Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 17

‘Antsoiko hoe Namana Ianareo’

‘Antsoiko hoe Namana Ianareo’

“Antsoiko hoe namana ... ianareo, satria ampahafantariko anareo izay rehetra reko avy tamin’ny Raiko.”​—JAONA 15:15.

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

HO HITANAO ATO *

1. Ahoana no mahatonga ny olona ho lasa mpinamana be?

MATETIKA ny olona no lasa mpinamana rehefa miaraka sy mifampiresaka. Samy milaza ny eritreriny sy ny fihetseham-pony izy ireo, ka lasa mifandray am-po. Tsy mora hoatr’izany anefa ny hoe minamana be amin’i Jesosy fa mety hisy olana. Inona avy izany?

2. Inona no olana voalohany mety hisakana antsika tsy hinamana amin’i Jesosy?

2 Ny olana voalohany dia hoe mbola tsy nahita an’i Jesosy mihitsy isika. Hoatr’izany koa ny Kristianina maro tamin’ny taonjato voalohany. Na izany aza, dia hoy ny apostoly Petera: “Na mbola tsy hitanareo mihitsy aza i Kristy, dia tia azy ianareo. Ary na tsy hitanareo aza izy ankehitriny, dia mino azy ianareo.” (1 Pet. 1:8) Tena azo atao àry ny ho lasa naman’i Jesosy na dia mbola tsy nahita azy aza isika.

3. Inona no olana faharoa mety hisakana antsika tsy hinamana amin’i Jesosy?

3 Ny olana faharoa dia hoe tsy afaka miresaka amin’i Jesosy isika. I Jehovah no iresahantsika rehefa mivavaka, fa tsy i Jesosy. Marina fa ataontsika amin’ny anaran’i Jesosy ny vavaka, nefa tsy izy no iresahantsika. Tsy tian’i Jesosy hivavaka aminy koa isika, raha ny marina. Fa maninona? Satria anisan’ny fanompoana ny vavaka, ary i Jehovah irery ihany no tokony hotompoina. (Mat. 4:10) Na izany aza, dia afaka manao zavatra isika mba hampisehoana hoe tiantsika i Jesosy.

4. Inona no olana fahatelo mety hisakana antsika tsy hinamana amin’i Jesosy? Inona no hodinihintsika ato?

4 Ny olana fahatelo dia hoe i Jesosy mipetraka any an-danitra fa isika etỳ an-tany, dia tsy afaka miaraka aminy. Na izany aza, dia afaka mahafantatra zavatra betsaka momba azy isika. Horesahina ato ny zavatra efatra azo atao raha te hinamana kokoa amin’i Jesosy. Fa andao aloha isika hijery hoe nahoana no tena zava-dehibe ny mifandray akaiky aminy.

NAHOANA ISIKA NO MILA MINAMANA AMIN’I JESOSY?

5. Nahoana isika no tsy maintsy minamana amin’i Jesosy? (Jereo koa ilay hoe “ Lasa Naman’i Jehovah Isika Rehefa Naman’i Jesosy” sy ilay hoe “ Ahoana no Fiheveranao An’i Jesosy?”)

5 Tsy maintsy minamana amin’i Jesosy isika raha te hifandray tsara amin’i Jehovah. Nahoana? Handinika antony roa isika. Voalohany, nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: “Tia anareo ... ny Ray, satria ianareo efa tia ahy.” (Jaona 16:27) Hoy koa izy: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Tsy ho tafiditra ao amin’ny trano iray, ohatra, ianao raha tsy miditra amin’ny varavarana. Dia hoatr’izany koa raha te ho naman’i Jehovah. Tsy ho lasa namany mihitsy ianao, raha tsy mifandray akaiky amin’i Jesosy. Nampiasa ohatra mitovy amin’izany i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Izaho no vavahadin’ondry.” (Jaona 10:7) Faharoa, nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy. Niteny tamin’ny mpianany izy hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Tena mila mianatra momba ny fiainan’i Jesosy àry isika raha te hahafantatra an’i Jehovah. Raha manao an’izany isika, dia vao mainka ho tia an’i Jesosy. Ary rehefa mitombo ny fitiavantsika azy, dia hitombo koa ny fitiavantsika ny Rainy.

