LAHATSORATRA FIANARANA 50

Ahoana no Hananganana ny Maty?

Ahoana no Hananganana ny Maty?

“Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?”​—1 KOR. 15:55.

HIRA 141 Sarobidy ny Fiainana

HO HITANAO ATO *

1-2. Fa maninona ny Kristianina rehetra no tokony ho liana amin’ilay fananganana ny olona ho any an-danitra?

MANANTENA hiaina mandrakizay eto an-tany ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao. Ny voahosotra mbola eto an-tany kosa manantena ny hatsangana dia hankany an-danitra. Tian’ireo voahosotra ireo ho fantatra hoe hanao ahoana ny fiainany amin’izany. Tokony ho liana amin’izany koa ve anefa ireo manantena hiaina mandrakizay eto an-tany? Izany mihitsy, satria hahazo fitahiana koa ry zareo vokatr’izany. Na voahosotra àry isika na ondry hafa, dia tokony ho liana amin’ny fitsanganana ho any an-danitra.

2 Nasain’Andriamanitra nanoratra momba ny fananganana an’izay ho any an-danitra ny mpianatr’i Jesosy sasany tamin’ny taonjato voalohany. Izao, ohatra, no nolazain’ny apostoly Jaona: “Zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho hoe hanao ahoana moa isika. Izao no fantatsika: Ho tahaka azy isika rehefa haseho izy.” (1 Jaona 3:2) Tsy fantatry ny voahosotra àry hoe ho hoatran’ny ahoana ry zareo rehefa avy hatsangana ka hiaina any an-danitra. Na izany aza, dia hahita mivantana an’i Jehovah ry zareo rehefa mahazo ny valisoany. Tsy miresaka ny tsipiriany rehetra momba ny fananganana azy ireo ny Baiboly. Nanazava hevitra sasany momba an’izany ihany anefa ny apostoly Paoly. Nilaza izy hoe hiaraka amin’i Kristy ny voahosotra rehefa hanafoana “ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra” izy, anisan’izany “ny fahafatesana, izay fahavalo farany.” Rehefa avy manaiky an’i Jesosy ny zavatra rehetra, dia hanaiky an’i Jehovah i Jesosy sy ireo miara-manjaka aminy. (1 Kor. 15:24-28) Tena hahafinaritra be amin’izay! *

3. Araka ny 1 Korintianina 15:30-32, nahavita inona i Paoly noho izy nino ny fitsanganana amin’ny maty?

3 Nahavita niatrika olana isan-karazany i Paoly, satria nino ny fitsanganana amin’ny maty. (Vakio ny 1 Korintianina 15:30-32.) Nilaza tamin’ny Korintianina izy hoe: “Tandindomin-doza isan’andro ny aiko.” Nilaza koa izy hoe “niady tamin’ny bibidia tany Efesosy.” Tena biby angamba no tiany horesahina, ary mety ho niady tamin’izany izy tamin’izy tao anatina kianja tany Efesosy. (2 Kor. 1:8; 4:10; 11:23) Mety ho ny Jiosy na ny olon-kafa nanenjika azy koa anefa no tiany horesahina tamin’izany, ary nohariny tamin’ny “bibidia” ry zareo. (Asa. 19:26-34; 1 Kor. 16:9) Na inona na inona nitranga, dia tena mafy ny nahazo an’i Paoly. Mbola nanantena hoavy tsara foana anefa izy.​—2 Kor. 4:16-18.

Fianakaviana manompo an’i Jehovah foana, na dia voasakantsakana aza ny asantsika any amin’ny tany misy an-dry zareo. Matoky izy mianakavy hoe manomana hoavy tsara ho an-dry zareo i Jehovah (Fehintsoratra 4)

4. Nahoana no mampahery antsika ny fanantenana hoe mbola hitsangana ny maty? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

4 Mampidi-doza izao andro iainantsika izao. Ny sasany amin’ny rahalahintsika, ohatra, niharan’ny heloka bevava. Misy koa mipetraka any amin’ny tany rotidrotiky ny ady. Ny hafa indray mety hogadraina na hovonoina raha tratra manompo an’i Jehovah, satria voasakantsakana na voarara ny asa fitoriana any amin’ny tany misy an-dry zareo. Manompo an’i Jehovah foana anefa ireny rahalahy sy anabavintsika ireny, ka tena ohatra tsara ho antsika. Tsy matahotra ry zareo, satria fantany hoe na maty aza izy dia hoavy faran’izay tsara no omanin’i Jehovah ho azy.

