Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 49

Tena Mino Isika hoe Hitsangana ny Maty!

Tena Mino Isika hoe Hitsangana ny Maty!

“Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”​—ASA. 24:15.

HIRA 151 Hiantso i Jehovah

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no fanantenana tsara be ananan’ny mpanompon’i Jehovah?

TENA ilaina ny fanantenana. Manantena, ohatra, ny olona sasany hoe hanana tokantrano sambatra, na hiteraka dia ho salama tsara ny zanany. Ny hafa indray marary be, dia manantena hoe ho sitrana. Mety hanantena an’ireo koa isika Kristianina. Mbola manantena zavatra tsara lavitra noho ireo anefa isika. Manantena hiaina mandrakizay isika, ary manantena hoe ho velona indray ny havantsika sy ny namantsika efa maty.

2 Nilaza ny apostoly Paoly hoe: “Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asa. 24:15) Tsy i Paoly anefa no voalohany niresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty. Niresaka an’izany koa i Joba. Natoky izy hoe hahatsiaro azy Andriamanitra ary hanangana azy amin’ny maty.​—Joba 14:7-10, 12-15.

3. Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny 1 Korintianina toko faha-​15?

3 Anisan’ny “fampianarana fototra” inoan’ny Kristianina ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty. (Heb. 6:1, 2) Niresaka momba azy io i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-​15. Azo antoka fa nampahery ny Kristianina tamin’ny androny ny zavatra nosoratany. Na efa ela aza ianao no nino ny fitsanganana amin’ny maty, dia azo antoka fa hampahery anao koa ny zavatra nosoratan’i Paoly. Vao mainka ianao hatoky fa ho tanteraka ny fanantenanao.

4. Inona no mahatonga antsika hanantena hoe hitsangana ny maty?

4 Natsangana tamin’ny maty i Jesosy Kristy, dia izany no mahatonga antsika hatoky hoe mbola hatsangana ny havantsika sy ny namantsika efa maty. Anisan’ny “vaovao tsara” nolazain’i Paoly tamin’ny Korintianina izany. (1 Kor. 15:1, 2) Nilaza mihitsy izy hoe raha tsy mino ny fitsanganana amin’ny maty ny Kristianina iray, dia tsy hisy dikany ny finoany. (1 Kor. 15:17) Lasa manana fanantenana àry isika satria mino hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy.

5-6. Nahoana no mampahery antsika ny 1 Korintianina 15:3, 4?

5 Nilaza zavatra telo tena nitranga i Paoly, rehefa hanomboka hiresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty. 1) “Maty noho ny fahotantsika i Kristy.” 2) “Nalevina izy.” 3) ‘Natsangana tamin’ny maty izy tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina.’​—Vakio ny 1 Korintianina 15:3, 4.

6 Midika inona ho antsika ny hoe maty i Jesosy dia nalevina, ary avy eo natsangana tamin’ny maty? Nilaza i Isaia mpaminany fa ‘hesorina hiala amin’ny tanin’ny velona’ ny Mesia, ary ‘hatao eo amin’ny ratsy fanahy ny fasany.’ Nilaza koa anefa izy hoe ‘hitondra ny fahotan’ny maro’ ny Mesia. Izany mihitsy no nataon’i Jesosy rehefa nanao sorona ny ainy izy. (Isaia 53:8, 9, 12; Mat. 20:28; Rom. 5:8) Manafaka antsika amin’ny fahafatesana koa izany. Noho i Jesosy maty sy nalevina ary natsangana tamin’ny maty àry, dia afaka manantena isika hoe ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana. Tsy izay ihany fa lasa mahazo antoka isika hoe mbola hihaona amin’ny namantsika na havantsika efa maty.

BE DIA BE NY VAVOLOMBELONA

7-8. Nahoana isika no mino hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy?

7 Hitantsika teo fa tsy afaka manantena fitsanganana amin’ny maty isika, raha tsy mino hoe natsangana i Jesosy. Nahoana isika no matoky hoe tena natsangan’i Jehovah tamin’ny maty izy?

