Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa afaka miomana dieny izao ianao mba hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao

Kely Sisa dia ho Paradisa ny Tany!

Kely Sisa dia ho Paradisa ny Tany!

Namorona ny tany Andriamanitra, amin’izay ny tsara fanahy afaka mipetraka eto mandrakizay. (Salamo 37:29) Napetrany tao amin’ilay zaridaina tsara tarehy antsoina hoe Edena i Adama sy Eva, ilay mpivady voalohany. Nasainy namboly sy nikarakara ny tany izy mivady sy ny taranany.​—Genesisy 1:28; 2:15.

Tsy hoatran’ilay Paradisa noeritreretin’Andriamanitra mihitsy ny tany amin’izao! Mbola tsy niova anefa ny fikasan’Andriamanitra. Dia ahoana no hataony mba hamerenana ny tany ho Paradisa indray? Hitantsika tamin’ireo lahatsoratra teo aloha hoe tsy hopotehiny ny tany fa hisy olona tsara fanahy hipetraka eto. Hanao ahoana ny fiainana rehefa tanteraka ny fikasan’Andriamanitra?

Fanjakana iray ihany no hitondra ny tany manontolo

Kely sisa dia hanjaka amin’ny olombelona rehetra ny fitondrana vaovao naorin’Andriamanitra any an-danitra. Hahafinaritra ny fiainana amin’izay satria miray saina daholo ny olona sady hanana asa tsara sy mahafa-po. I Jesosy Kristy no notendren’Andriamanitra hanjaka amin’ny tany manontolo. Betsaka ny mpitondra tsy miraharaha ny vahoaka entiny, amin’izao. Tsy hoatr’izany anefa i Jesosy fa tena mitady izay hahasoa ny vahoakany. Mpanjaka be fitiavana mantsy izy, tsara fanahy, mamindra fo, ary manao ny rariny.​—Isaia 11:4.

Hiray saina ny olona eran-tany

Tsy hifankahala intsony ny olona satria hoe samy hafa firenena na samy hafa foko, fa hiray saina ny olona eran-tany. (Apokalypsy 7:9, 10) Samy ho tia an’Andriamanitra sy ny namany ny olon-drehetra eto an-tany. Hiara-miasa izy ireo ka hikarakara tsara ny tany, araka ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny voalohany.​—Salamo 115:16.

Hilamina tsara ny tontolo iainana

Rehefa hanjaka eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy hikorontana intsony ny toetrandro satria ho voafehin’Andriamanitra tanteraka. (Salamo 24:1, 2) Tamin’i Jesosy nampitony rivo-mahery, dia nasehony hoe inona no vitany rehefa omen’Andriamanitra hery sy fahefana izy. (Marka 4:39, 41) Tsy misy antony hatahorana loza araka ny natiora intsony rehefa izy no hitondra. Hihavana koa ny olombelona sy ny biby rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy hanimba ny tontolo iainana intsony isika.​—Hosea 2:18.

Ho salama tsara ny rehetra ary ho be dia be ny sakafo

Ho salama tsara foana ny olona fa tsy harary na ho antitra na ho faty. (Isaia 35:5, 6) Hadio sy ho tsara tarehy hoatran’ny tao amin’ny zaridainan’i Edena ny tontolo iainana. Hamokatra be ny tany ao amin’ny tontolo vaovao, hoatran’ny tany Edena, ary hanana sakafo be dia be ny olona maneran-tany. (Genesisy 2:9) ‘Hihinana izay [sakafo] laniny’ daholo ny olona ao amin’ny Paradisa, hoatran’ny tamin’ny andron’ny Israelita, vahoakan’Andriamanitra.​—Levitikosy 26:4, 5.

Tena hiadana sy hilamina ny rehetra

Hilamina ny fiainan’ny olona rehetra rehefa hanjaka eran-tany ny fitondran’Andriamanitra. Samy ho tsara fanahy sy hanao ny rariny amin’ny namany avy ny olona. Tsy hisy ny ady sy fanararaotam-pahefana. Hanana an’izay ilainy koa ny olon-drehetra. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.”​—Mika 4:3, 4.

Hanana trano tsara tarehy sy asa mahafinaritra daholo ny olona

Hanana trano ny fianakaviana tsirairay sady tsy hatahotra hoe hesorina ao. Hahafinaritra daholo izay asa atao. Milaza ny Baiboly hoe “tsy ho very maina ny fisasarany.”​—Isaia 65:21-23.

Hahazo ny fampianarana tsara indrindra ny rehetra

Hoy ny Baiboly: “Ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany.” (Isaia 11:9) Hianatra amin’ny fahendrena tsy hita fetra ananan’i Jehovah, ilay Mpamorona azy ireo, ny olona amin’izany, sady hianatra momba an’ireo zavaboary tsara tarehy noforoniny. Tsy hampiasain’izy ireo hanamboarana fitaovam-piadiana na hamelezana olon-kafa ny fahaizany. (Isaia 2:4) Hianaran’izy ireo kosa hoe ahoana no hitandroana fihavanana sy hikarakarana ny tany.​—Salamo 37:11.

Ho velona mandrakizay ny olona rehetra

Efa nomanin’Andriamanitra tsara ny tany mba hahafinaritra antsika foana ny hiaina eto. Tiany hiaina mandrakizay eto an-tany mantsy ny olona. (Salamo 37:29; Isaia 45:18) Mba hanatanterahana an’izany dia “hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.” (Isaia 25:8) Mampanantena ny Baiboly hoe “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) Samy omen’Andriamanitra fahafahana hiaina mandrakizay na ny olona hovonjeny amin’ny fandringanana an’ity tontolo ratsy ity, na ny olona be dia be hatsangany ao amin’ny tontolo vaovao.​—Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

Olona an-tapitrisany izao eran-tany no efa miomana hiaina ao amin’izany tontolo vaovao efa akaiky izany. Tsy lavorary izy ireo nefa miezaka hanana ny toetra ananan’ny olona tian’Andriamanitra hiaina ao. Ahoana no ataon’izy ireo? Mianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ilay nirahiny, izy ireo.​—Jaona 17:3.

Mety ho mbola te hahalala misimisy kokoa ianao hoe ahoana no atao raha tsy te ho faty rehefa tonga ny faran’izao tontolo izao fa hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao. Mianara àry Baiboly maimaim-poana miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.