LAHATSORATRA FIANARANA 20

Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’izao Andro Izao?

Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’izao Andro Izao?

“Hiroso ho any amin’izay hiafarany izy, ary tsy hisy hamonjy.”—DAN. 11:45.

HIRA 95 Mihamazava ny Lalantsika

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no hodinihintsika ato?

EFA miaina amin’ny tapany farany amin’ny andro farany isika izao, ary mbola betsaka noho ny hatramin’izay ny porofo manamarina an’izany. Tsy ho ela i Jehovah sy Jesosy Kristy dia handringana ny fitondrana rehetra manohitra ny Fanjakany. Mbola hiady foana anefa aloha ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo mandra-pahatongan’izany. Mbola hampahory ny vahoakan’i Jehovah foana koa izy ireo.

2 Handinika an’ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 11:40–12:1 isika ato amin’ity lahatsoratra ity. Ho hitantsika amin’izany hoe iza no mpanjakan’ny avaratra amin’izao andro izao. Hodinihintsika koa hoe nahoana isika no afaka ny ho tony sy hatoky hoe hamonjy antsika i Jehovah na inona na inona mitranga.

MISY MPANJAKAN’NY AVARATRA VAOVAO

3-4. Iza no mpanjakan’ny avaratra amin’izao? Nahoana?

3 Rava ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1991. Nahazo “famonjena kely” àry ny vahoakan’i Jehovah nipetraka tany, izany hoe nahazo fahafahana nandritra ny fotoana fohy. (Dan. 11:34) Noho izany, dia afaka nitory tsara indray ry zareo. Tsy ela dia lasa ana hetsiny ny mpitory tany amin’ireo firenena anisan’ny Firaisana Sovietika taloha. I Rosia sy ny firenena mpanohana azy indray no lasa mpanjakan’ny avaratra, taona maromaro taorian’izay. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe mila manao an’ireto zavatra telo ireto ny fitondrana iray, izay vao azo antsoina hoe mpanjakan’ny avaratra na mpanjakan’ny atsimo: 1) Manenjika ny vahoakan’Andriamanitra na mitondra ao amin’ny tany be mpanompon’i Jehovah, 2) mampiseho amin’ny ataony hoe mankahala an’i Jehovah sy ny mpanompony, ary 3) mifaninana amin’ilay mpanjaka iray hafa.

4 Fa maninona isika no milaza hoe i Rosia sy ny mpanohana azy no mpanjakan’ny avaratra amin’izao? Mariho ireto: 1) Mampahory ny vahoakan’i Jehovah izy ireo rehefa mandrara ny asa fitoriana sady manenjika rahalahy sy anabavy ana hetsiny mipetraka ao amin’ny faritany feheziny. 2) Asehony amin’izany hoe mankahala an’i Jehovah sy ny vahoakany izy ireo. 3) Mifaninana amin’ny mpanjakan’ny atsimo izy ireo, izany hoe mifaninana amin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Handinika an’ireo amin’ny an-tsipiriany isika izao, mba hanamafisana fa i Rosia sy ny mpanohana azy tokoa no mpanjakan’ny avaratra.

MIFANOSIKA FOANA IREO MPANJAKA ROA

5. Inona no resahin’ny Daniela 11:40-43?

5 Vakio ny Daniela 11:40-43. Zava-mitranga mandritra ny fotoanan’ny farany no resahin’io faminaniana io. Ny ady ifanaovan’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo no tena misongadina ao. Milaza ilay faminaniana hoe “hifanosika” amin’ny mpanjakan’ny avaratra ny mpanjakan’ny atsimo, mandritra ny fotoanan’ny farany.—Dan. 11:40.

