Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandray Soa Isika Rehefa Malemy Fanahy

Mandray Soa Isika Rehefa Malemy Fanahy

Izao no nolazain’i Sara: * “Saro-kenatra aho sady tsy dia matoky tena. Dia tsy mahazo aina aho rehefa tafaraka amin’ny olona matoky tena be sy miziriziry amin’ny heviny. Fa rehefa miaraka amin’ny olona malemy fanahy sy manetry tena indray aho, dia mahazo aina tsara. Mahavita miresaka tsara aho amin’izay sady mamoaka ny fihetseham-poko sy izay olana mahazo ahy. Malemy fanahy sy manetry tena daholo ny tena namako.”

Hita amin’ireo tenin’i Sara ireo hoe tian’ny olona isika rehefa malemy fanahy. Tian’i Jehovah koa ny olona hoatr’izany. Ampirisihiny isika hoe: ‘Mitafia fahalemem-panahy.’ (Kol. 3:12) Fa inona no atao hoe malemy fanahy? Ahoana no nampisehoan’i Jesosy an’io toetra io? Ary nahoana isika no ho sambatra kokoa rehefa malemy fanahy?

INONA NO ATAO HOE MALEMY FANAHY?

Tony ny olona malemy fanahy. Tsara fanahy izy ary mahafehy tena foana na misy mampahatezitra aza.

Misy mieritreritra hoe tsy manana hazondamosina ny olona malemy fanahy. Diso anefa izany. Nilazana soavalidia efa voafolaka ilay teny grika nadika hoe “malemy fanahy.” Tsy hoe mihena ny herin’ilay soavaly rehefa voafolaka izy. Mbola matanjaka izy fa voafehiny fotsiny ny tanjany. Hoatr’izany koa ny olona malemy fanahy. Mahavita mifehy tena izy fa tsy hoe malemy na tsy manana hazondamosina. Manampy azy hifandray tsara amin’ny hafa foana izany.

Mety hieritreritra ianao hoe efa tsy toetranao mihitsy ilay malemy fanahy. Mety ho sarotra koa izany, satria be dia be ny olona tsy manam-paharetana sy be kirina. (Rom. 7:19) Tena mila miezaka àry ianao raha te halemy fanahy. Matokia anefa fa afaka manampy anao hiezaka foana ny fanahy masina. (Gal. 5:22, 23) Fa maninona marina moa isika no mila miezaka halemy fanahy?

Manintona ny hafa ny olona malemy fanahy. Marina mihitsy ilay notenenin’i Sara tetsy aloha hoe mahazo aina isika rehefa miaraka amin’ny olona malemy fanahy. Tena modely ho antsika i Jesosy satria izy nalemy fanahy sy tsara fanahy. (2 Kor. 10:1) Te hanatona azy na dia ny ankizy tsy nahafantatra azy aza.—Mar. 10:13-16.

Voaro isika sy ny olona manodidina antsika rehefa malemy fanahy isika. Tsy ho mora sosotra isika na hanaonao foana raha malemy fanahy. (Ohab. 16:32) Tsy hanenjika antsika àry ny eritreritsika satria tsy handratra fon’olona isika, indrindra fa ny olona tiantsika. Ho voaro koa ny hafa satria hahavita hifehy ny fihetseham-pontsika sy izay ataontsika isika, ka tsy hanao izay hampalahelo azy ireo.

NY MODELY TSARA INDRINDRA

Nalemy fanahy tamin’ny olona rehetra i Jesosy, na dia be atao sy niantsoroka andraikitra lehibe aza. Betsaka no niady mafy sy tototry ny olana tamin’ny androny, dia nila fampaherezana. Azo antoka fa nampahery an-dry zareo ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko ... fa malemy fanahy sy manetry tena aho.”—Mat. 11:28, 29.

