Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 44

Ho Lasa Mpanompon’i Jehovah ve ny Zanakao?

Ho Lasa Mpanompon’i Jehovah ve ny Zanakao?

“Nihanitombo fahendrena i Jesosy, sady nihalehibe, ary nihanahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona.”​—LIOKA 2:52.

HIRA 134 Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao

HO HITANAO ATO *

1. Inona no safidy tsara indrindra azontsika atao?

MISY vokany maharitra amin’ny ankizy matetika ny safidy ataon’ny ray aman-dreniny. Raha manao safidy ratsy ny ray aman-dreny, dia mety hiteraka olana ho an’ny zanany izany. Raha manao safidy tsara kosa ry zareo, dia azo antoka kokoa hoe ho sambatra sy ho afa-po ny zanany. Mazava ho azy fa tsy ny ray aman-dreny ihany no tokony hanao safidy tsara, fa ny ankizy koa. Tsy misy safidy tsara noho ny hoe manompo an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra.​—Sal. 73:28.

2. Inona no safidy tsara nataon’ny ray aman-drenin’i Jesosy? Ary inona no safidy tsara nataon’i Jesosy?

2 Tapa-kevitra hanampy ny zanany ho lasa mpanompon’i Jehovah ny ray aman-drenin’i Jesosy. Hita tamin’ny safidy nataon-dry zareo hoe izany no zava-dehibe indrindra taminy. (Lioka 2:40, 41, 52) Nanao safidy tsara koa i Jesosy ary nanampy azy hahavita an’izay tian’i Jehovah hataony izany. (Mat. 4:1-10) Lasa tsara fanahy sy be herim-po ary tsy nivadika i Jesosy rehefa lehibe. Tena faly sy mirehareha ny ray aman-dreny mpanompon’i Jehovah raha mba lasa hoatran’izany ny zanany.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Handinika an’ireto isika ato: Inona no safidy tsara nataon’i Jehovah momba ny Zanany? Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana rehefa mandinika ny safidy nataon’ny ray aman-drenin’i Jesosy? Ary inona no azon’ny tanora ianarana avy amin’ny safidy nataon’i Jesosy?

MIANARA AMIN’I JEHOVAH

4. Inona no safidy lehibe nataon’i Jehovah momba ny Zanany?

4 Ray aman-dreny tena tsara no nofidin’i Jehovah ho an’i Jesosy. (Mat. 1:18-23; Lioka 1:26-38) Hita avy amin’ny vavaka vokatry ny fo nataon’i Maria, ohatra, hoe tena tia an’i Jehovah sy ny Teniny izy. (Lioka 1:46-55) I Josefa koa nankatò an’i Jehovah, ary hita avy amin’izany fa natahotra an’Andriamanitra izy sady te hampifaly azy.​—Mat. 1:24.

5-6. Inona no zava-tsarotra navelan’i Jehovah hatrehin’ny Zanany?

5 Tsy ray aman-dreny mpanankarena no nofidin’i Jehovah ho an’i Jesosy. Hita tamin’ilay fanatitra nataon’i Josefa sy Maria taorian’ny nahaterahan’i Jesosy hoe nahantra ry zareo. (Lioka 2:24) Mpandrafitra i Josefa, ary angamba izy nanana toeram-piasana kely teo akaikin’ny tranony, tany Nazareta. Azo inoana hoe tso-piaina ry zareo, indrindra rehefa nitombo ny isan’ny zanany. Fito mantsy, fara fahakeliny, ny isan’ny zanak’izy mivady.​—Mat. 13:55, 56.

6 Marina fa niaro an’i Jesosy tamin’ny loza sasany i Jehovah. Navelany hiatrika zava-tsarotra anefa ny Zanany indraindray. (Mat. 2:13-15) Nisy tamin’ny havan’i Jesosy, ohatra, tsy nino azy. Tsy neken-dry zareo tamin’ny voalohany hoe izy no Mesia. (Mar. 3:21; Jaona 7:5) Azo antoka fa nandiso fanantenana azy izany. Tsy izay ihany fa mbola tanora angamba izy dia efa maty i Josefa, ary tsy maintsy hoe mafy be taminy izany. Mety ho izy àry no nandimby ny dadany sy nanohy ny asany, satria izy no lahimatoa. (Mar. 6:3) Nianatra nikarakara ny mamany sy ny zandriny izy rehefa nihalehibe. Azo inoana fa niasa mafy izy mba hamelomana an-dry zareo. Fantany tsara àry hoe hoatran’ny ahoana izany hoe reraka be rehefa avy miasa tontolon’ny andro izany.

Ampiomano hiatrika fiainana ny zanakao. Atoroy azy hoe ahoana no itadiavana torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra rehefa manana olana (Fehintsoratra 7) *

7. a) Inona no fanontaniana tokony hosaintsainin’ny mpivady? b) Inona no tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany, araka ny Ohabolana 2:1-6?