8 Be dia be ny vavolombelona afaka nanamarina fa natsangana i Jesosy. (1 Kor. 15:5-7) Ny apostoly Petera, na Kefasy, no noresahin’i Paoly voalohany hoe nahita an’i Jesosy taorian’ny nananganana azy. Nisy mpianatr’i Jesosy maromaro nanamarina an’izany. (Lioka 24:33, 34) Nilaza koa i Paoly fa nahita azy ny “roa ambin’ny folo lahy”, izany hoe ny apostoly. Taorian’izany, dia ‘rahalahy maherin’ny dimanjato no indray nisehoan’i Kristy.’ Tamin’ilay fivoriana mampahery tany Galilia angamba izany no nitranga. (Mat. 28:16-20) “Niseho tamin’i Jakoba” koa i Jesosy. Ilay rahalahiny angamba izy io. Tsy nino izy taloha hoe i Jesosy no Mesia. (Jaona 7:5) Resy lahatra ihany anefa izy rehefa nahita an’i Jesosy avy natsangana tamin’ny maty. Mahaliana hoe betsaka tamin’ireo vavolombelona ireo no mbola velona tamin’i Paoly nanoratra ny 1 Korintianina, tamin’ny taona 55 tany ho any. Raha nisy olona nisalasala àry hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia afaka nanontany an’ireo.

9. Inona no resahin’ny Asan’ny Apostoly 9:3-5, ka manaporofo hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy?

9 Niseho tamin’i Paoly, na i Saoly, koa i Jesosy tatỳ aoriana. (1 Kor. 15:8) Teny an-dalana ho any Damaskosy i Paoly tamin’izay. Naheno ny feon’i Jesosy izy, dia nahita azy tamin’ny voninahiny tany an-danitra. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 9:3-5.) Manaporofo koa iny zava-nitranga tamin’i Paoly iny fa tsy angano ilay hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy.​—Asa. 26:12-15.

10. Inona no nataon’i Paoly noho izy resy lahatra hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy?

10 Mety ho tena nahaliana ny olona sasany izay nolazain’i Paoly, satria nanenjika ny Kristianina izy taloha. Vao resy lahatra izy hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia niezaka be izy mba handresy lahatra ny hafa. Niaritra zavatra be dia be izy rehefa nitory momba an’izany. Nokapohina, ohatra, izy dia nogadraina ary vaky sambo. (1 Kor. 15:9-11; 2 Kor. 11:23-27) Resy lahatra tanteraka izy hoe tena natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ka vonona ho faty mihitsy izy mba hiarovana an’izany finoany izany. Tsy maharesy lahatra anao ve ireo porofo ireo hoe tena natsangana tamin’ny maty i Jesosy? Tsy vao mainka ve ianao matoky hoe tena hisy ny fitsanganana amin’ny maty?

NAHITSIN’I PAOLY NY HEVI-DISON’IZY IREO

11. Inona no mety ho nahatonga ny Kristianina sasany tany Korinto hanana hevi-diso momba ny fitsanganana amin’ny maty?

11 Tany Gresy no nisy an’i Korinto. Nanana hevi-diso momba ny fitsanganana amin’ny maty ny Kristianina sasany tany. Nilaza mihitsy aza ry zareo hoe “tsy misy fitsanganan’ny maty.” (1 Kor. 15:12) Fa maninona? Satria nisy vokany tamin-dry zareo angamba ny hevitry ny filozofa avy any Atena, tanàna hafa any Gresy. Naneso mantsy ireny filozofa ireny rehefa naheno hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Asa. 17:18, 31, 32) Nisy indray angamba nieritreritra hoe tsy ara-bakiteny ny fitsanganana amin’ny maty. Hoatran’ny hoe maty, hono, ny olona satria mpanota fa velona indray rehefa lasa Kristianina satria voavela ny fahotany. Na ahoana na ahoana, dia tsy nisy dikany ny finoan’izy ireo satria ry zareo tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty. Raha tsy nino an’izany mantsy ry zareo, dia midika izany fa tsy nino izy hoe natsangana i Jesosy. Raha izany anefa, dia tsy ho voaloa ny vidim-panavotana ary mbola mpanota daholo ny olona. Tsy nanana fanantenana àry izay tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty.​—1 Kor. 15:13-19; Heb. 9:12, 14.

12. Nahoana no miavaka ny fitsanganan’i Jesosy, raha jerena ny 1 Petera 3:18, 22?

12 Fantatr’i Paoly tsara hoe “efa natsangana tamin’ny maty” i Kristy. Tsara kokoa noho ny fitsanganana amin’ny maty efa nitranga taloha io fitsanganana io. Maty indray mantsy izay olona natsangana talohan’izay. Nilaza i Paoly hoe “voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry” i Jesosy. Fa maninona? Satria izy no olona voalohany natsangana tamin’ny maty dia lasa fanahy, ary izy koa no olona voalohany nankany an-danitra.​—1 Kor. 15:20; Asa. 26:23; vakio ny 1 Petera 3:18, 22.

