy sy ilay ao amin’ny Joela. Misy tena tsy mampitovy azy ireo koa anefa. Manimba voly, ohatra, ny valala ao amin’ilay faminanian’i Joela. (Joela 1:4, 6, 7) Ny valala ao amin’ny fahitan’i Jaona indray anefa nilazana “mba tsy hanimba ny zavamaniry amin’ny tany.” (Apok. 9:4) Avy any avaratra ny valala resahin’i Joela. (Joela 2:20) Ilay andiam-balala hitan’i Jaona kosa avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. (Apok. 9:2, 3) Noroahina ny valala resahin’i Joela. Tsy hoatr’izany kosa ny valala ao amin’ny Apokalypsy fa navela hamita ny asany. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe tsy faly tamin’izy ireo i Jehovah.​—Jereo ilay hoe “ Inona no Tsy Mampitovy An’ireo Faminaniana Momba ny Valala?

10. Nahoana isika no afaka milaza fa samy hafa ny valala resahina ao amin’ny Joela sy ao amin’ny Apokalypsy?

10 Rehefa dinihina àry ny tsy mampitovy an’ireo faminaniana ireo, dia afaka milaza isika hoe tsy misy ifandraisany izy ireo. Tsy mitovy ve izany ny valala resahin’i Joela sy ny valala resahin’ny Apokalypsy? Izany mihitsy. Mety hisy zavatra raisina ho ohatra ao amin’ny Baiboly, nefa tsy voatery hitovy foana ny dikan’ilay izy arakaraka ny ampiasana azy. Hoatr’izany izao ilay hoe “liona.” Antsoina hoe “liona avy amin’ny fokon’i Joda” i Jesosy ao amin’ny Apokalypsy 5:5. Ny Devoly indray anefa no antsoina hoe “liona mierona” ao amin’ny 1 Petera 5:8. Rehefa jerena àry ny antony efatra noresahintsika teo, dia hita hoe mila mitady fanazavana vaovao momba ny faminanian’i Joela isika. Andao hojerentsika hoe inona no mety ho dikan’izy io.

INONA NO DIKAN’ILAY FAMINANIANA?

11. Inona ireo valala resahin’ilay faminaniana, ary aiza ao amin’ny Joela 1:6; 2:1, 8, 11 no manamarina an’izany?

11 Rehefa tena dinihina ny teny manodidina ao amin’ilay faminanian’i Joela, dia hita hoe fanafihan’ny miaramila no tiany horesahina. (Joela 1:6; 2:1, 8, 11) Nilaza i Jehovah hoe hampiasa ny ‘tafiny lehibe’ izy, izany hoe ny tafika babylonianina, mba hanasaziana ny Israelita tsy nankatò. (Joela 2:25) Mety tsara raha antsoina hoe “tavaratra” io tafika io, satria avy any avaratra ry zareo no hanafika ny Israelita. (Joela 2:20) Oharina amin’ny andiam-balala voalamina tsara izy io. Milaza i Joela hoe ‘miroso hatrany amin’ny lalany’ ny miaramila tsirairay. Hoy koa izy: “Mirohotra mankao an-tanàna izy ireo, ary mihazakazaka eny ambony manda. Mananika trano izy, ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra.” (Joela 2:8, 9) Mba alao sary an-tsaina ange izany e! Feno miaramila ny tanàna. Tsy misy toerana azo iafenana, ary tsy misy afaka mitsoaka ny sabatry ny Babylonianina!

12. Ahoana no nahatanterahan’ilay faminanian’i Joela momba ny valala?

12 Hoatran’ny valala ny Babylonianina (na Kaldeanina) rehefa nanafika an’i Jerosalema, tamin’ny 607 T.K. Hoy ny Baiboly: ‘Namono ny zatovon’izy ireo tamin’ny sabatra ny mpanjakan’ny Kaldeanina. Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny osa. Natolotr’Andriamanitra teo an-tanany daholo ny zava-drehetra. Dia nodorany ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny mandan’i Jerosalema. Nodoran’izy ireo koa ny tilikambo fonenana rehetra teo aminy, mbamin’ny zava-tsarobidiny rehetra, ka rava avokoa ny zava-drehetra.’ (2 Tan. 36:17, 19) Nataon’ny Babylonianina tsy nisy niangana ilay tanàna! Taorian’izay, dia nilaza ny olona hoe: “Tany lao tsy misy olona na biby fiompy ity, sady efa natolotra teo an-tanan’ny Kaldeanina.”​—Jer. 32:43.

13. Hazavao ny tiana horesahina ao amin’ny Jeremia 16:16, 18.

13 Nasain’i Jehovah nilaza faminaniana hafa momba an’io fanafihana io koa i Jeremia, 200 taona teo ho eo taorian’ny faminanian’i Joela. Nilaza i Jehovah hoe hikaroka hatraiza hatraiza ny mpanafika mba hahitana an’izay Israelita nanao ratsy, ary tsy maintsy ho tratra izy ireo. “‘Haniraka mpanjono maro aho mba hanjono azy’, hoy i Jehovah. ‘Dia haniraka mpihaza maro aho mba hihaza azy eny an-tendrombohitra sy havoana rehetra ary eny an-tsefatsefaky ny harambato. ... Hovaliako ny fahadisoany rehetra sy ny fahotany.’” Na ho any an-dranomasina ny Israelita tsy mibebaka na ho any anaty ala, dia tsy ho afaka hiafina ny Babylonianina mihitsy.​—Jer. 16:16, 18.

