Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 26

“Miverena Amiko”

“Miverena Amiko”

“Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho.”—MAL. 3:7.

HIRA 102 ‘Ampio Ireo Mila Ampiana’

HO HITANAO ATO *

1. Ahoana no tsapan’i Jehovah rehefa misy mpanompony miverina aminy?

HITANTSIKA tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe mampitovy ny tenany amin’ny mpiandry ondry i Jehovah. Mikarakara amim-pitiavana ny ondriny tsirairay izy, ary mitady an’izay very. Izao no nolazainy tamin’ny Israelita niala taminy: “Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho.” Fantatsika fa mbola hoatr’izany ihany no tsapany satria nilaza koa izy hoe: “Tsy miova aho.” (Mal. 3:6, 7) Nilaza i Jesosy hoe faly be i Jehovah sy ny anjely rehefa misy mpanompon’i Jehovah miverina aminy, na dia iray aza.—Lioka 15:10, 32.

2. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Misy fanoharana telo nolazain’i Jesosy mampiseho amintsika hoe ahoana no hanampiana an’ireo niala tamin’i Jehovah. Handinika an’ireo isika izao. Ho hitantsika amin’izany hoe inona no toetra ilaina raha te hanampy ny ondry very mba hiverina amin’i Jehovah. Ho hitantsika koa hoe nahoana no tsy very maina izany ezaka izany.

TADIAVO ILAY VOLA MADINIKA VERY

3-4. Fa maninona ilay vehivavy voaresaka ao amin’ny Lioka 15:8-10 no nitady tsara an’ilay drakma very?

3 Mila miezaka mafy isika mba hahita ny olona te hiverina amin’i Jehovah. Mampiseho an’izany ny fanoharana iray noresahin’i Jesosy ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka. Momba ny vehivavy iray mitady drakma very ilay izy. Vola madinika volafotsy io drakma io ary tena sarobidy. Ny ezaka mafy nataon’ilay vehivavy mba hahitana an’ilay vola no tena resahin’ilay fanoharana.—Vakio ny Lioka 15:8-10.

4 Fa maninona ilay vehivavy no nisahirana be nitady an’ilay vola? Satria sarobidy be taminy ilay izy. Mety ho fanomezan’ny mamany mantsy izy io. Rehefa hanambady ny vehivavy israelita tamin’izany andro izany, dia indraindray nomen’ny reniny drakma folo, ka mety ho iray tamin’izany ilay vola. Nieritreritra ilay vehivavy hoe latsaka tamin’ny tany ilay izy. Nandrehitra jiro àry izy dia nitaditady teo amin’ny manodidina teo. Tsy nahita mihitsy anefa izy satria mety ho nitsilopilopy ilay jirony, moa ilay vola koa kely. Inona indray àry no nataony? Nofafany tsara ilay trano iray manontolo. Hitany teo amin’ny vovoka voangony teo ihany ilay drakma sarobidy! Nanjelanjelatra ilay izy rehefa notarafin’ny jirony. Izay izy vao maivamaivana! Nantsoiny daholo ny namany sy ny mpiray tanàna taminy, dia notantarainy tamin-dry zareo ny vaovao.

5. Nahoana no mitaky ezaka ny mitady ny olona tsy mifandray amin’ny fiangonana intsony?

5 Hitantsika amin’io fanoharan’i Jesosy io hoe mitaky ezaka ny mitady zavatra very. Hoatr’izany koa rehefa mitady ny olona tsy mifandray amin’ny fiangonana intsony. Efa aman-taonany angamba ry zareo no tsy niaraka tamintsika intsony. Mety ho nifindra trano mihitsy aza ry zareo, dia tsy mahafantatra an-dry zareo akory ny mpiara-manompo any amin’ilay toerana nifindrany. Azo antoka anefa hoe efa tena te hiverina amin’i Jehovah ny sasany amin’izy ireny, amin’izao isika miteny izao. Te hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny rahalahy sy anabaviny izy ireo. Mila ampiantsika anefa izy ireo mba hahavita an’izany.