‘HO VELONA IZAY REHETRA AO AMIN’I KRISTY’

13. Inona no nolazain’i Paoly hoe tsy mampitovy an’i Adama sy Jesosy?

13 Noho ny fahafatesan’ny olona iray, dia an-tapitrisany no afaka ho velona. Ahoana no mahatonga an’izany? Niresaka momba an’izany i Paoly, ary mitombina tsara ny fomba nanazavany an’ilay izy. Nasehony hoe inona no vokatry ny nataon’i Adama sy ny vokatry ny soron’i Kristy amin’ny olombelona. Nanoratra i Paoly hoe “olona iray no niavian’ny fahafatesana”, izany hoe i Adama. Rehefa nanota mantsy i Adama, dia nisy vokany ratsy be taminy sy tamin’ny taranany izany. Mbola mijaly be isika hatramin’izao noho izy tsy nankatò. Afaka manantena hoavy tena tsara anefa isika satria natsangan’Andriamanitra ny Zanany. Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe “olona iray koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty.” Nilaza izy avy eo hoe “tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.”​—1 Kor. 15:21, 22.

14. Hatsangana amin’ny maty ve i Adama? Hazavao.

14 Fa iza no tian’i Paoly holazaina amin’ilay hoe ‘maty ao amin’i Adama ny rehetra’? Ny taranak’i Adama no tiany horesahina amin’izany. Nandova ota avy taminy mantsy izy ireo, ka lasa tsy lavorary ary ho faty. (Rom. 5:12) Tsy anisan’ireo ‘hovelomina’ anefa i Adama. Tsy mandray soa avy amin’ny soron’i Kristy mantsy izy, satria nanao fanahy iniana tsy nankatò an’Andriamanitra nefa izy lavorary. Ringana mandrakizay izy, hoatran’ireo olona hotsarain’ny “Zanak’olona” hoe “osy.”​—Mat. 25:31-33, 46; Heb. 5:9.

Jesosy no voalohany amin’ireo natsangana mba ho any an-danitra (Fehintsoratra 15-16) *

15. Iza no anisan’ireo ‘rehetra ho velona ao amin’i Kristy’?

15 Mariho fa nilaza koa i Paoly hoe ho ‘velona ao amin’i Kristy ny rehetra.’ (1 Kor. 15:22) Nanoratra ho an’ny Kristianina voahosotra tany Korinto izy tamin’io. Midika izany fa hatsangana amin’ny maty mba ho any an-danitra izy ireo, ary anisan’ireo ‘rehetra ho velona ao amin’i Kristy.’ “Nohamasinina tao amin’i Kristy Jesosy” izy ireo, “sady voantso ho olona masina.” Niresaka momba an’ireo “nodimandry tao amin’i Kristy” koa i Paoly. (1 Kor. 1:2; 15:18; 2 Kor. 5:17) Nilaza izy tao amin’ny taratasiny hafa hoe ‘ho tafaray amin’i Jesosy ao amin’ny fitsanganana toy ny azy’ izay olona ‘tafaray aminy ao amin’ny fahafatesana toy ny azy.’ (Rom. 6:3-5) Lasa fanahy i Jesosy rehefa natsangana dia nankany an-danitra. Izany koa no hitranga amin’ireo “tafaray amin’i Kristy”, izany hoe ny Kristianina voahosotra rehetra.

16. Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa niantso an’i Jesosy hoe “voaloham-bokatra” izy?

16 Nilaza i Paoly fa “voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry” i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty. Fa maninona? Tadidio fa niaina teto an-tany ny olon-kafa rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ohatra hoe i Lazarosy. I Jesosy kosa no voalohany natsangana tamin’ny maty, dia lasa fanahy any an-danitra sy velona mandrakizay. Nitovy tamin’ny voaloham-bokatra natolotry ny Israelita ho an’Andriamanitra tamin’ny fotoam-pijinjana izy. Niantso an’i Jesosy hoe “voaloham-bokatra” koa i Paoly, satria mbola hisy olon-kafa hatsangana dia hiaina any an-danitra. Hatsangana mba hiaina any an-danitra hoatran’i Jesosy koa àry ny apostoly sy ny voahosotra hafa.

