LAHATSORATRA FIANARANA 47

Hanaiky Foana ve Ianao Rehefa Ahitsy?

Hanaiky Foana ve Ianao Rehefa Ahitsy?

“Farany, ry rahalahy, miezaha foana ianareo hifaly, hanitsy izay tokony hahitsy.”​—2 KOR. 13:11.

HIRA 54 “Ity no Lalana”

HO HITANAO ATO *

1. Araka ny Matio 7:13, 14, nahoana isika no hoatran’ny manao dia lavitra?

TE HO tody soa aman-tsara any amin’ny tontolo vaovao daholo isika. I Jehovah no hanjaka amin’izay, ary haneho fitiavana amintsika foana izy. Hoatran’ny hoe manao dia lavitra isika mandra-pahatonga any. Miezaka mandeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana isika isan’andro. Araka ny efa nolazain’i Jesosy anefa, dia tery io lalana io ka sarotra ny mandeha amin’ilay izy indraindray. (Vakio ny Matio 7:13, 14.) Isika rahateo tsy lavorary dia mora miala amin’ilay lalana.​—Gal. 6:1.

2. Inona no hodinihintsika ato? (Jereo koa ilay hoe “ Mila Manetry Tena Isika Raha Te Hiova.”)

2 Misy zavatra tsy maintsy ataontsika raha tsy te hiala amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana isika. Tsy maintsy vonona hiova isika. Mila ovana, ohatra, ny fomba fisainana sy ny fanao ary izay tiana sy tsy tiana. Nampirisika ny Kristianina tany Korinto ny apostoly Paoly mba hiezaka foana “hanitsy izay tokony hahitsy.” (2 Kor. 13:11) Tokony hanao an’izany koa isika. Horesahina ato hoe ahoana no anampian’ny Baiboly antsika mba hanitsy ny diantsika, ary inona no azon’ny namana matotra atao mba hanampiana antsika tsy hiala amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. Ho hitantsika koa hoe rahoviana no mety ho sarotra ny manaraka ny toromarika omen’ny fandaminana. Ary farany, horesahintsika hoe raha manetry tena isika dia hahavita hiova nefa ho faly foana rehefa manompo an’i Jehovah.

AVELAO HANITSY ANAO NY TENIN’ANDRIAMANITRA

3. Afaka manampy anao hanao inona ny Tenin’Andriamanitra?

3 Mila mandinika ny ao am-pontsika sy ny ao an-tsaintsika isika. Tsy mora anefa izany. Mamitaka mantsy ny fo ka matetika izy io no tsy azo itokisana. (Jer. 17:9) Mora mieritreritra zavatra diso koa isika dia lasa mamita-tena. (Jak. 1:22) Tsy maintsy mampiasa ny Tenin’Andriamanitra àry isika rehefa mandini-tena, amin’izay fantatsika hoe inona no tena ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika. (Heb. 4:12, 13) Mampiharihary an’izay any anatintsika lalina any izy io, ary mety ho tsy noeritreretintsika akory aza hoe hoatr’izany isika. Tsy maintsy manetry tena anefa isika raha te handray soa avy amin’ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra na omen’ny solontenany.

4. Inona no porofo fa lasa nirehareha i Saoly?

4 Hitantsika avy amin’ny nahazo an’i Saoly Mpanjaka ny vokany rehefa tsy manetry tena isika. Lasa nanambony tena be izy ka tsy niaiky hoe nila niova. (Sal. 36:1, 2; Hab. 2:4) Nahazo toromarika mazava avy tamin’i Jehovah, ohatra, izy hoe inona no tokony hataony rehefa resy ny Amalekita. Tsy nankatò anefa izy. Rehefa niresaka taminy momba ny fahadisoany koa i Samoela mpaminany, dia tsy niaiky izy hoe diso. Vao mainka izy nanamarin-tena. Nohamaivaniny ny fahadisoany sady ny hafa no nolazainy hoe diso. (1 Sam. 15:13-24) Efa nanao hoatr’izany i Saoly talohan’izay. (1 Sam. 13:10-14) Mampalahelo fa navelany hirehareha ny fony. Tsy nanitsy ny fomba fisainany izy ka nofaizin’i Jehovah ary nolaviny tsy ho mpanjaka.

5. Inona no ianarantsika avy amin’i Saoly?

5 Tsy te ho lasa hoatran’i Saoly isika, ka tokony hieritreritra an’ireto: ‘Rehefa mahita torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra aho, dia mitady fialan-tsiny ve aho mba tsy hanarahana an’ilay izy? Mieritreritra ve aho hoe tsy maninona na dia tsy mankatò aza? Rehefa manao zavatra tsy mety ve aho dia ny olon-kafa no omeko tsiny?’ Raha eny ny valin’ny iray amin’ireo, dia mila miova sy manitsy ny fomba fisainantsika isika. Raha tsy izany mantsy, dia mety hanambony tena isika ka tsy heken’i Jehovah ho namany intsony.​—Jak. 4:6.