7 Te hanan-janaka ve ianareo mivady? Eritrereto àry izao: ‘Manetry tena ve izahay sady tena tia an’i Jehovah sy ny Teniny? Mety hifidy anay ve i Jehovah raha hifidy mpivady hikarakara zaza iray?’ Tena sarobidy aminy mantsy ny zanaka. (Sal. 127:3, 4) Ary ahoana indray raha efa manan-janaka ianao? Eritrereto hoe: ‘Ampianariko ho tia miasa mafy ve ny zanako?’ (Mpito. 3:12, 13) ‘Miaro ny zanako ve aho mba tsy ho tratran’ny loza mety hitranga eto amin’ity tontolo ity izy? Ampiako ve izy mba tsy ho ratsy fitondran-tena?’ (Ohab. 22:3) Tsy maintsy miatrika zava-tsarotra ny zanakao. Tsy hahavita hisakana an’izany ianao indraindray. Afaka mampiomana azy tsikelikely mba hiatrika fiainana anefa ianao. Atoroy azy amim-pitiavana hoe ahoana no hitadiavana torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra rehefa manana olana. (Vakio ny Ohabolana 2:1-6.) Ahoana, ohatra, raha misy havanareo na mpianakavinareo niala tamin’i Jehovah? Mitadiava andinin-teny mba hanampiana ny zanakao hahazo hoe fa maninona isika no tena tsy tokony hivadika amin’i Jehovah. (Sal. 31:23) Ary ahoana indray raha misy havanareo na namanareo maty? Atoroy azy ny andinin-teny afaka manampy azy hiatrika an’ilay fahoriana sy ho tony.​—2 Kor. 1:3, 4; 2 Tim. 3:16.

MIANARA AMIN’I JOSEFA SY MARIA

8. Ahoana no nampiharan’i Josefa sy Maria ny Deoteronomia 6:6, 7?

8 Nahavita nanampy an’i Jesosy mba hahazo sitraka tamin’Andriamanitra i Josefa sy Maria. Nahoana? Satria nanaraka ny tari-dalana nomen’i Jehovah ho an’ny ray aman-dreny izy ireo. (Vakio ny Deoteronomia 6:6, 7.) Tena tia an’i Jehovah izy mivady, dia tiany ho hoatr’izany koa ny zanany. Izany no zava-dehibe indrindra tamin-dry zareo.

9. Inona no safidy lehibe nataon’i Josefa sy Maria?

9 Zatra nanao zavatra ara-panahy niaraka tamin’ny zanany i Josefa sy Maria. Safidin-dry zareo mihitsy izany. Azo antoka fa nanatrika fivoriana tany amin’ny synagoga tany Nazareta ry zareo isan-kerinandro. Azo inoana koa hoe namonjy ny Paska tany Jerosalema ry zareo isan-taona. (Lioka 2:41; 4:16) Tsy maintsy hoe nanararaotra ny dian-dry zareo nankany Jerosalema izy mivady, mba hiresahana tamin’i Jesosy sy ny zandriny momba ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah. Nitsidika toerana voaresaka ao amin’ny Soratra Masina koa angamba ry zareo teny an-dalana. Rehefa nihabetsaka ny zanak’izy mivady, dia mazava ho azy fa tsy mora ny niaraka nanao zavatra ara-panahy tsy tapaka. Niezaka foana anefa ry zareo dia nandray soa. Nifandray akaiky tamin’i Jehovah izy mianakavy, satria ny fanompoana azy no zava-dehibe indrindra tamin-dry zareo.

10. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’i Josefa sy Maria?

10 Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’i Josefa sy Maria? Ataovy hitan’ny zanakao amin’ny teninao sy ny ataonao hoe tena tia an’i Jehovah ianao. Izany no zava-dehibe indrindra. Tadidio hoe ny manampy azy ho tia an’i Jehovah no fanomezana tsara indrindra azonao omena azy. Ary inona indray no zavatra tsara indrindra azonao ampianarina azy? Atoroy azy izay azony atao mba hitohy tsara foana ny fahazarany ara-panahy, ohatra hoe mianatra Baiboly, mivavaka, mivory, ary manompo. (1 Tim. 6:6) Marina fa tsy maintsy mamelona ny zanakao ianao. (1 Tim. 5:8) Tadidio anefa fa tsy ny vola sy harena no hanampy azy rehefa hifarana ity tontolo ity. Ny fifandraisany akaiky amin’i Jehovah ihany no hahatonga azy ho tafavoaka velona sy hiaina ao amin’ny tontolo vaovao.​—Ezek. 7:19; 1 Tim. 4:8.