17. Oviana no nanomboka nahazo ny valisoany any an-danitra ny voahosotra?

17 Mbola tsy nankany an-danitra ny voahosotra, tamin’i Paoly nanoratra ho an’ny Korintianina. Hita amin’ny tenin’i Paoly hoe tatỳ aoriana izany vao nitranga. Izao no nolazainy: “Samy araka ny filaharany avy anefa: i Kristy no voaloham-bokatra, ary avy eo izay an’i Kristy, mandritra ny fanatrehany.” (1 Kor. 15:23; 1 Tes. 4:15, 16) Tsy maintsy niandry an’io fanatrehan’i Kristy io àry ny apostoly sy ny voahosotra efa maty. Nahazo ny valisoany any an-danitra izy ireo rehefa tonga izy io, ary lasa ‘tafaray amin’i Jesosy ao amin’ny fitsanganana toy ny azy.’ Miaina mandritra an’izany ‘fanatrehan’i Kristy’ izany isika amin’izao.

TENA AZO ANTOKA NY FANANTENANAO!

18. a) Fa maninona isika no milaza hoe hisy olon-kafa hatsangana amin’ny maty, ankoatra an’ireo ho any an-danitra? b) Inona avy no hitranga any an-danitra araka ny 1 Korintianina 15:24-26?

18 Ho efa any an-danitra miaraka amin’i Jesosy ireo voahosotra natsangana nandritra ny fanatrehany, rehefa ‘hanafoana ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra’ izy. Hofoanana koa na dia “ny fahafatesana” aza, “izay fahavalo farany.” (Vakio ny 1 Korintianina 15:24-26.) Tsy ho faty intsony mihitsy ireo voahosotra ireo. Misy Kristianina tsy mivadika be dia be anefa tsy manantena hiaina any an-danitra miaraka amin’i Kristy. Ahoana ny amin-dry zareo? Manantena fitsanganana amin’ny maty koa ry zareo. Milaza mantsy ny Baiboly hoe ‘mahazo an’ilay fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa’ i Paoly sy ny olon-kafa hankany an-danitra. (Fil. 3:11) Midika izany hoe mbola hisy fitsanganana hafa aorian’io. Mifanaraka amin’izany mihitsy izay nolazain’i Joba momba ny hoaviny.​—Joba 14:15.

19. Afaka manantena inona ny olona hiaina eto an-tany?

19 Afaka manantena inona àry ny olona hiaina eto an-tany? Afaka manantena izy ireo fa ho tanteraka ny tenin’i Paoly hoe: “Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asa. 24:15) Mazava ho azy fa tsy ho any an-danitra mihitsy ny olona tsy marina. Midika àry ireo teny ireo fa hisy fitsanganana amin’ny maty eto an-tany amin’ny hoavy.

Afaka manantena hoavy tena tsara isika raha mino ny fitsanganana amin’ny maty (Fehintsoratra 20) *

20. Fa maninona ianao no vao mainka mino hoe tena hatsangana ny maty?

20 Tena azo antoka àry hoe hisy ny fitsanganana amin’ny maty. Afaka manantena hiaina mandrakizay izay hatsangana eto an-tany. Afaka matoky an’izany ianao! Raha manana havana efa maty ianao, dia hampionona anao izany. Hatsangana amin’ny maty izy ireo rehefa ‘hiara-manjaka mandritra ny arivo taona’ i Kristy sy ny voahosotra. (Apok. 20:6) Ary ahoana raha maty alohan’izay ianao? Matokia koa fa hatsangana ianao. Tsy ho diso fanantenana ianao raha manantena an’izany. (Rom. 5:5) Hampahery anao izany dieny izao, ary hanampy anao ho faly manompo an’i Jehovah. Mbola misy zavatra hafa anefa azontsika ianarana avy amin’ny 1 Korintianina toko faha-​15. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

HIRA 147 Azo Antoka ny Fiainana Mandrakizay

^ feh. 5 Miresaka betsaka momba ny fitsanganana amin’ny maty ny 1 Korintianina toko faha-​15. Nahoana io fampianarana io no zava-dehibe amintsika? Ary nahoana isika no mino fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy? Hiresaka an’ireo ity lahatsoratra ity, ary hamaly fanontaniana lehibe hafa momba ny fitsanganana amin’ny maty.

^ feh. 56 SARY: I Jesosy no voalohany nakarina ho any an-danitra. (Asa. 1:9) Anisan’ny mpianany nankany an-danitra koa i Tomasy, Jakoba, Lydia, Jaona, Maria, ary Paoly.

^ feh. 58 SARY: Maty ny vadin’ny rahalahy iray, nefa ry zareo efa ela no niaraka nanompo an’i Jehovah. Matoky izy fa hatsangana ny vadiny, dia manompo an’i Jehovah foana izy.