LAHATSORATRA FIANARANA 40

“Tano Izay Nankinina Taminao”

“Tano Izay Nankinina Taminao”

“Ry Timoty, tano izay nankinina taminao.”​—1 TIM. 6:20.

HIRA 29 Aoka Isika ho Mendrika ny Anarantsika

HO HITANAO ATO *

1-2. Araka ny 1 Timoty 6:20, nampirisihina hanao inona i Timoty?

ANKININTSIKA amin’ny olona matetika ny zava-tsarobidy ananantsika. Mety hapetratsika any amin’ny banky, ohatra, ny volantsika. Manantena isika amin’izay hoe ho voaro tsara ilay izy, fa tsy ho very na hisy hangalatra. Hoatr’izany ny hoe manankina zava-tsarobidy amin’ny olon-kafa.

2 Vakio ny 1 Timoty 6:20. Nampahatsiahy an’i Timoty ny apostoly Paoly hoe nahazo zavatra tena sarobidy izy: Fantany hoe inona marina no tian’Andriamanitra hatao ho an’ny olombelona. Nanankinana tombontsoa lehibe koa izy, dia ny ‘hanao ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara.’ (2 Tim. 4:2, 5) Nampirisika an’i Timoty i Paoly hoe: “Tano izay nankinina taminao.” Nanankinana zava-tsarobidy koa isika. Inona izany? Ary nahoana isika no tsy maintsy miaro an’ireo zava-tsarobidy nomen’i Jehovah antsika ireo?

NANANKINANA FAHAMARINANA SAROBIDY ISIKA

3-4. Nahoana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no sarobidy?

3 Tsara fanahy i Jehovah ka nampahafantatra antsika ny fahamarinana ao amin’ny Teniny. Sarobidy amintsika izany satria lasa fantatsika hoe ahoana no hatao raha te hifandray tsara amin’i Jehovah ary inona no tena mahasambatra. Lasa tsy mino fampianaran-diso intsony koa isika sady tsara fitondran-tena, satria nanaiky ny fahamarinana ary mampihatra an’izany.​—1 Kor. 6:9-11.

4 Nahoana koa no sarobidy amintsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? Satria izay manetry tena sy manana “toe-po tsara” ihany no ampahafantarin’i Jehovah an’izany. (Asa. 13:48) Eken’ny olona manetry tena hoe mampiasa ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina i Jehovah amin’izao mba hampahafantarana ny fahamarinana. (Mat. 11:25; 24:45) Raha isika fotsiny, dia tsy ho nahalala an’izany mihitsy. Tsy misy tsara noho ny mahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly anefa!​—Ohab. 3:13, 15.

5. Inona koa no ankinin’i Jehovah amintsika?

5 Misy tombontsoa hafa nomen’i Jehovah antsika. Avelany hampianatra ny marina momba azy sy ny fikasany isika. (Mat. 24:14) Sarobidy ny hafatra torintsika satria manampy ny olona ho lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah. Afaka manantena hiaina mandrakizay koa izy ireo rehefa manaiky an’io hafatra io. (1 Tim. 4:16) Ny asa fitoriana no asa lehibe indrindra atao amin’izao andro izao, ary manohana azy io isika na be na kely no vitantsika. (1 Tim. 2:3, 4) Voninahitra lehibe ho antsika ny hoe miara-miasa amin’Andriamanitra!​—1 Kor. 3:9.

FIKIRO MAFY IZAY NOMENA ANAO!

Tsy maintsy tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah foana i Timoty na dia tsy nanao an’izany intsony aza ny olon-kafa (Fehintsoratra 6)

6. Inona no vokany rehefa tsy nitandrina ny Kristianina sasany?

6 Tsy nankasitraka ny tombontsoa hiara-miasa amin’Andriamanitra ny olona sasany tamin’ny andron’i Timoty. Tia an’ity tontolo ity, ohatra, i Demasy dia naleony tsy nanompo niaraka tamin’i Paoly intsony. (2 Tim. 4:10) Tsy nanompo an’i Jehovah intsony koa i Fygelo sy Hermogena, satria angamba natahotra hoe henjehina hoatran’i Paoly. (2 Tim. 1:15) Ry Hymeneo sy Aleksandra ary Fileto indray nivadi-pinoana, dia niala tamin’ny fahamarinana. (1 Tim. 1:19, 20; 2 Tim. 2:16-18) Tia an’i Jehovah daholo ireo olona ireo taloha, nefa lasa tsy sarobidy taminy intsony izay nomen’i Jehovah.

