LAHATSORATRA FIANARANA 23

“Hohamasinina Anie ny Anaranao!”

“Hohamasinina Anie ny Anaranao!”

“Maharitra mandrakizay ny anaranao, Jehovah ô!”—SAL. 135:13.

HIRA 10 Derao i Jehovah Andriamanitsika!

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no tena mahaliana antsika Vavolombelon’i Jehovah?

MISY adihevitra lehibe mahakasika antsika amin’izao, ary tena mahaliana ny Vavolombelon’i Jehovah ilay izy. Inona izany? Ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanaporofoana hoe manana zo hitondra izy. Tsy misy ifandraisany mihitsy ve anefa ireo? Tsy izany mihitsy!

2 Efa fantatsika rehetra hoe nisy nanoso-potaka ny anaran’Andriamanitra ka tsy maintsy hamasinina. Nianarantsika koa fa tokony ho hitan’ny rehetra hoe ny fitondran’i Jehovah no tsara indrindra. Samy zava-dehibe amintsika àry ireo.

3. Inona no tafiditra amin’ilay anarana hoe Jehovah?

3 I Jehovah no Mpanjaka mahery indrindra, ary tafiditra amin’ny anarany izay rehetra momba azy, anisan’izany ny fomba fitondrany. Tena misy ifandraisany àry ny anaran’i Jehovah sy ny fomba fitondrany. Noho izany, dia samy tena zava-dehibe na ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah na ny fanaporofoana hoe ny fomba fitondrany no tsara indrindra.—Jereo ilay efajoro hoe “ Inona avy no Tafiditra Amin’ilay Adihevitra Lehibe?

4. Inona no lazain’ny Salamo 135:13 momba ny anaran’Andriamanitra? Inona no hodinihintsika ato?

4 Tena miavaka ilay anarana hoe Jehovah. (Vakio ny Salamo 135:13.) Hodinihintsika ato hoe: Nahoana izy io no tena zava-dehibe? Oviana izy io no nisy nanomboka nanaratsy? Ahoana no ataon’Andriamanitra mba hanamasinana ny anarany? Ary ahoana no hiarovantsika azy io?

NAHOANA NO ZAVA-DEHIBE NY ANARANA?

5. Inona no mety hoeritreretin’ny olona sasany rehefa maheno izy hoe mila hamasinina ny anaran’Andriamanitra?

5 “Hohamasinina anie ny anaranao!” (Mat. 6:9) Nilaza i Jesosy hoe izany no anisan’ny tokony hangatahintsika voalohany indrindra rehefa mivavaka isika. Inona anefa no tiany holazaina amin’ilay hoe “hohamasinina anie ny anaranao”? Ny hoe manamasina dia midika hoe manao izay hahatonga ny zavatra iray ho masina, na madio. Mety hisy hieritreritra àry hoe: ‘Fa angaha tsy efa masina sy madio ny anaran’i Jehovah?’ Mba hamaliana an’izany, dia mila jerentsika aloha hoe inona no tafiditra amin’ny anarana iray.

6. Nahoana no zava-dehibe ny anarana?

6 Tsy fitambarana litera maromaro soratana amin’ny taratasy na tononina fotsiny ny hoe anarana. Milaza ny Baiboly hoe: “Aleo laza tsara toy izay harem-be.” (Ohab. 22:1; Mpito. 7:1) Midika ara-bakiteny hoe “anarana” ilay hoe “laza”, araka ny fanamarihana ambany pejy ao amin’io andininy io. Tena zava-dehibe àry ny anarana satria tafiditra amin’izy io ny laza, izany hoe ny fiheveran’ny hafa an’izay mitondra an’ilay anarana. Midika izany fa tsy ny fomba anoratana na anononana an’ilay anarana no tena zava-dehibe, fa hoe inona no eritreretin’ny olona rehefa maheno na mahita an’io anarana io.

7. Nahoana no voahoso-potaka ny anaran’i Jehovah?

7 Manimba ny lazan’i Jehovah ny olona rehefa milaza lainga momba azy. Rehefa manimba ny lazany indray izy ireo, dia manoso-potaka ny anarany. Vao nanomboka mihitsy ny tantaran’ny olombelona dia efa nisy nanao an’izany. Fa inona no nitranga?

