LAHATSORATRA FIANARANA 42

Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 2)

Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 2)

“Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao.”​—1 TIM. 4:16.

HIRA 77 Mamiratra ao Anaty Haizina

HO HITANAO ATO *

1. Inona no porofo fa mamonjy aina ny asa fanaovana mpianatra?

IZAO no didy nomen’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20: “Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona ... ka ataovy batisa.” Tena ilaina ve ny batisa? Izany mihitsy, satria tsy maintsy atao batisa izay te ho voavonjy. Tsy maintsy mino ny olona iray te hatao batisa hoe raha tsy maty sy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia tsy ho voavonjy mihitsy izy. Izay no nahatonga ny apostoly Petera hilaza tamin’ny mpiray finoana taminy hoe: ‘Mamonjy anareo ankehitriny ny batisa, amin’ny alalan’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.’ (1 Pet. 3:21) Rehefa vita batisa àry ny olona iray, dia mety ho voavonjy ka ho afaka hiaina mandrakizay. Hita amin’izany fa mamonjy aina ny asa fanaovana mpianatra.

2. Inona no tokony hiezahantsika rehefa jerena ny 2 Timoty 4:1, 2?

2 Mila miezaka “hahay hampianatra” isika raha te hanampy olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy. (Vakio ny 2 Timoty 4:1, 2.) Nilaza i Jesosy hoe: ‘Mandehana, ataovy mpianatra ny olona, ary ampianaro izy.’ Midika izany fa mifandray ny hoe mampianatra sy ny hoe manampy olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy. Nilaza koa ny apostoly Paoly hoe mila ‘maharitra’ amin’io asa io isika. Fa maninona? Hoy izy: “Raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao.” Izany no nahatonga azy hampirisika hoe: “Tandremo tsara foana ... ny fampianaranao.” (1 Tim. 4:16) Mila manao izay tsara indrindra vitantsika àry isika rehefa mampianatra.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Olona an-tapitrisany no ampianarintsika Baiboly. Ahoana anefa no azo anampiana olona betsaka kokoa mba ho vita batisa sy ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy? Efa niresaka an’izany isika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Mbola misy zavatra dimy azon’ny mpampianatra atao anefa mba hanampiana ny mpianany handroso ka ho vita batisa. Izany indray no hodinihintsika ato.

AMPIASAO TSARA NY BAIBOLY

Mangataha mpitory za-draharaha mba hanampy anao hahay hampiasa tsara kokoa ny Baiboly (Fehintsoratra 4-6) *

4. Nahoana ny mpampianatra Baiboly no tsy maintsy mitandrina mba tsy ho be resaka? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

4 Tiantsika ny zavatra ampianarintsika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia mety ho te hilaza zavatra be dia be momba an’ilay izy isika. Tsy tokony ho be resaka anefa isika, na rehefa mitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, na rehefa mitarika ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana, na rehefa mampianatra Baiboly. Raha te hahay hampiasa tsara ny Baiboly isika, dia mila mifehy tena mba tsy hibodo resaka. Tsy mety raha hazavaina amin’iny fotoana iny daholo izay rehetra fantatsika momba ny andinin-teny na foto-kevitra iray. (Jaona 16:12) Eritrereto fotsiny, ohatra, ny zavatra fantatrao tamin’ianao vao natao batisa sy izay fantatrao amin’izao. Azo inoana hoe ny fampianarana fototra ihany no nazava taminao tamin’izany. (Heb. 6:1) Aman-taonany no nianaranao ny zavatra fantatrao amin’izao. Aza ampianarina an’ilay mpianatra indray mandeha àry ny zava-drehetra.

5. a) Inona no tiantsika ho azon’ilay mpianatra, araka ny 1 Tesalonianina 2:13? b) Ahoana no hanampiana mpianatra Baiboly mba hahatonga azy hiresaka momba ny zavatra ianarany?

5 Tiantsika ho azon’ilay mpianatra hoe avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra ianarany. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:13.) Ahoana no azo anampiana azy? Ampirisiho izy hiresaka momba ny zavatra ianarany. Aleo tsy ianao foana no manazava andinin-teny, fa mba asaivo manazava koa izy. Ampio izy hahita hoe mahakasika azy izay lazain’ny Baiboly. Mametraha fanontaniana hahatonga azy hiresaka an’izay eritreretiny momba ny andinin-teny vakiny. (Lioka 10:25-28) Anontanio, ohatra, izy hoe: “Inona no toetran’i Jehovah hitanao avy amin’io andinin-teny io?” “Inona no soa raisinao avy amin’io zavatra lazain’ny Baiboly io?” “Ahoana no fahitanao an’ilay zavatra vao nianarana teo?” (Ohab. 20:5) Tsy ny habetsahan’ny zavatra fantatr’ilay mpianatra no zava-dehibe, fa hoe tiany sy ampihariny ve izay efa fantany.

