Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 22

Harena Tsy Hita Maso Nefa Tena Sarobidy

Harena Tsy Hita Maso Nefa Tena Sarobidy

‘Ampifantohy amin’ny zavatra tsy hita ny masonareo. Fa mihelina ny zavatra hita, fa ny tsy hita kosa maharitra mandrakizay.’—2 KOR. 4:18.

HIRA 45 Izay Saintsainiko ato Am-poko

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny harena any an-danitra?

TSY ny harena rehetra no hita maso. Raha ny marina aza, dia tsy hita maso ny harena sarobidy indrindra. Niresaka momba ny harena any an-danitra i Jesosy tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, ary nohazavainy hoe sarobidy lavitra noho ny vola sy fananana izany. Izao no nolazainy avy eo: “Any amin’izay misy ny harenanao, dia ho any koa ny fonao.” (Mat. 6:19-21) Rehefa misy zavatra heverintsika hoe harena, izany hoe sarobidy be, dia hatosiky ny fontsika isika hitady an’iny zavatra iny. Ahoana àry no hanangonantsika ‘harena any an-danitra’? Mila miezaka hanana laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra isika. Nilaza i Jesosy hoe tsy ho simba mihitsy sady tsy hisy hangalatra ny harena hoatr’izany.

2. a) Nampirisihin’i Paoly mba hifantoka amin’ny inona isika, araka ny 2 Korintianina 4:17, 18? b) Inona no hodinihintsika ato?

2 Nampirisika antsika mba ‘hampifantoka ny masontsika amin’ny zavatra tsy hita’ ny apostoly Paoly. (Vakio ny 2 Korintianina 4:17, 18.) Anisan’izany ny fitahiana ho azontsika ao amin’ny tontolo vaovao. Dieny izao anefa isika dia efa afaka mandray soa avy amin’ny harena tsy hita maso sasany. Handinika efatra amin’izany isika ato: 1) Afaka minamana amin’Andriamanitra isika, 2) afaka mivavaka aminy isika, 3) ampian’ny fanahy masina isika, ary 4) ampian’i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely isika rehefa manompo. Horesahintsika koa hoe ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka an’ireo isika.

SAROBIDY NY HOE NAMAN’I JEHOVAH

3. Inona no harena tsy hita maso sarobidy indrindra? Ary nahoana isika no afaka mahazo azy io?

3 Afaka minamana amin’i Jehovah isika, ary izany no harena sarobidy indrindra. (Sal. 25:14) Fa maninona i Jehovah no mbola masina foana, na dia minamana amin’ny mpanota aza? Satria “manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Jaona 1:29) Na dia talohan’ny nahafatesan’i Kristy aza anefa, dia efa ninamana tamin’ny olombelona i Jehovah. Efa fantany mantsy hoe tsy hivadika mandra-pahafatiny i Jesosy, ka hahavita hanavotra ny olombelona.—Rom. 3:25.

4. Iza, ohatra, no naman’i Jehovah talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany?

4 Anisan’ny naman’Andriamanitra talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany i Abrahama. Tena niavaka ny finoany. Na dia efa 1 000 taona mahery taorian’ny nahafatesany aza, dia mbola nantsoin’i Jehovah hoe ‘namany’ izy. (Isaia 41:8) Midika izany hoe na ny fahafatesana aza tsy mahavita mampisaraka an’i Jehovah amin’ny namany akaiky. Mbola velona foana i Abrahama ao amin’ny fitadidiany. (Lioka 20:37, 38) Naman’i Jehovah koa i Joba ary tena natokisany. Niresaka momba azy teo anatrehan’ny anjely rehetra izy indray mandeha. Nilaza izy hoe “lehilahy tsy manan-tsiny” i Joba, “sady marina sy matahotra an’Andriamanitra ary mifady ny ratsy.” (Joba 1:6-8) Niavaka koa ny fifandraisan’i Jehovah tamin’i Daniela. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy, na dia tany amin’ny tanin’ny mpanompo sampy nandritra ny 80 taona teo ho eo aza. Rehefa antitra izy, dia nisy anjely nanome toky azy hoe tena tian’Andriamanitra izy. Intelo mihitsy izy no nilazana an’izany. (Dan. 9:23; 10:11, 19) Afaka matoky isika fa tena tsy andrin’i Jehovah ny hanangana ny namana tsy foiny.—Joba 14:15.