6. Nahoana koa isika no tsy maintsy minamana tsara amin’i Jesosy? Hazavao.

6 Tsy maintsy minamana amin’i Jesosy koa isika, raha te hahazo valim-bavaka. Tsy ampy ny milaza hoe “amin’ny anaran’i Jesosy” rehefa mivavaka. Tsy maintsy ekentsika koa hoe mampiasa azy i Jehovah mba hamaliana ny vavaka ataontsika. Hoy i Jesosy tamin’ny apostoly: “Izay rehetra angatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko.” (Jaona 14:13) Na dia i Jehovah aza no mihaino sy mamaly ny vavaka ataontsika, dia nomeny fahefana hanatanteraka ny fanapahan-keviny i Jesosy. (Mat. 28:18) Alohan’ny hamalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika àry, dia jereny aloha raha nampihatra ny torohevitr’i Jesosy isika. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Raha mamela ny heloky ny olona ianareo, dia hamela ny helokareo koa ny Rainareo any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny heloky ny olona kosa ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.” (Mat. 6:14, 15) Tena tokony ho tsara fanahy hoatran’i Jehovah sy Jesosy àry isika rehefa mifandray amin’ny hafa.

7. Iza no handray soa avy amin’ny sorom-panavotana?

7 Izay minamana tsara amin’i Jesosy ihany no handray soa avy amin’ny sorom-panavotana. Nilaza mantsy i Jesosy hoe ‘hahafoy ny ainy ho an’ny namany’ izy. (Jaona 15:13) Izay olona tsy nivadika ka niaina talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, dia mbola tsy maintsy hianatra momba azy sy hiezaka ho tia azy. Anisan’izany i Abrahama, Saraha, Mosesy, ary Rahaba. Na ireny olo-marina ireny aza dia tsy maintsy hiezaka ny ho naman’i Jesosy rehefa atsangana amin’ny maty. Mila manao an’izany ry zareo vao ho afaka hiaina mandrakizay.​—Jaona 17:3; Asa. 24:15; Heb. 11:8-12, 24-26, 31.

8-9. Araka ny Jaona 15:4, 5, hahavita inona isika raha minamana amin’i Jesosy? Nahoana isika no tokony ho “tafaray foana” amin’i Jesosy?

8 Faly isika hoe miara-miasa amin’i Jesosy, rehefa mitory sy mampianatra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Mpampianatra izy tamin’izy tetỳ an-tany. Mbola mitarika ny asa fitoriana sy fampianarana koa izy taorian’ny niverenany tany an-danitra, satria izy no lohan’ny fiangonana. Raha ny marina, dia tsy ho vitantsika izany asa izany raha tsy noho ny fanampian’i Jehovah sy Jesosy. (Vakio ny Jaona 15:4, 5.) Azo antoka fa manampy olona betsaka araka izay azo atao ianao mba hahafantatra azy sy ny Rainy. Matokia fa hitan’i Jesosy sy ankasitrahany ny ezaka ataonao.

9 Milaza mazava tsara ny Tenin’Andriamanitra hoe raha te hampifaly an’i Jehovah isika, dia tsy maintsy tia an’i Jesosy ary tia azy foana. Ahoana àry no hahatonga antsika ho naman’i Jesosy? Misy zavatra efatra azontsika atao.

AHOANA NO HAHATONGA ANTSIKA HO NAMAN’I JESOSY?