NANOMBOKA NISY NANOSO-POTAKA ILAY ANARANA

8. Inona no fantatr’i Adama sy Eva? Inona no fanontaniana mety hoeritreretintsika?

8 Nahalala ny anaran’i Jehovah i Adama sy Eva, sady nahafantatra zava-dehibe maro momba azy. Fantany, ohatra, hoe izy no Mpamorona. Izy no nanome aina azy ireo sy toerana tsara tarehy hipetrahana ary vady lavorary. (Gen. 1:26-28; 2:18) Mbola nisaintsaina an’izay rehetra nataon’i Jehovah ho an-dry zareo ve anefa izy mivady rehefa nandeha ny fotoana? Niezaka foana ve ry zareo mba ho tia kokoa an’i Jehovah sy hankasitraka azy kokoa? Nazava ny valin’izany rehefa nitsapa an-dry zareo ny fahavalon’Andriamanitra.

9. Araka ny Genesisy 2:16, 17 sy ny 3:1-5, inona no nolazain’i Jehovah tamin’ny mpivady voalohany? Inona no mampiseho fa novan’i Satana ny marina?

9 Vakio ny Genesisy 2:16, 17 sy ny 3:1-5. Nampiasa bibilava i Satana rehefa niresaka tamin’i Eva, dia nanontany hoe: “Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?” Nandainga i Satana rehefa nametraka an’io fanontaniana io, na dia an-kolaka aza. Novany ny zavatra nolazain’Andriamanitra. Andriamanitra mantsy niteny hoe azon’izy mivady ihinanana ny hazo rehetra tao amin’ilay zaridaina, afa-tsy iray ihany. Tena malala-tanana àry izy, satria be dia be no azon-dry zareo nisafidianana. (Gen. 2:9) Nataon’i Satana anefa izay hahatonga an’i Eva hieritreritra hoe tsy hoatr’izany Andriamanitra. Nanapoizina ny sain’i Eva ilay lainga, dia angamba izy lasa nieritreritra hoe: ‘Sao dia mba misy zavatra tsara tsy omen’i Jehovah ahy?’

10. Ahoana no nanendrikendrehan’i Satana an’i Jehovah, ary inona no vokany?

10 Mbola nanaiky an’i Jehovah ho Mpitondra i Eva hatreo. Naveriny tamin’i Satana ilay didy mazava nomen’Andriamanitra. Nolazainy mihitsy aza hoe tsy azon-dry zareo kasihina akory ilay hazo. Fantany hoe efa nampitandrina Andriamanitra fa ho faty ry zareo raha tsy mankatò. Namaly anefa i Satana hoe: “Tsy ho faty velively ianareo.” (Gen. 3:2-4) Tsy niolakolaka intsony i Satana teo, fa nilaza mivantana hoe mpandainga Andriamanitra. Nanendrikendrika azy izy ka nanala baraka ny anarany. Tamin’izay izy no lasa devoly, izany hoe mpanendrikendrika. Voafitaka tanteraka i Eva ka nino an’i Satana. (1 Tim. 2:14) I Satana no natokisany kokoa noho i Jehovah. Lasa mora taminy àry ny tsy nankatò an’i Jehovah, ary izany no fanapahan-kevitra ratsy indrindra noraisiny. Nihinana tamin’ilay hazo nandraran’i Jehovah azy izy, dia nomeny koa i Adama.—Gen. 3:6.

11. Inona no tokony ho nataon’i Adama sy Eva?

11 Ahoana re no tokony ho namalian’i Eva an’i Satana e? Afaka niteny an’izao izy: “Fa iza koa ianao? Izaho tsy mahalala anao fa i Jehovah no fantatro. Izy no Dadako, dia tiako izy sady matoky azy aho. Izy no nanome ny zavatra rehetra anananay sy Adama. Dia sahinao ve ny milaza zavatra ratsy momba azy? Mandehana mandeha any!” Raha namaly hoatr’izany i Eva, dia hita hoe tena tia an’ilay Rainy sy tsy nivadika taminy. Faly be i Jehovah raha mba hoatr’izany no namalian’ilay zanany vavy an’i Satana! (Ohab. 27:11) Tsy tena tia an’i Jehovah anefa i Eva, dia hoatr’izany koa i Adama. Tsy niaro ny anaran’ny Rainy àry izy ireo rehefa nisy nanendrikendrika izy.

12. Ahoana no namitahan’i Satana an’i Eva? Inona no vokatr’izany?

12 Efa hitantsika teo ny fomba namitahan’i Satana an’i Eva. Nataony aloha izay hahatonga azy hisalasala hoe tena Ray be fitiavana ve i Jehovah. Inona no vokatr’izany? Lasa tsy niaro ny anaran’i Jehovah sy ny lazany i Adama sy Eva. Mora nanaraka ny tenin’i Satana àry ry zareo, dia nikomy tamin’ny Rainy. Mbola tsy niova ny tetik’i Satana. Manendrikendrika an’i Jehovah izy mba ho afa-baraka ny anarany. Rehefa mino ny laingany ny olona, dia mora mikomy amin’ny fitondran’i Jehovah.

