LAHATSORATRA FIANARANA 29

“Rehefa Malemy Aho, dia Amin’izay Aho no Mahery”

“Rehefa Malemy Aho, dia Amin’izay Aho no Mahery”

“Finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fanivaivana, amin’ny tsy fisiana, amin’ny fanenjehana sy ny zava-tsarotra, noho ny amin’i Kristy.”​—2 KOR. 12:10.

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

HO HITANAO ATO *

1. Inona no tsapan’ny apostoly Paoly indraindray?

NIAIKY ny apostoly Paoly hoe nahatsapa ho nalemy izy indraindray. Nilaza, ohatra, izy hoe ‘nihaosa’ ary niady mafy mba hanao ny tsara. Nisy fotoana koa tsy araka ny nantenainy ny fomba namalian’i Jehovah ny vavaka nataony. (2 Kor. 4:16; 12:7-9; Rom. 7:21-23) Nilaza koa izy fa nihevitra azy ho malemy * ny fahavalony. Tsy navelan’i Paoly hahatonga azy hieritreritra ho tsy misy ilana azy anefa ny fiheveran’ny olona. Tsy nieritreritra an’izany koa izy na dia tsy lavorary aza.​—2 Kor. 10:10-12, 17, 18.

2. Rehefa jerena ny 2 Korintianina 12:9, 10, inona no lesona sarobidy nianaran’i Paoly?

2 Nisy lesona sarobidy nianaran’i Paoly. Nianarany hoe afaka ny hatanjaka ny olona iray na dia mahatsiaro ho malemy aza. (Vakio ny 2 Korintianina 12:9, 10.) Nilaza taminy i Jehovah hoe: “Lavorary ny fiasan’ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.” Midika izany hoe rehefa tsy ampy hery i Paoly, dia i Jehovah no nameno ny banga. Andao hojerentsika aloha hoe fa maninona isika no tsy tokony hiady saina be rehefa manambany antsika ny fahavalo.

FALY NA DIA MISY MANAMBANY AZA

3. Nahoana isika no afaka ny ho faly na dia misy manambany aza?

3 Tsy misy amintsika tia an’izany hoe ambanina izany. Raha manambany antsika anefa ny fahavalo ka miady saina be amin’izay lazainy isika, dia mety ho kivy. (Ohab. 24:10) Ahoana àry no tokony hatao rehefa misy manambany? Tokony ho “finaritra ... amin’ny fanivaivana” isika, hoatran’i Paoly. (2 Kor. 12:10) Nahoana isika no afaka ny ho faly na dia misy manambany sy manohitra aza? Satria manaporofo izany hoe tena mpianatr’i Jesosy isika. (1 Pet. 4:14) Nilaza i Jesosy hoe henjehina ny mpanara-dia azy. (Jaona 15:18-20) Izany no nitranga tamin’ny taonjato voalohany. Noheverin’izay olona nanaraka ny kolontsaina grika hoe tsy mahay sy ambany ny Kristianina. Ny Jiosy indray nihevitra hoe ‘olon-tsotra tsy dia nahita fianarana’ ny Kristianina, anisan’izany ny apostoly Petera sy Jaona. (Asa. 4:13) Hoatran’ny hoe ambany tokoa ny Kristianina tamin’izany. Tsy nanana fahefana mantsy ry zareo satria tsy nanao politika. Tsy nanao miaramila koa ry zareo ka tsy nandeha niady ary tsy afaka niaro tena. Tsy vitan’izany fa nailikiliky ny fiaraha-monina ry zareo.

