Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

“Tsy Hadinon’i Jehovah Mihitsy Aho!”

“Tsy Hadinon’i Jehovah Mihitsy Aho!”

TANÀNA mitokana kely atỳ Guyana, atỳ Amerika Atsimo no misy anay. Orealla no anaran’ilay tanàna. Roa arivo eo ho eo ny olona mipetraka atỳ. Tsy ho tonga atỳ ianao raha tsy mandeha raoplanina kely na mandeha sambo.

Tamin’ny 1983 aho no teraka. Hoatran’ny ankizy rehetra ihany aho tamin’ny voalohany. Niova anefa izany rehefa folo taona aho. Nanomboka nanaintaina be ny vatako iray manontolo tamin’izay. Nisy zavatra nitranga avy eo roa taona tatỳ aoriana. Tsy nahahetsika intsony aho indray maraina izay rehefa nifoha. Niezaka be aho mba hampihetsika ny tongotro, fa tsy nety mihitsy. Tsy afaka nandeha intsony aho nanomboka teo. Lasa tsy nitombo intsony koa aho vokatr’ilay aretiko. Hoatran’ny ankizikely foana ny habeko hatramin’izao.

Lasa tsy afaka nivoaka ny trano intsony koa aho. Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa tonga tao aminay, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Florence no anaran’ilay anankiray. Niafina foana aho matetika rehefa nisy vahiny, fa nanaiky hiresaka aho tamin’io indray mandeha io. Niresaka momba ny Paradisa ry zareo, dia tadidiko hoe efa naheno an’izany aho tamin’izaho dimy taona teo ho eo. Nisy misionera tonga indray mandeha isam-bolana mantsy tatỳ aminay tamin’izany, dia nampianatra Baiboly an’i Dada. Jethro no anarany, ary avy any Suriname izy. Tiako be izy satria tena tsara fanahy tamiko. Nisy fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah koa tatỳ amin’ny tanànanay, dia indraindray izaho nentin’ny dadabe sy bebenay nanatrika an’ireny. Rehefa nanontany ahy àry i Florence hoe te hahafantatra bebe kokoa momba ny Paradisa ve aho, dia tonga aho dia nanaiky.

Nitondra ny vadiny i Florence rehefa niverina nitsidika ahy. Justus no anarany. Nanomboka nianatra Baiboly aho tamin’izay. Hitan-dry zareo hoe tsy nahay namaky teny aho, dia nampianariny. Lasa nahay namaky teny aho tatỳ aoriana. Niteny tamiko izy mivady indray andro izay hoe voatendry hanompo any Suriname ry zareo. Nalahelo aho fa tsy nisy afaka nampianatra Baiboly ahy teto Orealla. Soa ihany anefa fa tsy hadinon’i Jehovah mihitsy aho!

Nisy mpisava lalana tonga tatỳ Orealla, tsy ela taorian’izay. Floyd no anarany. Nihaona tamiko izy tamin’izy nitory isan-trano. Nitsiky kely aho rehefa nanasa ahy hianatra Baiboly izy. Nanontaniany aho hoe: “Fa inona no mampitsikitsiky anao?” Notantaraiko azy hoe efa nianatra tamin’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? aho, dia efa nanomboka an’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Nohazavaiko koa hoe fa maninona no tapaka ilay fianarana. I Floyd indray no nampianatra Baiboly ahy nanomboka tamin’izay. Novitainay hatramin’ny farany ilay boky Fahalalana. Voatendry hanompo tany an-toeran-kafa koa anefa izy, dia lasa tsy nisy nampianatra indray aho.

Nisy mpisava lalana manokana voatendry hanompo tatỳ Orealla indray tamin’ny 2004. Granville sy Joshua no anaran-dry zareo. Nitory isan-trano ry zareo dia nihaona tamiko. Rehefa nasain-dry zareo hianatra Baiboly aho, dia nitsiky kely indray. Nanaiky aho, dia nangataka tamin-dry zareo raha azo averina hatramin’ny voalohany ilay boky Fahalalana. Tiako ho fantatra mantsy hoe mitovy amin’ny nampianarin’ny mpampianatra ahy teo aloha ihany ve no ampianarin-dry zareo. Nilaza tamiko koa i Granville hoe nasiana fivoriana tao an-tanàna. Te hanatrika an’ilay izy aho, na dia efa ho folo taona aza no tsy nivoaka ny trano. Tonga naka ahy i Granville tamin’izay. Napetrany tamin’ny seza misy kodiarana aho, dia natosiny hatrany amin’ny Efitrano Fanjakana.