MANAMASINA NY ANARANY I JEHOVAH

13. Inona no voalazan’ny Ezekiela 36:23 momba ny foto-kevitry ny Baiboly?

13 Tsy manao na inona na inona ve i Jehovah mba hiarovana ny anarany? Tena manao zavatra izy! Asongadin’ny Baiboly iray manontolo izay ataon’i Jehovah mba hanaporofoana fa diso daholo ny fanendrikendrehana azy tany Edena. (Gen. 3:15) Izao no azo amintinana ny foto-kevitry ny Baiboly: Hampiasa an’ilay Fanjakana entin’ny Zanany i Jehovah, mba hanamasinana ny anarany sy hamerenana ny fahamarinana sy ny fiadanana eto an-tany. Hazavaina ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no ataon’i Jehovah mba hanamasinana ny anarany.—Vakio ny Ezekiela 36:23.

14. Nahoana ny fomba nandaminan’i Jehovah an’ilay adihevitra tany Edena no nanamasina ny anarany?

14 Nanao izay ho afany i Satana mba hisakanana an’i Jehovah tsy hanatanteraka ny fikasany. Tsy nahomby mihitsy anefa izy. Hita ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no nataon’i Jehovah, ary hita amin’izany hoe tsy misy Andriamanitra hoatr’azy. Marina fa rehefa nikomy i Satana sy ny mpanohana azy, dia nalahelo be i Jehovah. (Sal. 78:40) Hendry sy nanam-paharetana ary nanao ny rariny foana anefa izy rehefa nandamina an’izany. Nasehony koa hoe tsy misy mahery noho izy, ary betsaka ny fomba nampisehoany an’izany. Ny fitiavany anefa no tena nisongadina tamin’izay rehetra nataony. (1 Jaona 4:8) Mbola manamasina ny anarany foana izy hatramin’izao.

Nilaza lainga momba an’i Jehovah i Satana rehefa niresaka tamin’i Eva, ary mbola manendrikendrika azy izy hatramin’izao (Fehintsoratra 9-10, 15) *

15. Ahoana no anendrikendrehan’i Satana an’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany?

15 Mbola manendrikendrika an’i Jehovah sy manala baraka ny anarany i Satana hatramin’izao. Fitahiny ny olona, amin’izay misalasala hoe mahery sy manao ny rariny ary hendry sy be fitiavana ve i Jehovah. Ataony, ohatra, izay haharesy lahatra azy ireo hoe tsy misy ny Mpamorona. Raha mino an’Andriamanitra indray ilay olona, dia ataony izay hahatonga azy hieritreritra hoe maneritery sy tsy ara-drariny ny fitsipiny. Ampianariny mihitsy aza hoe ratsy fanahy be Andriamanitra satria mandoro ny olona any amin’ny afobe. Lasa mora mandà an’Andriamanitra ny olona, rehefa mino an’ireny lainga ireny. Mandra-paharesy tanteraka an’i Satana anefa, dia mbola hanely lainga momba an’i Jehovah foana izy. Tiany hino an’izany koa ianao. Hanaiky hofitahiny ve ianao?

MAHAKASIKA ANAO ILAY IZY

16. Inona no tsy vitan’i Adama sy Eva nefa tena mety ho vitanao?

16 Avelan’i Jehovah hanampy azy hanamasina ny anarany ny olona tsy lavorary. Mba eritrereto ange e! Afaka ny hahavita an’izay tsy vitan’i Adama sy Eva ianao. Afaka milaza ny marina momba an’i Jehovah ianao, na dia be dia be aza ny olona manendrikendrika azy sy manazimbazimba ny anarany. Azonao porofoina hoe masina sy manao ny rariny izy ary tsara fanahy sy be fitiavana. (Isaia 29:23) Tena afaka manohana ny zony hitondra ianao! Afaka mampahafantatra amin’ny olona ianao hoe ny fitondrany ihany no tsara sy hanampy antsika hiadana sy ho sambatra.—Sal. 37:9, 37; 146:5, 6, 10.

17. Ahoana no nampahafantaran’i Jesosy ny anaran’ny Rainy?

17 Manahaka an’i Jesosy Kristy isika rehefa miaro ny anaran’i Jehovah. (Jaona 17:26) Nampahafantatra ny anaran’ny Rainy izy. Ahoana no nataony? Tsy hoe nampiasa azy io fotsiny izy, fa nampiseho koa hoe hoatran’ny ahoana marina ny Rainy. Nataon’ny Fariseo, ohatra, izay hahatonga ny olona hieritreritra hoe masiaka sy sarotiny be i Jehovah ary tsy miraharaha ny olona sady tsy mba mamindra fo. Noporofoin’i Jesosy anefa hoe diso izany. Nampiany ny olona mba hahita fa mahay mandanjalanja sy manam-paharetana i Jehovah ary be fitiavana sy mamindra fo. Nanahaka tsara ny toetran’ny Rainy koa izy isan’andro, ka hitan’ny olona tamin’izany hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah.—Jaona 14:9.