6. Nahoana no tsara ny mampianatra miaraka amin’ny mpampianatra efa za-draharaha?

6 Efa mba niaraka tamina mpampianatra za-draharaha ve ianao rehefa nampianatra Baiboly? Rehefa manao an’izany ianao, dia afaka manontany azy hoe manao ahoana ny fomba fampianatrao. Azonao anontaniana koa izy hoe mahay mampiasa tsara ny Baiboly ve no fahitany anao. Tsy maintsy manetry tena ianao raha te hahay hampianatra kokoa. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 18:24-26.) Anontanio koa izy hoe azon’ilay mpianatra ve ny zavatra ianarany, raha ny fahitany azy. Azonao iangaviana hampianatra an’ilay olona izy, raha tsy ho eo ianao mandritra ny herinandro iray na herinandro vitsivitsy. Hitohy foana ilay fianarana amin’izay, ary ho azon’ilay mpianatra hoe tena zava-dehibe ilay izy. Aza mieritreritra mihitsy hoe “anao” io mpianatra io, dia tsy misy afaka mampianatra azy ankoatra anao. Izay tena hahasoa azy mantsy no tadiavinao. Rehefa mitohy foana àry ilay fianarana, dia hitombo koa ny zavatra fantany.

ASEHOY HOE TENA TIANAO SY INOANAO NY ZAVATRA AMPIANARINAO

Resaho amin’ny mpianatrao hoe ahoana no nataon’ny olona sasany mba hanovana ny fiainany. Ho hitany amin’izay hoe ahoana no azony ampiharana an’izay ianarany (Fehintsoratra 7-9) *

7. Inona no azonao atao mba hahatonga an’ilay mpianatra ho tia ny zavatra ianarany?

7 Tokony ho hitan’ilay mpianatra hoe tena tianao sy inoanao ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (1 Tes. 1:5) Azo inoana kokoa amin’izay hoe ho tiany ny zavatra ianarany. Maninona, ohatra, raha resahina aminy ny soa noraisinao rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ianao? Ho hitany amin’izay hoe misy torohevitra mahasoa azy koa ao.

8. Inona koa no azonao atao mba hanampiana ny mpianatrao, ary nahoana?

8 Ahoana raha manana olana ilay mpianatra? Angamba ianao mahalala tantaran’olona nanana olana mitovy amin’ny mahazo azy ary nahavita niatrika an’ilay izy. Azonao tantaraina aminy izany. Na raha mahalala mpiara-manompo niatrika an’izany ianao ao amin’ny fiangonanareo, dia ento mampianatra azy izy. Mety hahasoa an’ilay mpianatra mantsy izany. Azonao aseho azy koa ny lahatsoratra sy video mampahery ao amin’ny jw.org, ao amin’ilay hoe “Manova Olona ny Baiboly.” * Ho hitany amin’izay hoe handray soa izy raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.

9. Inona no azonao atao mba hahatonga ny mpianatrao hiresaka ny zavatra ianarany amin’ny fianakaviany sy ny namany?

9 Manambady ve ilay mpianatrao? Efa mianatra koa ve ny vadiny? Raha mbola tsy mianatra izy, dia maninona raha asaina hianatra miaraka aminareo? Ampirisiho ilay mpianatrao hiresaka an’izay ianarany amin’ny fianakaviany sy ny namany. (Jaona 1:40-45) Rehefa misy zavatra ianaranareo, ohatra, dia anontanio izy hoe: “Ahoana no hanazavanao an’izany amin’ny fianakavianao?” Na hoe: “Inona no andinin-teny hampiasainao mba hanaporofoana an’izany amin’ny namanao?” Mampiofana azy ho lasa mpampianatra ianao amin’izay. Afaka manomboka mitory miaraka amin’ny fiangonana izy, any aoriana any, rehefa mahafeno fepetra. Azonao anontaniana koa izy raha mahafantatra olona te hianatra Baiboly. Raha misy izany, dia tonga dia miresaha amin’ilay olona ary atombohy ny fianarana. Asehoy azy ilay video hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly? *

AMPIRISIHO IZY HINAMANA AMIN’NY OLONA AO AMIN’NY FIANGONANA

Ampirisiho izy hinamana amin’ny olona ao amin’ny fiangonana (Fehintsoratra 10-11) *

