Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihaino ny Vavaka Ataonao ve Andriamanitra?

Mihaino ny Vavaka Ataonao ve Andriamanitra?

Mino ve ianao hoe tena mihaino ny vavaka ataonao Andriamanitra?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Tena mihaino izy. Manome toky ny Baiboly hoe: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana. ... Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.”​—Salamo 145:18, 19.

  • Tian’Andriamanitra hivavaka aminy ianao. Hoy ny Baiboly: “Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”​—Filipianina 4:6.

  • Tena tia anao Andriamanitra. Fantatr’Andriamanitra tsara ny zavatra mampiady saina antsika, ka te hanampy antsika izy. Izao no lazain’ny Baiboly: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”​—1 Petera 5:7.