4. Ahoana no nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany rehefa nambanina?

4 Tsy nanompo an’i Jehovah intsony ve ireny Kristianina taloha ireny satria nanambany an-dry zareo ny mpanohitra? Tsy izany! Nihevitra, ohatra, ny apostoly Petera sy Jaona fa voninahitra ny hoe enjehina satria manara-dia an’i Jesosy sy mampianatra ny olona momba azy. (Asa. 4:18-21; 5:27-29, 40-42) Tsy nisy tokony ho nahamenatra azy ireo. Raha ny marina, dia nanao soa betsaka kokoa ho an’ny olombelona izy ireo raha oharina amin’ny fahavalony. Mbola manampy sy manome fanantenana olona an-tapitrisany, ohatra, ny boky ao amin’ny Baiboly nosoratan’ny sasany tamin’izy ireo. Efa manjaka any an-danitra koa izao ilay Fanjakana notorin’izy ireo, ary tsy ho ela dia hanjaka amin’ny olombelona rehetra. (Mat. 24:14) Ary aiza izao ilay fitondrana natanjaka be nanenjika ny Kristianina tamin’izany? Efa tantara sisa! Ny Kristianina tsy nivadika nenjehiny anefa lasa mpanjaka any an-danitra. Tsy izay ihany fa efa maty ny mpanohitra azy ireo. Ary na dia hatsangana amin’ny maty aza ireny mpanohitra ireny, dia ho lasa vahoakan’ilay Fanjakana notorin’ireo Kristianina nankahalainy.​—Apok. 5:10.

5. Araka ny Jaona 15:19, nahoana ny vahoakan’i Jehovah no tsy hajain’ny olona?

5 Hoatr’izany koa ny mahazo antsika vahoakan’i Jehovah amin’izao. Lazain’ny olona hoe tsy mahay sy ambany isika, dia tsy hajainy sy esoiny. Fa maninona? Satria isika tsy manahaka ny toe-tsain-dry zareo, fa miezaka ny hanetry tena sy handefitra ary hankatò. Izay mirehareha sy mieboebo ary tia mikomy kosa no hindrahindrain’ity tontolo ity. Tsy izay ihany fa tsy manao politika isika sady tsy manao miaramila mihitsy. Tsy manao ny fanaon’ity tontolo ity isika ka heverin’izy ireo ho ambany.​—Vakio ny Jaona 15:19; Rom. 12:2.

6. Inona no zavatra miavaka vitan’i Jehovah amin’ny alalan’ny mpanompony?

6 Na ahoana na ahoana fiheveran’ity tontolo ity antsika, dia mampiasa antsika i Jehovah mba hahavitana zavatra miavaka, anisan’izany ny fitoriana. Mbola tsy betsaka hoatran’ny amin’izao andro izao ny asa fitoriana vita hatramin’izay. Ny gazety avoakan’ny mpanompon’i Jehovah no voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra sy miely indrindra amin’izao. Mampiasa ny Baiboly koa ry zareo mba hanampiana olona an-tapitrisany hanatsara ny fiainany. Raha tsy i Jehovah, dia tsy ho tanteraka izany rehetra izany. Mampiasa olona heverin’ity tontolo ity hoe tsy misy dikany izy mba hahavitana an’ireny zavatra miavaka ireny. Ahoana anefa ny amintsika tsirairay? Afaka manome hery antsika ve i Jehovah? Inona no tsy maintsy ataontsika raha te hahazo ny fanampiany isika? Andao hijery zavatra telo azo ianarana avy amin’ny apostoly Paoly.

AZA MIANTEHITRA AMIN’NY HERINAO

7. Inona no lesona ianarantsika avy amin’i Paoly?

7 Izao no lesona iray ianarantsika avy amin’i Paoly: Aza miantehitra amin’ny herinao na ny fahaizanao rehefa manompo an’i Jehovah. Afaka nirehareha sy natoky tena i Paoly, raha ny zavatra niainany no jerena. Tany Tarsosy, ohatra, izy no lehibe. Renivohitry ny faritany romanina iray io tanàna io. Nanan-karena be izy io sady nisy oniversite nalaza tany. Nahita fianarana koa i Paoly, ary i Gamaliela mihitsy no nampianatra azy. Olona ambony teo amin’ny Jiosy izy io, sady anisan’ny nohajaina indrindra tamin’izany andro izany. (Asa. 5:34; 22:3) Tsy vitan’izany fa nisy fotoana i Paoly nanana toerana ambony teo amin’ny Jiosy. Izao no nolazainy: “Nandroso tamin’ny Fivavahan’ny Jiosy mihoatra noho ny ankamaroan’ireo nitovy taona tamiko teo amin’ny iray firazanana tamiko aho.” (Gal. 1:13, 14; Asa. 26:4) Na izany aza, dia tsy niantehitra tamin’ny heriny na ny fahaizany i Paoly.

