Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Joseph Rutherford sy rahalahy vitsivitsy, tamin’izy ireo nitsidika an’i Eoropa

1920: Zato Taona Lasa Izay

1920: Zato Taona Lasa Izay

VAO nanomboka ny taona 1920, dia tena nazoto hanao ny asa niandry an-dry zareo ny vahoakan’i Jehovah. Izao no andinin-teny nofidin-dry zareo ho an’io taona io: “Ny TOMPO no heriko sy hirako.”—Sal. 118:14, Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy).

Tena nampahery an’ireo mpitory mazoto ireo i Jehovah. Nitombo ny isan’ny mpisava lalana tamin’io taona io. Nisy 225 izany tamin’ny voalohany, nefa lasa 350. Tamin’izay koa vao nisy hoe 8000 mahery ny isan’ny mpitory namerina tatitra tany amin’ny foibe. Notahin’i Jehovah izy ireo ka nisy vokany tsara be ny ezaka nataony.

TENA NAZOTO IZY IREO

Ny Rahalahy Joseph Rutherford no nitarika ny asa fitoriana tamin’izany. Nanao lahateny izy tamin’ny 21 Martsa 1920. Izao no lohatenin’ilay izy: “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.” Nanao izay rehetra azo natao ny Mpianatra ny Baiboly mba hanasana ny olona hanatrika an’io lahateny io. Fanasana 320 000 teo ho eo no voazaran-dry zareo. Nanofa trano fanaovana fampisehoana koa ry zareo mba hanaovana an’ilay lahateny. Io no trano fanaovana fampisehoana anisan’ny malalaka indrindra tao New York.

Filazana an-gazety nampirisika ny olona hanatrika an’ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”

Tsy nampoizina mihitsy hoe be dia be no ho tonga. Dimy arivo mahery no isan’ny olona zakan’ilay trano, dia feno hipoka ilay izy. Nisy olona 7000 aza nasaina niverina fotsiny. Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana hoe “io no anisan’ny fivoriana be mpanatrika indrindra sy nampahery indrindra” nalamin’ny Mpianatra ny Baiboly.

Lasa nalaza ny Mpianatra ny Baiboly noho izy ireo nitory hoe “olona an-tapitrisany velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy.” Tsy azon’izy ireo tamin’izany hoe mbola betsaka ny toerana tokony hitoriana ny hafatra momba an’ilay Fanjakana. Nazoto be anefa ry zareo. Nanomboka nivory, ohatra, i Ida Olmstead tamin’ny 1902. Hoy izy: “Fantatray hoe misy fitahiana tsara be miandry ny olombelona rehetra, dia nizaranay an’izany vaovao tsara izany ny olona rehetra hitanay.”

NANOMBOKA NANAO PIRINTY IZY IREO

Nanomboka nanao pirinty ny boky sy gazetintsika ny rahalahy tany amin’ny Betela. Tian’izy ireo ho azo antoka mantsy hoe mahazo sakafo ara-panahy ny mpiara-manompo. Nividy masinina fanaovana pirinty ry zareo, dia napetrany tao amina trano iray nohofan-dry zareo tany Brooklyn, any New York, ilay izy. Tsy lavitra ny Betela no nisy azy io, tao amin’ny 35 Myrtle Avenue.

Tonga hanompo tany amin’ny Betela i Leo Pelle sy Walter Kessler tamin’ny Janoary 1920. Izao no nolazain’i Walter: “Rehefa tonga izahay dia nijery tsara anay ilay mpiandraikitra ny fanaovana pirinty, dia hoy izy avy eo: ‘Adiny iray sy sasany sisa no anananareo dia hisakafo antoandro isika.’ Nasainy nampiakatra baoritra feno boky avy any amin’ny lakaly izahay.”

Notantarain’i Leo koa ny zavatra nitranga ny ampitson’iny. Hoy izy: “Nasaina nanadio ny rindrina tao amin’ilay trano izahay. Mbola tsy nanadio zavatra maloto be hoatr’izany mihitsy aho hatramin’izay! Fa asan’ny Tompo moa ilay izy, dia faly aho nanao azy.”