Ahoana avy no ampisehoanao hoe mankasitraka ny harena tsy hita maso ianao? (Fehintsoratra 5) *

5. Inona no tokony hataontsika raha te hinamana be amin’i Jehovah isika?

5 Firy ny olona tsy lavorary minamana be amin’i Jehovah amin’izao? Efa an-tapitrisany izy ireo maneran-tany. Be dia be ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy mampiseho amin’ny ataony hoe tena naman’Andriamanitra. “Ny olo-mahitsy ... no manana fifandraisana akaiky aminy.” (Ohab. 3:32) Afaka minamana aminy izy ireo satria mino ny sorom-panavotan’i Jesosy. Avelan’i Jehovah hanokan-tena ho azy sy hatao batisa isika, noho io sorona io. Olona an-tapitrisany no efa nanao an’izany, ka “manana fifandraisana akaiky” amin’ilay Avo Indrindra. Ho anisan’izy ireo koa ianao raha manao an’ireo dingana lehibe ireo.

6. Ahoana no ampisehoantsika fa sarobidy amintsika ny hoe naman’i Jehovah?

6 Sarobidy aminao ve ny hoe naman’i Jehovah? Ahoana no azonao ampisehoana an’izany? Mila manahaka an’i Abrahama sy Joba ianao. Tsy nivadika mihitsy ry zareo nandritra ny zato taona mahery. Na dia efa an-taonany maro koa aza ianao no nanompo an’i Jehovah teto amin’ity tontolo efa ho rava ity, dia tsy tokony hivadika mihitsy. Ilaina koa ny manahaka an’i Daniela. Ny fifandraisany tamin’i Jehovah no sarobidy kokoa taminy noho ny ainy. (Dan. 6:7, 10, 16, 22) Matokia fa hanampy anao hiaritra an’izay olana rehetra mahazo anao i Jehovah, ka ho namany foana ianao.—Fil. 4:13.

SAROBIDY NY VAVAKA

7. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny vavaka ataontsika, araka ny Ohabolana 15:8? b) Ahoana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika?

7 Harena tsy hita maso koa ny vavaka. Fa maninona? Eritrereto ny ataon’ny olona roa mpinamana be. Mifampitantara an’izay any an-tsainy sy any am-pony ry zareo. Hoatr’izany koa ve amin’i Jehovah? Izany mihitsy! Milaza amintsika an’izay any an-tsainy sy any am-pony izy ao amin’ny Teniny. Isika indray miresaka aminy rehefa mivavaka, ka afaka mamboraka aminy an’izay eritreritsika sy fihetseham-pontsika lalina indrindra. Mahafinaritra an’i Jehovah ny mihaino ny vavaka ataontsika. (Vakio ny Ohabolana 15:8.) Tena Namana be fitiavana izy, ka tsy hoe mihaino vavaka fotsiny fa mamaly azy ireny koa. Haingana be ny valiny indraindray. Misy fotoana kosa isika mila manohy mivavaka momba ny zavatra iray. Afaka matoky anefa isika hoe tsy maintsy ho tonga amin’ny fotoana mety ny valiny omeny, ary ny valiny omeny no tsara indrindra. Marina aloha hoe mety tsy hifanaraka amin’izay nantenaintsika izany. Indraindray, ohatra, tsy esoriny ny olana mahazo antsika, fa mety homeny fahendrena sy hery isika ‘hahazakana’ an’ilay izy.—1 Kor. 10:13.