6. Inona no tsy nampitovy an’i Davida tamin’i Saoly?

6 Tsy nanao hoatran’i Saoly i Davida, ilay mpanjaka nandimby azy. Tena tia “ny lalàn’i Jehovah” izy. (Sal. 1:1-3) Fantany hoe mamonjy an’izay manetry tena i Jehovah, fa manohitra an’izay manambony tena. (2 Sam. 22:28) Navelany hanova ny fomba fisainany àry ny lalàn’Andriamanitra. Izao no nosoratany: “Hisaorako i Jehovah, izay manome torohevitra ahy. Mananatra ahy mandritra ny alina ny voako.”​—Sal. 16:7.

NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mampitandrina antsika ny Tenin’Andriamanitra rehefa miala amin’ilay lalana isika. Raha manetry tena isika, dia hamela azy io hanitsy ny fomba fisainantsika (Fehintsoratra 7)

7. Inona no hataontsika raha manetry tena isika?

7 Ahoana raha manana eritreri-dratsy isika? Raha manetry tena isika, dia havelantsika hanitsy ny fomba fisainantsika ny Tenin’Andriamanitra dieny mbola tsy mitarika antsika hanao ratsy ilay izy. Rehefa mamaky azy io isika amin’izay, dia hoatran’ny misy feo miteny amintsika hoe: “Ity no lalana ka andehano.” Raha mitady hiankavia isika na mitady hiankavanana ka hiala amin’ilay lalana, dia hampitandrina antsika izy io. (Isaia 30:21) Mandray soa be dia be isika rehefa mihaino an’i Jehovah. (Isaia 48:17) Tsy olon-kafa, ohatra, no hanitsy antsika ka tsy ho menatra isika. Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah koa isika, satria ho tsapantsika hoe karakarainy hoatran’ny zanaka tena tiany.​—Heb. 12:7.

8. Ahoana no tokony hampiasantsika ny Tenin’Andriamanitra, araka ny Jakoba 1:22-25?

8 Azo oharina amin’ny fitaratra ny Tenin’Andriamanitra. (Vakio ny Jakoba 1:22-25.) Mijery fitaratra ny ankamaroantsika isa-maraina, alohan’ny hivoahana ny trano. Dieny mbola tsy hitan’ny olona isika amin’izay dia efa haintsika izay tokony hamboarina. Hoatr’izany koa rehefa mamaky Baiboly isan’andro. Lasa hitantsika izay toe-tsaintsika mila ahitsy. Betsaka no mahita hoe tena tsara ny manao teny vakina amin’ny maraina, alohan’ny hivoahana ny trano. Avelan-dry zareo hisy heriny eo amin’ny fomba fisainany ny zavatra vakiny. Mitady fomba hampiharana ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ry zareo avy eo, mandritra ny andro. Ankoatra izay, dia mila mizatra mianatra sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isika isan’andro. Hoatran’ny hoe tsotra kely izany, nefa tena ilaina raha tsy te hiala amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana isika.

HENOY NY NAMANA MATOTRA

NY NAMANA MATOTRA

Mety hampitandrina antsika ny Kristianina matotra. Faly ve isika hoe sahy manitsy antsika izy? (Fehintsoratra 9)

9. Rahoviana ny namanao no mety hila hanitsy anao?

9 Efa nisy fotoana ve ianao nanao zavatra nahatonga anao tsy hifandray tsara tamin’i Jehovah? (Sal. 73:2, 3) Raha nisy namana matotra sahy nanitsy anao, dia nihaino azy ve ianao ka nanaraka ny toroheviny? Raha izany, dia nety ny nataonao. Azo antoka fa faly ianao hoe nampitandrina anao izy.​—Ohab. 1:5.

10. Ahoana no tokony hataonao raha misy namana manitsy anao?

10 Mampahatsiahy antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Ny ratra ataon’izay tia anao dia mariky ny tsy fivadihany aminao.” (Ohab. 27:6) Marina ve izany? Eritrereto ity ohatra ity: Andao hatao hoe hiampita arabe ianao, dia variana mijery telefaonina. Feno aotomobilina mivezivezy anefa tamin’io. Tonga dia niampita ianao fa tsy nijery tsara. Nisy namanao nisambotra anao tampoka tamin’izay, dia nisintona anao hiverina teny amin’ny sisin’arabe. Nosintoniny mafy be ianao dia mangana mihitsy ny sandrinao. Soa ihany anefa fa nanao an’izay izy, raha tsy izany ianao voadonan’ny aotomobilina. Marina fa mety harary mandritra ny herinandro maromaro ilay sandrinao. Ianao ve anefa dia ho tezitra amin’ilay namanao? Ho faly aza ianao hoe nanampy anao izy! Dia hoatr’izay koa rehefa misy namana mampitandrina anao hoe tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah ny teninao na ny ataonao. Mety halahelo ianao amin’ny voalohany, nefa aza tezitra. Hadalana mantsy izany! (Mpito. 7:9) Tokony ho faly kosa ianao hoe sahy niresaka taminao izy.