6. Inona no mampiseho fa mifanosika ireo mpanjaka roa?

6 Mifaninana foana ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo, satria samy te ho lasa fanjakana matanjaka indrindra eran-tany. Rehefa tapitra, ohatra, ny Ady Lehibe II, dia lasa nifehy faritra betsaka tany Eoropa ny Firaisana Sovietika sy ny mpanohana azy. Inona no nataon’ny mpanjakan’ny atsimo vokatr’izany? Nifanaraka tamin’ny firenena maromaro izy hoe hatambatra ny tafik’izy ireo mba hiadiana amin’ny mpanjakan’ny avaratra. Nanangana fikambanana ry zareo, ary nomeny anarana hoe OTAN ilay izy. Mifaninana koa ireo mpanjaka roa ireo amin’ny resaka fitaovam-piadiana. Mandany vola be mihitsy ry zareo mba hanamboarana fitaovam-piadiana mahery vaika. Tsy vitan’izany fa niady koa ry zareo, na dia tsy nivantana be aza. Rehefa nisy ady mantsy tany Afrika sy Azia ary Amerika Latinina, dia nanohana ny fahavalon’ny andaniny ny ankilany. Nihanahery be i Rosia sy ny mpanohana azy tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa. Mampiasa programa amin’ny ordinatera koa ry zareo rehefa miady amin’ny mpanjakan’ny atsimo. Mifampiampanga ireo mpanjaka roa ireo hoe mampiasa programa amin’ny ordinatera ilay mpanjaka fahavalony mba hanimbana ny toe-karenany sy ny fitondrany. Mbola manafika ny vahoakan’Andriamanitra koa ny mpanjakan’ny avaratra, araka ny efa nolazain’i Daniela.—Dan. 11:41.

MIDITRA AO AMIN’ILAY “TANY KANTO” NY MPANJAKAN’NY AVARATRA

7. Inona ilay antsoina hoe “Tany Kanto”?

7 Milaza ny Daniela 11:41 fa hiditra ao amin’ilay “Tany Kanto” ny mpanjakan’ny avaratra. Tany ara-bakiteny izy io taloha, izany hoe ny tanin’ny Israely. Nantsoina hoe “ravaky ny tany rehetra” ny tanin’ny Israely, satria izy io no tsara tarehy indrindra tamin’ny tany rehetra. (Ezek. 20:6) Ny tena nampiavaka azy io anefa dia hoe nanompo an’i Jehovah ny olona tao. Tsy toerana ara-bakiteny intsony ilay “Tany Kanto” nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Maneran-tany mantsy no misy ny mpanompon’i Jehovah. Ny fomba fiainan’ny mpanompon’i Jehovah àry no atao hoe “Tany Kanto” amin’izao andro izao. Tafiditra amin’izany ny fanompoan’izy ireo an’i Jehovah amin’ny alalan’ny fivoriana sy ny fitoriana.

8. Inona no mampiseho fa niditra tao amin’ilay “Tany Kanto” ny mpanjakan’ny avaratra?

8 Niditra imbetsaka tao amin’ilay “Tany Kanto” ny mpanjakan’ny avaratra, nandritra ny andro farany. Rehefa mpanjakan’ny avaratra, ohatra, i Alemaina Nazia dia nanenjika sy namono ny vahoakan’i Jehovah izy, indrindra fa nandritra ny Ady Lehibe II. Niditra tao amin’ilay “Tany Kanto” koa ny Firaisana Sovietika rehefa lasa mpanjakan’ny avaratra, taorian’ny Ady Lehibe II. Nanenjika ny vahoakan’Andriamanitra koa mantsy io mpanjaka io, ka nandefa azy ireo tany an-tsesitany.

9. Inona no manaporofo fa niditra tao amin’ilay “Tany Kanto” i Rosia sy ny mpanohana azy?

9 Niditra tao amin’ilay “Tany Kanto” koa i Rosia sy ny mpanohana azy, nandritra an’ireo taona vitsivitsy lasa. Inona no manaporofo an’izany? Noraran’io mpanjakan’ny avaratra io ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary nogadrainy ny sasany amin’ireo rahalahy sy anabavintsika, tamin’ny 2017. Norarany koa ny boky sy gazety avoakantsika, anisan’izany ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy izay ihany fa nalainy koa ny biraon’ny sampana sy ny Efitrano Fanjakana ary ny Efitrano Fivoriambe. Izany no nahatonga ny Filan-kevi-pitantanana hilaza tamin’ny 2018 hoe i Rosia sy ny mpanohana azy no mpanjakan’ny avaratra. Na dia enjehina mafy aza anefa ny mpanompon’i Jehovah, dia tsy mandray anjara amin’ny fanonganam-panjakana ry zareo no sady tsy miezaka manova ny fitondrana. Manaraka ny lazain’ny Baiboly kosa ry zareo ka mivavaka “ho an’izay rehetra mitana toerana ambony”, indrindra raha mety hanakantsakana ny fanompoan’izy ireo ny fanapahan-keviny.—1 Tim. 2:1, 2.