5. Inona no mety hahatonga antsika tsy hino ny fitsanganana amin’ny maty?

5 Nieritreritra ny olona sasany tamin’ny andron’i Paoly hoe: “Raha tsy hatsangana ny maty, dia ‘aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.’” Nampidi-doza izany toe-tsaina izany ka nampitandrina ny mpiara-manompo taminy i Paoly. Efa talohan’izay anefa no nisy io toe-tsaina io. Namerina an’izay voalazan’ny Isaia 22:13 angamba i Paoly tamin’izay. Ny toe-tsain’ny Israelita no resahina ao. Naleon-dry zareo nanao fiainana toy izay niezaka hanatona an’Andriamanitra. Nieritreritra ry zareo hoe efa ho faty ihany dia aleo manararaotra mifalifaly. Be dia be koa no mieritreritra hoatr’izany amin’izao. Hitantsika ao amin’ny Baiboly anefa hoe tena ratsy ny vokatr’izany toe-tsaina izany tamin’ny firenen’Israely.​—2 Tan. 36:15-20.

6. Olona hoatran’ny ahoana no tsy hataontsika namana raha mino ny fitsanganana amin’ny maty isika?

6 Fantatsika fa hanangana ny maty i Jehovah. Tokony hitadidy an’izany isika rehefa mifidy namana. Nila nitandrina ny Kristianina tany Korinto mba tsy hinamana amin’ny olona tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy miraharaha ny hoavy ny olona sasany, sady tsy mieritreritra afa-tsy ny hiala voly. Hanimba antsika ny minamana amin’ny olona hoatr’izany. Mety hahatonga antsika hanana toe-tsaina ratsy sy fahazaran-dratsy izy. Mety hanota mihitsy aza isika, nefa halan’Andriamanitra ny fahotana. Nampirisika mafy àry i Paoly hoe: “Aoka ianareo hifoha sy hahatsiaro saina ka hanao ny marina, ary aza zatra manota.”​—1 Kor. 15:33, 34.

HOATRAN’NY AHOANA NY VATANA HOMENA AZY?

7. Inona no mety ho noeritreretin’ny olona sasany, araka ny 1 Korintianina 15:35?

7 Vakio ny 1 Korintianina 15:35. “Hatao ahoana no fanangana ny maty? Eny, vatana manao ahoana izy rehefa tonga?” Mety hanontany an’izany ny olona iray, raha tiany hisalasala momba ny fitsanganana amin’ny maty ny olon-kafa. Mila mandinika an’izay nolazain’i Paoly momba an’izany isika. Samy manana ny heviny momba an’izay mitranga aorian’ny fahafatesana mantsy ny olona.

Nilaza fanoharana momba ny voa sy zavamaniry i Paoly mba hanazavana fa azon’Andriamanitra omena vatana mety tsara izay hatsangana amin’ny maty (Fehintsoratra 8)

8. Araka ny 1 Korintianina 15:36-38, inona no fanoharana hanampy antsika hahazo hoe hanao ahoana ny vatan’ny olona hatsangana ho any an-danitra?

8 Rehefa maty ny olona dia mihalò ny vatany. Hahavita hanangana ny maty anefa Andriamanitra, dia hanome azy vatana mety tsara. Niainga avy tamin’ny tsy misy mantsy izy rehefa namorona an’izao rehetra izao, dia izany ve no tsy ho vitany? (Gen. 1:1; 2:7) Nilaza fanoharana i Paoly mba hanaporofoana fa tsy voatery hampiasa ny vatan’ilay olona taloha Andriamanitra rehefa hanangana azy mba ho any an-danitra. Eritrereto ny “voa” anankiray. Inona no mitranga rehefa ambolena ilay izy ka alevina any anaty tany? Tsy ilay voa nalevina iny ihany akory no mipoitra eo. Mitsimoka sy mitombo kosa ilay voa, dia manome zavamaniry. Noporofoin’i Paoly tamin’izany fa azon’ny Mpamorona ‘omena vatana araka izay tiany’ izay hatsangana amin’ny maty. Vakio ny 1 Korintianina 15:36-38.