11. Inona no mety hahatonga ny olona iray handa torohevitra tsara avy amin’ny namany?

11 Fa maninona ny olona iray no mety handa torohevitra, nefa tsara ilay torohevitra ary avy amin’ny namana tsara fanahy? Manambony tena angamba izy. Tia mandre “zavatra mahafinaritra ny sofiny” ny olona hoatr’izany. ‘Tsy mihaino ny fahamarinana’ izy. (2 Tim. 4:3, 4) Mieritreritra izy hoe tsy mila torohevitra avy amin’iza na iza, satria hendry sy ambony noho ny olon-kafa. Nilaza anefa ny apostoly Paoly hoe: “Raha misy mihevi-tena ho zavatra nefa tsinontsinona, dia mamita-tena izy.” (Gal. 6:3) Mety tsara ny fomba nilazan’i Solomona Mpanjaka an’izany. Izao no nosoratany: “Aleo ankizy mahantra nefa hendry, toy izay mpanjaka antitra nefa adala, izay tsy mahatsapa intsony hoe mila fampitandremana.”​—Mpito. 4:13.

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny apostoly Petera, araka ny Galatianina 2:11-14?

12 Tena ohatra tsara ny apostoly Petera. Ahoana no nataony rehefa nanitsy azy teny imason’olona ny apostoly Paoly? (Vakio ny Galatianina 2:11-14.) Mety ho tezitra tamin’i Paoly izy raha nifantoka tamin’ny fomba nitenenan’i Paoly azy, na nieritreritra be foana hoe: ‘Ity izaho dia nahitsiny teny imason’olona e!’ Hendry anefa i Petera ka nanaiky an’ilay torohevitra, ary tsy nitana lolompo tamin’i Paoly. Nolazainy mihitsy aza tatỳ aoriana hoe ‘rahalahy malala’ i Paoly.​—2 Pet. 3:15.

13. Inona no tokony hotadidintsika rehefa hanome torohevitra?

13 Inona no tokony hotadidinao raha hitanao hoe mila manome torohevitra ny namanao ianao? Alohan’ny hiresahana aminy dia eritrereto hoe: ‘Sao dia “marina loatra” aho?’ (Mpito. 7:16) Mitsaratsara ny hafa araka ny fomba fijeriny azy ny olona marina loatra, fa tsy araka ny fomba fahitan’i Jehovah an’ilay olona. Tsy dia mangoraka loatra angamba ny olona hoatr’izany. Rehefa avy mandinika an’ireo ianao ka mahita hoe mbola mila miresaka amin’ilay namanao, dia ampahafantaro azy mazava tsara hoe inona ilay olana. Mametraha koa fanontaniana mba hahalalana ny heviny sy hanampiana azy hahita an’izay tsy mety nataony. Ataovy miorina amin’ny Soratra Masina ny zavatra teneninao, satria feno fahendrena izy io. (Ohab. 3:5) Tadidio hoe tsy anjaranao ny mitsara azy fa an’i Jehovah. (Rom. 14:10) Miezaha koa hangoraka hoatran’i Jesosy rehefa manome torohevitra. (Mat. 12:20) Fa maninona? Satria izay ataontsika amin’ny hafa no hataon’i Jehovah amintsika.​—Jak. 2:13.

ARAHO NY TOROMARIKA OMEN’NY FANDAMINANA

NY FANDAMINAN’I JEHOVAH

Manome antsika boky sy gazety ary video io fandaminana io, sady mandamina fivoriana mba hanampiana antsika hanaraka ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Manitsy ny fomba fiasa koa ny Filan-kevi-pitantanana indraindray (Fehintsoratra 14)

14. Inona no omen’ny fandaminan’i Jehovah antsika?

14 Mitarika antsika mba handeha foana amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana i Jehovah, ary ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminany no ampiasainy amin’izany. Manome antsika boky sy gazety ary video io fandaminana io, sady mandamina fivoriana mba hanampiana antsika rehetra hanaraka ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Miorina amin’ny Soratra Masina daholo ireny rehetra ireny. Miantehitra amin’ny fanahy masina koa ny Filan-kevi-pitantanana rehefa manapa-kevitra hoe inona no fomba tsara indrindra anaovana ny fitoriana. Na izany aza, dia matetika ry zareo no miverina mandinika ny fanapahan-kevitra efa noraisiny, mba hahitana raha misy mila ahitsy. Fa maninona? Satria “miovaova ny sehatr’ity tontolo ity”, dia mila manao zavatra mifanaraka amin’izany ny fandaminan’i Jehovah.​—1 Kor. 7:31.