Tena sarobidy tamin’i Paoly ny nanara-dia an’i Kristy, ka noheveriny ho “fako miavosa” daholo izay noeritreretin’ity tontolo ity ho tombontsoa (Fehintsoratra 8) *

8. Araka ny Filipianina 3:8, ahoana no fahitan’i Paoly ny zavatra nafoiny? Nahoana izy no ‘finaritra tamin’ny fahalemena’?

8 Nafoin’i Paoly izay mety ho nahatonga azy ho olona ambony teto amin’ity tontolo ity, ary faly izy nanao an’izany. Lasa nihevitra an’ireny ho “fako miavosa” izy. (Vakio ny Filipianina 3:8.) Marina fa niatrika olana be dia be izy satria lasa mpanara-dia an’i Kristy. Nankahala azy, ohatra, ny mpiray firenena taminy. (Asa. 23:12-14) Nokapohin’ny Romanina sy nogadrain’izy ireo koa izy, nefa izy nizaka ny zom-pirenena romanina. (Asa. 16:19-24, 37) Tsy vitan’izany fa nalahelo izy satria tsapany hoe sarotra be taminy ny nanao ny tsara. (Rom. 7:21-25) Tsy navelany hahakivy azy anefa izany rehetra izany. ‘Finaritra tamin’ny fahalemena’ kosa izy. Nahoana? Satria rehefa nalemy izy no nahita hoe nomen’i Jehovah hery.​—2 Kor. 4:7; 12:10.

9. Inona no mety hahatonga antsika hahatsiaro ho malemy, ary ahoana no tokony hiheverantsika an’izany?

9 Tsy miankina amin’ny tanjaka ananantsika, na ny fianarana vitantsika, na ny fiaviantsika, na ny harenantsika no mahatonga antsika ho sarobidy. Tsy tokony hieritreritra an’izany isika raha te hahazo hery avy amin’i Jehovah. Tsy ireny mantsy no mahatonga antsika ho azony ampiasaina. Vitsy ny mpanompon’i Jehovah “hendry araka ny nofo”, na “mahery”, na “avo razana.” Ny “malemy amin’izao tontolo izao” kosa no nofidin’i Jehovah hampiasaina. (1 Kor. 1:26, 27) Tadidio àry hoe afaka manompo an’i Jehovah foana ianao na dia tsy manana an’ireo zavatra notanisaina teo am-piandohan’ity fehintsoratra ity aza. Na dia hoatran’ny vato misakana aza izany, dia ataovy hirika mba hahazoana hery avy amin’i Jehovah. Ahoana, ohatra, raha matahotra ianao rehefa misy manakiana ny zavatra inoanao? Mivavaha amin’i Jehovah mba ho sahy hiaro ny finoanao. (Efes. 6:19, 20) Ary ahoana raha miaritra ny mafy ianao satria manana aretina mitaiza? Angataho i Jehovah hanome ny hery ilainao mba hahafahanao hanompo betsaka araka izay azo atao. Hihamatanjaka ny finoanao ary vao mainka ianao hahery isaky ny mahatsapa hoe ampiany.

MIANARA AVY AMIN’IREO OHATRA AO AMIN’NY BAIBOLY

10. Nahoana no ilaina ny mandinika ny ohatra navelan’ny mpanompon’i Jehovah taloha, anisan’izany ireo resahin’ny Hebreo 11:32-34?

10 Nazoto nianatra ny Soratra Masina i Paoly, ary betsaka ny zavatra lasa fantany avy amin’izany. Nianatra avy tamin’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika voaresaka ao koa anefa izy. Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo izy, dia nampirisika azy ireo hisaintsaina ny ohatra navelan’izy ireny. (Vakio ny Hebreo 11:32-34.) Anisan’izany i Davida Mpanjaka. Tsy ny fahavalony ihany no nanenjika azy fa ny namany taloha koa. Rehefa mandinika ny ohatr’i Davida isika, dia hahita hoe nahoana izany no mety ho nampahery an’i Paoly. Ho hitantsika koa hoe ahoana no azontsika anahafana an’i Paoly.

