Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Tari-dalana Azo Antoka Ve?

Misy Tari-dalana Azo Antoka Ve?

Hitantsika tamin’ireo lahatsoratra teo aloha fa miantehitra amin’ny vintana, ny fianarana ambony, ny harena, ary ny fanaovana ny tsara ny olona, mba hananana hoavy sambatra. Hoatran’ny hoe mampiasa sarin-tany diso anefa isika, raha miantehitra amin’ireo zavatra ireo mba hitari-dalana antsika. Midika ve izany hoe tsy misy tari-dalana azo antoka mihitsy? Tsy izany!

IZA NO AFAKA HITARI-DALANA ANTSIKA?

Rehefa hanapa-kevitra isika, dia matetika no manontany ny hevitry ny olona iray ela niainana sy hendry kokoa noho isika. Mahita tari-dalana azo antoka hananana hoavy sambatra isika ao amin’ny Baiboly, ary ela niainana sy hendry lavitra noho isika ilay nanome azy io. Nanomboka nosoratana io boky io 3 500 taona teo ho eo izay.

Fa maninona ianao no afaka matoky ny Baiboly? Satria ilay nampanoratra azy io no ela niainana sy hendry indrindra eo amin’izao rehetra izao. Antsoina hoe “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be” izy, ary efa nisy “hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” (Daniela 7:9; Salamo 90:2) Izy koa no “Mpamorona ny lanitra, Ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamolavola ny tany.” (Isaia 45:18) Milaza izy fa Jehovah no anarany.​—Salamo 83:18.

Tsy manindrahindra kolontsaina na fiaviana ny Baiboly, satria avy amin’ilay namorona ny olombelona rehetra. Tsy lany andro ny torohevitra ao anatiny ary mahasoa ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Izy io koa no boky voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra sy miely indrindra. * Afaka mamaky Baiboly sy mahazo tari-dalana avy ao amin’izy io àry ny olona rehetra, na aiza na aiza misy azy. Izao no voalaza ao:

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”​—ASAN’NY APOSTOLY 10:34, 35.

Manome tari-dalana ho an’ny zanany ny ray aman-dreny be fitiavana. Hoatr’izany koa no ataon’i Jehovah Andriamanitra amintsika. Tia antsika izy dia manampy antsika amin’ny alalan’ny Teniny, izany hoe ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Afaka matoky ny Baiboly ianao, satria i Jehovah no namorona antsika ary fantany tsara izay tena hahasambatra antsika.

Te hahazo an’izany hoavy tsara be izany ve ianao? Diniho ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 6 Misy fanazavana momba ny nandikana ny Baiboly sy ny fielezany ao amin’ny www.pr418.com/mg. Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANTARA & BAIBOLY.

^ feh. 16 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 9 amin’ilay boky hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary azo jerena ao amin’ny www.pr418.com/mg. Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BOKY & BOKIKELY.