15. Inona no zava-tsarotra atrehin’ny mpitory sasany?

15 Ahoana no ataontsika rehefa manome toromarika momba ny fitondran-tena ny fandaminan’i Jehovah, na mamoaka fanazavana vaovao mifandray amin’ny fampianarana ao amin’ny Baiboly? Azo antoka hoe tonga dia vonona hampihatra isika. Ahoana anefa raha misy vokany amin’ny fiainantsika ilay fiovana? Niakatra be, ohatra, tato ho ato ny vidin’ny fanorenana sy fikojakojana trano ampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nanapa-kevitra àry ny Filan-kevi-pitantanana hoe tokony ho betsaka araka izay azo atao ny fiangonana mampiasa Efitrano Fanjakana iray. Vokatr’izany, dia lasa nakambana ny fiangonana sasany ary nisy Efitrano Fanjakana namidy. Ampiasaina hanorenana Efitrano Fanjakana any amin’izay toerana tena mila an’izany ny vola azo. Raha hoatr’izany ny any aminareo, dia mety ho sarotra aminao ny mizatra an’ilay fiovana. Misy mpitory sasany, ohatra, lasa voatery mandeha lavitra kokoa rehefa mivory. Ny mpanao fanorenana indray mety ho niasa mafy nanorina an’ilay trano, dia gaga ry zareo hoe fa maninona no amidy indray ilay izy. Mety hahatsapa ry zareo hoe very maina fotsiny ny fotoanany sy ny ezaka nataony. Na izany aza, dia manaraka tsara an’ilay fiovana ry zareo ka tena tokony hoderaina.

16. Nahoana isika no ho faly foana, raha mampihatra ny voalazan’ny Kolosianina 3:23, 24?

16 Ho faly foana isika raha mitadidy hoe miasa ho an’i Jehovah, ary izy no mitarika ny fandaminany. (Vakio ny Kolosianina 3:23, 24.) Modely ho antsika i Davida Mpanjaka tamin’izy nanome vola hanorenana ny tempoly. Izao no nolazainy: “Zinona moa aho ary zinona moa ny vahoakako, no hanana hery hanolorana fanatitra an-tsitrapo toy izao? Avy aminao ny zava-drehetra ary ny avy amin’ny tananao ihany no nanomezanay anao.” (1 Tan. 29:14) Hoatr’izany koa isika. Avy amin’i Jehovah ihany izay omentsika azy, raha ny marina. Na izany aza, dia tena faly i Jehovah rehefa manome fotoana sy hery ary vola isika mba hanohanana ny asany.​—2 Kor. 9:7.

AZA MIALA AMIN’ILAY LALANA TERY

17. Fa maninona ianao no tsy tokony ho kivy raha mila manitsy ny dianao?

17 Tsy maintsy manaraka akaiky ny dian’i Jesosy isika rehetra, raha tsy te hiala amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana. (1 Pet. 2:21) Aza kivy anefa raha mila manitsy ny dianao ianao indraindray. Tsara aza izany satria midika hoe te hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah ianao. Tadidio fa fantatr’i Jehovah hoe mbola tsy lavorary isika, dia tsy manantena izy hoe ho vitantsika ny hanahaka tanteraka an’i Jesosy.

18. Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho tody soa aman-tsara any amin’ny tontolo vaovao?

18 Enga anie isika rehetra hibanjina ny hoavy ary ho vonona hanitsy ny fomba fisainantsika sy izay ataontsika, ary izay tiantsika sy tsy tiantsika. (Ohab. 4:25; Lioka 9:62) Andao koa hiezaka hanetry tena sy ho faly foana ary “hanitsy izay tokony hahitsy.” (2 Kor. 13:11) Raha manao an’izany isika, dia hanohana antsika foana ilay “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana.” Ho tody soa aman-tsara any amin’ny tontolo vaovao isika amin’izay, sady hahafinaritra ny diantsika.

HIRA 34 Tsy Hivadika Mandrakizay Aho

^ feh. 5 Sarotra amintsika indraindray ny manitsy ny fomba fisainantsika sy ny fanaontsika, ary izay tiantsika sy tsy tiantsika. Fa maninona anefa isika rehetra no mila manitsy an’izay tsy mety? Inona no hanampy antsika ho faly foana rehefa manao an’izany? Hanazava an’ireo ity lahatsoratra ity.

^ feh. 76 SARY: Rahalahy tanora (eo ankavia) miresaka amin’ny rahalahy be taona noho izy. Tantarainy aminy hoe tsy nahay nanapa-kevitra izy, dia nisy vokany taminy izany. Mihaino tsara ilay rahalahy iray mba hahitana hoe tokony hanome torohevitra ve izy sa tsia.