Inona avy no azonao atao mba ho lasa naman’i Jesosy? 1) Miezaha hahafantatra azy bebe kokoa. 2) Tahafo ny fomba fisainany sy izay nataony. 3) Ampio ireo rahalahiny voahosotra. 4) Araho ny lamina misy eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah (Fehintsoratra 10-14) *

10. Inona no zavatra voalohany tokony hataontsika raha te ho naman’i Jesosy?

10 1) Miezaha hahafantatra an’i Jesosy. Ahoana no hanaovana an’izany? Mila mamaky ny bokin’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona isika. Rehefa misaintsaina ny tantaran’i Jesosy ao amin’ireo boky ireo isika, dia ho hitantsika hoe tsara fanahy tamin’ny olona i Jesosy. Hanampy antsika ho tia sy hanaja azy izany. Tsy nataony hoatran’ny mpanompony, ohatra, ny mpianany na dia izy aza no Tompon’izy ireo. Nolazainy tamin’izy ireo kosa ny eritreriny sy ny fihetseham-pony. (Jaona 15:15) Niara-ory sy niara-nitomany tamin’izy ireo koa izy. (Jaona 11:32-36) Na ny fahavalony aza niaiky hoe lasa namany ny olona nanaiky ny hafatra notoriny. (Mat. 11:19) Raha hoatran’ny nitondran’i Jesosy ny mpianany no itondrantsika ny hafa, dia hifandray tsara kokoa amin’izy ireny isika. Tsy vitan’izany fa ho sambatra kokoa isika ary vao mainka ho tia sy hanaja an’i Kristy.

11. Inona no zavatra faharoa tokony hataontsika raha te ho naman’i Jesosy? Nahoana izany no tena ilaina?

11 2) Tahafo ny fomba fisainan’i Jesosy sy izay nataony. Vao mainka isika hinamana aminy, arakaraka ny hahafantarantsika tsara ny fomba fisainany sy hanahafantsika azy. (1 Kor. 2:16) Ahoana no hanahafantsika azy? Ny hanampy olona, ohatra, no noeritreretiny voalohany, fa tsy ny hampifaly ny tenany. (Mat. 20:28; Rom. 15:1-3) Nahafoy tena sy namela heloka izy, vokatr’izany. Tsy mora tezitra tamin’izay nolazain’ny olona momba azy izy. (Jaona 1:46, 47) Rehefa nisy olona nanao fahadisoana koa, dia tsy iny fahadisoana iny foana no ahatsiarovany an’ilay olona. (1 Tim. 1:12-14) Tena mila manahaka an’i Jesosy isika satria hoy izy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Maninona àry raha mandini-tena dia mieritreritra hoe: “Manahaka an’i Jesosy ve aho, ka manao izay rehetra azoko atao mba hihavanana foana amin’ny mpiara-manompo?”

12. Inona no zavatra fahatelo tokony hataontsika raha te ho naman’i Jesosy? Ahoana no hanaovantsika an’izany?

12 3) Ampio ny rahalahin’i Kristy. Amin’i Jesosy dia hoatran’ny hoe ataontsika ho azy mihitsy izay ataontsika ho an’ireo rahalahiny voahosotra. (Mat. 25:34-40) Asain’i Jesosy mitory sy mampianatra ny mpanara-dia azy. (Mat. 28:19, 20; Asa. 10:42) Manampy an’ireo rahalahiny voahosotra isika, rehefa manao izay tsara indrindra vitantsika amin’io asa io. Izany no fomba lehibe indrindra anampiantsika azy ireo. Tsy hahavita ny fitoriana maneran-tany izy ireo, raha tsy ampian’ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16) Anisan’ny ondry hafa àry ve ianao? Raha izany, dia tadidio fa isaky ny mandray anjara amin’ny fitoriana ianao, dia tsy mampiseho ny fitiavanao an’ireo voahosotra fotsiny, fa mampiseho ny fitiavanao an’i Jesosy koa.

13. Ahoana no azontsika ampiharana ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 16:9?

13 Lasa naman’i Jehovah sy Jesosy koa isika rehefa manome vola hanohanana ny asa asain’izy ireo atao. (Vakio ny Lioka 16:9.) Azontsika atao, ohatra, ny manome vola ho an’ny asa maneran-tany. Rehefa manao an’izany isika, dia manohana ny asa fitoriana any amin’ny faritra lavitra be, ny fanorenana sy fikojakojana Efitrano Fanjakana na trano hafa ampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary manampy ny tra-boina. Azontsika atao koa ny manome vola hanohanana ny fiangonana misy antsika sy izay olona fantatsika hoe sahirana. (Ohab. 19:17) Manohana ny rahalahin’i Kristy isika raha manao an’ireo.