6. Inona no azontsika rehetra atao mba hahitana ny olona tsy mitory intsony?

6 Iza avy no afaka mikaroka an’ireo rahalahy sy anabavy tsy mitory intsony? Ny mpitory rehetra, anisan’izany ny anti-panahy sy ny mpisava lalana ary ny havan’ilay olona. Manana havana na namana tsy mitory intsony àry ve ianao? Sa nisy olona tsy mitory intsony hitanao teny amin’ny fanompoana? Raha mahita olona hoatr’izany ianao dia hazavao aminy hoe raha tiany ny hotsidihina, dia homenao ny anti-panahy ny adiresiny na ny nomeraon’ny telefaoniny.

7. Inona no ianaranao avy amin’izay nolazain’i Thomas?

7 Ny anti-panahy no tena manana andraikitra hitady an’ireo te hiverina amin’i Jehovah. Inona no azon’izy ireo atao? Niresaka momba an’izany ny anti-panahy atao hoe Thomas. * Mipetraka any Espaina izy ary efa nanampy rahalahy sy anabavy 40 mahery mba hiverina amin’i Jehovah. Izao no nolazainy: “Manontany mpiara-manompo maromaro aloha aho sao mba fantatr’izy ireo hoe aiza no misy rahalahy na anabavy tsy mitory intsony. Na anontaniako ry zareo sao mahatadidy olona tsy mivory intsony. Faly ny ankamaroan’ny rahalahy sy anabavy hoe mandray anjara amin’ilay fikarohana, dia tena mazoto manampy ry zareo. Rehefa mitsidika an’ilay olona tsy mitory intsony aho avy eo, dia manontany hoe manahoana ny zanany na ny havany. Mety ho efa nentiny nivory mantsy ilay zanany na efa mpitory taloha, dia azontsika ampiana mba hiverina amin’i Jehovah koa.”

AMPIO HIVERINA AMIN’I JEHOVAH NY ZANANY

8. Araka ny Lioka 15:17-24, ahoana no nandraisan’ilay lehilahy ny zanany nibebaka?

8 Inona no toetra ilaina raha te hanampy ny olona te hiverina amin’i Jehovah? Mamaly an’izany ny fanoharan’i Jesosy momba an’ilay zanaka naditra niala tao an-trano. (Vakio ny Lioka 15:17-24.) Nolazain’i Jesosy hoe tonga saina ihany ilay tovolahy tamin’ny farany, dia niverina nody. Nihazakazaka nitsena azy ny dadany dia namihina azy, satria te hanome toky azy hoe tena tiany izy. Nanenjika an’ilay tovolahy ny eritreriny, ary nieritreritra izy hoe tsy mendrika hantsoina hoe zanaky ny dadany intsony. Nangoraka azy anefa ilay dadany rehefa namboraka ny tao am-pony izy. Nanao zavatra izy mba hahitan’ilay zanany fa tena faly izy nandray azy. Nasehony tamin’izany fa mbola zanany foana izy sady tena tiany, fa tsy hataony hoatran’ny olona karamaina. Nanao fanasam-be izy mba hanaporofoana an’izany, ary nomeny akanjo tsara be ilay zanany.

9. Inona avy no toetra ilaina raha te hanampy olona hiverina amin’i Jehovah? (Jereo ilay hoe  “Ahoana no Hanampiana An’ireo Te Hiverina Amin’i Jehovah?”)

9 Hoatran’ilay dada ao amin’io fanoharana io i Jehovah. Tena tiany ireo rahalahy sy anabavintsika tsy mitory intsony, ary tiany hiverina aminy. Ho afaka hanampy azy ireny hiverina isika raha manahaka an’i Jehovah. Mila manam-paharetana sy mangoraka ary mampiseho fitiavana isika raha te hahavita an’izany. Nahoana ireo toetra ireo no tena ilaina, ary ahoana no hampisehoana azy ireo?

10. Nahoana no ilaina ny manam-paharetana rehefa manampy olona hiverina amin’i Jehovah?

10 Mila manam-paharetana isika satria mety ho elaela ny olona iray vao ho tafarina. Betsaka amin’ny olona tsy nitory intsony no niaiky hoe efa niverimberina nitsidika azy ny anti-panahy sy ny olon-kafa tao amin’ny fiangonana, izay ry zareo vao nahavita niverina tamin’i Jehovah. Izao, ohatra, no nosoratan’i Nancy, anabavy avy any Azia Atsimoatsinanana: “Nisy namako be tao amin’ny fiangonana, dia izy no tena nanampy ahy. Tiany be hoatran’ny zokiny vavy mihitsy aho! Nampahatsiahiviny ahy ny fotoana mamy niarahanay taloha. Rehefa namoaka ny tao am-poko aho, dia tena nanam-paharetana izy nihaino ahy. Tsy nisalasala nanoro hevitra ahy koa izy. Tena namana mihitsy izy satria vonona hanampy foana.”

