Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 35

Hajao ny Olona Rehetra ao Amin’ny Fiangonana

Hajao ny Olona Rehetra ao Amin’ny Fiangonana

“Ny maso tsy afaka manao amin’ny tanana hoe: ‘Tsy mila anao aho.’ Ary ny loha tsy afaka manao amin’ny tongotra hoe: ‘Tsy mila anareo aho.’”—1 KOR. 12:21.

HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!

HO HITANAO ATO *

1. Inona no ataon’i Jehovah noho izy be fitiavana?

BE FITIAVANA i Jehovah ka avelany ho anisan’ny fiangonana ny mpanompony tsy mivadika rehetra. Marina fa tsy mitovy ny anjara biriky entintsika ao amin’ny fiangonana, nefa sarobidy daholo isika ary samy mila ny hafa daholo. Manampy antsika hahazo tsara an’izany lesona tena lehibe izany ny apostoly Paoly.

2. Araka ny Efesianina 4:16, inona no ho vokany raha mihevitra ny mpiara-manompo ho sarobidy sy miara-miasa amin’izy ireo isika?

2 Tsy misy amintsika afaka milaza amin’ny mpanompon’i Jehovah hafa hoe: “Tsy mila anao aho.” (1 Kor. 12:21) Izany no nasongadin’i Paoly ao amin’ny andinin-teny fototra ho an’ity lahatsoratra ity. Raha tiantsika hilamina tsara ny fiangonana, dia tsy maintsy mihevitra ny mpiara-manompo ho sarobidy isika ary miara-miasa amin’izy ireo. (Vakio ny Efesianina 4:16.) Raha miray saina tsara isika rehefa miara-miasa, dia hahatsiaro ho tiana ny rehetra ary hatanjaka ny fiangonana.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Ahoana no hampisehoantsika hoe manaja ny hafa isika? Misy zavatra telo hodinihintsika ato: Inona no azon’ny anti-panahy atao rehefa mifandray amin’ny anti-panahy hafa? Inona no azontsika rehetra atao mba hampisehoana fa sarobidy amintsika ny rahalahy sy anabavy tsy manambady? Ary ahoana no hampisehoantsika fa tiantsika ny mpiara-manompo na dia tsy mahay tsara ny fitenintsika aza?

HAJAO NY ANTI-PANAHY HAFA

4. Inona no torohevitr’i Paoly ao amin’ny Romanina 12:10 ka tokony harahin’ny anti-panahy?

4 Notendren’ny fanahy masin’i Jehovah daholo ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana. Tsy mitovy anefa ny zavatra hain’izy ireo. (1 Kor. 12:17, 18) Misy, ohatra, voatendry vao haingana dia kely kokoa ny traikefa ananany raha oharina amin’ny an’ny hafa. Misy indray tsy dia mahavita firy satria efa zokiolona na tsy salama. Tsy misy anti-panahy tokony hanilikilika ny anti-panahy hafa anefa ka hieritreritra hoe: “Tsy mila anao aho.” Tokony hanaraka ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Romanina 12:10 kosa ny anti-panahy tsirairay.—Vakio.

Manaja ny anti-panahy hafa ny anti-panahy raha mihaino tsara azy ireo (Fehintsoratra 5-6)

5. Ahoana no hampisehoan’ny anti-panahy fa manaja ny anti-panahy hafa izy? Nahoana izany no tena ilaina?

5 Manaja ny anti-panahy hafa ny anti-panahy raha mihaino tsara azy ireo. Tena ilaina izany indrindra rehefa mivory ry zareo mba handinika raharaha lehibe. Fa maninona? Izao no voalazan’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1988 amin’ny teny anglisy: “Afaka mampiasa ny fanahy masina i Jesosy mba hanampiana ny anti-panahy hamoaka toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’izay raharaha dinihin’izy ireo, na izay fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo. (Asa. 15:6-15) Azony ampiana hoatr’izany daholo ny anti-panahy, na iza na iza. Tsy anti-panahy iray ihany àry no iasan’ny fanahy masina. Mila miaiky an’izany ny anti-panahy rehetra.”