10. Inona no nataon’i Paoly, araka ny 1 Tesalonianina 2:7, 8? Ahoana no azon’ny mpampianatra Baiboly anahafana azy?

10 Tsy maintsy miahy ny olona ampianarinao ianao. Ataovy hoatran’ny hoe ho lasa mpiara-manompo aminao izy any aoriana any. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:7, 8.) Sarotra aminy ny tsy hinamana amin’ny namany taloha intsony sy hanova ny fiainany mba hanompoana an’i Jehovah. Mila manampy azy hahita namana ao amin’ny fiangonana àry ianao. Tokony hiezaka ho namany koa ianao. Azonao atao, ohatra, ny manao zavatra miaraka aminy, ankoatra ny mianatra Baiboly. Afaka miantso kely azy koa ianao, na mandefa SMS, na mitsidika kely azy rehefa tsy mianatra ianareo. Ho hita amin’izany mantsy hoe tena miahy azy ianao.

11. Nahoana isika no manampy ny mpianatra Baiboly mba hahita namana ao amin’ny fiangonana?

11 Asa vadi-drano, hono, tsy vita raha tsy ifanakonana. Hoatr’izany koa rehefa manampy olona ho lasa mpianatr’i Jesosy. Ny fiangonana iray manontolo mihitsy mantsy no mifarimbona amin’ilay izy. Mampahafantatra ny mpianany amin’ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana àry ny mpampianatra Baiboly mahay. Hisy vokany tsara amin’ilay mpianatra mantsy izany. Hahafinaritra azy ny hiaraka amin’ny olona ao amin’ny fiangonana. Ry zareo indray hanampy azy mba hinamana kokoa amin’i Jehovah sady ho eo raha manana olana izy. Tiantsika ho tsapan’ny mpianatra Baiboly tsirairay hoe anisan’ny fiangonana izy. Tokony hampiantsika izy mba ho tia an’ireo rahalahy sy anabavy. Ho mora aminy amin’izay ny tsy hinamana be amin’ny olona tsy hanampy azy ho tia an’i Jehovah. (Ohab. 13:20) Raha arian’ny namany izy, dia ho fantany hoe manana tena namana izy ao amin’ny fandaminana.​—Mar. 10:29, 30; 1 Pet. 4:4.

ASONGADINO HOE TENA ILAINA NY FANOKANAN-TENA SY BATISA

Ho tratran’ilay mpianatra tsikelikely ilay tanjona hoe hatao batisa (Fehintsoratra 12-13)

12. Nahoana isika no tokony hiresaka momba ny fanokanan-tena sy batisa amin’ny olona ampianarintsika?

12 Matoa isika mampianatra Baiboly, dia ny hanampy an’ilay olona ho vita batisa no tanjontsika. Aza misalasala mihitsy àry miresaka amin’ny mpianatrao hoe zava-dehibe ny manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa. Ahoana raha efa amam-bolana izy no nianatra Baiboly tsy tapaka, sady efa nanomboka nanatrika fivoriana? Tokony ho azony tsara hoe te hanampy azy hanompo an’i Jehovah sy ho lasa Vavolombelony isika matoa mampianatra azy.

13. Inona avy no tokony hataon’ny mpianatra Baiboly iray mba ho vita batisa?

13 Misy zavatra maromaro azon’ny mpianatra Baiboly atao raha tena te hatao batisa izy. Tokony hiezaka hahafantatra an’i Jehovah sy ho tia azy ary hino azy aloha izy. (Jaona 3:16; 17:3) Lasa minamana amin’i Jehovah izy avy eo, dia mifandray amin’ny fiangonana koa. (Heb. 10:24, 25; Jak. 4:8) Rehefa mandeha ny fotoana, dia lasa manenina izy noho ny zavatra ratsy nataony ary tsy manao an’ireny intsony. (Asa. 3:19) Ampahafantariny amin’ny hafa koa ny zavatra inoany. (2 Kor. 4:13) Manokan-tena ho an’i Jehovah izy aorian’izay, ary mampiseho an’izany amin’ny batisa. (1 Pet. 3:21; 4:2) Tena ho faly ny rehetra amin’io andro io! Mandra-pahatongan’izany, dia derao foana ilay mpianatra amin’izay ezaka rehetra ataony. Ampirisiho koa izy mba hanohy hiezaka.

DINIHO TSINDRAINDRAY HOE MANDROSO TSARA VE IZY

14. Inona no azon’ny mpampianatra atao mba hahitana raha mandroso ny mpianany?

14 Mila manam-paharetana isika rehefa manampy mpianatra iray mba hanokan-tena sy atao batisa. Misy fotoana anefa isika mila mamantatra hoe tena te hanompo an’i Jehovah Andriamanitra ve izy. Hitanao ve, ohatra, hoe mankatò ny didin’i Jesosy izy, sa mahafinaritra azy fotsiny ilay mianatra zavatra avy ao amin’ny Baiboly?