7. Inona no tetika ampiasain’i Satana mba hahatonga antsika hanao izay tiany?

7 Ataon’i Satana izay hahatonga antsika tsy hiraharaha ny zavatra sarobidy ankinin’i Jehovah amintsika. Inona no tetika sasany ampiasainy amin’izany? Mampiasa ny tele sy ny Internet ary ny boky sy gazety avoakan’ity tontolo ity izy. Misy fanao ampirisihiny sy fomba fisainana aeliny ao amin’izy ireny, mba hitaomana antsika hiala tsikelikely amin’ny fitsipik’i Jehovah sy tsy ho tia azy intsony. Mampitahotra antsika koa izy amin’izay isika tsy mitory intsony. Ataony, ohatra, izay hahatonga antsika henjehina na hanahy be momba an’izay lazain’ny olona. Taominy koa isika mba ho liana amin’ny ‘fahalalana sandoka’ avy amin’ny mpivadi-pinoana, amin’izay isika miala amin’ny fahamarinana.​—1 Tim. 6:20, 21.

8. Inona no ianaranao avy amin’ny nanjo an’i Daniel?

8 Mety hiala tsikelikely amin’ny fahamarinana isika raha tsy mitandrina. Izany no nanjo ny rahalahy atao hoe Daniel. * Tena tia lalao video izy. Nitantara izy hoe: “Folo taona teo ho eo aho tamin’izaho nanomboka nanao lalao video. Tsy dia ratsy ny lalao video nataoko tamin’ny voalohany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia lasa nanao lalao video misy herisetra sy herin’ny maizina aho.” Nisy fotoana aza izy adiny 15 teo ho eo isan’andro no nanao an’ilay izy. Hoy koa i Daniel: “Fantatro ihany hoe lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah aho, noho ilay karazana lalao video nataoko sy ny habetsahan’ny fotoana laniko tamin’izany. Efa tsy nihontsina intsony anefa ny foko, dia nieritreritra aho hoe tsy voatery manaraka an’izay lazain’ny Baiboly aho.” Hita amin’izany fa mety tsy hifikitra tsara amin’ny fahamarinana intsony isika raha tsy mitandrina. Raha izany no mitranga, dia mety hamoy ny zavatra sarobidy nomen’i Jehovah isika amin’ny farany.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HIFIKITRA AMIN’NY FAHAMARINANA?

9. Nampirisihin’i Paoly hanao inona i Timoty, araka ny 1 Timoty 1:18, 19?

9 Vakio ny 1 Timoty 1:18, 19. Nampitovin’i Paoly tamin’ny miaramila i Timoty. (2 Tim. 2:3) Nampirisihiny ‘hanohy ny ady tsara’ izy. Tsy ady ara-bakiteny ilay izy fa ady ara-panahy. Hoatran’ny miaramila any an’ady koa isika Kristianina. Nahoana? Inona no toetra tokony hananantsika noho isika miaramilan’i Kristy? Handinika zavatra dimy azo ianarana avy amin’ny fanoharan’i Paoly isika mba hamaliana an’ireo. Hanampy antsika hifikitra amin’ny fahamarinana izany.

10. Inona no atao hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra? Nahoana isika no mila an’izany?

10 Miezaha hahafoy tena ho an’Andriamanitra. Tsy mivadika ny tena miaramila. Miady mafy izy mba hiarovana ny olona tiany sy izay heveriny hoe sarobidy. Nampirisika an’i Timoty i Paoly mba hahafoy tena ho an’Andriamanitra, izany hoe ho tia azy sy tsy hivadika aminy. (1 Tim. 4:7) Arakaraka ny itiavantsika an’Andriamanitra no vao mainka hahatonga antsika hifikitra mafy kokoa amin’ny fahamarinana.​—1 Tim. 4:8-10; 6:6.