Ilay masinina nanaovana pirinty Ny Tilikambo Fiambenana

Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy fotsiny dia efa nanomboka natao pirinty Ny Tilikambo Fiambenana. Tena nazoto ny rahalahy nanao an’io asa io! Enina alina no vita pirinty tamin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1920. Ilay masinina fanaovana pirinty tao amin’ny rihana voalohany no nahavitana an’izany. Nasiana fanaovana pirinty koa tao amin’ny lakaly nandritra an’izay fotoana izay. Nantsoin-dry zareo hoe Sambo Mpiady ilay izy. Nanomboka nanao pirinty ny gazety Fotoam-pahasambarana koa ry zareo, ary ny gazety 14 Aprily 1920 no voalohany tamin’izany. Tena notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’ireo mpiasa mazoto ireo.

“Asan’ny Tompo moa ilay izy, dia faly aho nanao azy”

“ANDAO ISIKA HIRAY SAINA”

Lasa nazoto nitory indray ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika sady nifandray tsara indray. Niala tamin’ny fandaminana anefa ny Mpianatra ny Baiboly sasany tamin’ny 1917 ka hatramin’ny 1919. Nisy fotoan-tsarotra mantsy tamin’io. Ahoana no nanampiana azy ireny?

Izao no voalazan’ilay lahatsoratra hoe “Andao Isika Hiray Saina”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1920: ‘Tena mino izahay hoe izay rehetra manana ny fanahy masina dia vonona hanadino ny lasa ka hiray saina sy hiara-miasa.’

Be dia be no nandray tsara an’io torohevitra feno fitiavana io. Izao no nosoratan’ny mpivady iray: ‘Azonay tsara izao hoe tsy nety ny nataonay nandritra an’izay taona vitsivitsy lasa izay. Ny olon-kafa mantsy nitory nefa izahay tsy nanao na inona na inona. Enga anie izahay tsy hanao hoatr’izany intsony!’ Betsaka ny asa niandry an’ireny olona niverina nitory ireny.

NISY EZAKA MANOKANA NATAO

Voarara ilay boky Mistery Fantatra tamin’ny 1918, ary tsy maintsy nampirimina koa ny gazety “ZG.” Ilay boky Mistery Fantatra ihany izy io fa navadika ho gazety. * Nanao ezaka manokana hizarana an’io gazety io anefa ny Mpianatra ny Baiboly nanomboka tamin’ny 21 Jona 1920.

Tsy ny mpisava lalana ihany no nasaina handray anjara tamin’ilay ezaka manokana fa ny mpitory rehetra. Izao no nampirisihin’ny fandaminana: “Izay vita batisa any amin’ny fiangonana rehetra, dia tokony ho faly handray anjara amin’ity ezaka manokana ity. Intỳ no tokony ho tarigetrantsika tsirairay: Ny hizara ny ZG izao no ifantohako!” Notantarain’i Edmund Hooper hoe maro tamin’ny mpitory no sambany vao nitory isan-trano tamin’io. Hoy koa izy: “Azonay tsara hoe misy asa mila atao, fa hay ilay izy tena mihoatra noho izay noeritreretinay.”

NALAMINA INDRAY NY ASA TANY EOROPA

Sarotra ny nifandray tamin’ny Mpianatra ny Baiboly tany amin’ny firenen-kafa nandritra ny Ady Lehibe I. Te hampahery an-dry zareo àry ny Rahalahy Rutherford sady te handamina ny asa fitoriana tany. Inona no nataony? Nandeha nitsidika firenena maromaro izy nanomboka tamin’ny 12 Aogositra 1920, anisan’izany i Angletera. Nisy rahalahy efatra niaraka taminy.

Ny Rahalahy Rutherford tany Ejipta

Nisy fivoriambe telo sy fivoriana ho an’ny besinimaro 12 natao tany Angletera, rehefa nitsidika tany ny Rahalahy Rutherford. Dimy alina teo ho eo ny fitambaran’ny mpanatrika. Izao no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana: “Tena nampahery sy namelombelona ny mpiara-manompo ilay fitsidihana. Vao mainka ry zareo nifankatia sy niara-niasa tsara dia lasa faly.” Naverin’ny Rahalahy Rutherford koa ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”, tamin’izy tany Paris. Vao hanomboka ilay lahateny dia efa feno be ny toerana hanaovana an’ilay izy. Nisy olona 300 avy eo nangataka fanazavana fanampiny.