HO RESIN’NY MPANJAKAN’NY AVARATRA VE NY MPANJAKAN’NY ATSIMO?

10. Ho resin’ny mpanjakan’ny avaratra ve ny mpanjakan’ny atsimo? Hazavao.

10 Ny zavatra hataon’ny mpanjakan’ny avaratra no tena resahin’ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 11:40-45. Midika ve izany fa ho resiny ny mpanjakan’ny atsimo? Tsia. Mbola ho “velona” mantsy ny mpanjakan’ny atsimo rehefa handringana ny fitondram-panjakana rehetra eto an-tany i Jehovah sy Jesosy, amin’ny ady Hara-magedona. (Apok. 19:20) Manamarina an’izany ny faminanian’i Daniela sy ny Apokalypsy.

Oharina amin’ny vato iray ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hoatran’ny sarivongana lehibe iray ny fitondran’olombelona. Handringana an’ireo fitondrana ireo ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny Hara-magedona (Fehintsoratra 11)

11. Inona no resahin’ny Daniela 2:43-45? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

11 Vakio ny Daniela 2:43-45. Niresaka momba ny sarivongana lehibe iray i Daniela mpaminany. Vita amin’ny metaly isan-karazany io sarivongana io, ary mampiseho fitondrana mifandimby sy manenjika ny vahoakan’Andriamanitra. Vita amin’ny vy sy tanimanga ny tongotr’ilay sarivongana, ary mampiseho ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Izy io no farany amin’ireo fitondrana mifandimby. Hita avy amin’io faminaniana io hoe mbola ho eo am-perinasa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina, rehefa handrava ny fitondram-panjakana rehetra eran-tany ny Fanjakan’Andriamanitra.

12. Iza no loha fahafiton’ilay bibidia, ary nahoana izany no mahaliana antsika?

12 Niresaka momba ny fitondram-panjakana maromaro mifandimby sy manjaka any amin’ny firenena misy mpanompon’i Jehovah koa ny apostoly Jaona. Ohariny amin’ny bibidia manana loha fito ireo fitondram-panjakana ireo, ary ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no loha fahafito. Mahaliana izany satria tsy hisy loha hafa hipoitra intsony aorian’izy io. Mbola ho eo amin’ny fitondrana àry ilay loha fahafito rehefa handringana azy io sy ny tapany hafa amin’ilay bibidia i Kristy sy ireo tafiny any an-danitra. *Apok. 13:1, 2; 17:13, 14.

INONA NO HATAON’NY MPANJAKAN’NY AVARATRA ATSY HO ATSY?

13-14. Iza i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”, ary inona no mety hahatonga azy hanafika ny vahoakan’i Jehovah?

13 Rehefa mandinika ny faminaniana ao amin’ny Ezekiela 38:10-23 isika, dia mahita hoe inona no mety hitranga alohan’ny handringanana ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo. Toa zava-mitranga iray ihany no resahin’io faminaniana io sy ny Daniela 2:43-45; 11:44–12:1 ary ny Apokalypsy 16:13-16. Raha izany, dia izao no ampoizintsika hoe hitranga:

14 Hitambatra ny “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina”, aorian’ny fiandohan’ny fahoriana lehibe. (Apok. 16:13, 14; 19:19) Ireo firenena maromaro mitambatra ireo no antsoin’ny Soratra Masina hoe “Goga avy any amin’ny tany Magoga.” (Ezek. 38:2) Hanafika farany ny vahoakan’i Jehovah izy ireo, ary hanao izay fara heriny mba hamongorana antsika. Fa inona no hahatonga an’i Goga hanafika antsika? Niresaka momba an’izany ny apostoly Jaona. Nilaza izy hoe nahita havandra vaventy be namely ny fahavalon’Andriamanitra. Didim-pitsarana tena henjana angamba ireo havandra ireo, ary ny vahoakan’i Jehovah no hilaza an’ilay izy. Io hafatra io no mety hahatonga an’i Goga hanafika ny vahoakan’i Jehovah sy hitady hamongotra azy ireo.—Apok. 16:21.

15-16. a) Mety ho inona ny zava-mitranga resahin’ny Daniela 11:44, 45? b) Inona no hanjo ny mpanjakan’ny avaratra sy ny firenena hafa anisan’i Goga avy any Magoga?