6. Inona no azon’ny anti-panahy atao raha te hiray saina tsara ry zareo? Inona no ho vokatr’izany amin’ny fiangonana?

6 Ahoana koa no azon’ny anti-panahy ampisehoana hoe manaja ny anti-panahy hafa izy? Tsy izy foana no hiteny voalohany rehefa mivory ry zareo. Tsy mibodo resaka izy, ary tsy mieritreritra hoe ny heviny foana no mety. Manetry tena kosa izy rehefa milaza ny heviny sady mihaino tsara an’izay lazain’ny hafa. Mbola misy zava-dehibe noho izany anefa. Vonona hampiseho toro lalan’ny Baiboly izy, ary mazoto manaraka ny tari-dalana omen’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47) Rehefa mifanaja sy mampiseho fitiavana ny anti-panahy mandritra ny fivorian’izy ireo, dia hiasa amin’izy ireo ny fanahy masina ka hahasoa ny fiangonana ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo.—Jak. 3:17, 18.

HAJAO IREO TSY MANAMBADY

7. Ahoana no fahitan’i Jesosy ny olona tsy manambady?

7 Tsy mpivady sy fianakaviana fotsiny no ao amin’ny fiangonana. Misy rahalahy sy anabavy be dia be tsy manambady koa ao. Ahoana no tokony hiheverantsika azy ireny? Mila manahaka ny fomba fihevitr’i Jesosy isika. Tsy nanambady izy tamin’izy tetỳ an-tany, ary natokany hanaovana ny fanompoana nanendrena azy ny fotoanany sy ny heriny. Tsy nilaza mihitsy izy hoe tsy maintsy manambady na tsy maintsy mijanona ho mpitovo ny Kristianina. Nilaza anefa izy fa misy Kristianina sasany hifidy ny tsy hanambady. (Mat. 19:11, 12) Nanaja ny olona tsy nanambady i Jesosy, fa tsy nanambany azy ireny. Tsy nieritreritra izy hoe misy tsy ampy eo amin’ny fiainan’izy ireny.

8. Araka ny 1 Korintianina 7:7-9, nampirisihin’i Paoly hanao inona ny Kristianina?

8 Nanao hoatran’i Jesosy koa i Paoly. Tsy nanambady izy tamin’izy nanao ny fanompoany. Tsy nilaza mihitsy i Paoly hoe tsy mety amin’ny Kristianina ny manambady. Niaiky kosa izy hoe fanapahan-kevitry ny tsirairay izany. Na izany aza, dia nampirisika ny Kristianina izy mba handinika raha afaka mijanona ho mpitovo ry zareo, amin’izay afaka mifantoka amin’ny fanompoana. (Vakio ny 1 Korintianina 7:7-9.) Tsy nanambany ny Kristianina mpitovo mihitsy i Paoly. Nofidiny homena andraikitra lehibe, ohatra, ilay rahalahy mpitovo atao hoe Timoty, tamin’izy mbola tanora. * (Fil. 2:19-22) Hitantsika amin’izany hoe tsy miankina amin’ny hoe manambady na tsia no mahatonga ny rahalahy iray hahafeno fepetra hiantsoroka andraikitra.—1 Kor. 7:32-35, 38.

9. Ahoana no tokony hiheverantsika ny hoe manambady sy ny hoe mijanona ho mpitovo?

9 Na i Jesosy na i Paoly dia samy tsy niteny hoe tsy maintsy manambady ny Kristianina na hoe tsy mahazo manambady. Ahoana àry no tokony hiheverantsika ny hoe manambady sy ny hoe mijanona ho mpitovo? Mety tsara ny fomba iresahan’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2012 an’izany. Voalaza ao hoe “samy fanomezana avy amin’Andriamanitra” na ny hoe manambady na ny hoe tsy manambady. Resahina ao koa fa ‘tsy heverin’i Jehovah ho afa-baraka na mampalahelo ny olona mijanona ho mpitovo.’ Tsy maintsy manaja ny rahalahy sy anabavy tsy manambady àry isika.