Afisy manasa ny olona hihaino lahateny ao amin’ny Royal Albert Hall, any Londres

Nitsidika an’i Atena sy Le Caire ary Jerosalema ry zareo, nandritra ny herinandro vitsivitsy taorian’izay. Mba hanampiana ny olona liana tany, dia nasian’ny Rahalahy Rutherford toerana fitehirizam-boky sy gazety tany Ramallah, tsy lavitra an’i Jerosalema. Niverina tany Eoropa izy taorian’izay, dia nanangana ny Biraon’ny Sampan’i Eoropa Afovoany. Nanapa-kevitra koa izy hoe hasiana fanaovana pirinty tany.

NAHARIHARY NY TSY RARINY

Namoaka ny gazety Fotoam-pahasambarana laharana faha-27 ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny Septambra 1920. Laharana manokana izy io satria nampiharihary ny fanenjehana ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1918. Nandeha foana ilay Sambo Mpiady na andro na alina, mba hamoahana an’io gazety io. Efatra tapitrisa mahery no vita pirinty tamin’izay!

Sary tapak’i Emma Martin

Lasa nahafantatra ny tantaran’i Emma Martin ny olona namaky an’io gazety io. Mpisava lalana tany San Bernardino, any Kalifornia, izy. Nisy fivoriana nalamin’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 17 Martsa 1918, dia nanatrika tao izy sy ny Rahalahy Edward Hamm sy Edward Sonnenburg ary Ernest Stevens. Nisy olona vitsivitsy hafa koa tao.

Tsy hianatra Baiboly anefa no nahatongavan’ny lehilahy iray tao. Nilaza izy tatỳ aoriana hoe ny biraon’ny mpampanoa lalàna no naniraka azy. Nitady porofo, hono, no nalehany tany dia tena nahita izy. Nisy an’ilay boky hoe Mistery Fantatra mantsy tao. Nosamborina ny Ranabavy Martin sy ireo rahalahy telo hafa, andro vitsivitsy taorian’izay. Nampangaina mantsy ry zareo hoe nandika lalàna satria nizara boky voarara.

Nomelohina izy efatra mianadahy dia voasazy higadra telo taona. Nampakatra fitsarana imbetsaka ry zareo fa resy foana, dia nigadra ihany tamin’ny 17 Mey 1920. Inona anefa no nitranga tsy ela taorian’izay?

Nisy fivoriambe natao tany San Francisco tamin’ny 20 Jona 1920. Notantarain’ny Rahalahy Rutherford tamin’izay ny nanjo azy efatra mianadahy. Tena kivy ny mpanatrika naheno an’izany, dia nifanaraka hoe handefa telegrama any amin’ny filoham-pirenena. Izao no nosoratan-dry zareo tao amin’ilay izy: ‘Aminay dia tsy rariny ny nanamelohana an-dRamatoa Martin. Nanampatra fahefana ny fanjakana satria namandrika azy, amin’izay izy migadra.’

Ny ampitson’iny ihany dia nofoanan’ny Prezidà Woodrow Wilson ny sazin’izy efatra mianadahy, dia nafahana ry zareo.

Betsaka ny antony nahafaly ny Mpianatra ny Baiboly rehefa hifarana ny taona 1920. Nitombo foana ny asa natao tany amin’ny foibe. Vao mainka koa nazoto nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana ny tena Kristianina, sady nampahafantatra ny olona hoe io ihany no hamaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona. (Mat. 24:14) Mbola niroborobo kokoa aza ny asa fitoriana ny taona nanaraka.

^ feh. 18 Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1918 no nantsoina hoe “ZG.” Ilay hoe “Z” dia avy amin’ilay hoe Ziona ao amin’ny hoe Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona. Ny hoe “G” indray dia avy amin’ny litera fahafito amin’ny abidy anglisy. Fito mantsy no isan’ireo boky Fianarana ny Soratra Masina, dia Ilay Mistery Fantatra no boky fahafito.