14. Araka ny Efesianina 4:15, 16, inona no zavatra fahefatra tokony hataontsika raha te ho naman’i Jesosy?

14 4) Araho ny lamina misy eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Hifandray kokoa amin’i Jesosy, ilay lohan’ny fiangonana, isika raha mankatò an’ireo rahalahy voatendry hikarakara antsika. (Vakio ny Efesianina 4:15, 16.) Miezaka, ohatra, isika izao mba hampiasa tsara ny Efitrano Fanjakana rehetra. Noho izany, dia lasa natambatra ny fiangonana sasany, ary nisy fanovana tamin’ny faritany itorian’izy ireo. Lasa mahavita mitsitsy vola be ny fandaminana vokatr’izany, ka tsy lanilany foana ny vola fanomezana. Tsy maintsy nizatra an’ilay fiovana anefa ny mpitory sasany. Nasaina nifindra fiangonana mantsy izy ireo, nefa mety ho efa an-taonany maro no tao amin’ilay fiangonany taloha. Mety ho efa niraiki-po be tamin’ny mpiara-manompo tao ry zareo. Azo antoka fa faly be i Jesosy mahita hoe manaraka an’io lamina io ireo mpianany tsy mivadika ireo!

HO NAMAN’I JESOSY MANDRAKIZAY ISIKA

15. Hanao ahoana ny fifandraisantsika amin’i Jesosy amin’ny hoavy? Nahoana?

15 Hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo voahosotry ny fanahy masina. Manantena hiaraka amin’i Jesosy mandrakizay izy ireo, ka tena hahita azy sy hiresaka aminy. (Jaona 14:2, 3) Hanehoan’i Jesosy fitiavana sy hokarakarainy tsara koa ireo manantena hiaina eto an-tany. Hankafy ny fiainana homen’i Jehovah sy Jesosy izy ireo amin’izay, ary vao mainka hifandray akaiky amin’i Jesosy na dia tsy hahita azy aza.​—Isaia 9:6, 7.

16. Inona avy no fitahiana azontsika noho isika naman’i Jesosy?

16 Manasa antsika ho lasa namany i Jesosy, ary mahazo fitahiana be dia be isika rehefa manaiky an’izany. Dieny izao, ohatra, isika dia anehoany fitiavana sy ampiany. Lasa manantena hiaina mandrakizay koa isika. Fa ny tsara indrindra dia hoe lasa naman’ny Rain’i Jesosy isika, ary tsy misy sarobidy noho izany. Tombontsoa be àry ny antsoina hoe naman’i Jesosy!

HIRA 17 “Sitrako Tokoa”

^ feh. 5 Niaraka nandritra ny taona vitsivitsy i Jesosy sy ny apostoliny. Niara-niasa sy nifampiresaka ry zareo tao anatin’izany, ka lasa mpinamana be. Tian’i Jesosy ho namany koa isika. Tsy mora hoatran’ny tamin’izany andro izany anefa ny hoe ho lasa naman’i Jesosy amin’izao. Misy olana mety hisakana an’izany mantsy. Horesahintsika ato ny sasany amin’izany olana izany. Hahita soso-kevitra koa isika ato mba hanampiana antsika hinamana be amin’i Jesosy sy hinamana aminy foana.

^ feh. 55 SARY: 1) Afaka mianatra momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany isika mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. 2) Mila miezaka mihavana amin’ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana isika. 3) Manohana ny rahalahin’i Kristy isika rehefa manao izay tsara indrindra vitantsika eo amin’ny fanompoana. 4) Tsara koa raha manaiky ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy isika rehefa atambatra ny fiangonana.