9. Inona avy ny karazana vatana resahina ao amin’ny 1 Korintianina 15:39-41?

9 Vakio ny 1 Korintianina 15:39-41. Nilaza i Paoly hoe tsy mitovy ny vatana nomen’Andriamanitra ny zavaboary rehetra. Samy hafa, ohatra, ny vatan’ny omby sy ny vorona ary ny trondro. Nilaza koa izy hoe samy hafa ny volana sy ny masoandro. Na ny kintana aza “samy manana ny voninahiny.” Marina fa tsy hitan’ny masontsika ny fahasamihafan’ny kintana. Araka ny mpahay siansa anefa, dia misy ngeza sy kely izy ireny ary misy koa menamena na fotsifotsy na mavomavo, ohatra hoe ny masoandro. Nilaza koa i Paoly fa “hafa ny vatan’izay any an-danitra ary hafa ny vatan’izay etỳ an-tany.” Inona no tiany holazaina? Hoe nofo aman-dra ny vatan’ny olona etỳ an-tany, fa fanahy tsy hita maso kosa ny vatan’izay any an-danitra, anisan’izany ny anjely.

10. Vatana hoatran’ny ahoana no ho azon’izay hatsangana ho any an-danitra?

10 Hoy i Paoly avy eo: “Toy izany koa ny fitsanganan’ny maty. Vatana mety lo izy rehefa afafy, fa vatana tsy mety lo kosa rehefa atsangana.” Fantatsika hoe rehefa maty ny olona, dia mihalò ny vatany ary miverina ho vovoka. (Gen. 3:19) Fa maninona àry no lazaina indray hoe “tsy mety lo” izy rehefa atsangana? Tsy hoatran’ny olona natsangan’i Elia sy Elisa ary Jesosy no tian’i Paoly horesahina teo. Ireny olona ireny mantsy rehefa natsangana dia niaina teto an-tany. Olona hatsangana mba hiaina any an-danitra kosa no tiany horesahina, izany hoe olona hahazo vatana “ara-panahy.”​—1 Kor. 15:42-44.

11-12. Inona no fiovana nitranga tamin’i Jesosy tamin’izy natsangana tamin’ny maty? Inona koa no fiovana hitranga amin’ny voahosotra?

11 Nanana vatana ara-nofo i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Rehefa natsangana kosa izy, dia lasa “fanahy mahavelona” ary niverina tany an-danitra. Lasa fanahy hoatr’izany koa ny Kristianina voahosotra rehefa hatsangana amin’ny maty. Nilaza i Paoly hoe: “Tahaka ny itondrantsika ny endrik’ilay natao tamin’ny vovoka no hitondrantsika koa ny endrik’ilay avy any an-danitra.”​—1 Kor. 15:45-49.

12 Mila mitadidy isika hoe tsy nofo aman-dra i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty. Fa maninona? Niresaka an’izany i Paoly rehefa namarana ny fanazavany. Izao no nolazainy: “Tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra [any an-danitra] ny nofo aman-dra.” (1 Kor. 15:50) Rehefa atsangana mba ho any an-danitra àry ny apostoly sy ny voahosotra hafa, dia tsy ho nofo aman-dra ny vatany satria mety lo izany. “Efa nodimandry” ny mpianatr’i Jesosy sasany tamin’i Paoly nanoratra ny Korintianina Voalohany, anisan’izany ny apostoly Jakoba. (Asa. 12:1, 2) Nisy apostoly hafa sy voahosotra mbola tsy maty kosa tamin’izany. (1 Kor. 15:6) Rahoviana àry ry zareo no hatsangana? Tsy hoe vao maty ry zareo dia tonga dia natsangana. Hita amin’ny tenin’i Paoly hoe tatỳ aoriana izany vao nitranga.

RESY NY FAHAFATESANA

13. Inona no hitranga mandritra ny fanatrehan’i Jesosy?

13 Niresaka momba ny fotoana miavaka iray eo amin’ny tantara i Jesosy sy Paoly. Inona izany? Ny fanatrehan’i Kristy. Hisy ady, horohoron-tany, areti-mandringana, ary zava-dratsy hafa hitranga maneran-tany mandritra an’io fotoana io. Hitantsika hoe tanteraka io faminanian’ny Baiboly io nanomboka tamin’ny 1914. Misy zavatra miavaka hafa koa anefa amantarana an’io fanatrehan’i Kristy io. Nilaza i Jesosy fa “hotorina maneran-tany” ilay vaovao tsara hoe efa manjaka ny Fanjakan’Andriamanitra, mba “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Mat. 24:3, 7-14) Nilaza koa i Paoly hoe mandritra “ny fanatrehan’ny Tompo no hatsangana ny voahosotra “efa nodimandry.”​—1 Tes. 4:14-16; 1 Kor. 15:23.