15 Miresaka momba an’ilay hafatra tena henjana sy ny fanafihan’ny fahavalon’Andriamanitra koa angamba ny Daniela 11:44, 45. (Vakio.) Milaza i Daniela ao hoe hisy “tatitra ... avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro sy avy any avaratra”, ary hampikorontan-tsaina ny mpanjakan’ny avaratra izany. Ho ‘tezitra mafy’ àry izy ka hitady “handringana olona maro.” Toa ny vahoakan’i Jehovah ireo “olona maro” ireo. * Ilay fanafihana farany hatao amin’ny vahoakan’i Jehovah angamba io resahin’i Daniela io.

16 Inona no hitranga rehefa hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ny mpanjakan’ny avaratra sy ny fitondram-panjakana hafa? Ho tezitra be ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, dia hanomboka ny ady Hara-magedona. (Apok. 16:14, 16) Ho ringana ny mpanjakan’ny avaratra amin’izay, ary “tsy hisy hamonjy” azy. (Dan. 11:45) Ho ringana miaraka aminy koa ny firenena hafa anisan’i Goga avy any Magoga.

Handringana ny tontolon’i Satana i Jesosy Kristy sy ny tafiny any an-danitra amin’ny ady Hara-magedona, sady hamonjy ny vahoakan’Andriamanitra (Fehintsoratra 17)

17. Iza i Mikaela, “ilay andriana lehibe” resahin’ny Daniela 12:1? Inona no ataony amin’izao, ary inona no hataony tsy ho ela?

17 Manome tsipiriany hafa momba ny hiafaran’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanohana azy, sy ny fomba hamonjena antsika ny andininy manaraka ao amin’ilay faminanian’i Daniela. (Vakio ny Daniela 12:1.) Inona no tian’io andininy io horesahina? Antsoina hoe Mikaela koa i Kristy Jesosy, ilay Mpanjakantsika. Nanomboka ‘nitsangana hiaro’ ny mpanompon’i Jehovah izy tamin’ny 1914, rehefa lasa mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Mbola “hitsangana” koa izy atsy ho atsy, izany hoe handringana ny fahavalony mandritra ny ady Hara-magedona. Io ady io no hamarana an’ilay antsoin’i Daniela hoe “fotoam-pahoriana” lehibe indrindra eo amin’ny tantara. “Fahoriana lehibe” kosa no iantsoana an’io fotoana io ao amin’ny faminanian’i Jaona.—Apok. 6:2; 7:14.

HO “VOASORATRA AO AMIN’NY BOKY” VE NY ANARANAO?

18. Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny hoavy?

18 Tsy tokony hatahotra isika na inona na inona hitranga amin’ny hoavy. Samy nilaza mantsy i Daniela sy Jaona hoe hamonjy ny mpanompony i Jehovah sy Jesosy mandritra ny fahoriana lehibe. Nilaza i Daniela hoe ho “voasoratra ao amin’ny boky” ny anaran’ireo olona tafavoaka velona. (Dan. 12:1) Inona no tokony hataontsika mba ho voasoratra ao ny anarantsika? Tsy maintsy porofointsika hoe mino an’i Jesosy, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, isika. (Jaona 1:29) Mila manokan-tena ho an’Andriamanitra isika dia hatao batisa. (1 Pet. 3:21) Tsy maintsy manohana ny Fanjakan’Andriamanitra koa isika, ka manao izay azo atao mba hanampiana ny olona hahafantatra momba an’i Jehovah.

19. Inona no tokony hataontsika izao, ary nahoana?

19 Izao isika no tokony hiezaka hatoky kokoa an’i Jehovah sy ny fandaminany. Izao koa no fotoana tokony hanohanantsika ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha manao an’ireo isika, dia ho voavonjy rehefa handringana ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo ny Fanjakan’Andriamanitra.

HIRA 149 Hiram-pandresena

^ feh. 5 Iza no “mpanjakan’ny avaratra” amin’izao andro izao, ary ahoana no hiafarany? Hihamatanjaka ny finoantsika rehefa fantatsika ny valin’izany. Ho vonona hiatrika ny zava-tsarotra hitranga atsy ho atsy koa isika.

^ feh. 12 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2012, pejy 7-19, raha mila fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny Daniela 2:36-45 sy ny Apokalypsy 13:1, 2.

^ feh. 15 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2015, pejy 29-30.