Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 39

Ampaherezo ny Anabavy!

Ampaherezo ny Anabavy!

“Tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.”​—SAL. 68:11.

HIRA 137 Vehivavy Manam-pinoana sy Tsy Mivadika

HO HITANAO ATO *

Tena mazoto ny anabavintsika. Mandray anjara amin’​ny fivoriana sy fanompoana ry zareo, mikojakoja Efitrano Fanjakana, ary manampy mpiara-manompo (Fehintsoratra 1)

1. Inona no ataon’ny anabavy mba hanohanana ny fandaminana, nefa inona no olana atrehin’izy ireny? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

TENA faly isika hoe manana anabavy be dia be miasa mafy ao amin’ny fiangonana! Mandray anjara amin’ny fivoriana sy fanompoana, ohatra, ry zareo. Misy koa mikojakoja Efitrano Fanjakana ary manampy mpiara-manompo. Miatrika olana koa anefa ry zareo. Ny sasany, ohatra, mikarakara ray aman-dreny be taona. Ny hafa indray enjehin’ny fianakaviany. Misy koa mitaiza irery ny zanany dia miasa mafy mba hamelomana an-dry zareo.

2. Nahoana isika no tokony hiezaka hampahery ny anabavy?

2 Fa maninona isika no tokony hampahery ny anabavy? Satria mendrika hohajaina ny vehivavy, nefa matetika izy ireny no tsy asiana vidiny eto amin’ity tontolo ity. Ny Baiboly rahateo mampirisika antsika hampahery azy ireny. Nilaza tamin’ny fiangonana tao Roma, ohatra, ny apostoly Paoly hoe tokony handray tsara an’ilay anabavy atao hoe Foiby ry zareo, dia hanome azy an’izay fanampiana ilainy. (Rom. 16:1, 2) Fariseo i Paoly taloha ka azo antoka hoe nanambany vehivavy hoatran’ny fanaon’ny Fariseo. Rehefa lasa Kristianina anefa izy, dia nanahaka an’i Jesosy ka nanaja vehivavy sady tsara fanahy tamin’izy ireny.​—1 Kor. 11:1.

3. Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny vehivavy? Ary ahoana no fomba nitondrany ny vehivavy nanao ny sitrapon’ny Rainy?

3 Nanaja ny vehivavy rehetra i Jesosy. (Jaona 4:27) Tsy nanao tsinontsinona ny vehivavy hoatran’ny mpitondra fivavahana tamin’izany izy. Hoy ny boky iray: “Tsy nilaza teny nanambany vehivavy mihitsy i Jesosy na indray mandeha aza.” Hafa mihitsy anefa ny fanajana nasehony tamin’ny vehivavy nanao ny sitrapon’ny Rainy. Rehefa nilaza koa izy hoe iza no anisan’ny fianakaviany ara-panahy, dia tsy ny lehilahy ihany no noresahiny fa ny vehivavy koa.​—Mat. 12:50.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Vonona foana i Jesosy mba hanampy ny vehivavy nanompo an’Andriamanitra. Nankasitraka sy niaro ary nanampy azy ireny izy. Inona no azontsika atao raha te hanahaka azy isika? Handinika an’izany isika ato.

SAROBIDY NY ANABAVY

5. Nahoana no mety ho sarotra amin’ny anabavy sasany ny mahita namana mampahery?

5 Mila namana tsara daholo isika na rahalahy na anabavy. Tsy mora amin’ny anabavy anefa indraindray ny mahita namana hoatr’izany. Fa maninona? Diniho ny tenin’ireto anabavy ireto. Hoy i Jordan: * “Satria aho mpitovo, dia matetika aho no mahatsapa hoe tsy misy ilana an’ahy ao amin’ny fiangonana. Hoatran’ny hoe tsy anisan’ny fiangonana aho.” Izao indray no nolazain’i Kristen, mpisava lalana nanitatra faritany: “Mety ho manirery ianao raha vao mifindra fiangonana.” Hoatr’izany koa ny rahalahy sasany. Misy indray mpiara-manompo mety hahatsiaro ho hoatran’ny hoe tsy an-tany tsy am-parafara. Miara-mipetraka amin’ny fianakaviana tsy Vavolombelona mantsy izy, dia angamba tsy tena mifandray am-po amin’ny ao an-trano nefa koa tsy tena akaikin’ny fianakaviany ara-panahy. Ary ahoana ny amin’ireo anabavy marary dia tsy afaka mivoaka ny tranony, na ireo tsy maintsy mikarakara mpianakavy marary? Mety hahatsiaro ho manirery koa izy ireny. Hoy i Annette: “Rehefa nisy nanasa aho, dia tsy afaka nanaiky satria izaho no tena nikarakara an’i Mama.”