14. Inona no mitranga amin’ny voahosotra maty mandritra ny fanatrehan’i Kristy?

14 Tonga dia hatsangana ho any an-danitra izay voahosotra maty amin’izao androntsika izao. Manamarina an’izany ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 15:51, 52. Izao no nolazainy: “Tsy hodimandry avokoa isika rehetra, fa isika rehetra dia hovana ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, ao anatin’ny indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany.” Tanteraka amin’izao ireo tenin’i Paoly ireo. Ho faly be ny rahalahin’i Kristy rehefa hatsangana amin’ny maty, satria “hiaraka amin’ny Tompo foana.”​—1 Tes. 4:17.

Hanampy an’i Jesosy handringana an’ireo firenena ireo hovana “ao anatin’ny indray mipy maso” (Fehintsoratra 15)

15. Inona no asa miandry an’izay hovana “ao anatin’ny indray mipy maso”?

15 Inona no asa hataon’ireo olona hovana “ao anatin’ny indray mipy maso” ireo, rehefa tonga any an-danitra ry zareo? Hoy i Jesosy: “Izay mandresy ka manatanteraka ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana amin’ireo firenena. Ary hifehy ny olona amin’ny tehim-by izy, dia ho potipotika toy ny vilany tanimanga ireny. Eny, homeko fahefana izy, tahaka izay noraisiko avy tamin’ny Raiko.” (Apok. 2:26, 27) Hiaraka amin’i Jesosy ry zareo ka handringana an’ireo firenena amin’ny tehim-by.​—Apok. 19:11-15.

16. Fa maninona isika no milaza hoe olona be dia be no handresy ny fahafatesana?

16 Handresy ny fahafatesana ny voahosotra rehefa hatsangana mba ho any an-danitra. (1 Kor. 15:54-57) Ho afaka hanampy an’i Jesosy ry zareo amin’izay, ka hanala ny faharatsiana rehetra eto an-tany mandritra ny ady Hara-magedona. Lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany no ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe”, ka hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. (Apok. 7:14) Mbola ho resy indray anefa ny fahafatesana, ary hanatri-maso an’izany ireo olona ho tafavoaka velona ireo. Hatsangana mantsy ny maty an’arivony tapitrisa. Ho faly be mihitsy isika rehetra amin’izany! (Asa. 24:15) Tsy vitan’izany fa handresy tanteraka ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama izay rehetra tsy nivadika. Ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo!

17. Inona no tokony hataontsika izao, araka ny 1 Korintianina 15:58?

17 Tokony ho faly ny Kristianina rehetra amin’izao hoe nanoratra an’ireo teny mampahery momba ny fitsanganana amin’ny maty ireo i Paoly. Tena tokony hankatò ny teniny àry isika, dia hanao izay rehetra azo atao “amin’ny asan’ny Tompo.” (Vakio ny 1 Korintianina 15:58.) Ho afaka hanantena hoavy tsara be isika, raha miezaka foana mba hanao izay tsara indrindra vitantsika amin’io asa io. Ho tsara lavitra noho izay mety hoeritreretintsika amin’izao ny miandry antsika amin’izany! Rehefa tonga izay fotoana izay, dia ho hitantsika hoe tsy very maina marina ny asa mafy nataontsika ho an’ny Tompo.

HIRA 140 Tonga Ihany Ilay Fiainana Mandrakizay!

^ feh. 5 Miresaka tsipiriany momba ny fananganana ny maty ny tapany faharoa amin’ny 1 Korintianina toko faha-​15. Ny fananganana ny Kristianina voahosotra no tena voaresaka ao. Tena mahaliana ny ondry hafa koa anefa izay nosoratan’i Paoly ao. Ho hitantsika ato hoe tokony hisy vokany amin’ny fiainantsika ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, ary tokony hahatonga antsika hibanjina ny hoavy.

^ feh. 2 Miresaka momba ny 1 Korintianina 15:29 ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ato amin’ity gazety ity.