Tsy natahotra hiady tamin’i Goliata i Davida, na dia tanora sy hoatran’ny hoe nalemy aza. Niantehitra tamin’i Jehovah izy satria fantany hoe hanome azy hery handresena an’i Goliata i Jehovah. Izany tokoa no nitranga (Fehintsoratra 11)

11. Nahoana i Davida no hoatran’ny hoe nalemy? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

11 Miaramila natanjaka be i Goliata ary nalemy kely no fahitany an’i Davida. Vao nahatazana azy izy dia “nanao tsinontsinona” azy. I Davida mantsy ankizilahy mbola tsy mpiady sady hoatran’ny hoe zara raha nanana fitaovam-piadiana. I Goliata indray ngeza kokoa sy ampy fitaovana kokoa ary zatra ady kokoa. Hoatran’ny hoe nalemy àry i Davida. Niantehitra tamin’i Jehovah anefa izy ka nahery, dia naharesy an’ilay fahavalo.​—1 Sam. 17:41-45, 50.

12. Inona no olana hafa natrehin’i Davida?

12 Nanana olana hafa i Davida, ary mety ho nahatonga azy hahatsiaro ho malemy sy tsy misy dikany izany. I Saoly no notendren’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely tamin’izany, ary tsy nivadika tamin’i Saoly i Davida. Nanaja azy i Saoly tamin’ny voalohany, nefa lasa nialona azy tatỳ aoriana satria nanambony tena. Nampijaly an’i Davida àry izy ary nitady hamono azy mihitsy.​—1 Sam. 18:6-9, 29; 19:9-11.

13. Inona no nataon’i Davida rehefa nanao ny tsy rariny taminy i Saoly Mpanjaka?

13 Nanaja an’i Saoly Mpanjaka foana i Davida na dia tsy rariny aza no nataony taminy. (1 Sam. 24:6) Tsy nanome tsiny an’i Jehovah koa izy noho ny zavatra ratsy nataon’i Saoly taminy. Niantehitra tamin’i Jehovah kosa izy mba hahazo ny hery nilainy hiaretana an’izany.​—Salamo 18:1 sy ny teny mampiditra azy.

14. Inona no olana natrehin’i Paoly ka nitovy tamin’ny an’i Davida?

14 Niatrika olana hoatran’ny an’i Davida koa ny apostoly Paoly. Nahery lavitra noho izy ny fahavalony. Be dia be ny olona ambony nankahala azy tamin’izany, ary matetika izy no nokapohin’izy ireo sy nogadrainy. Nanao zavatra ratsy taminy koa ny olona tokony ho namany. Nanenjika azy mihitsy aza ny olona sasany tao amin’ny fiangonana. (2 Kor. 12:11; Fil. 3:18) Nandresy foana anefa i Paoly, na iza na iza nanohitra azy. Fa maninona? Satria izy nitory foana na dia nisy nanenjika aza. Tiany foana koa ireo rahalahy sy anabavy, na dia nandiso fanantenana azy aza ry zareo. Fa ny zava-dehibe indrindra dia hoe tsy nivadika tamin’Andriamanitra mandra-pahafatiny izy. (2 Tim. 4:8) Tsy noho ny heriny anefa no nahavitany an’izany rehetra izany, fa noho izy niantehitra tamin’i Jehovah.

Rehefa mampisaintsaina an’izay manakiana ny zavatra inoanao ianao, dia miezaha hanaja azy sy ho tsara fanahy aminy (Fehintsoratra 15) *

15. Inona no tanjonao, ary ahoana no hahavitanao an’izany?

15 Manambany anao na manenjika anao ve ny mpiara-mianatra aminao, na ny mpiara-miasa aminao, na ny havanao tsy Vavolombelona? Efa nisy olona tao amin’ny fiangonana ve nanao ratsy taminao? Raha izany, dia tadidio ny nataon’i Davida sy Paoly. Afaka ‘mandresy ny ratsy amin’ny tsara foana’ ianao. (Rom. 12:21) Tsy ny handentika vato eo an-tampon-kandrin’ny olona hoatran’ny nataon’i Davida no tanjonao, fa ny handentika ny Tenin’Andriamanitra any am-pony sy any an-tsainy. Ahoana no hahavitanao an’izany? Ampiasao ny Baiboly rehefa mamaly ny fanontanian’ny olona. Miezaha hanaja an’izay olona manao ratsy anao sy ho tsara fanahy aminy. Tsy izay ihany fa manaova soa amin’ny olona rehetra, na dia amin’ny fahavalonao aza.​—Mat. 5:44; 1 Pet. 3:15-17.