11. Nahoana isika no mila mangoraka raha te hanasitrana fo maratra?

11 Mahatsiaro ho marary ny olona iray rehefa maratra ny fony. Hoatran’ny menaka manasitrana anefa ny fangorahana, ary tena mandaitra izy io. Misy, ohatra, tafintohina tamin’ny nataon’ny mpiara-manompo, dia mbola tezitra be na dia efa taona maro atỳ aoriana aza. Lasa tsy te hiverina amin’i Jehovah izy vokatr’izany. Misy koa angamba mieritreritra hoe niharan’ny tsy rariny. Inona àry no ilainy? Mila olona hihaino azy sy hahazo ny fihetseham-pony izy. (Jak. 1:19) Izany no tsapan’i María tamin’izy tsy nitory intsony. Izao no nolazainy: “Nila olona hihaino ahy aho tamin’izany, olona mba hizarako ny alaheloko dia hanampy sy hanoro hevitra ahy.”

12. Nahoana no azo oharina amin’ny tady ny fitiavan’i Jehovah?

12 Oharin’ny Baiboly amin’ny tady ny fitiavan’i Jehovah ny mpanompony. Fa maninona? Andao hatao hoe latsaka ao anaty lavaka be ianao. Tena lalina ilay izy, ka tsy ho tafavoaka ao ianao raha tsy misy manampy. Mila olona handatsaka tady ho anao ianao, dia hisintona anao hivoaka avy ao. Hoatr’izany no ataon’i Jehovah. Izao no nolazainy momba ny Israelita, tamin-dry zareo nanalavitra azy: ‘Tadim-pitiavana no nitarihako azy.’ (Hosea 11:4) Mbola manao an’izany i Jehovah amin’izao, rehefa misy olona tsy mitory intsony sy tototry ny olana sy ny fanahiana. Tiany ho fantatr’ireny olona ireny hoe tena tiany izy ireo ary tiany hifandray akaiky aminy indray. Azon’i Jehovah ampiasaina ianao mba hanampy an’ireny olona ireny hahatsapa an’izany fitiavany izany.

13. Nahoana ny tantaran’i Pablo no manaporofo fa tena misy heriny ny fitiavana?

13 Tena mila omena toky ny olona tsy mitory intsony hoe tian’i Jehovah izy ary tiantsika koa. Tsy nitory nandritra ny 30 taona mahery, ohatra, i Pablo, ilay rahalahy voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Hoy izy: “Nivoaka ny trano aho indray maraina, dia nihaona tamin’ny anabavy iray be taona. Tsara fanahy izy ary tena be fitiavana rehefa niresaka tamiko, dia nitomany hoatran’ny zazakely aho. Noteneniko azy hoe i Jehovah mihitsy angamba no naniraka azy hiresaka tamiko. Tamin’izay aho no nanapa-kevitra hiverina amin’i Jehovah.”

AMPIO AMIM-PITIAVANA IZY

14. Araka ny Lioka 15:4, 5, inona no nataon’ilay mpiandry ondry rehefa hitany ilay ondry very?

14 Mila ampiantsika foana ny olona tsy mitory intsony. Mety ho mbola malahelo be mantsy izy, hoatran’ilay tovolahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Mbola tsy miverina amin’ny laoniny koa angamba ny fifandraisany amin’i Jehovah, noho ny zavatra niainany tany amin’ny tontolon’i Satana. Mila manampy an-dry zareo mba hanana finoana matanjaka àry isika. Noresahin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba an’ilay ondry very hoe ahoana no nataon’ilay mpiandry mba hitondrana an’ilay ondry hiverina tany amin’ny andian’ondry. Marina fa efa nandany fotoana sy hery hikarohana an’ilay ondry izy. Fantany anefa hoe tsy ho tody irery any amin’ny andiany ilay ondry, satria tsy hanana hery ho amin’izany. Izany no nahatonga azy hitondra azy teny an-tsorony.—Vakio ny Lioka 15:4, 5.

