Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Soratra eo amin’ny takela-bato: “Ho voaozon’i Iaveh Sabaot anie i Hagaf, zanak’i Hagav”

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Soratra efa taloha be manaporofo hoe marina ny Baiboly

MANANA takela-bato misy soratra ny tranombakoka iray any Jerosalema. Nosoratana teo anelanelan’ny taona 700 sy 600 T.K. tany ho any izy io. Avy amina lava-bato natao fasana tany akaikin’i Hebrona, any Israely, io vato io. Izao no soratra eo amin’ilay izy: “Ho voaozon’i Iaveh Sabaot anie i Hagaf, zanak’i Hagav.” Fa maninona io soratra io no manaporofo hoe marina ny Baiboly? Satria mampiseho izy io fa fantatr’olona tamin’ny andron’ny Baiboly ilay anaran’Andriamanitra hoe Iaveh na Jehovah, ary fampiasan’izy ireo tamin’ny fiainany andavanandro. YHWH no nanoratan-dry zareo azy io tamin’ny litera hebreo taloha. Nisy soratra hafa koa tao amin’ireny lava-bato ireny. Olona nivory na niafina tao no nanoratra azy ireny. Matetika no nosoratan-dry zareo tamin’ny rindrina ny anaran’Andriamanitra sy ny anaran’ny olon-kafa misy ny anaran’Andriamanitra amin’ny endriny samihafa.

Niresaka momba an’ireny soratra ireny ny manam-pahaizana antsoina hoe Rachel Nabulsi. Mpampianatra any amin’ny Oniversiten’i Géorgie izy. Izao no nolazainy: “Miverina imbetsaka ao amin’ireny soratra ireny ilay anarana hoe YHWH. Tena ianarantsika zavatra izany. ... Hita amin’izy ireny fa tena zava-dehibe tamin’ny olona tany Israely sy tany Joda ilay anarana hoe YHWH sy ilay mitondra an’io anarana io.” Manamarina an’izay voalazan’ny Baiboly izany. Miseho inarivony ao mantsy ny anaran’Andriamanitra, izany hoe YHWH amin’ny litera hebreo. Nisy ny anaran’Andriamanitra koa matetika ny anaran’olona voaresaka ao.

Midika hoe “Jehovah Tompon’ny tafika” ilay hoe “Iaveh Sabaot” nisoratra teo amin’ilay takela-bato. Toa midika izany fa tsy ilay anaran’Andriamanitra fotsiny no efa fampiasan’ny olona tamin’ny andron’ny Baiboly, fa ilay hoe “Jehovah Tompon’ny tafika” koa. Tsy mahagaga àry raha miseho imbetsaka ao amin’ny Baiboly ilay hoe “Jehovah Tompon’ny tafika.” Miseho in-260 mahery izy io ao amin’ny Soratra Hebreo, indrindra fa ao amin’ny Isaia sy Jeremia ary Zakaria.