15. Ahoana no ahitan’ny mpampianatra raha mandroso tsara ny mpianany na tsia?

15 Diniho matetitetika ny fandrosoan’ilay mpianatra. Resahiny ve, ohatra, hoe inona no fihetseham-pony momba an’i Jehovah? Mivavaka amin’i Jehovah ve izy? (Sal. 116:1, 2) Tia mamaky Baiboly ve izy? (Sal. 119:97) Manatrika fivoriana tsy tapaka ve izy? (Sal. 22:22) Efa nanova ny fomba fiainany ve izy? (Sal. 119:112) Efa niresaka tamin’ny fianakaviany sy ny namany momba ny zavatra ianarany ve izy? (Sal. 9:1) Fa ny zava-dehibe indrindra dia hoe te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ve izy? (Sal. 40:8) Raha tsy misy ataony ireo, dia ezaho fantarina ny antony ary miresaha aminy, dia ampio izy. Miezaha ho tsara fanahy rehefa manao an’izany nefa aza miolakolaka. *

16. Ahoana no ahitana raha tokony hajanona ny fampianarana Baiboly iray?

16 Diniho tsindraindray hoe mbola tokony hotohizina ve ilay fianarana. Eritrereto hoe: Tsy manomana ve izy rehefa hianatra? Kamo mivory ve izy? Mbola manana fahazaran-dratsy ve izy? Mbola mankany amin’ny fivavahan-diso ve izy? Ahoana raha eny no valin’ireo? Izany ve tsy hoatran’ny mampianatra olona hilomano nefa izy tsy te hirobo-drano akory? Raha tsy tena tian’ilay mpianatra ny zavatra ianarany sady tsy vonona hiova izy, dia sao dia tsara hajanona ilay fianarana?

17. Ahoana no azo ampiharana ny voalazan’ny 1 Timoty 4:16 hoe ‘tandremo tsara foana ny fampianaranao’?

17 Zava-dehibe amintsika ilay andraikitra hoe manao mpianatra. Tiantsika hampiana mba ho vita batisa koa ny olona ampianarintsika Baiboly. Izany no mahatonga antsika hiezaka hampiasa tsara ny Baiboly rehefa mampianatra. Asehontsika an’ilay mpianatra koa hoe tiantsika sy inoantsika ny zavatra ampianarintsika. Tsy izay ihany fa mampirisika azy isika mba hinamana amin’ny olona ao amin’ny fiangonana. Ampahatsiahivintsika azy hoe tena ilaina ny manokan-tena sy atao batisa. Tokony hodinihintsika tsindraindray koa ny fandrosoany. (Jereo ilay hoe “ Inona no Tokony Hataonao mba Hanampiana Azy ho Vita Batisa?”) Tena faly isika fa afaka mandray anjara amin’io asa mamonjy aina io! Miezaha àry hanao izay tsara indrindra azonao atao mba hanampiana ny mpianatrao ho vita batisa.

HIRA 79 Ampianaro Izy Ireo mba Handroso Hatrany

^ feh. 5 Rehefa mampianatra isika, dia afaka manampy ny olona mba hanao izay asain’i Jehovah hataony sy hanana ny fomba fisainana tian’i Jehovah hananany. Tombontsoa be àry ny mampianatra Baiboly! Mbola hanampy antsika hahay hampianatra kokoa ity lahatsoratra ity.

^ feh. 8 Midira ao amin’ny MOMBA ANAY > FITANTARANA.

^ feh. 9 Midira ao amin’ny jw.org, dia jereo ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > FITAOVANA FIANARANA BAIBOLY > HIANATRA MIARAKA AMIN’NY MPAMPIANATRA.

^ feh. 15 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Haniry Hatao Batisa Ianao Raha Tia An’i Jehovah” sy ilay hoe “Vonona Hatao Batisa ve Ianao?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2020.

^ feh. 76 SARY: Niaraka nampianatra tamin’ny anabavy za-draharaha ny anabavy iray. Natoron’ilay anabavy za-draharaha azy avy eo hoe inona no azony atao mba tsy hibodo resaka rehefa mampianatra.

^ feh. 78 SARY: Hitan’ilay mpianatra mandritra an’ilay fianarana hoe inona no azony atao mba hahatonga azy hifandray tsara kokoa amin’ny vadiny. Resahiny amin’ny vadiny ny zavatra nianarany avy eo.

^ feh. 80 SARY: Nahazo namana tany amin’ny Efitrano Fanjakana ilay mpianatra, dia nanasa azy mivady ho any an-tranony ilay mpiara-manompo.