Inona no hanampy antsika mba halemy fanahy hoatran’i Jesosy? Mila mianatra ny Baiboly isika mba hahitantsika hoe ahoana no nataony rehefa nifandray tamin’ny olona sy rehefa nisy olana. Rehefa misy zava-mitranga avy eo ka sarotra amintsika ny halemy fanahy, dia mila manahaka azy isika. (1 Pet. 2:21) Handinika zavatra telo nanampy azy halemy fanahy isika izao.

Tena nanetry tena i Jesosy. Nilaza izy hoe: “Malemy fanahy sy manetry tena aho.” (Mat. 11:29) Mifandray akaiky ireo toetra ireo, dia izay no antony iresahana azy ireo miaraka ao amin’ny Baiboly.—Efes. 4:1-3.

Tsy ho mora tezitra amin’izay lazain’ny olona momba antsika isika raha manetry tena. Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nendrikendrehin’ny olona izy hoe “tendan-kanina sy mpiboboka divay”? Nalemy fanahy izy sady niteny hoe: “Ny fahendren’ny olona ... dia hamarinin’izay ataony.” (Mat. 11:19) Nasehony tamin’ny fomba fiainany hoe tsy marina ny fanendrikendrehana azy.

Ahoana, ohatra, raha misy manao teny maharary momba ny fiavianao, na ny volon-koditrao? Na ahoana raha manambanimbany anao ny olona satria ianao vehivavy, na satria ianao lehilahy? Maninona raha miezaka halemy fanahy? Hoy i Peter, anti-panahy atsy Afrika Atsimo: “Rehefa misy milaza zavatra mahasosotra ahy, dia mieritreritra aho hoe: ‘Ahoana izao no ho nataon’i Jesosy raha izy no teo amin’ny toerako?’ Lasa tsy mandray am-po an’izay lazain’ny olona intsony aho izao.”

Fantatr’i Jesosy hoe tsy lavorary ny olona. Te hanao ny tsara ny mpianatr’i Jesosy, fa indraindray tsy vitan-dry zareo ilay izy satria ry zareo tsy lavorary. Nasain’i Jesosy hiaraka hiari-tory taminy, ohatra, i Petera sy Jakoba ary Jaona ny alina talohan’ny hahafatesany. Tsy nahavita an’izany anefa ry zareo. Na dia izany aza, dia tsy sosotra tamin’ny apostoliny i Jesosy. Fantany mantsy hoe “mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”—Mat. 26:40, 41.

Nanakiana ny hafa foana ny anabavy atao hoe Mandy taloha. Miezaka mafy anefa izy izao mba halemy fanahy hoatran’i Jesosy. Izao no nolazainy: “Miezaka mitadidy aho hoe tsy lavorary daholo ny olona. Miezaka mifantoka amin’ny toetra tsaran-dry zareo koa aho, hoatran’ny ataon’i Jehovah.” Ary ianao? Hanahaka an’i Jesosy ve ianao, dia hitadidy hoe tsy lavorary ny hafa ka hangoraka azy ireo ary halemy fanahy aminy?

Natoky an’Andriamanitra i Jesosy. Rehefa niharan’ny tsy rariny izy dia niaritra. Nitsaratsara azy sy nanao tsinontsinona azy ny olona sady nampijaly azy. Nalemy fanahy foana anefa izy satria “nanankina foana ny fiainany ... tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.” (1 Pet. 2:23) Fantany hoe hikarakara azy ny Rainy, dia handamina ny tsy rariny rehefa tonga ny fotoana mety amin’izany.

Raha iharan’ny tsy rariny isika ka tezitra ary tonga dia manao zavatra, dia vao mainka mety hahita olana. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Ny fahatezeran’ny olona tsy ahavitana izay marina eo imason’Andriamanitra.” (Jak. 1:20) Na mitombina tsara aza ilay antony mampahatezitra antsika, dia mety hanaonao foana isika satria tsy lavorary.

