Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mpitondra olombelona ihany ve no tian’ny Mpitoriteny 5:8 horesahina sa i Jehovah koa?

Tena mampieritreritra io andinin-teny io. Izao no voalaza ao: “Aza atao mahagaga anao ny mahita ny fampahoriana ny mahantra sy ny fanitsakitsahana ny rariny sy ny hitsiny ao amin’ny faritany, fa ilay [manam-pahefana] ambony kokoa noho ny ambony dia manara-maso, ary mbola misy aza ny ambony noho ireo.”​—Mpito. 5:8.

Raha jerena amin’izao fotsiny, dia ny olona manam-pahefana ao amin’ny fitondrana no resahin’io andininy io. Rehefa tena dinihina anefa, dia miresaka momba an’i Jehovah koa izy io ary mampionona sy manome toky antsika izany.

Miresaka momba ny mpitondra iray manao tsindry hazo lena sy tsy manome rariny ny mahantra ny Mpitoriteny 5:8. Tokony hotadidiny hoe misy olona ambony kokoa noho izy na manana fahefana kokoa noho izy ao amin’ny fitondrana, ary mandinika an’izay ataony. Mety hisy hanana fahefana ambony kokoa noho ireo aza. Mampalahelo anefa fa mety hanao ratsy daholo ireo manam-pahefana ireo, ary mizaka ny vokatr’izany ny vahoaka madinika.

Na dia hoatran’ny hoe tsy misy antenaina intsony aza anefa isika, dia mampahery ny mahafantatra hoe dinihin’i Jehovah na dia ny manam-pahefana ambony aza, ary “manara-maso” azy ireny izy. Afaka mitaraina aminy àry isika, dia mametraka an’izay manavesatra antsika aminy. (Sal. 55:22; Fil. 4:6, 7) Fantatsika hoe “ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”​—2 Tan. 16:9.

Mampahatsiahy antsika àry ny Mpitoriteny 5:8 hoe na iza na iza olona manam-pahefana, dia tsy maintsy misy ambony kokoa noho izy foana. Mampahatsiahy antsika koa anefa izy io hoe i Jehovah no ambony indrindra, izany hoe izy no Manam-pahefana Fara Tampony. Manjaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy izao. Manao ny rariny sy ny hitsiny foana ilay Mahery Indrindra, ary manao an’izany amin’ny olona rehetra. Hoatr’izany koa ny Zanany.