LAHATSORATRA FIANARANA 51

‘Mamonjy An’izay Ketraka i Jehovah’

‘Mamonjy An’izay Ketraka i Jehovah’

“Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”​—SAL. 34:18.

HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no hodinihintsika ato?

FOHY ny androm-piainantsika sady feno tebiteby. (Joba 14:1) Mety ho lasa saina momba an’izany isika indraindray dia kivy, ary ara-dalàna izany. Betsaka ny mpanompon’i Jehovah taloha nahatsapa hoatr’izany, ary nisy aza te ho faty mihitsy. (1 Mpanj. 19:2-4; Joba 3:1-3, 11; 7:15, 16) Nampionona sy nampahery an-dry zareo foana anefa i Jehovah. Izy mantsy no nitokisany. Voasoratra ao amin’ny Baiboly ny tantaran-dry zareo, mba hampiononana antsika sy handraisantsika fianarana.​—Rom. 15:4.

2 Hiresaka mpanompon’i Jehovah niatrika ny mafy isika ato. Anisan’izany i Josefa zanak’i Jakoba, ilay vehivavy maty vady atao hoe Naomy sy i Rota vinantovaviny, ilay Levita nanoratra ny Salamo faha-​73, ary ny apostoly Petera. Ahoana no nampaherezan’i Jehovah an-dry zareo? Inona no azonao ianarana avy amin-dry zareo? Rehefa mandinika an’ireo isika, dia hatoky ianao hoe tena “akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka”, na kivy.​—Sal. 34:18.

NAMPIJALINA SY NIHARAN’NY TSY RARINY I JOSEFA

3-4. Inona no nanjo an’i Josefa tamin’izy tanora?

3 Vao 17 taona teo ho eo i Josefa tamin’izy nahazo nofy roa avy tamin’i Jehovah. Hita tamin’ireo nofy ireo hoe hanana toerana ambony izy indray andro any, dia hohajain’ny fianakaviany. (Gen. 37:5-10) Niova be anefa ny fiainany taoriana kelin’izay. Tsy araka ny tao amin’ilay nofy ny zava-nitranga. Vao mainka aza izy namidin’ny rahalahiny ho andevo! Lasa mpanompon’ny manam-pahefana ejipsianina atao hoe Potifara izy tatỳ aoriana. (Gen. 37:21-28) Vetivety kely dia nitsimbadika ny fiainany. Zanaka tena tian’ny dadany izy, nefa tampoka teo dia lasa andevona manam-pahefana ejipsianina mpanompo sampy.​—Gen. 39:1.

4 Vao mainka ratsy ny nanjo an’i Josefa taorian’izay. Nendrikendrehin’ny vadin’i Potifara hoe nitady hanolana azy mantsy izy. Mbola tanora kely i Josefa tamin’izany. Tsy mba nanadihady akory i Potifara, fa tonga dia nalefany tany am-ponja i Josefa sady nasiana gadra vy. (Gen. 39:14-20; Sal. 105:17, 18) Mba eritrereto ange ny fihetseham-pony e! Eritrereto koa ny mety ho vokatr’izany tamin’ny anaran’i Jehovah. Mety ho nahakivy an’i Josefa àry izany.

5. Inona no nataon’i Josefa mba tsy ho kivy be loatra?

5 Tsy afa-nanoatra i Josefa tamin’izy andevo sy tamin’izy nigadra. Tsy nisy azony natao mantsy mba hanovana ny zavatra niainany. Inona anefa no nataony mba ho faly foana? Tsy nifantoka tamin’ny zavatra tsy azony natao intsony izy, fa niezaka be mba hanao tsara ny asa nampanaovina azy. Ny hampifaly an’i Jehovah koa no tena nifantohany, dia nataon’i Jehovah nahomby izay rehetra nataony.​—Gen. 39:21-23.

6. Nahoana no mety ho nampahery an’i Josefa ny nofiny?

6 Nampahery azy koa angamba ny nisaintsaina ny nofiny. Hitany tamin’ireny hoe mbola hihaona amin’ny fianakaviany indray izy, ary hihatsara ny fiainany. Dia izany mihitsy no nitranga! Nanomboka tanteraka tamin’ny fomba miavaka ilay nofiny, tamin’izy 37 taona teo ho eo.​—Gen. 37:7, 9, 10; 42:6, 9.