Miahy ny anabavy isika, hoatran’ny nataon’i Jesosy (Fehintsoratra 6-9) *

6. Ahoana no nanampian’i Jesosy an’i Marta sy Maria, rehefa jerena ny Lioka 10:38-42?

6 Nanokana fotoana ho an’ny vehivavy nanompo an’Andriamanitra i Jesosy, ary hita hoe tena naman’izy ireny. Hoatr’izany, ohatra, no nataony tamin’i Maria sy Marta. (Vakio ny Lioka 10:38-42.) Toa samy mpitovo izy mirahavavy. Hita tamin’izay nolazain’i Jesosy sy nataony hoe tiany hahazo aina tsara ry zareo rehefa niaraka taminy. Tsy natahotra ny hipetraka teo an-tongotr’i Jesosy àry i Maria. * I Marta indray tsy nisalasala nilaza an’izay tao an-tsainy tamin’i Jesosy, rehefa sorena hoe tsy nanampy azy i Maria. Afaka nampita lesona tena tsara tamin’izy mirahavavy i Jesosy tamin’izay. Mbola niahy an-dry zareo koa izy tamin’ny fotoana hafa, satria nitsidika an-dry zareo sy Lazarosy anadahiny. (Jaona 12:1-3) Tsy mahagaga raha tany amin’i Jesosy i Maria sy Marta no nangataka fanampiana rehefa narary mafy i Lazarosy.​—Jaona 11:3, 5.

7. Ahoana no azontsika ampaherezana ny anabavy?

7 Ny fivoriana no mba anisan’ny fotoana ahafahan’ny anabavy sasany miaraka amin’ny mpiara-manompo. Mila manararaotra an’izany àry isika, dia mandray tsara azy ireny rehefa any am-pivoriana, ary miresaka aminy sy mampiseho aminy hoe miahy azy. Hoy i Jordan, ilay voaresaka teo aloha: “Tena tohina ny foko rehefa misy mankasitraka ny valin-teny omeko, na manasa an’ahy hanompo hiaraka aminy, na manao zavatra hafa hampisehoana hoe tiany aho.” Tsy maintsy asehontsika amin’ireny anabavy ireny hoe sarobidy amintsika izy ireny. Hoy i Kia: “Rehefa sendra tsy mivory aho, dia tsy maintsy misy mandefa SMS foana manontany hoe manao ahoana aho. Tsapako amin’izany hoe tena tia an’ahy ny mpiara-manompo.”

8. Ahoana koa no azontsika anahafana an’i Jesosy?

8 Afaka manahaka an’i Jesosy isika, ka manokana fotoana ho an’ny anabavy. Maninona, ohatra, raha manasa an-dry zareo hisakafo? Sakafo tsotsotra dia efa mety. Azo atao koa ny miantso an-dry zareo mba hiala voly miaraka amintsika. Ataovy mampahery foana ny resaka rehefa tafaraka hoatr’izany. (Rom. 1:11, 12) Fantatr’i Jesosy fa tsy mora amin’ny olona sasany ny hoe tsy manambady. Nasehony koa anefa fa tsy miankina amin’ny hoe manambady na manan-janaka no hahatonga ny olona iray ho sambatra mandrakizay. (Lioka 11:27, 28) Sambatra kosa isika rehefa ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amintsika. (Mat. 19:12) Tsara raha manahaka an’izany fomba fihevitr’i Jesosy izany ny anti-panahy.

9. Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana ny anabavy?

9 Ny anti-panahy no tena mila mihevitra ny vehivavy ao amin’ny fiangonana ho toy ny reny sy anabavy. (1 Tim. 5:1, 2) Tsara raha miresaka amin-dry zareo ny anti-panahy, aloha sy aorian’ny fivoriana. Hoy i Kristen: “Voamariky ny anti-panahy iray hoe be atao be aho, dia nanontaniany hoe hoatran’ny ahoana ny fandaharam-potoanako. Tena faly aho hoe niahy an’ahy izy.” Hita hoe tia an’ireny anabavy ireny ny anti-panahy rehefa miresaka matetika amin-dry zareo. * Nilaza i Annette, ilay noresahina teo aloha, hoe tena tsara ilay miresaka matetika amin’ny anti-panahy. Hoy izy: “Lasa fantatro kokoa ry zareo, dia ry zareo koa lasa mahafantatra ahy. Sahy mangataka fanampiana amin-dry zareo aho izao rehefa misy olana.”