Diniho ny tantaran’i Cathy, anabavy mipetraka any Alemaina. Nieritreritra hoatr’izao izy taloha: ‘Iza moa no hiaro anao eo raha tsy miaro tena ianao?’ Nianatra natoky an’i Jehovah anefa izy dia niova. Nilaza izy hoe: “Tsy mila miaro tena foana aho izao. Tsy mampaninona ahy ny miezaka halemy fanahy satria fantatro hoe mahavita mandamina ny zava-drehetra i Jehovah.” Ahoana àry raha iharan’ny tsy rariny ianao? Miezaha hatoky an’Andriamanitra hoatran’i Jesosy, dia hahavita halemy fanahy foana ianao.

“SAMBATRA NY MALEMY FANAHY”

Nahoana no mahasoa antsika ny hoe malemy fanahy rehefa misy olana?

Nilaza i Jesosy hoe: “Sambatra ny malemy fanahy.” (Mat. 5:5) Tena mila an’io toetra io àry isika raha te ho sambatra. Andao hijery ohatra vitsivitsy mampiseho hoe tena manampy izy io.

Ho mora kokoa amin’ny mpivady ny hifanaraka raha malemy fanahy ry zareo. Hoy i Robert, rahalahy avy any Aostralia: “Imbetsaka aho no nahateny zavatra nampalahelo ny vadiko. Rehefa tezitra anefa ianao ka miteniteny foana, dia efa rano raraka tsy azo raofina izany. Nanenina be aho rehefa hitako hoe nandratra ny fony ny teniko.”

“Manao fahadisoana imbetsaka” isika rehefa miteny. (Jak. 3:2) Mety hanimba tokantrano anefa ny teny tsy voahevitra. Rehefa misy olana àry eo aminao sy ny vadinao, dia miezaha halemy fanahy. Ho tony foana ianao amin’izay, ka hahavita hifehy tena tsy hiteniteny foana.—Ohab. 17:27.

Niezaka mafy i Robert mba ho tony sy hifehy tena. Inona no vokany? Hoy izy: “Isaky ny tsy mifanaraka izahay amin’izao, dia miezaka be aho mba hihaino tsara sy halemy fanahy rehefa miresaka aminy. Mifehy tena koa aho mba tsy ho tezitra. Mifandray tsara kokoa izao izahay mivady.”

Lasa mifandray tsara kokoa amin’ny hafa isika rehefa malemy fanahy. Tsy dia mana-namana ny ankamaroan’ny olona mora tezitra. Raha malemy fanahy anefa isika dia ho afaka hitandro fihavanana, “izay fatorana mampiray.” (Efes. 4:2, 3) Izao no nolazain’i Cathy, ilay voaresaka tetsy aloha: “Rehefa malemy fanahy aho, dia lasa mahafinaritra kokoa amiko ny mifandray amin’ny olona rehetra, na dia sarotra iarahana aza ilay olona.”

Milamin-tsaina, na miadana, ny olona malemy fanahy. Ampifandraisin’ny Baiboly ny fahalemem-panahy sy ny fiadanana, ary samy anisan’ny vokatry ny fanahy izy ireo. (Gal. 5:22, 23) Manana “fo tony” ny olona malemy fanahy. (Ohab. 14:30) Izany mihitsy no tsapan’i Martin rehefa niezaka mafy mba halemy fanahy izy. Izao no nolazainy: “Tsy dia miziriziry amin’ny hevitro intsony aho izao fa mba manaiky ny an’ny hafa koa, dia lasa milamin-tsaina sy sambatra kokoa.”

Hoy ny rahalahy iray: “Mbola miady mafy foana aloha aho hatramin’izao e! Mitady tsy hahatsindry fo ihany mantsy aho indraindray rehefa misy mahasosotra ahy.” Mila miady mafy hoatr’izany koa angamba isika. Hanampy antsika handresy anefa i Jehovah. (Isaia 41:10) Izy mantsy no mampirisika antsika halemy fanahy. (1 Tim. 6:11) Afaka ny “hamita ny fampiofanana” antsika izy, ary “hampahatanjaka” antsika. (1 Pet. 5:10) Halemy fanahy sy ho tsara fanahy hoatran’i Kristy isika rehefa mandeha ny fotoana, hoatran’ny apostoly Paoly.—2 Kor. 10:1.

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.