7. Inona no hanampy antsika hiaritra, araka ny 1 Petera 5:10?

7 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mampahatsiahy antsika izany hoe mety hampijalina sy hiharan’ny tsy rariny isika eto amin’ity tontolo ity. Na ny mpiara-manompo aza mety handratra ny fontsika. Raha mitadidy anefa isika hoe i Jehovah no Vatolampintsika, izany hoe Fialofana ho antsika, dia tsy ho kivy loatra isika na hijanona tsy hanompo azy intsony. (Sal. 62:6, 7; vakio ny 1 Petera 5:10.) Tadidio koa hoe vao 17 taona i Josefa dia efa nanao zavatra miavaka ho azy i Jehovah. Hita avy amin’izany fa matoky ny tanora manompo azy izy. Be dia be ny tanora manam-pinoana hoatran’i Josefa amin’izao. Misy amin-dry zareo koa iharan’ny tsy rariny. Migadra mantsy ry zareo satria tsy manaiky hivadika amin’i Jehovah.​—Sal. 110:3.

TOTOTRY NY ALAHELO IZY MIANAKA

8. Inona no nitranga tamin’i Naomy sy Rota?

8 Tany Joda i Naomy sy ny fianakaviany no nipetraka. Nisy mosary tena mafy anefa tany, dia nifindra tany Moaba ry zareo. Maty tany i Elimeleka vadin’i Naomy, dia izy sy ny zanany roa lahy sisa no tavela. Nanambady vehivavy moabita izy mirahalahy tatỳ aoriana. Rota sy Orpa no anaran’ny vadin-dry zareo. Maty koa izy roa lahy, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana, nefa tsy nanan-janaka. (Rota 1:1-5) Eritrereto ange ny alahelo nozakain’i Naomy sy Rota ary Orpa e! Eny e, i Rota sy Orpa aloha mbola afaka nanambady e! Fa iza anefa no hikarakara an’i Naomy? Izy mantsy efa antitra. Kivy be izy indray mandeha dia niteny hoe: “Aza miantso ahy hoe Naomy, fa antsoy hoe Mara aho satria tena nampangidy ny fiainako ilay Mahery Indrindra.” Tena vaky ny fon’i Naomy! Nanapa-kevitra hody any Betlehema izy, dia nanaraka azy i Rota.​—Rota 1:7, 18-20.

Nasehon’i Jehovah an’i Naomy sy Rota hoe afaka manampy ny mpanompony izy rehefa kivy sy malahelo ry zareo. Matoky ve ianao hoe afaka manampy anao koa izy? (Fehintsoratra 8-13) *

9. Araka ny Rota 1:16, 17, 22, inona no nataon’i Rota mba hampaherezana an’i Naomy?

9 Inona no nanampy an’i Naomy tsy hamoy fo? Nanehoana fitiavana sy tsy fivadihana izy. Tena tia azy sy tsy nivadika taminy, ohatra, i Rota dia tsy nandao azy mihitsy. (Vakio ny Rota 1:16, 17, 22.) Niasa mafy nitsimpona vary orza ho azy mianaka i Rota, tamin-dry zareo tany Betlehema. Nalaza ho vehivavy tsara sy nazoto niasa izy vokatr’izany.​—Rota 3:11; 4:15.

10. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tia ny mahantra hoatran’i Naomy sy Rota izy?

10 Nanome lalàna iray ho an’ny Israelita i Jehovah mba hampisehoana hoe mangoraka ny olona mahantra hoatran’i Naomy sy Rota izy. Araka io lalàna io, dia tsy tokony hojinjain-dry zareo tanteraka ny sisin’ny sahany. Tokony havela hotsimponin’ny mahantra izany. (Vakio ny Levitikosy 19:9, 10.) Tsy nila nangataka àry izy mianaka, ka tsy nahatsiaro hoe ambany.

11-12. Inona no nataon’i Boaza ka nahafaly an’i Naomy sy Rota?

11 Nitsimpona vary orza tao amin’ny sahan’ny lehilahy iray nanankarena i Rota. Boaza no anarany. Hitan’i Boaza hoe tia an’i Naomy i Rota sady tsy nivadika taminy, dia tena nanohina ny fony izany. Nalainy ho vady àry izy, dia novidiny ny lovan’i Elimeleka mba holovan’ny zanak’i Rota. (Rota 4:9-13) Teraka lahikely izy mivady, dia nataon-dry zareo hoe Obeda ny anarany. Lasa razamben’i Davida Mpanjaka izy io.​—Rota 4:17.

12 Faly erỳ izao i Naomy nitrotro an’i Obeda kely sady nisaotsaotra an’i Jehovah! Mbola misy zavatra tsara lavitra noho izany anefa miandry an’i Naomy sy Rota. Rehefa hatsangana amin’ny maty ry zareo, dia ho fantany hoe hay i Obeda lasa razamben’i Jesosy Kristy, ilay Mesia nampanantenaina.

13. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Naomy sy Rota?