ANKASITRAHO NY ANABAVINTSIKA

10. Inona no azontsika atao mba ho faly ny anabavy ao amin’ny fiangonana?

10 Faly daholo isika, na lehilahy na vehivavy, rehefa misy olona mahamarika ny zavatra manavanana antsika ary mankasitraka an’izay ataontsika. Kivy kosa isika rehefa tsy misy miraharaha an’izany. Nilaza ny mpisava lalana tsy manambady atao hoe Abigail fa indraindray izy mahatsiaro hoatran’ny hoe tsy misy miraharaha. Izao no nolazainy: “Anabavin’i Anona na zanak’i Anona fotsiny no ahafantaran’ny olona an’ahy. Hoatran’ny hoe tsisy mahita izany aho indraindray.” Mifanohitra amin’izany no tsapan’ny anabavy mpitovo atao hoe Pam. Misionera nandritra ny taona maro izy, ary avy eo nody mba hikarakara ny ray aman-dreniny. Efa 70 taona mahery izy izao, ary mbola mpisava lalana. Hoy izy: “Tena mampahery an’ahy rehefa misy miteny amiko hoe mankasitraka an’izay ataoko ry zareo.”

11. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe nankasitraka an’ireo vehivavy nanampy azy tamin’ny fanompoana izy?

11 “Nampiasa ny fananany” mba hikarakarana an’i Jesosy ny vehivavy kristianina sasany, ary nankasitraka an’izany izy. (Lioka 8:1-3) Tsy nomeny tombontsoa hanampy azy fotsiny ry zareo, fa nampahafantariny ny sitrapon’Andriamanitra koa. Nolazainy tamin’izy ireo, ohatra, hoe ho faty izy ary hatsangana amin’ny maty. (Lioka 24:5-8) Nampiany izy ireo mba ho vonona hiatrika an’izay hitranga, tsy misy hafa amin’ny nataony tamin’ny apostoly ihany. (Mar. 9:30-32; 10:32-34) Nandositra ny apostoly rehefa nosamborina i Jesosy. Tsara homarihina anefa fa rehefa novonoina teo amin’ny tsato-kazo izy, dia tsy mba nandao azy ny vehivavy nanohana azy.​—Mat. 26:56; Mar. 15:40, 41.

12. Inona no nampanaovin’i Jesosy ny vehivavy sasany?

12 Nisy zava-dehibe nampanaovin’i Jesosy ny vehivavy. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ohatra, izy, dia vehivavy no nasainy nilaza tamin’ny apostoly hoe velona indray izy. Ry zareo mantsy no nahita azy voalohany. (Mat. 28:5, 9, 10) Mety ho nisy vehivavy koa tamin’ireo mpianatra nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. Raha izany, dia nahazo fahaizana mahagaga koa ireny vehivavy voahosotra ireny, ka lasa nahay fiteny vahiny ary afaka nilaza tamin’ny hafa firenena “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.”​—Asa. 1:14; 2:2-4, 11.

13. Inona no ataon’ny anabavy? Ahoana no hampisehoanao hoe mankasitraka ny ataon’izy ireny ianao?

13 Betsaka ny fanompoana ataon’ny anabavy ka mendrika hoderaina ry zareo. Manao fanorenana sy fikojakojana, ohatra, ry zareo. Misy koa manampy ny antoko-mpitory mampiasa fiteny vahiny, ary manompo ao amin’ny Betela. Mandray anjara amin’ny fanampiana tra-boina koa izy ireny ary manampy amin’ny fandikana ny boky sy gazetintsika. Ny sasany indray mpisava lalana na misionera. Misy anabavy koa manatrika ny sekolin’ny mpisava lalana sy ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana ary ny Sekolin’i Gileada, hoatran’ny rahalahy ihany. Tsy vitan’izany fa manampy ny vadiny mba hahavita ny andraikiny ao amin’ny fiangonana sy ny asa hafa ho an’ny fandaminana ny anabavintsika. Tsy hahavita tsara ny andraikiny ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny raha tsy eo ny vadiny. (Efes. 4:8) Eritrereto àry hoe: ‘Inona no azoko atao mba hanohanana an’ireny anabavy ireny?’