(Fehintsoratra 8) *

8. Ahoana no ampisehoanao hoe sarobidy aminao ny vavaka?

8 Sarobidy aminao ve ny vavaka? Ahoana no ampisehoanao hoe mankasitraka azy io ianao? Mila manaraka an’ilay torohevitr’i Jehovah ianao hoe “aza mitsahatra mivavaka.” (1 Tes. 5:17) Tsy manery anao hivavaka izy, fa avelany hanana ny safidinao ianao. Na izany aza, dia mampirisika anao izy mba ‘haharitra hivavaka.’ (Rom. 12:12) Asehonao àry hoe mankasitraka an’io fanomezana miavaka io ianao raha mivavaka matetika mandritra ny andro. Mazava ho azy fa tokony hisaotra sy hidera an’i Jehovah koa ianao rehefa mivavaka.—Sal. 145:2, 3.

9. Ahoana no fahitan’ny rahalahy iray ny vavaka? Ary ahoana no fahitanao ny vavaka?

9 Efa ela ve ianao no nanompo an’i Jehovah, sady efa nahita hoe ahoana no namaliany ny vavaka nataonao? Raha izany, dia vao mainka tokony ho sarobidy aminao ny vavaka. Izany mihitsy no tsapan’i Chris. Efa 47 taona izay izy no nanompo manontolo andro. Izao no nolazainy: “Tiako erỳ ny mifoha maraina dia miresaka elaela amin’i Jehovah. Mbola mangingina mantsy amin’iny, sady mahafinaritra be ny mijery ny ando mamirapiratra eny an-jaridaina rehefa tarafin’ny masoandro! Lasa te hisaotra azy aho noho ny zavatra rehetra omeny, anisan’izany ny hoe avelany hivavaka aminy aho. Rehefa avy mivavaka indray aho amin’ny hariva, dia maivamaivana erỳ handeha hatory satria milamin-tsaina.”

SAROBIDY NY FANAHY MASINA

10. Nahoana no tokony ho sarobidy amintsika ny fanahy masina?

10 Anisan’ny harena tsy hita maso koa ny fanahy masina, ary tokony ho sarobidy amintsika izy io. Nilaza i Jesosy hoe tokony hangataka fanahy masina foana isika. (Lioka 11:9, 13) Amin’ny alalan’izy io i Jehovah no manome “hery fanampiny” antsika. (2 Kor. 4:7; Asa. 1:8) Rehefa ampian’ny fanahy masina isika, dia mahavita miaritra an’izay olana rehetra mianjady amintsika.

(Fehintsoratra 11) *

11. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika?

11 Afaka manampy antsika hahavita an’izay asaina ataontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny fanahy masina. Afaka manatsara ny talentantsika sy ny fahaizantsika mantsy izy io. Fantatsika hoe tsy hahomby mihitsy isika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, raha tsy eo ny fanahy masina.

12. Manampy antsika hanao inona ny fanahy masina, araka ny Salamo 139:23, 24?

12 Ahoana no ampisehoantsika hoe sarobidy amintsika ny fanahy masina? Azontsika atao, ohatra, ny mivavaka mba hampian’izy io hahita an’izay eritreri-dratsy na fanirian-dratsy ao amintsika. (Vakio ny Salamo 139:23, 24.) Hampiasa ny fanahy masina i Jehovah amin’izay mba hampahafantarana an’izany amintsika. Rehefa fantatsika ilay izy, dia tokony hangataka fanahy masina indray isika mba hahazo hery hiadiana amin’izany. Raha manao an’ireo isika, dia mampiseho hoe te hanao izay rehetra azo atao, mba hahatonga an’i Jehovah hanampy antsika amin’ny alalan’ny fanahiny foana.—Efes. 4:30.