13 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mety ho kivy ianao na ho torotoro fo mihitsy rehefa misy olana. Mieritreritra angamba ianao hoe tsy ho voavaha mihitsy ilay izy. Tokony hatoky tanteraka an’ilay Rainao any an-danitra ianao amin’ireny fotoana ireny, sady tokony hifandray akaiky amin’ny mpiara-manompo. Marina fa mety tsy hesorin’i Jehovah ilay olana. Tsy natsangany tamin’ny maty, ohatra, ny vadin’i Naomy sy ny zanany. Matokia anefa fa hanampy anao izy. Mety handrisika mpiara-manompo izy mba hampiseho fitiavana sy tsy fivadihana aminao.​—Ohab. 17:17.

LEVITA IRAY EFA SAIKA TSY NANOMPO AN’I JEHOVAH INTSONY

Saika tsy nanompo an’i Jehovah intsony ny mpanoratra ny Salamo faha-​73, rehefa nahita hoe hoatran’ny milamina be ny fiainan’ny olona tsy miraharaha an’i Jehovah. Mety hieritreritra hoatr’izany koa isika (Fehintsoratra 14-16)

14. Fa maninona ny Levita iray no kivy be?

14 Levita no nanoratra ny Salamo faha-​73. Nanana tombontsoa miavaka àry izy, satria nanompo tany amin’ny toeram-pivavahana tamin’i Jehovah. Na izany aza, dia nisy fotoana izy kivy. Fa maninona? Satria nanomboka nitsiriritra ny olona ratsy fanahy sy nirehareha izy. Tsy hoe te hanao ratsy koa izy, fa hitany hoe hoatran’ny nilamina be ny fiainan-dry zareo. (Sal. 73:2-9, 11-14) Nanam-bola ry zareo dia hoatran’ny hoe tsy nisy nampahory sy nampiady saina an-dry zareo mihitsy. Nahakivy an’ilay mpanao salamo izany, dia niteny izy hoe: “Very maina mihitsy ny nanadiovako ny foko, sy ny nanasako ny tanako ho porofo fa tsy manan-tsiny aho.” Mety ho tsy nanompo an’i Jehovah intsony izy raha tsy nitandrina.

15. Araka ny Salamo 73:16-19, 22-25, inona no nataon’ilay Levita mba tsy ho kivy intsony?

15 Vakio ny Salamo 73:16-19, 22-25. Niditra tao amin’ny “toerana masin’Andriamanitra” ilay Levita. Niaraka tamin’ny olon-kafa nanompo an’i Jehovah izy tao. Lasa tony izy dia afaka nisaina tsara, ary afaka nivavaka momba an’izay nahazo azy. Tonga saina àry izy hoe tsy nety ny zavatra noeritreretiny. Lasa fantany hoe mampidi-doza ilay izy, satria mety hahatonga azy tsy hinamana amin’i Jehovah intsony. Lasa fantany koa hoe “eo amin’ny toerana malama” ny ratsy fanahy, ary “loza” no hiafarany. Nila nitovy hevitra tamin’i Jehovah ilay Levita, amin’izay izy tsy ho kivy intsony sady tsy hialona ny ratsy fanahy. Rehefa nanao an’izany izy, dia lasa sambatra sy tony indray. Izao no nolazainy: “Tsy misy mahafinaritra ahy eto an-tany, afa-tsy [i Jehovah].”

16. Inona no ianarantsika avy amin’ilay Levita?

16 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hoatran’ny hoe milamina be ny fiainan’ny ratsy fanahy indraindray. Tsy tokony hialona an-dry zareo mihitsy anefa isika. Hoatran’ny hoe sambatra izy, nefa ivelany fotsiny izany sady tsy haharitra. Tsy hiaina mandrakizay koa ry zareo. (Mpito. 8:12, 13) Ho kivy fotsiny isika raha mialona an-dry zareo, sady mety tsy hinamana amin’i Jehovah intsony. Raha sendra manao an’izany àry ianao, dia tahafo ilay Levita. Araho ny torohevitra omen’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ary miaraha amin’ny olona manao ny sitrapony. Raha i Jehovah no tianao indrindra, dia tena ho sambatra ianao. Tsy hiala amin’ilay lalana mankany amin’ny “tena fiainana” koa ianao.​—1 Tim. 6:19.