VAOVAO TSARA!

14. Oviana ny Joela 2:28, 29 no tanteraka?

14 Misy vaovao tsara nolazain’i Joela avy eo. Nilaza izy hoe hamokatra be ilay tany. (Joela 2:23-26) Nilaza koa izy hoe ho be dia be ny olona hahalala ny fahamarinana amin’ny hoavy. Hoy mantsy i Jehovah: ‘Handatsahako ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra, ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany. Ary na ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny fanahiko.’ (Joela 2:28, 29) Tsy hoe vao tafaverina tany an-tanindrazany akory ny Israelita dia nandatsahan’i Jehovah ny fanahiny. Efa 600 taona teo ho eo tatỳ aoriana izany vao nitranga, tamin’ny Pentekosta taona 33. Ahoana no ahafantarantsika an’izany?

15. Araka ny Asan’ny Apostoly 2:16, 17, inona no novan’i Petera tamin’ny teny tao amin’ny Joela 2:28? Inona no dikan’izany?

15 Nahazo fanahy masina ny apostoly Petera, ka nilaza hoe tanteraka ny Joela 2:28, 29 rehefa nisy zava-mahagaga nitranga tamin’ny Pentekosta. Tamin’ny sivy ora maraina teo ho eo, dia nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny fomba mahagaga ny olona maromaro. Niresaka momba “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra” tamin’ny fiteny samihafa izy ireo vokatr’izany. (Asa. 2:11) Nanonona ny faminanian’i Joela i Petera tamin’izay, saingy tsy tena mitovy ny teny nampiasainy. Voamarikao ve hoe inona no novany? (Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:16, 17.) Tsy natombony tamin’ny hoe “aorian’izany” ilay andininy. Nilaza kosa izy hoe “ary amin’ny andro farany” dia handatsaka ny fanahiny amin’ny “karaza-nofo rehetra” Andriamanitra. Alohan’ny haharavan’i Jerosalema sy ny tempoly no tian’i Petera horesahina amin’ilay hoe “amin’ny andro farany.” Midika izany hoe efa ela be taorian’ny niverenan’ny Israelita tany an-tanindrazany vao tanteraka ilay faminaniana ao amin’ny Joela 2:28, 29.

16. Nanao ahoana ny asa fitoriana tamin’ny taonjato voalohany, taorian’ny nandatsahan’i Jehovah ny fanahiny masina? Ary manao ahoana ny fandrosoan’io asa io izao?

16 Taorian’ny nandatsahan’i Jehovah ny fanahiny masina tamin’ny taonjato voalohany vao tena nandroso be ny asa fitoriana. Rehefa nanoratra ny taratasiny ho an’ny Kolosianina ny apostoly Paoly tamin’ny taona 61 tany ho any, dia nilaza izy hoe efa notorina “tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara. (Kol. 1:23) Izay toerana rehetra fantatry ny olona tamin’ny andron’i Paoly no tiany horesahina tamin’ilay hoe “zavaboary rehetra.” Mbola mandroso be noho izany anefa ny asa fitoriana amin’izao androntsika izao, noho ny fanampian’ny fanahy maherin’i Jehovah. Miely “hatrany amin’ny faran’ny tany” mihitsy ny vaovao tsara!​—Asa. 13:47; jereo ilay hoe “ ‘Handatsahako ny Fanahiko’ ny Mpanompoko.”

INONA NO NIOVA?

17. Inona no niova tamin’ny fahazoantsika an’ilay faminanian’i Joela momba ny valala?

17 Inona no niova? Lasa marina kokoa izao ny fahazoantsika an’ilay faminaniana ao amin’ny Joela 2:7-9. Raha tsorina, dia tsy ny fitoriana ataontsika no tian’ireo andininy ireo horesahina, fa ny fanafihan’ny tafika babylonianina an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K.

18. Inona no tsy niova momba ny vahoakan’i Jehovah?

18 Inona kosa no tsy niova? Mbola mitory ny vaovao tsara hatraiza hatraiza foana ny mpanompon’i Jehovah, ary mampiasa ny fomba rehetra mba hanaovana an’izany. (Mat. 24:14) Na hosakantsakanan’ny fitondram-panjakana aza ny asa fitoriana, dia mbola hitory foana isika. Vao mainka isika mazoto sy sahy manao an’izany noho ny hatramin’izay, satria ampian’i Jehovah. Manetry tena isika ka miantehitra amin’i Jehovah mba hahazo tsara ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Matoky mantsy isika hoe ‘hitari-dalana antsika ho amin’ny fahamarinana’ izy amin’ny fotoana mety.​—Jaona 16:13.

HIRA 97 Ny Teninao no Ivelomanay

^ feh. 5 Nieritreritra isika nandritra ny taona maro hoe ny fitoriana ataontsika amin’izao andro izao no resahin’ny faminaniana ao amin’ny Joela toko 1 sy 2. Mila ahitsy anefa ny fahazoantsika an’io faminaniana io. Nahoana? Handinika antony efatra isika ato.

^ feh. 3 Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Hita eo Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’i Jehovah”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2009, fehintsoratra 14-16.