14. Inona no voalazan’ny Salamo 68:11? Inona no hataon’ny anti-panahy hendry raha manaiky an’izany izy?

14 Hendry ny anti-panahy raha miaiky hoe “tafika lehibe” sy mazoto miasa ny anabavy, ary tena mahay mitory ny vaovao tsara ny ankamaroan’izy ireny. (Vakio ny Salamo 68:11.) Miezaka mianatra avy amin-dry zareo àry ny anti-panahy. Tena faly, ohatra, i Abigail, ilay voaresaka teo aloha, rehefa misy rahalahy manontany azy hoe: “Inona no hitanao hoe tena mandaitra rehefa miresaka amin’ny olona eny amin’ny faritany?” Hoy i Abigail: “Hitako amin’izany hoe misy ilan’i Jehovah ahy ao amin’ny fandaminany.” Miaiky koa ny anti-panahy hoe afaka manampy tsara ny anabavy tanora kokoa amin’ny olana mahazo azy ny anabavy matotra sy tsy mivadika. (Tit. 2:3-5) Tsy hitanao àry ve hoe tena mendrika hoderaina ireny anabavintsika ireny?

AROVY SY AMPIO NY ANABAVINTSIKA!

15. Rahoviana ny anabavy no mila arovana sy ampiana?

15 Mety hila olona hiaro sy hanampy azy ny anabavintsika indraindray rehefa miatrika olana. (Isaia 1:17) Anisan’izany ny anabavy nisara-bady na maty vady. Angamba izy mila olona hanampy azy hanao ny zavatra sasany fanaon’ny vadiny, na mila olona hisolo vava azy rehefa miresaka amin’ny olona sasany. Ny anabavy zokiolona indray mety hila olona hanampy azy hiresaka amin’ny dokoterany. Ary ahoana raha misy anabavy mpisava lalana manao asa ho an’ny fandaminana, dia misy manakiana satria tsy manompo betsaka hoatran’ny mpisava lalana hafa? Mety hila olona hiaro azy izy amin’izay. Misy fomba hafa koa anefa azontsika anampiana ny anabavy. Andao indray isika handinika ny ohatra navelan’i Jesosy.

16. Ahoana no niarovan’i Jesosy an’i Maria, rehefa jerena ny Marka 14:3-9?

16 Inona no nataon’i Jesosy rehefa nisy olona nandray vilana ny zavatra nataon’ny vehivavy mpanompon’i Jehovah? Tonga dia niaro an-dry zareo izy. Izany, ohatra, no nataony tamin’i Maria rehefa nanakiana azy i Marta. (Lioka 10:38-42) Mbola niaro an’i Maria koa izy tatỳ aoriana, rehefa niteniteny azy ny olona sady nilaza fa tsy nety ny nataony. (Vakio ny Marka 14:3-9.) Fantatr’i Jesosy hoe fa maninona i Maria no nanao an’ilay izy, ka nidera azy izy. Hoy izy: “Tsara ny nataony tamiko. ... Nanao izay azony natao [izy].” Naminany mihitsy aza i Jesosy hoe “na aiza na aiza itoriana ny vaovao tsara eran’izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy.” Porofon’izany ity lahatsoratra ity! Mahavariana koa hoe nampifandraisin’i Jesosy tamin’ny asa fitoriana eran-tany ny fanomezana lehibe nataon’io vehivavy io. Azo antoka fa nampahery an’i Maria ny teniny, satria nitsara an-tendrony azy ny olona.

17. Rahoviana ianao no mila miaro ny anabavy? Manomeza ohatra.

17 Ary ianao? Miaro sy manampy ny anabavintsika ve ianao rehefa mila an’izany ry zareo? Andao hatao hoe tara lava ny anabavy iray manambady tsy mpino rehefa mivory. Vao vita koa anefa ny fivoriana dia lasa izy. Efa voamariky ny mpiara-manompo maromaro izany. Hitan-dry zareo koa hoe mahalana izy vao mitondra ny zanany mivory. Lasa manakiana azy ry zareo satria mieritreritra hoe tokony hisisika kokoa izy rehefa miera amin’ny vadiny hoe hitondra ny zanany hivory. Raha ny marina anefa, dia efa manao izay tsara indrindra vitany ilay anabavintsika. Tsy tompon’ny fotoanany izy indraindray, ary ny vadiny no mandray ny fanapahan-kevitra farany momba ny zanany fa tsy izy. Ahoana àry no hataonao raha maheno olona manakiana an’io anabavy io ianao? Afaka midera azy ianao ary miresaka amin’ny hafa ny zavatra tsara ataony. Mety tsy hanakiana azy intsony ny hafa amin’izay.