Inona no tsy tokony hataontsika raha mitsinjo ny fihetseham-pon’ny mpiara-manompo tsy manambady isika? (Fehintsoratra 10)

10. Ahoana no hampisehoantsika hoe manaja an’ireo rahalahy sy anabavy tsy manambady isika?

10 Ahoana no hampisehoantsika hoe manaja ny fihetseham-pon’ny rahalahy sy anabavy tsy manambady isika? Tokony hotadidintsika hoe misy antony maromaro mety hahatonga ny olona iray ho mpitovo. Misy, ohatra, nifidy ny tsy hanambady mihitsy. Ny hafa indray te hanambady ihany fa tsy mahita ny mety aminy. Misy koa maty vady. Mety ve anefa ny misikotsikotra an-dry zareo hoe fa maninona izy no tsy manambady? Mety koa ve ny miteny hoe hanampy azy hahita vady isika? Marina aloha fa mety hangataka fanampiana ny Kristianina sasany. Inona anefa no mety ho tsapan’ny rahalahy na anabavy mpitovo raha manolo-tena hanampy azy isika nefa izy tsy nangataka an’izany akory? (1 Tes. 4:11; 1 Tim. 5:13) Andao isika hijery an’izay nolazain’ny mpitovo tsy mivadika sasany.

11-12. Inona no mety hataontsika ka hahakivy ny olona tsy manambady?

11 Nilaza ny rahalahy mpitovo iray fa misy tombony be ilay hoe tsy manambady. Mpiandraikitra ny faritra izy ary mahavita tsara ny fanompoany. Nilaza koa anefa izy fa mahakivy ihany rehefa misy mpiara-manompo te hanampy azy dia manontany hoe: “Fa maninona ianao no mbola tsy manambady?” Izao koa no nolazain’ny rahalahy mpitovo iray miasa ao amin’ny biraon’ny sampana: “Indraindray ny zavatra ataon’ny rahalahy sy anabavy sasany mahatonga ahy hahatsapa hoe mampalahelo kely ny olona tsy manambady. Lasa hoatran’ny olana ilay hoe tsy manambady fa tsy zavatra tsara.”

12 Misy anabavy mpitovo manompo ao amin’ny Betela nilaza hoe: “Mieritreritra ny mpitory sasany fa mitady vady daholo ny olona tsy manambady. Misy indray mihevitra hoe isaky ny tafaraka amin’ny olona maromaro ny mpitovo, dia ny hitady vady no ao an-tsainy. Nirahina hanao asa tany amin’ny tanàna iray aho indray mandeha, dia alina vao tonga tany. Nisy fivoriana tamin’io. Niteny tamiko ilay rahavavy nampiantrano ahy hoe: ‘Izaho akory tsy mitady vady ho anao, fa misy ranadahy roa mitovy taona aminao ao am-pivoriana.’ Vao tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana anefa izahay dia nentiny nankeo amin’ireo ranadahy roa ireo aho. Tsy nahazo aina mihitsy izahay telo mianadahy tamin’izay!”

13. Ny modelin’iza no mampahery ny anabavy mpitovo iray?

13 Izao koa no nolazain’ny anabavy iray hafa manompo ao amin’ny Betela: “Efa hatramin’ny ela ny mpisava lalana sasany fantatro no mpitovo. Hitako hoe mahay mandanjalanja ry zareo sady tena faly amin’ny fanompoana. Manana tanjona mazava tsara koa ry zareo sady mahafoy tena, dia tena manampy ny fiangonany. Tsy mieritreritra ry zareo hoe tsara noho ny hafa satria mpitovo, nefa tsy mahatsiaro ho matiantoka koa satria hoe tsy manam-bady aman-janaka.” Tsy hitanao hoe mahafinaritra ve ny ao am-pivoriana rehefa mifanaja hoatr’izany ny rehetra sady mihevitra ny hafa ho sarobidy? Tsy mitsetra anao mantsy ny mpiara-manompo, nefa koa tsy mialona anao. Tsy manindrahindra anao koa ry zareo, nefa koa tsy hoe tsy miraharaha anao. Fantatrao fotsiny hoe tia anao ry zareo.