Nampirisika ahy handray anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana i Granville tatỳ aoriana. Hoy izy: “Marina hoe kilemaina ianao, nefa mbola afaka miteny. Tsy maintsy hanao lahateny ianao indray andro any. Jereo tsara ange e!” Tena nampahery ahy izany.

Nanomboka nitory koa aho, dia i Granville no niaraka tamiko. Nikitoantoana be anefa ny lalana teto an-tanàna, dia tsy tena nety ilay seza misy kodiarana. Niangavy an’i Granville àry aho hoe aleo izaho hatao anaty broety, dia hatosiny amin’iny. Nety tsara ilay izy! Natao batisa aho tamin’ny Aprily 2005. Nampiofanina hikarakara boky sy gazety tao amin’ny fiangonana aho tsy ela taorian’izay, sady nampiofanina hiandraikitra ny fanamafisam-peo.

Mampalahelo fa maty dadanay tamin’ny 2007. Nandeha sambo izy tamin’izay, dia nisy loza nitranga. Kivy be ny fianakavianay, nefa soa ihany fa teo i Granville niara-nivavaka taminay sy namaky andinin-teny mampahery. Nidonam-pahoriana indray anefa izahay roa taona tatỳ aoriana, rehefa maty i Granville. Nandeha sambo koa izy dia maty an-drano. Nalahelo be mihitsy izahay!

Tena nalahelo koa ilay fiangonana kelinay. Tsy nanana anti-panahy intsony izahay, fa mpanampy amin’ny fanompoana iray sisa. Nalahelo be an’i Granville koa aho, satria tena namako izy. Nanampy ahy hinamana amin’i Jehovah izy sady nanampy ahy tamin’ny zavatra hafa nilaiko. Anjarako ny namaky fehintsoratra tamin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, taorian’ny nahafatesany. Fehintsoratra roa fotsiny anefa no voavakiko, dia nirotsaka ny ranomasoko. Tsy maintsy niala teny amin’ny lampihazo aho avy eo satria tsy nijanona nitomany.

Nisy rahalahy avy any amin’ny fiangonana hafa tonga nanampy anay teto Orealla, dia mba nisinda ny alaheloko. Nandefa mpisava lalana manokana atao hoe Kojo koa ny biraon’ny sampana. Vao mainka faly aho rehefa nanomboka nianatra Baiboly i Neny sy ny zandriko lahy, dia natao batisa. Voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana aho tamin’ny Martsa 2015. Nanao lahateny aho tatỳ aoriana, dia tadidiko ilay tenin’i Granville hoe: “Tsy maintsy hanao lahateny ianao indray andro any. Jereo tsara ange e!” Nitsiky aho sady nitomany rehefa nahatsiaro an’io teniny io.

Rehefa mijery Tele JW aho dia lasa mahafantatra mpiara-manompo kilemaina hoatran’ahy. Na dia kilemaina aza ry zareo, dia mbola mahavita zavatra betsaka sady faly. Izaho koa mbola mahavita zavatra ihany. Tiako homena an’i Jehovah izay hery rehetra mbola ananako, dia izay no nahatonga ahy hanao mpisava lalana maharitra. Nisy vaovao tsara koa tamin’ny Septambra 2019, ary tsy nampoiziko mihitsy ilay izy. Voatendry ho anti-panahy aho dia manampy mikarakara ny fiangonanay. Misy mpitory 40 eo ho eo izao ao aminay.

Isaorako be dia be ireo rahalahy sy anabavy nampianatra Baiboly ahy sy nanampy ahy tamin’ny fanompoana. I Jehovah anefa no tena isaorako satria tsy hadinony mihitsy aho!

^ feh. 8 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.