Mila manery tena isika indraindray mba handeha hivory, satria efa vizana avy miasa. Mahazo fitahiana anefa isika rehefa mandeha ihany (Fehintsoratra 11)

11. Nahoana isika no mila mifehy tena?

11 Ilaina ny mifehy tena. Tsy maintsy mifehy tena ny miaramila mba hanao fanazaran-tena tsara ka ho vonona foana rehefa misy ady. Raha te ho vonona foana tamin’ny ady ara-panahy nataony koa i Timoty, dia tsy maintsy nifehy tena mba hanaraka ny torohevitr’i Paoly. Nampirisika azy mantsy i Paoly mba handositra ny fanirian-dratsy, hiezaka hanana toetra tsara, ary hifandray amin’ny mpiara-manompo. (2 Tim. 2:22) Hoatr’izany koa isika. Mila mifehy tena isika raha te handresy ny fanirian-dratsy ao anatintsika sy hiala amin’ny toetra taloha ka hitafy ny toetra vaovao. (Rom. 7:21-25; Efes. 4:22, 24) Ary ahoana raha vizana be isika amin’ny hariva nefa andro fivoriana amin’io? Mila manery tena angamba isika mba handeha hivory.​—Heb. 10:24, 25.

12. Inona no azontsika atao raha te hahay hampiasa kokoa ny Baiboly isika?

12 Mila mizatra mampiasa ny fitaovam-piadiany ny miaramila. Tokony hanao an’izany matetika izy raha te hahay hampiasa tsara azy ireny. Tokony hiezaka koa isika mba hahay hampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra. (2 Tim. 2:15) Mianatra mampiasa azy io, ohatra, isika any am-pivoriana. Mila mianatra samirery tsy tapaka ny Baiboly koa anefa isika, raha te handresy lahatra ny olona hoe tena sarobidy ny fahamarinana. Tsy izay ihany fa tokony hampiasa azy io isika mba hanatanjahana ny finoantsika. Tsy hoe mamaky fotsiny anefa no dikan’izany. Mila misaintsaina an’izay vakintsika koa isika, dia mikaroka ao amin’ny boky avoakan’ny fandaminana. Ho marina tsara amin’izay ny fahazoantsika an’izay vakintsika, ary ho haintsika tsara ny hanazava an’ilay izy. (1 Tim. 4:13-15) Raha manao an’izany isika, dia hahay hampiasa ny Baiboly rehefa mampianatra. Tsy ampy koa ny mamaky andinin-teny amin’izay fotoana izay, fa mila ampiana mba hahazo an’ilay izy ilay mpianatra. Tokony hasehontsika aminy hoe nahoana ilay izy no mahakasika azy. Raha zatra mianatra tsy tapaka ny Baiboly isika, dia ho haintsika kokoa ny hampiasa azy io.​—2 Tim. 3:16, 17.

13. Nahoana isika no mila mahay manavaka, raha jerena ny Hebreo 5:14?

13 Mila mahay manavaka isika. Tokony hiezaka hahatsinjo loza ny miaramila dia hiala an’ilay izy. Tsy maintsy mianatra mamantatra an’izay mety hampidi-doza antsika koa isika, dia manao zavatra mba tsy ho voa. (Ohab. 22:3; vakio ny Hebreo 5:14.) Mila mahay mifidy fialam-boly, ohatra, isika. Mampiseho fitondran-tena maloto matetika ny filma sy ny fandaharana amin’ny tele. Tsy manao an’ireny fialam-boly ireny isika, satria mety hampihena tsikelikely ny fitiavantsika an’i Jehovah izany. Fantatsika mantsy fa halan’i Jehovah ny fitondran-tena maloto ary manimba ny tenany sy ny olon-kafa izay manao an’izany.​—Efes. 5:5, 6.

14. Inona no mampiseho hoe nahay nanavaka ihany i Daniel tatỳ aoriana?

14 Nahay nanavaka ihany i Daniel tatỳ aoriana. Tonga saina izy hoe ratsy ny lalao video misy herisetra sy herin’ny maizina. Nikaroka tao amin’ny Watchtower Library izy, mba hahitana fanazavana afaka manampy azy. Inona no vokany? Tsy nanao lalao video hoatr’ireny intsony izy. Nofoanany koa ny kaontiny tamin’ny lalao video tao amin’ny Internet, dia tsy nifandray tamin’ny mpilalao hafa tao intsony izy. Nilaza i Daniel hoe: “Najanoko tanteraka ireny lalao video ireny fa naleoko nanao zavatra hafa, ohatra hoe mandeha bisikileta na manao fialam-boly hafa. Lasa niaraka tamin’ny namako tao amin’ny fiangonana koa aho.” Mpisava lalana sy anti-panahy i Daniel izao.