18. Ahoana koa no azontsika anampiana ny anabavy?

18 Ahoana koa no azontsika ampisehoana hoe tena tiantsika ny anabavy? Afaka manao zavatra isika mba hanampiana azy ireo. (1 Jaona 3:18) Izao no nolazain’i Annette, ilay anabavy mikarakara ny mamany marary: “Tonga ao an-trano ny mpiara-manompo indraindray dia mandimby an’ahy. Indraindray koa ry zareo manatitra sakafo. Lasa mahatsiaro aho hoe tiana sady tena anisan’ny fiangonana.” Nampian’ny mpiara-manompo koa i Jordan. Nisy rahalahy iray nampianatra azy hikojakoja ny fiarany. Izao no nolazain’i Jordan: “Tiako be ny mieritreritra hoe tian’ny mpiara-manompo aho, dia ampian-dry zareo mba ho voaro.”

19. Inona koa no azon’ny anti-panahy atao ho an’ny anabavy?

19 Miezaka miahy an’izay ilain’ny anabavy koa ny anti-panahy. Fantatr’izy ireo mantsy hoe tian’i Jehovah ho voakarakara tsara izy ireny. (Jak. 1:27) Mahay mandanjalanja hoatran’i Jesosy àry ry zareo, ka tsy mamorona lalàna rehefa mbola azo atao ny mandefitra. (Mat. 15:22-28) Rehefa miezaka manampy ny anabavy ny anti-panahy, dia lasa tsapan’izy ireny hoe tian’i Jehovah sy ny fandaminany izy. Nisy fotoana, ohatra, i Kia nifindra trano, dia tonga dia nandamina fomba hanampiana azy ny mpiandraikitra ny andia-mpitoriny. Izao no nolazain’i Kia: “Maivamaivana erỳ aho tamin’izay! Tsy hoe nilaza teny mampahery fotsiny ny anti-panahy fa nanao zavatra, dia lasa tsapako hoe hay izaho tena anisan’ny fiangonana sady tsy irery rehefa miatrika olana.”

MILA NY FANAMPIANTSIKA NY ANABAVY REHETRA

20-21. Ahoana no hampisehoantsika hoe sarobidy amintsika ny anabavy rehetra?

20 Betsaka ny anabavy miasa mafy ka mendrika hampiana sy hampaherezina. Hitantsika tamin’ny ohatr’i Jesosy hoe raha te hanampy ny anabavy isika, dia afaka manokana fotoana ho azy sy miezaka hahafantatra azy. Tsara koa ny mampiseho hoe ankasitrahantsika izay ataony eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mila miaro sy manampy azy ireny koa isika rehefa ilaina izany.

21 Nanonona anarana anabavy sivy ny apostoly Paoly rehefa namarana ny taratasiny ho an’ny Romanina. (Rom. 16:1, 3, 6, 12, 13, 15) Nirary soa sy nidera azy ireo izy, ary azo antoka fa nampahery azy ireo izany. Andao isika hanahaka azy ka hampahery ny anabavy rehetra ao amin’ny fiangonantsika. Hasehontsika amin’izany hoe fianakaviantsika izy ireny ary sarobidy amintsika.

HIRA 136 ‘Valisoa avy Amin’i Jehovah’

^ feh. 5 Miatrika olana maro ny anabavy ao amin’ny fiangonana. Inona no azontsika atao ho an-dry zareo? Horesahina ato hoe afaka mampahery azy ireo isika raha manahaka an’i Jesosy. Izy mantsy nanokana fotoana ho an’ny vehivavy ary nankasitraka sy niaro azy ireny.

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 6 Izao no voalazan’ny boky iray: “Nipetraka teo an-tongotry ny mpampianatra azy ny mpianatra taloha. Nanao an’izany ry zareo rehefa niofana ho mpampianatra. Tsy nahazo nanao mpampianatra anefa ny vehivavy. Azo antoka àry hoe ho tezitra ny ankamaroan’ny lehilahy jiosy raha nahita an’i Maria nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy sy tena te hianatra avy aminy.”

^ feh. 9 Mitandrina tsara ny anti-panahy rehefa manampy anabavy. Raha hitsidika anabavy iray, ohatra, izy dia tsy tokony handeha irery.

^ feh. 65 SARY: Niahy ny vehivavy nanompo an’Andriamanitra i Jesosy. Manahaka azy ny rahalahy eo amin’ireo sary ireo. Ny iray manampy anabavy roa hanolo pne. Ilay faharoa indray mitsidika anabavy marary. Ilay farany kosa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka amin’ny vadiny, dia eo koa ny anabavy iray sy ny zanany vavy.