Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Onésime sy Géraldine

Tahin’i Jehovah Izay Miverina any Amin’ny Tany Niaviany

Tahin’i Jehovah Izay Miverina any Amin’ny Tany Niaviany

MISY rahalahy sy anabavy nandeha nifindra tany andafy mba hitady vola. Betsaka tamin’izy ireny anefa no niverina tany amin’ny tany niaviany. Fa maninona? Satria tia an’i Jehovah sy ny olon-kafa izy, dia naleony nody mba hitory any amin’ny toerana mila mpitory bebe kokoa. (Mat. 22:37-39) Inona no tsy maintsy nafoin’izy ireny, ary inona no fitahiana azony? Mba hamaliana an’izany, dia andao isika handinika ny tantaran’ireo rahalahy sy anabavy nody any Cameroun, any amin’ny faritra andrefan’i Afrika.

“MIHINANA TSARA NY TRONDRO ATỲ”

Avy any Cameroun ny Rahalahy Onésime. Nifindra tany andafy izy tamin’ny 1998, dia nipetraka tany nandritra ny 14 taona. Nisy mpandahateny nilaza fanoharana momba ny fitoriana indray mandeha tany am-pivoriana. Izao no nolazainy: “Andao hatao hoe misy mpinamana miara-manjono, fa samy manana ny toerana anjonoany ry zareo. Raha mahazo trondro betsaka kokoa ilay iray, dia tsy hifindra eny ve ilay namany satria eny no be trondro?”

Rehefa naheno an’iny fanoharana iny i Onésime, dia lasa te hody any Cameroun mba hanampy ny mpitory any. Fantany mantsy hoe be dia be ny olona te hianatra Baiboly any. Nisalasala ihany anefa izy. Nieritreritra izy hoe ahoana raha tsy mety zatra ny fiainana any Cameroun intsony izy. Efa ela be mantsy izy no nipetraka tany andafy. Nanandrana nipetraka tany Cameroun àry izy nandritra ny enim-bolana. Nipetraka tany amin’izay izy nanomboka tamin’ny 2012.

Izao no nolazain’i Onésime: “Tsy maintsy nizatra ny hafanana sy ny fomba fiaina tatỳ aho. Nila nizatra nipetraka tamin’ny seza lava mafy be indray, ohatra, aho rehefa nivory. Tsy nampaninona ahy intsony anefa izany rehefa niezaka nifantoka kokoa tamin’ny fandaharana aho. Lasa hadinodinoko ny seza malemilemy nipetrahanay tany amin’ny Efitrano Fanjakana tany andafy.”

Nanambady an’i Géraldine i Onésime tamin’ny 2013. Avy any Cameroun koa izy, fa nipetraka tany Frantsa nandritra ny sivy taona. Inona no fitahiana azon’izy mivady noho ry zareo nifantoka tamin’ny fanompoana? Izao no nolazain’i Onésime: “Nanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana izahay mivady, dia nanomboka nanompo tato amin’ny Betela avy eo. Tao anatin’ny herintaona fotsiny, dia nisy mpianatra Baiboly 20 natao batisa tao amin’ny fiangonanay. Soa ihany aho fa nankatỳ fa mihinana tsara ny trondro atỳ!” (Mar. 1:17, 18) Hoy koa i Géraldine: “Tena nahazo fitahiana be dia be aho. Tsy araka ny nampoiziko mihitsy!”

FALY SATRIA MAHAZO ZANAKA ARA-PANAHY

Judith sy Sam-Castel

Avy any Cameroun koa i Judith, fa nifindra tany Etazonia. Te hanompo bebe kokoa anefa izy. Izao no nolazainy: “Isaky ny avy nitsidika fianakaviana tatỳ Cameroun aho, dia nitomany foana satria nilaozako indray ny olona nampianariko Baiboly tatỳ!” Tsy sahy niverina nipetraka tany Cameroun i Judith tamin’ny voalohany. Tsara asa be mantsy izy tany Etazonia, dia afaka nandefa vola hitsaboana ny dadany tany Cameroun. Natoky an’i Jehovah anefa izy dia nifindra ihany. Azo lazaina hoe nilamina ny fiainany tany andafy, dia manimanina an’izany izy indraindray. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izy mba hampiany ho zatra an’ilay fiainany vaovao. Inona no vokany? Nampahery azy ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny.