KIVY TAMIN’NY FAHALEMENY I PETERA

Kivy i Petera nefa nahavita nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah avy eo. Rehefa kivy isika, dia hanampy antsika ny tantarany sady azontsika ampiasaina mba hanampiana ny hafa (Fehintsoratra 17-19)

17. Inona avy no mety ho nahakivy an’i Petera?

17 Nafana fo be ny apostoly Petera. Indraindray anefa izy taitaitra dia mora namoaka ny fihetseham-pony. Vokatr’izany, dia lasa niteny na nanao zavatra nanenenany izy indraindray. Niteny mafy an’i Jesosy, ohatra, izy indray mandeha rehefa nilaza tamin’ny apostoliny i Jesosy hoe hijaly sy ho faty. Izao no nolazainy: “Tsy hanjo anao mihitsy izany.” (Mat. 16:21-23) Nanitsy azy i Jesosy tamin’izay. Tsy nieritreritra tsara koa i Petera rehefa nisy vahoaka tonga hisambotra an’i Jesosy. Tonga dia namely an’ilay mpanompon’ny mpisoronabe izy ka nahatapaka ny sofiny! (Jaona 18:10, 11) Nahitsin’i Jesosy indray izy teo. Tsy izay ihany fa nirehareha erỳ izy hoe tsy hivadika amin’i Jesosy mihitsy, na dia mety hanao an’izany aza ny apostoly hafa. (Mat. 26:33) Natoky tena loatra izy tamin’izay! Ny alin’iny ihany anefa izy dia natahotra, ka nanda an’i Jesosy intelo. Tena kivy izy avy eo, dia nivoaka tany ivelany ka “nitomany tamin’alahelo be.” (Mat. 26:69-75) Tsy maintsy lasa saina izao izy hoe mbola hamela azy ve i Jesosy.

18. Ahoana no nanampian’i Jesosy an’i Petera mba tsy ho kivy loatra?

18 Tsy nanaiky ho kivy loatra anefa i Petera, ka hoe nijanona tsy nanompo an’i Jehovah. Na dia nanao fahadisoana aza izy dia niarina ihany, ary mbola niaraka tamin’ny apostoly foana. (Jaona 21:1-3; Asa. 1:15, 16) Inona no nanampy azy ho tafarina? Tadidiny hoe nivavaka ho azy i Jesosy mba tsy ho levona ny finoany, sady nampirisika azy izy tamin’izay mba hampahery ny rahalahiny raha vao tafarina. Namaly an’io vavak’i Jesosy io i Jehovah. Niseho tamin’i Petera koa i Jesosy tatỳ aoriana. Azo antoka hoe te hampahery azy izy tamin’izay. (Lioka 22:32; 24:33, 34; 1 Kor. 15:5) Navelan’i Jesosy hanaporofo indray i Petera hoe tena tia azy. Avy nanjono nandritra ny alina manontolo ny apostoly tamin’izay nefa tsy nahazo trondro mihitsy, dia niseho tamin-dry zareo i Jesosy. Hita tamin’izay hoe namela ny fahadisoan’ilay namany i Jesosy, ary nanome azy andraikitra fanampiny mihitsy aza.​—Jaona 21:15-17.

19. Araka ny Salamo 103:13, 14, hoatran’ny ahoana no fahitan’i Jehovah antsika rehefa manota isika?

19 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hita amin’ny fomba nitondran’i Jesosy an’i Petera hoe tena mamindra fo izy, hoatran’ny Rainy ihany. Rehefa manao fahadisoana àry isika, dia tsy tokony hieritreritra hoe tsy hamela antsika mihitsy i Jehovah. Izany mantsy no tian’i Satana hoeritreretintsika. Tokony hiezaka mafy kosa isika hitadidy hoe tia antsika i Jehovah ary fantany hoe voafetra ny vitantsika, dia te hamela antsika izy. Tokony hanao hoatr’azy koa isika rehefa misy olona nandratra ny fontsika.​—Vakio ny Salamo 103:13, 14.

20. Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Manome toky antsika ny tantara nodinihina tato hoe “akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah.” (Sal. 34:18) Avelany hiatrika olana sy ho kivy isika indraindray. Manampy antsika hahavita hiaritra an’izany anefa izy, dia lasa mihamatanjaka ny finoantsika. (1 Pet. 1:6, 7) Ahoana anefa no anampian’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika rehefa kivy izy ireo, satria angamba mahatsapa hoe tsy lavorary na misy olana hafa? Izany no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 7 Jehovah, Herinay sy Tanjakay

^ feh. 5 Nisy zavatra niainan’ny mpanompon’i Jehovah, ka nahatonga an-dry zareo ho kivy. Anisan’izany i Josefa, Naomy sy Rota, ny Levita anankiray, ary ny apostoly Petera. Nampionona sy nampahery an-dry zareo i Jehovah, ary izany no ho hitantsika ato. Ho hitantsika koa hoe inona no azontsika ianarana avy amin-dry zareo, sy avy amin’ny fomba nanampian’i Jehovah an-dry zareo.

^ feh. 56 SARY: Nalahelo sy kivy i Naomy sy Rota ary Orpa satria maty ny vadin-dry zareo. Faly i Rota sy Naomy ary Boaza tatỳ aoriana rehefa teraka i Obeda.