15. Nahoana ny tsaho no mampidi-doza?

15 Mila mahay manavaka hoatran’i Timoty koa isika, ka mitadidy hoe mampidi-doza ny fanazavana diso aelin’ny mpivadi-pinoana. (1 Tim. 4:1, 7; 2 Tim. 2:16) Mety hanely tsaho momba ny mpiara-manompo, ohatra, ry zareo, na hanao izay hahatonga antsika tsy hatoky ny fandaminan’i Jehovah. Mety hampihena ny finoantsika izany. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ho voafitaka ka hino ny resaka aelin’izy ireo. Fa maninona? Satria olona “maloto saina sy tsy manana ny fahamarinana intsony” no manaparitaka an’ireny. Ny hampisy “adihevitra” fotsiny no tanjony. (1 Tim. 6:4, 5) Tian-dry zareo hino ny laingany isika, amin’izay miahiahy an’ireo rahalahy sy anabavintsika.

16. Inona no tsy maintsy tandremantsika?

16 Mitandrema sao variana. “Miaramila tsaran’i Kristy Jesosy” i Timoty. Tsy maintsy nifantoka tamin’ny fanompoana àry izy, fa tsy nahazo variana nangoron-karena na nanatratra tanjona hafa. (2 Tim. 2:3, 4) Mila manahaka an’i Timoty isika, ka tsy tokony ho variana hampitombo ny fananantsika. Raha voafitaky ny harena mantsy isika, dia mety ho lasa tsy tia an’i Jehovah sy tsy hankasitraka ny Teniny, ary tsy hazoto hiresaka azy io amin’ny hafa. (Mat. 13:22) Tsy maintsy miezaka hanana fiainana tsotra foana kosa isika, ary mampiasa ny fotoana sy hery ananantsika mba hanatanterahana an’ilay hoe: “Katsaho foana ... aloha ny fanjakany.”​—Mat. 6:22-25, 33.

17-18. Inona no azontsika atao mba hiarovana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?

17 Tokony ho vonona hanao zavatra haingana isika. Mila miomana mialoha ny miaramila mba hahafahany hiaro tena raha sendra misy manafika. Raha te hiaro an’izay nankinin’i Jehovah tamintsika koa isika, dia mila vonona hanao zavatra haingana rehefa misy zavatra mampidi-doza. Inona no hanampy antsika? Mila eritreretintsika mialoha hoe ahoana no hatao rehefa tonga tokoa izany.

18 Andao isika haka ohatra. Rehefa misy fampisehoana hatao any amin’ny tany sasany, dia ilazana ny mpanatrika rehetra hoe aiza no fivoahana raha misy loza. Rehefa vita io fampandrenesana io vao manomboka ilay fampisehoana. Fa maninona? Amin’izay dia samy efa mahita hoe aiza no mitsoaka rehefa tonga tokoa ny loza. Hoatr’izany koa no tokony hataontsika Kristianina. Mila fantarintsika mialoha hoe ahoana no hatao rehefa mampiasa Internet na mijery tele, ka sendra mahita fanazavana avoakan’ny mpivadi-pinoana, na sary maloto, na sary mampiseho herisetra be. Raha vonona amin’izay mety hitranga isika, dia hahavita hanao zavatra haingana ka hifandray tsara amin’i Jehovah sy hadio eo imasony foana.​—Sal. 101:3; 1 Tim. 4:12.

19. Inona no soa horaisintsika raha miaro ny zava-tsarobidy nomen’i Jehovah antsika isika?

19 Tsy maintsy miaro ny zava-tsarobidy nomen’i Jehovah antsika isika, anisan’izany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy ny tombontsoa hampianatra an’izany. Hadio ny feon’ny fieritreretantsika raha manao an’izany isika, ary hisy dikany ny fiainantsika. Ho faly koa isika hoe manampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah. Matokia fa hanampy anao i Jehovah ka ho vitanao ny hiaro an’izay nankininy taminao.​—1 Tim. 6:12, 19.

HIRA 127 Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

^ feh. 5 Tombontsoa be ho antsika ny hoe mahalala ny fahamarinana sy mampianatra an’izany amin’ny olona. Hanampy antsika ity lahatsoratra ity mba tsy hanary an’ireo tombontsoa ireo mihitsy.

^ feh. 8 Novana ny anarana.