Rehefa mandinika ny lasa i Judith, dia izao no nolazainy: “Tao anatin’ny telo taona fotsiny dia efa olona efatra no nampiako ho vita batisa!” Nanambady an’i Sam-Castel izy, dia voatendry ho mpisava lalana manokana ry zareo. Manao ny asan’ny faritra izy mivady izao. Ary nanao ahoana ny dadan’i Judith? Nila nodidiana izy, dia nahita hopitaly tany andafy nanaiky hanao an’ilay fandidiana ry Judith mianakavy sady amin’izay maimaim-poana ilay izy. Vita soa aman-tsara ilay fandidiana!

NAMPIAN’I JEHOVAH VE RY ZAREO?

Caroline sy Victor

Ny Rahalahy Victor indray nandeha nifindra tany Kanada. Nianatra teny amin’ny oniversite izy tany. Namaky lahatsoratra momba ny fianarana ambony tao amin’ny Tilikambo Fiambenana anefa izy, dia hitany hoe tsy mety ilay fianarana nataony. Najanony àry ilay izy fa naleony nianatra asa. Izao no nolazainy: “Lasa mora nahazo asa aho dia afaka nanao mpisava lalana. Efa izany rahateo no tiako hatao hatramin’izay.” Nanambady an’i Caroline i Victor tatỳ aoriana, dia niaraka nitsidika an’i Cameroun ry zareo. Nitsidika ny biraon’ny sampana ry zareo tany, dia nisy nampirisika hoe maninona raha manitatra any Cameroun. Hoy i Victor: “Nieritreritra izahay hoe inona moa no manakana anay. Efa nanana fiainana tsotra rahateo izahay, dia nekenay ilay izy.” Tsy dia salama i Caroline nefa nifindra ihany ry zareo.

Nanao mpisava lalana maharitra izy mivady, satria be dia be ny olona liana te hianatra Baiboly tany. Ny tahiriny aloha no nampiasainy tamin’ny voalohany. Rehefa lany anefa ilay vola, dia nandeha niasa tany Kanada nandritra ny volana vitsivitsy ry zareo. Afaka niverina tany Cameroun izy mivady avy eo, dia nanohy nanao mpisava lalana. Inona no fitahiana azony? Nanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana ry zareo, dia lasa mpisava lalana manokana, ary mpanao fanorenana izy mivady izao. Nilaza i Victor hoe na dia niadana be aza ry zareo taloha, dia faly hoe nahafoy an’izany satria lasa hitan’izy mivady hoe mikarakara an-dry zareo i Jehovah.

TSY MISY MAHAFALY NOHO NY MANAMPY OLONA HANOKAN-TENA

Stéphanie sy Alain

Ny Rahalahy Alain indray nianatra teny amin’ny oniversite tany Alemaina. Niova anefa ny tanjony tamin’ny 2002 rehefa avy namaky an’ilay taratasy mivalona hoe Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana? izy. Nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana izy tamin’ny 2006, dia voatendry ho any Cameroun.

Nanao asa tapa-potoana izy tany, dia avy eo nahita asa tsara karama kokoa. Tsapany anefa hoe nanelingelina ny fanompoany ilay asa. Tonga dia nanaiky àry izy rehefa nasaina hanao mpisava lalana manokana. Nilaza hampakatra ny karamany ilay mpampiasa, nefa tsy nanaiky i Alain satria efa tapa-kevitra ny hanao mpisava lalana manokana. Nanambady an’i Stéphanie izy tatỳ aoriana. Efa nipetraka elaela tany Frantsa koa i Stéphanie. Inona no olana hitany rehefa niverina tany Cameroun?