Tena mampahery ny mahita ray aman-dreny manao safidy tsara mba hanampiana ny zanany hifandray akaiky amin’i Jehovah (Fehintsoratra 11) *

11. a) Nahoana ny 1 Timoty 6:17-19 no manampy ny ray aman-dreny hanao safidy tsara? b) Inona no tanjona azon’ny fianakavianareo tratrarina, ary inona no fitahiana mety ho azonareo avy amin’izany? (Jereo ilay hoe “ Inona no Tanjona Tianareo Mianakavy Hotratrarina?”)

11 Mampahery ny mahita hoe be dia be ny ray aman-dreny manao safidy tsara, mba hanampiana ny zanany hifandray akaiky amin’i Jehovah. Miara-manompo an’i Jehovah foana izy mianakavy. Miara-mamonjy fivoriana sy fivoriambe, ohatra, ry zareo dia miara-manompo koa. Misy fianakaviana sasany aza mandeha mitory any amin’ny faritany tsy voasa matetika. Misy indray mitsidika Betela, na mandray anjara amin’ny fanorenana trano ampiasain’ny fandaminana. Tsy maintsy mahafoy vola ireny fianakaviana ireny rehefa manao an’izany, ary mety hiatrika zava-tsarotra. Tena mandray soa anefa ry zareo satria lasa manan-karena ara-panahy. (Vakio ny 1 Timoty 6:17-19.) Matetika ny ankizy tezaina ao anatin’ny fianakaviana hoatr’izany no mbola manana fahazarana tsara foana na dia rehefa lehibe aza. Faly izy ireny hoe notezain’ny ray aman-dreniny tsara. *​—Ohab. 10:22.

MIANARA AMIN’I JESOSY

12. Inona no tsy maintsy nataon’i Jesosy rehefa nihalehibe izy?

12 Nanao safidy tsara momba an’i Jesosy foana ny Rainy any an-danitra. Hoatr’izany koa no nataon’ny ray aman-dreniny nitaiza azy teto an-tany. Tsy maintsy nanapa-kevitra samirery anefa i Jesosy rehefa nihalehibe. (Gal. 6:5) Nahoana? Satria nanana safidy malalaka izy, hoatr’antsika rehetra ihany. Afaka nisafidy izy hoe hanao izay tiany fotsiny. Naleony anefa nifandray tsara tamin’i Jehovah foana. (Jaona 8:29) Nahoana ny ohatr’i Jesosy no afaka manampy ny tanora?

Ry tanora, avelao hampianatra anareo ny ray aman-dreninareo (Fehintsoratra 13) *

13. Inona no safidy tsara nataon’i Jesosy tamin’izy mbola kely?

13 Mbola kely i Jesosy dia efa nifidy ny hankatò ny ray aman-dreniny. Nankatò an-dry zareo foana izy fa tsy nieritreritra hoe mahay noho ry zareo. (Lioka 2:51) Azo antoka hoe nataon’i Jesosy tsara ny andraikiny amin’ny maha lahimatoa azy. Tsy maintsy niezaka mafy, ohatra, izy mba hianatra ny asan’ny dadany, amin’izay izy afaka manampy ny fianakaviany.

14. Inona no porofo fa nianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy?

14 Azo antoka hoe notantarain’ny ray aman-drenin’i Jesosy taminy fa fahagagana no nahatonga azy ho teraka. Mety ho noresahin-dry zareo taminy koa ny zavatra nolazain’ny anjely momba azy. (Lioka 2:8-19, 25-38) Tsy nianina tamin’izany anefa i Jesosy. Izy mihitsy no nianatra tsara ny Soratra Masina. Ahoana no ahafantarantsika an’izany? Satria ‘talanjona noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny’ ny mpampianatra tao Jerosalema tamin’izy mbola kely. (Lioka 2:46, 47) Efa resy lahatra koa izy tamin’io hoe i Jehovah no Rainy. Vao 12 taona anefa izy tamin’izay.​—Lioka 2:42, 43, 49.

15. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe safidiny mihitsy ny hanao ny sitrapon’i Jehovah?

15 Rehefa fantatr’i Jesosy hoe inona no tian’i Jehovah hataony, dia nanaiky an’izany izy. (Jaona 6:38) Fantany hoe betsaka no hankahala azy, ary azo antoka fa nampieritreritra be azy izany. Nifidy ny hankatò an’i Jehovah anefa izy. Rehefa natao batisa izy tamin’ny taona 29, dia ny hanao izay takin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra taminy. (Heb. 10:5-7) Tsy niova hevitra mihitsy izy fa mbola nanao ny sitrapon’ny Rainy foana, na dia efa ho faty teo amin’ny hazo fijaliana aza.​—Jaona 19:30.