15. Ahoana no azo anampiana an’izay te hiverina amin’i Jehovah? (Jereo ilay hoe  “Fitaovana Tena Sarobidy.”)

15 Sarotra amin’ny olona tsy mitory intsony ny manompo an’i Jehovah indray, satria mety hisy olana hisakana azy. Mila manokana fotoana sy hery àry isika mba hanampiana azy handresy an’izany. Hahavita hanampy azy hatanjaka ara-panahy indray anefa isika, satria eo ny fanahy masina sy ny Baiboly ary ny boky avoakan’ny fandaminana. (Rom. 15:1) Inona àry no tokony hataontsika? Izao no nolazain’ny anti-panahy iray efa ela: “Mila miverina mianatra Baiboly ny ankamaroan’ny olona tsy mitory intsony, rehefa tena tapa-kevitra hiverina amin’i Jehovah.” * Ahoana àry raha asaina hampianatra olona tsy mitory intsony ianao? Maninona raha ekena izany tombontsoa izany? Hoy koa ilay anti-panahy: “Tokony hinamana tsara amin’ilay olona izay mpitory asaina hanampy azy. Tokony ho azony atokisana sy azony amborahana ny ao am-pony izy.”

FALY NY ANY AN-DANITRA SY NY ETỲ AN-TANY

16. Inona no porofo fa tena manampy antsika ny anjely?

16 Miara-miasa amintsika ny anjely mba hitady an’ireo olona tsy mitory intsony nefa te hiverina amin’i Jehovah. (Apok. 14:6) Be dia be ny tantara manaporofo an’izany. Te hiverina amin’i Jehovah, ohatra, i Silvio, rahalahy avy any Ekoatera. Nivavaka mafy àry izy indray mandeha. Mbola teo am-pivavahana mihitsy izy no nisy anti-panahy roa tonga tao aminy. Nanomboka nanampy azy izy ireo tamin’izay, ary faly erỳ nanao an’izany.

17. Inona no valisoa azontsika rehefa manampy ny olona tsy mitory intsony isika?

17 Ho faly be isika raha manampy olona hiverina amin’i Jehovah. Izany no tsapan’ny mpisava lalana atao hoe Salvador. Manao ezaka be izy mba hanampiana ny olona tsy mitory intsony. Hoy izy: “Faly loatra aho indraindray dia latsa-dranomaso mihitsy! Tiako be ny mieritreritra hoe nahavita nanavotra ondry sarobidy iray avy tany amin’ny tontolon’i Satana i Jehovah, dia navelany hiara-miasa taminy aho. Tombontsoa be izany!”—Asa. 20:35.

18. Inona no azonao atokisana raha lasa tsy nanompo an’i Jehovah intsony ianao?

18 Nijanona tsy nanompo an’i Jehovah intsony ve ianao? Matokia fa mbola tia anao izy ary tiany hiverina aminy ianao. Marina fa mila miezaka ianao. Efa tsy andrin’i Jehovah anefa izay hiverenanao ary ho faly izy handray anao, hoatran’ilay dada ao amin’ny fanoharan’i Jesosy.

HIRA 103 Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

^ feh. 5 Tian’i Jehovah hiverina aminy izay tsy mitory intsony na tsy mivory intsony. Miangavy azy ireny izy hoe: “Miverena amiko.” Be dia be no azonao atao mba hanampiana an’izay te hanaiky an’io fiangavian’i Jehovah io. Handinika an’izany isika ato.

^ feh. 7 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 15 Mety hanampy ny olona tsy mitory intsony ny mianatra toko sasany ao amin’ilay boky hoe “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, na toko sasany ao amin’ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah. Ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana no hijery hoe iza no mety indrindra mba hampianatra azy.

^ feh. 68 SARY: Rahalahy telo mifarimbona manampy olona iray te hiverina amin’i Jehovah. Ny iray, ohatra, miezaka mifandray amin’ilay olona foana. Ny iray indray manome toky azy hoe mbola tiana izy. Ilay rahalahy fahatelo kosa mihaino azy sady miezaka hahazo an’izay manjo azy.