14. Ahoana no hampisehoantsika hoe manaja ny rahalahy sy anabavy mpitovo isika?

14 Ho faly ny rahalahy sy anabavy mpitovo raha ny toetra tsarany no itiavantsika azy, ary tsy mieritreritra isika hoe mampalahelo izy satria tsy manambady. Tsara, ohatra, raha mankasitraka azy isika noho izy tsy mivadika. Tsy hahatsapa mihitsy izy amin’izay hoe tsy ilaintsika. (1 Kor. 12:21) Ho tsapany kosa hoe manaja azy isika ary faly isika fa anisan’ny fiangonana izy.

HAJAO IREO TSY MAHAY TSARA NY FITENINAO

15. Inona no fiovana nataon’ny olona sasany mba hahafahany hanompo bebe kokoa?

15 Betsaka ny rahalahy sy anabavy lasa mianatra fiteny hafa tato ho ato, satria te hanompo bebe kokoa. Tsy maintsy nanova ny fiainany àry izy ireo. Niala tamin’ny fiangonana mampiasa ny fitenin-drazany ry zareo, dia nifindra any amin’ny fiangonana mampiasa fiteny vahiny sy mila mpitory bebe kokoa. (Asa. 16:9) Ry zareo mihitsy no nandray an’izany fanapahan-kevitra izany, satria te hampitombo ny fanompoany. Marina fa mety ho aman-taonany ry zareo vao hahay tsara an’ilay fiteny vaovao. Na izany aza, dia efa mahavita zavatra tsara be dia be ry zareo. Mampahery sy manatanjaka ny fiangonana, ohatra, izy ireo satria tsara toetra sady manana traikefa. Tena sarobidy amintsika ireny rahalahy sy anabavy mahafoy tena ireny!

16. Inona no tokony hojeren’ny anti-panahy rehefa hanolotra rahalahy iray ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana?

16 Ahoana raha mbola tsy mahay tsara ny fiteny ampiasaina ao amin’ny fiangonana ny rahalahy iray? Tsy tokony hieritreritra ny anti-panahy hoe tsy azo atolotra ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana izy, satria fotsiny hoe mbola tsy mahay tsara an’ilay fiteny. Tokony hojeren’izy ireo kosa hoe mahafeno ny fepetra resahin’ny Baiboly ho an’ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ve izy, fa tsy hoe mahay tsara an’ilay fiteny ve izy.—1 Tim. 3:1-10, 12, 13; Tit. 1:5-9.

17. Inona no fanapahan-kevitra tokony horaisin’ny fianakaviana mifindra any an-tany hafa?

17 Nifindra any an-tany hafa ny fianakaviana sasany, noho ny asa fivelomana na satria misy olana ao amin’ny firenena nisy an-dry zareo. Tsy maintsy mianatra an’ilay fiteny ao amin’ilay tany angamba ry zareo mba hahitany asa. Lasa io fiteny vaovao io koa angamba no ampiasain’ny zanany any am-pianarana. Ahoana raha misy fiangonana na antoko-mpitory mampiasa ny fitenin-drazan’izy ireo ao amin’ilay tany? Tokony hivory any amin’ny fiangonana mampiasa fiteny inona ry zareo? Any amin’ilay mampiasa ny fiteniny sa any amin’ilay mampiasa ny fiteny eo an-toerana?

18. Araka ny Galatianina 6:5, nahoana isika no tokony hanaja ny fanapahan-kevitry ny loham-pianakaviana? Ahoana no hampisehoantsika an’izany?