13. Inona no hanampy antsika hankasitraka kokoa ny fanahy masina?

13 Raha misaintsaina ny zavatra vitan’ny fanahy masina amin’izao andro izao isika, dia vao mainka hankasitraka azy io. Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.’ (Asa. 1:8) Izany mihitsy no mitranga amin’izao. Noho ny fanampian’ny fanahy masina, dia olona maherin’ny 8 600 000 avy amin’ny faritra rehetra eran-tany no lasa mpanompon’i Jehovah. Ampian’ny fanahy masina koa isika mba ho tsara toetra, ka miaina ao amin’ny paradisa ara-panahy. Manampy antsika, ohatra, izy io mba hanana fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena. Antsoina hoe “vokatry ny fanahy” ireo toetra ireo. (Gal. 5:22, 23) Tsy hitanao ve hoe fanomezana sarobidy be ny fanahy masina?

SAROBIDY NY FANAMPIAN’I JEHOVAH SY JESOSY ARY NY ANJELY

14. Iza avy no manampy antsika rehefa manompo isika?

14 “Miara-miasa” amin’i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely isika. (2 Kor. 6:1) Anisan’ny harena tsy hita maso ananantsika izany. Miara-miasa amin-dry zareo isika isaky ny manompo. Izao no nolazain’i Paoly momba azy sy izay rehetra mandray anjara amin’io fanompoana io: “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay.” (1 Kor. 3:9) Miara-miasa amin’i Jesosy koa isika isaky ny manompo. Rehefa nandidy ny mpianany mba ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra’ mantsy izy, dia nilaza koa hoe: “Homba anareo foana aho.” (Mat. 28:19, 20) Tena faly koa isika satria miara-miasa amin’ny anjely. Ry zareo no mitarika antsika, rehefa mitory ny “vaovao tsara mandrakizay ... amin’ny mponin’ny tany” isika.—Apok. 14:6.

15. Manomeza ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe tena manampy antsika amin’ny fanompoana i Jehovah.

15 Rehefa mamafy ny voan’ilay Fanjakana isika, dia mety hitombo ao am-pon’ny olona tso-po ilay voa. (Mat. 13:18, 23) Iza anefa no mahatonga an’ilay izy hitombo? Nilaza i Jesosy fa tsy hisy ho lasa mpanara-dia azy “raha tsy taomin’ny Ray.” (Jaona 6:44) Misy ohatra iray mampiseho an’izany ao amin’ny Baiboly. Tadidinao ve tamin’i Paoly nitory tamin’ny vehivavy maromaro teo ivelan’ny tanànan’i Filipy? Lydia no anaran’ny iray tamin’izy ireo. Izao no nolazain’ny Baiboly momba azy: “Nanokatra tanteraka ny fony i Jehovah mba handraisany tsara ny teny notorin’i Paoly.” (Asa. 16:13-15) Olona an-tapitrisany koa no notaomin’i Jehovah, hoatran’ny nataony tamin’i Lydia.

16. Iza no tokony homena voninahitra rehefa mahita vokatra eny amin’ny fanompoana isika?

16 Iza àry no tokony homena voninahitra rehefa mahita vokatra eny amin’ny fanompoana isika? Namaly an’izany i Paoly rehefa niresaka momba ny fiangonana tany Korinto. Hoy izy: “Izaho namboly, i Apolosy nanondraka, fa Andriamanitra kosa no tsy nitsahatra nampitombo. Koa tsy ilay mamboly na ilay manondraka no inona, fa Andriamanitra izay mampitombo.” (1 Kor. 3:6, 7) Tokony hanao hoatran’i Paoly àry isika, ka hanome voninahitra an’i Jehovah foana.