16. Inona no azon’ny ankizy sy ny tanora ianarana avy amin’i Jesosy?

16 Ankatoavy ny ray aman-dreninao. Tsy lavorary ny ray aman-dreninao, hoatran’i Josefa sy Maria ihany. Ry zareo anefa no nasain’i Jehovah hiaro sy hitaiza ary hanabe anao. Handray soa ianao raha mihaino ny torohevitra omen’izy ireo sy manaja ny fahefany, hoatran’ny nataon’i Jesosy tamin’ny ray aman-dreniny.​—Efes. 6:1-4.

17. Inona no fanapahan-kevitra tsy maintsy raisin’ny ankizy sy ny tanora tsirairay, araka ny Josoa 24:15?

17 Fidio hoe iza no hotompoinao. Ianao mihitsy no mila miezaka hahafantatra tsara hoe iza i Jehovah, inona no fikasany, ary inona no azonao atao mba hanaovana ny sitrapony. (Rom. 12:2) Ho afaka hanapa-kevitra hanompo azy ianao amin’izay. (Vakio ny Josoa 24:15; Mpito. 12:1) Io no fanapahan-kevitra lehibe indrindra eo amin’ny fiainanao. Raha mamaky sy mianatra tsy tapaka ny Baiboly ianao, dia vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah ary hatanjaka kokoa ny finoanao.

18. Inona no safidy tsy maintsy ataon’ny ankizy sy ny tanora, ary inona no ho vokatr’izany?

18 Mila mifidy ianao hoe ny sitrapon’i Jehovah no hataonao zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao. Mampanantena ny tontolon’i Satana hoe ho sambatra ianao raha izay hahasoa ny tenanao fotsiny no hampiasanao ny fahaizanao. Raha ny marina anefa dia ‘manindrona ny tenany amin-javatra maro mampanaintaina’ ny olona variana mitady vola sy harena. (1 Tim. 6:9, 10) Raha mihaino an’i Jehovah kosa ianao ka mifidy ny hanao loha laharana ny sitrapony, dia “hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.”​—Jos. 1:8.

INONA NO SAFIDY HATAONAO?

19. Inona no tsy maintsy tadidin’ny ray aman-dreny?

19 Ry ray aman-dreny, ataovy izay rehetra azonareo atao mba hanampiana ny zanakareo hanompo an’i Jehovah. Miantehera aminy, dia hanampy anareo hanao safidy tsara izy. (Ohab. 3:5, 6) Tadidio fa izay ataonareo no misy heriny kokoa amin’ny zanakareo noho izay lazainareo. Rehefa misy fanapahan-kevitra raisinareo àry, dia izay tena hahatonga ny zanakareo hahazo sitraka amin’i Jehovah eritreretina.

20. Inona no fitahiana ho azon’ny ankizy sy ny tanora raha mifidy hanompo an’i Jehovah izy ireo?

20 Ary ahoana ny aminareo ankizy sy tanora? Afaka manampy anareo hanao safidy tsara ny ray aman-dreninareo. Miankina aminareo ihany anefa ny hahazoanareo sitraka amin’Andriamanitra. Manaova àry hoatran’i Jesosy. Manompoa an’ilay Rainareo be fitiavana any an-danitra. Raha manao an’izany ianareo, dia hahafinaritra be ny fiainanareo dieny izao sady hisy dikany. (1 Tim. 4:16) Ho faran’izay tsara koa ny hoavy miandry anareo!

HIRA 133 Tanora Manompo An’i Jehovah

^ feh. 5 Tian’ny ray aman-dreny kristianina ho sambatra ny zanany rehefa lehibe sady ho lasa mpanompon’i Jehovah. Inona no safidy azon-dry zareo atao mba hanampiana ny zanany hanompo an’i Jehovah? Inona no safidy tokony hataon’ny tanora kristianina, raha te hahomby izy eo amin’ny fiainany? Hamaly an’ireo ity lahatsoratra ity.

^ feh. 11 Jereo ilay hoe “Tsy Hahita Ray aman-dreny Hoatr’azy Ireo Mihitsy Aho”, ao amin’ny Mifohaza! Oktobra 2011, pejy 20. Jereo koa ilay hoe “Taratasy Manokana ho An’ny Ray Aman-dreniny”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 1999, pejy 25.

^ feh. 65 SARY: Azo antoka fa nanampy an’i Jesosy mba ho tia be an’i Jehovah i Maria, tamin’i Jesosy mbola kely. Afaka mampianatra ny zanany mba ho tena tia an’i Jehovah koa ny renim-pianakaviana.

^ feh. 67 SARY: Azo antoka hoe zava-dehibe tamin’i Josefa ny nankany amin’ny synagoga niaraka tamin’ny fianakaviany. Zava-dehibe amin’ny raim-pianakaviana koa ny mivory miaraka amin’ny fianakaviany.

^ feh. 69 SARY: Nianatra asa tamin’ny dadany i Jesosy. Afaka mianatra asa avy amin’ny dadany koa ny tanora.