EKEO NY FANAMPIAN’NY HAFA

16-17. Inona no tsy hadinon’i Paoly mihitsy?

16 Mpanambany olona ny apostoly Paoly sady nanenjika ny mpanara-dia an’i Jesosy, tamin’izy mbola tsy Kristianina. (Asa. 7:58; 1 Tim. 1:13) Saoly no anarany tamin’izany. I Jesosy mihitsy no nisakana azy tsy hampijaly ny fiangonana kristianina intsony. Niresaka taminy avy tany an-danitra i Jesosy ary nataony jamba izy. Tsy maintsy nitady fanampiana tamin’ireo olona nenjehiny i Paoly mba hahita indray. Nanetry tena izy ka nanaiky nampian’i Ananiasy, dia lasa tsy jamba intsony.​—Asa. 9:3-9, 17, 18.

17 Rehefa lasa anisan’ny fiangonana kristianina i Paoly tatỳ aoriana, dia lasa nisongadina be. Tsy hadinony mihitsy anefa ny lesona nampianarin’i Jesosy azy teo amin’ilay lalana nankany Damaskosy. Nanetry tena foana izy ary vonona hanaiky ny fanampian’ny mpiara-manompo. Niaiky izy hoe “nanampy sy nankahery” azy ry zareo.​—Kol. 4:10, 11.

18. Nahoana isika no mety tsy hanaiky hampian’ny hafa?

18 Inona koa no azontsika ianarana avy amin’i Paoly? Angamba isika tena nanaiky hampian’ny hafa, tamin’isika nanomboka niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Fantatsika mantsy fa mbola betsaka no tokony hianarantsika satria hoatran’ny zaza isika tamin’izany. (1 Kor. 3:1, 2) Ary ahoana ny amin’izao? Efa aman-taonany angamba isika no nanompo an’i Jehovah sady lasa be traikefa. Ahoana anefa raha misy olona te hanampy antsika, nefa izy vao haingana kokoa noho isika no tao amin’ny fahamarinana? Sao dia tsy vonona hanaiky ny fanampiany isika? Tadidio fa matetika i Jehovah no mampiasa ny rahalahy sy anabavy mba hampaherezana antsika. (Rom. 1:11, 12) Tsy maintsy mitadidy an’izany isika raha te hahazo hery avy aminy.

19. Nahoana i Paoly no nahavita zavatra niavaka?

19 Nahavita zavatra niavaka i Paoly rehefa lasa Kristianina. Fa maninona? Satria nianarany hoe rehefa manetry tena sy miantehitra amin’i Jehovah ihany ny olona iray vao hahomby. Tsy miankina amin’ny tanjaka, na ny fianarana vita, na ny harena, na ny fiaviana izany. Enga anie isika hanahaka an’i Paoly ka hiantehitra amin’i Jehovah, handray lesona avy amin’ny olona resahina ao amin’ny Baiboly, ary hanaiky hampian’ny mpiara-manompo. Hataon’i Jehovah mahery isika amin’izay, na dia mahatsiaro ho malemy hoatran’ny inona aza!

HIRA 71 Tafik’i Jehovah Isika!

^ feh. 5 Handinika ny ohatry ny apostoly Paoly isika ato. Ho hitantsika fa raha manetry tena isika, dia hanome ny hery ilaintsika i Jehovah. Amin’izay isika ho afaka hiaritra rehefa misy manambany na rehefa mahatsiaro ho malemy.

^ feh. 1 FANAZAVANA: Betsaka ny antony mety hahatonga antsika hahatsiaro ho malemy, na tsy misy dikany, angamba noho isika tsy lavorary, na mahantra, na marary, na tsy dia nahita fianarana. Ankoatra izany, dia mampijaly na manaratsy antsika ny fahavalo mba hahatonga antsika hahatsiaro ho tsy misy vidiny.

^ feh. 57 SARY: Rehefa lasa Kristianina i Paoly, dia nafoiny daholo izay momba ny fiainany taloha tamin’izy Fariseo. Anisan’izany angamba ny horonam-boky nosoratan’ny manam-pahaizana sy ny boaty misy andininy ao amin’ny Soratra Masina.

^ feh. 61 SARY: Rahalahy teren’ny mpiara-miasa aminy hankalaza aniverseran’ny olona iray ao am-piasana.