18 Tsy maintsy manapa-kevitra ny loham-pianakaviana hoe aiza ny fiangonana halehan-dry zareo. Tsy maintsy mieritreritra an’izay tena hahasoa ny vady aman-janany izy. Anjarany ny manapa-kevitra ny amin’izany, ka tokony hekentsika sy hohajaintsika izay fanapahan-keviny eo. (Vakio ny Galatianina 6:5.) Na inona na inona safidiny, dia mila mandray tsara azy mianakavy isika ary mampiseho hoe tiantsika ry zareo.—Rom. 15:7.

19. Inona no tokony hodinihin’ny loham-pianakaviana sy horesahiny amin’i Jehovah?

19 Mivory any amin’ny fiangonana mampiasa ny fitenin-drazany ny fianakaviana sasany na dia nifindra any an-tany hafa aza, na nifindra any amin’ny faritra hafa ao amin’ny firenena misy azy. Mety tsy hahazo tsara ny zavatra resahina any am-pivoriana anefa ny zanak’izy ireo, dia tsy handroso. Fa maninona? Satria ny fiteny eo an-toerana angamba no ampiasaina any am-pianarana, dia lasa tsy mahay tsara ny fitenin-drazany ry zareo. Rehefa misy hoatr’izany, dia mila mivavaka amin’i Jehovah ny loham-pianakaviana sady mandinika hoe ahoana no hanampiany ny zanany mba hifandray kokoa amin’i Jehovah sy ny mpanompony. Afaka misafidy izy hoe na hanampy ny zanany hahay tsara ny fitenin-drazany, na hifindra any amin’ny fiangonana mampiasa an’izay fiteny hain’ny zanany tsara. Na inona na inona fanapahan-kevitra raisiny, dia tokony hanaja azy sy ny vady aman-janany izay fiangonana hivorian’izy ireo sady hihevitra azy ireo ho sarobidy.

Ahoana no hampisehoantsika hoe sarobidy amintsika ny rahalahy sy anabavy mianatra fiteny vaovao? (Fehintsoratra 20)

20. Ahoana no hampisehoantsika fa manaja ny rahalahy sy anabavy mianatra fiteny vaovao isika?

20 Noho ny antony voaresaka teo, dia miezaka mafy mianatra fiteny vaovao ny rahalahy sy anabavy any amin’ny fiangonana maro. Mety ho sahirana ry zareo vao hahavita hilaza ny ao an-tsainy. Raha tsy mifantoka amin’izany anefa isika, dia ho hitantsika fa tena tia an’i Jehovah sy te hanompo azy ry zareo. Ho tsapantsika amin’izay hoe tena sarobidy ireny rahalahy sy anabavy ireny, ka hanaja an-dry zareo isika. Tsy hilaza aminy isika hoe “tsy mila anao aho” satria fotsiny hoe tsy mahay tsara ny fitenintsika izy.

SAROBIDY AMIN’I JEHOVAH ISIKA

21-22. Nahoana isika no tena sambatra?

21 Tena sambatra isika fa avelan’i Jehovah ho anisan’ny fiangonana. Sarobidy aminy sady sarobidy amin’ny mpiara-manompo isika, na lehilahy na vehivavy, na manambady na tsia, na antitra na tanora, ary na mahay tsara ny fiteny ao amin’ny fiangonantsika na zara raha mahay an’ilay izy.—Rom. 12:4, 5; Kol. 3:10, 11.

22 Enga anie isika hampihatra foana ny lesona tena tsara avy amin’ny fanoharan’i Paoly momba ny vatan’olombelona. Ho hitantsika amin’izay hoe inona no azontsika atao mba hampaherezana ny rahalahy sy anabavintsika. Hanampy antsika koa izany mba ho tia sy hanaja azy ireo foana.

HIRA 90 Andao Isika Hifampahery

^ feh. 5 Tsy mitovy ny mpanompon’i Jehovah ary samy hafa ny anjara biriky entin’ny tsirairay ao amin’ny fiangonana. Nahoana anefa no tena ilaina ny manaja ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana? Izany no hodinihintsika ato.

^ feh. 8 Tsy azo antoka hoe tsy nanambady mihitsy i Timoty.