17. Ahoana no ampisehoantsika hoe faly isika satria miara-miasa amin’Andriamanitra sy Kristy ary ny anjely?

17 Sarobidy aminao ve ny hoe “miara-miasa” amin’Andriamanitra sy Kristy ary ny anjely? Ahoana no ampisehoanao an’izany? Mampiseho an’izany ianao raha mazoto mitady hirika mba hitoriana ny vaovao tsara. Betsaka ny fomba azo anaovana an’izany, ohatra hoe eny amin’ny toerana be olona na “isan-trano.” (Asa. 20:20) Be dia be koa no tia mitory tsy ara-potoana. Rehefa mihaona amin’olona ry zareo, dia mitsikitsiky sady miarahaba azy ary miezaka miresadresaka. Raha manaiky hiresaka ilay olona, dia avadik’izy ireo tsikelikely ilay resaka mba hahafahany hitory.

(Fehintsoratra 18) *

18-19. a) Inona no ataontsika mba hanondrahana ny voan’ny fahamarinana? b) Ahoana no nanampian’i Jehovah ny mpianatra Baiboly iray?

18 “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika, ka tsy hoe mamafy ny voan’ny fahamarinana fotsiny fa tsy maintsy manondraka an’izany koa. Raha mahita olona liana, ohatra, isika dia manao izay rehetra azo atao mba hitsidihana azy indray, na mangataka mpitory hafa mba hitsidika azy. Ny hampianatra azy Baiboly no tanjontsika amin’izany. Rehefa mandroso ilay fianarana, dia faly isika mahita an’i Jehovah manampy an’ilay olona hanova ny fomba fisainany sy ny fihetseham-pony.

19 Eritrereto ny tantaran’i Raphalalani, rahalahy atsy Afrika Atsimo. Mpanao ody izy taloha. Tiany be ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly. Mafy be taminy anefa ny nanaiky an’izay voalaza ao momba ny fifandraisana amin’ny maty. (Deot. 18:10-12) Na izany aza dia navelany hanova tsikelikely ny fomba fisainany Andriamanitra. Tsy nanao ody intsony izy tatỳ aoriana, na dia izany aza no fivelomany. Efa 60 taona i Raphalalani izao, ary izao no nolazainy: “Tsy haiko ny tsy hisaotra ny Vavolombelon’i Jehovah! Imbetsaka ry zareo no nanampy ahy. Izany izao no nahitako asa. Fa i Jehovah no tena isaorako satria nanampy ahy hiova izy, dia lasa Vavolombelony vita batisa aho izao ka afaka manao fanompoana.”

20. Inona no tokony hataontsika?

20 Niresaka harena tsy hita maso efatra isika tato. Ny sarobidy indrindra amin’ireo dia ny hoe afaka minamana be amin’i Jehovah isika. Afaka mandray soa avy amin’ireo harena tsy hita maso hafa isika vokatr’izany. Lasa afaka mivavaka mantsy isika sady mahazo fanahy masina. Ampian’i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely koa isika rehefa manompo. Tokony hiezaka hankasitraka kokoa an’ireo harena ireo àry isika. Tokony hisaotra an’i Jehovah foana koa isika, satria tsy hahita namana tsara hoatr’azy mihitsy.

HIRA 145 Mampanantena Paradisa Andriamanitra

^ feh. 5 Niresaka harena maromaro nomen’Andriamanitra isika, tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Hita maso daholo izy ireny. Harena tsy hita maso kosa no horesahintsika ato. Hodinihintsika hoe ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka azy ireny isika. Hankasitraka kokoa an’i Jehovah Andriamanitra, ilay nanome azy ireny, koa isika amin’izay.

^ feh. 58 SARY: 1) Mandinika ny zavaboary ny anabavy iray sady misaintsaina momba ny fifandraisany amin’i Jehovah.

^ feh. 60 SARY: 2) Mangataka hery amin’i Jehovah izy mba hahavita hitory.

^ feh. 62 SARY: 3) Omen’i Jehovah fanahy masina izy, dia lasa sahy mitory tsy ara-potoana.

^ feh. 64 SARY: 4) Ampianariny Baiboly ilay vehivavy nitoriany. Manohana azy ny anjely rehefa manompo izy.