Izao no nolazain’i Stéphanie: “Nararirary kely teny aho, dia nisy zavatra maromaro tsy zakako koa. Nahazo fitsaboana anefa aho dia mba tsy dia naninona.” Niaritra foana izy mivady, dia nisy vokany tsara izany. Izao no nolazain’i Alain: “Nitory tany amin’ny tanàna mitokana kely atao hoe Katé izahay, dia nahita olona maromaro te hianatra Baiboly. Nampianarinay Baiboly tamin’ny telefaonina ireo olona ireo tatỳ aoriana. Nisy roa tamin-dry zareo natao batisa, dia lasa nisy antoko-mpitory tany.” Hoy i Stéphanie: “Tsy misy mahafaly hoatran’ny hoe manampy olona hanokan-tena ho an’i Jehovah. Imbetsaka mihitsy izahay no nahatsapa an’izany tatỳ.” Manao ny asan’ny faritra i Alain sy Stéphanie izao.

“TENA NETY NY NATAONAY!”

Léonce sy Gisèle

Tany Italia i Gisèle no natao batisa. Nianatra ho dokotera izy tamin’izany. Variana izy nahita hoe tena tsotra ny fiainan’ilay mpivady mpisava lalana nampianatra Baiboly azy, dia lasa te hanompo bebe kokoa izy. Sady namita ny fianarany àry izy no nanomboka nanao mpisava lalana maharitra.

Te hiverina tany Cameroun i Gisèle satria te hanompo bebe kokoa. Nisy zavatra nampisalasala azy anefa. Nanahy izy hoe raha miverina any, dia tsy ho afaka hiverina hipetraka any Italia intsony, ary ho tafasaraka amin’ny namany sy izay fianakaviany mipetraka any. Nandeha nifindra tany Cameroun ihany anefa izy tamin’ny Mey 2016. Nanambady an’i Léonce izy tatỳ aoriana. Nilaza tamin-dry zareo ny biraon’ny sampan’i Cameroun hoe tsara raha mifindra any Ayos ry zareo. Nila mpitory bebe kokoa mantsy tany.

Hoatran’ny ahoana ny fiainana tany Ayos? Hoy i Gisèle: “Matetika no tapaka nandritra ny herinandro maromaro ny jiro, dia tsy afaka namahana telefaonina izahay. Maty matetika àry ny telefaoninay. Tsy izay ihany fa nianatra nahandro tamin’ny kitay aho. Tany amina loharano koa izahay no nantsaka, dia efa alina vao nankeny. Amin’izay mantsy vao tsy dia be olona eny. Nitondra jiro izahay, dia notaterinay tamin’ny broety ilay rano.” Ahoana no nahavitan’izy mivady niatrika an’izany? Hoy i Gisèle: “Nanampy be ny fanahin’i Jehovah. Nanohana ahy foana koa ny vadiko. Tsy izay ihany fa nampahery anay ny fianakaviana sy ny namana, ary nandefa vola indraindray.”

Faly ve i Gisèle hoe niverina tany Cameroun? Izao no nolazainy: “Ie! Faly be aho! Marina hoe kivy izahay tamin’ny voalohany satria nisy olana. Rehefa nilamina anefa ilay izy, dia hitanay mivady hoe tena nety ny nataonay nifindra tatỳ. Matoky an’i Jehovah izahay, dia mahatsapa hoe akaiky azy kokoa.” Nanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana i Léonce sy Gisèle, dia mpisava lalana manokana tsy maharitra ry zareo izao.

Sarotra indraindray vao mahazo trondro betsaka. Tsy mahasakana ny mpanarato anefa izany. Hoatr’izany koa ny mpiara-manompo miverina any amin’ny tany niaviany. Vonona hanao sorona ry zareo, mba hanampiana ny olona liana amin’ny vaovao tsara. Afaka matoky ireny rahalahy sy anabavy miasa mafy ireny hoe tsy hanadino an-dry zareo i Jehovah, noho ny fitiavana nasehon-dry zareo ho an’ny anarany. (Neh. 5:19; Heb. 6:10) Mipetraka any andafy àry ve ianao? Sao dia mba afaka miverina any aminareo ianao raha mila mpitory bebe kokoa any? Fitahiana be dia be no miandry anao raha manao an’izany ianao.​—Ohab. 10:22.