18. Ahoana no azontsika anaporofoana fa diso ny lainga momba an’i Jehovah?

18 Manao hoatran’i Jesosy isika raha mampahafantatra amin’ny olona an’izay fantatsika momba an’i Jehovah. Azontsika ampianarina azy ireo hoe Andriamanitra be fitiavana sy tsara fanahy izy. Rehefa manao an’izany isika, dia manaporofo hoe diso ny lainga momba azy sy ny fanendrikendrehana azy. Manamasina ny anarany isika amin’izany, satria manampy ny olona hihevitra azy io ho masina. Afaka manahaka ny toetran’i Jehovah koa isika. Hahavita an’izany isika na dia tsy lavorary aza. (Efes. 5:1, 2) Manampy an’i Jehovah hanamasina ny anarany isika, rehefa asehontsika amin’ny ataontsika sy izay lazaintsika hoe hoatran’ny ahoana marina izy. Manamarina ny anarany isika raha manampy ny olona tsy hino hevi-diso momba azy. * Porofointsika koa hoe mahavita tsy mivadika ny olombelona tsy lavorary.—Joba 27:5.

Tokony hampiantsika ny olona ampianarintsika Baiboly mba hahafantatra hoe tsara fanahy sy be fitiavana i Jehovah (Fehintsoratra 18-19) *

19. Araka ny Isaia 63:7, inona no tena tokony ho tanjontsika rehefa mampianatra?

19 Misy zavatra hafa azontsika atao mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah. Rehefa mampianatra Baiboly isika, dia matetika no manasongadina hoe manana zo hitondra an’izao rehetra izao i Jehovah ary ilaina ny mankatò ny lalàny. Tsy diso mihitsy izany. Na dia tena ilaina aza anefa ny mampianatra ny olona hankatò ny lalàn’i Jehovah, dia ny hanampy an-dry zareo ho tia an’ilay Raintsika sy tsy hivadika aminy no tena tanjontsika. Mila asongadintsika tsara àry ny toetra mahafinaritra ananan’i Jehovah rehefa mampianatra isika. (Vakio ny Isaia 63:7.) Hanampy ny olona ho tia an’i Jehovah isika amin’izay, ka hankatò an’i Jehovah izy ireo satria tsy te hivadika aminy.

20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Hitantsika tato hoe tena ilaina ny manamasina ny anaran’i Jehovah. Ahoana anefa no hanaovantsika an’izany? Mila mitandrina ny fitondran-tenantsika sy ny fomba fampianarantsika isika. Hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah isika amin’izay, ka hahatonga ny olona ho tia azy. Handinika an’ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 2 Jehovah no Anaranao

^ feh. 5 Inona ilay adihevitra lehibe mahakasika ny olombelona rehetra sy ny anjely? Nahoana izy io no tena zava-dehibe sy mahakasika antsika? Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah isika, raha azontsika ny valin’ireo sy ny fanontaniana hafa mifandray amin’ireo.

^ feh. 18 Nilaza ny bokintsika taloha hoe tsy mila hamarinina ny anaran’i Jehovah, satria tsy misy miady hevitra hoe manana zo hitondra an’io anarana io ve izy. Nahitsy anefa izany tamin’ny fivoriana fanao isan-taona tamin’ny 2017. Izao no nolazain’ilay mpitari-draharaha tamin’izay: “Raha tsorina izany, dia azontsika atao tsara ny mivavaka mba hanamarinana ny anaran’i Jehovah. Mila porofoina mantsy hoe tsy mitombina ny fanaratsiana azy.”—Jereo ny fandaharana tamin’ny volana Janoary 2018 ao amin’ny jw.org®. Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > TELE JW.

^ feh. 62 SARY: Nanendrikendrika an’Andriamanitra ny Devoly rehefa nilaza tamin’i Eva hoe mpandainga izy. Efa hatramin’izay i Satana no nanely hevi-diso momba an’Andriamanitra. Lazainy, ohatra, hoe ratsy fanahy izy satria mandefa ny olona any amin’ny afobe. Lazainy koa fa avy amin’ny evolisiona ny olona fa tsy noforonin’Andriamanitra.

^ feh. 64 SARY: Rahalahy mampianatra Baiboly, dia manasongadina ny toetran’Andriamanitra.