Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 4

Miraiki-po Amin’ny Mpiara-manompo ve Ianao?

Miraiki-po Amin’ny Mpiara-manompo ve Ianao?

“Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy.”​—ROM. 12:10.

HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo

HO HITANAO ATO *

1. Inona no porofo fa tsy tia ny mpianakaviny ny olona amin’izao?

EFA nilaza mialoha ny Baiboly hoe “tsy ho tia ny mpianakaviny” ny olona amin’ny andro farany. (2 Tim. 3:1, 3) Tanteraka amin’izao androntsika izao io faminaniana io. Mpivady an-tapitrisany, ohatra, no misaraka. Lasa mifankahala ry zareo, dia ny ankizy lasa mahatsapa hoe tsy tiana. Na fianakaviana iray trano aza amin’izao lasa hoatran’ny olona tsy mifankahafantatra. Izao no nolazain’ny mpanolo-tsaina iray: “Tsy misy mifampiresaka ny mpianakavy amin’izao, na ny ray, na ny reny, na ny ankizy. Samy variana amin’ny ordinatera, tablette, telefaonina, ary lalao video ry zareo. Iray trano ry zareo nefa zara raha mifankahafantatra.”

2-3. a) Amin’iza isika no tokony hiraiki-po, araka ny Romanina 12:10? b) Inona no hodinihintsika ato?

2 Tsy te hanahaka an’ity tontolo tsy manam-pitiavana ity isika. (Rom. 12:2) Miezaka kosa isika mba hiraiki-po amin’ny fianakaviantsika sy amin’ny mpiara-manompo. (Vakio ny Romanina 12:10.) Fa inona no atao hoe miraiki-po? Ilazana olona tsy mifankafoy toy ny mpianakavy mifankatia be io teny io. Tokony ho tiantsika hoatr’izany ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Manampy ny fiangonana hiray saina foana isika raha mampiseho amin’ny mpiara-manompo hoe miraiki-po amin-dry zareo.​—Mika 2:12.

3 Inona no hanampy antsika hiraiki-po amin’ny mpiara-manompo sy hampiseho an’izany? Handinika ohatra ao amin’ny Baiboly isika mba hamaliana an’izany.

“BE HATSARAM-PANAHY FENO FITIAVANA” I JEHOVAH

4. Inona no toetran’i Jehovah asongadina ao amin’ny Eksodosy 34:6?

4 Resahin’ny Baiboly ny toetra tsaran’i Jehovah. Voalaza ao, ohatra, hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Lasa te ho naman’i Jehovah isika rehefa mahafantatra an’izany. Resahina ao koa anefa hoe “be hatsaram-panahy feno fitiavana” izy. (Vakio ny Eksodosy 34:6.) Hitantsika amin’izany fa tena miraiki-po amintsika i Jehovah, ary manohina ny fontsika izany.

5. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe mamindra fo amintsika izy? Ahoana no hanahafantsika azy?

5 Hita amin’ny Eksodosy 34:6 fa mifandray ilay toetran’i Jehovah hoe be fitiavana sy ilay hoe mamindra fo. (Jak. 5:11) Mahatonga antsika ho tia azy koa izany. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe mamindra fo amintsika izy? Mamela ny fahadisoantsika, ohatra, izy. (Sal. 51:1) Tsy izay fotsiny anefa no atao hoe mamindra fo, ao amin’ny Baiboly. Midika koa izy io hoe mihetsi-po lalina rehefa mahita olona mijaly dia te hanampy azy. Maniry mafy hanampy antsika i Jehovah, ary milaza izy fa mihoatra lavitra noho ny fangorahan’ny reny ny zanany ny fangorahany antsika. (Isaia 49:15) Rehefa mijaly isika, dia ny famindram-pon’i Jehovah no mahatonga azy hanampy antsika. (Sal. 37:39; 1 Kor. 10:13) Ary isika? Mamindra fo amin’ny rahalahy sy anabavy isika, rehefa mamela ny fahadisoan’izy ireo sy tsy mitana lolompo. (Efes. 4:32) Afaka manampy azy ireo koa isika rehefa ao anatin’ny sarotra izy. Anisan’ny fomba lehibe ampisehoana famindram-po izany. I Jehovah no mahay mampiseho fitiavana indrindra. Manahaka azy isika rehefa mamindra fo amin’ny olon-kafa satria tia an-dry zareo.​—Efes. 5:1.

LASA “NIRAIKI-PO BE” TAMIN’I DAVIDA I JONATANA

6. Nanao ahoana ny fifandraisan’i Jonatana sy Davida?

6 Resahin’ny Baiboly hoe nisy olona nifankatia dia lasa mpinamana be na dia tsy lavorary aza. Anisan’izany i Jonatana sy Davida. Izao no resahin’ny Baiboly: “Nanjary niraiki-po be tamin’i Davida i Jonatana, ka tia azy toy ny tenany mihitsy.” (1 Sam. 18:1) Voahosotra ho mpanjaka handimby an’i Saoly i Davida. Lasa tsy tia maizina an’i Davida i Saoly taorian’izay, dia nitady hamono azy. Tsy niray tsikombakomba tamin’ny dadany mihitsy anefa i Jonatana. Nifanome toky izy sy Davida hoe ho mpinamana sy hifanohana foana.​—1 Sam. 20:42.

Tsy nitovy taona i Jonatana sy Davida, nefa tsy nisakana an-dry zareo tsy ho mpinamana be izany (Fehintsoratra 6-9)

7. Inona no mety ho nisakana an’i Jonatana sy Davida tsy ho mpinamana?

7 Tena mahagaga hoe nifankatia be izy mirahalahy, nefa betsaka ny zavatra mety ho nisakana an-dry zareo tsy ho lasa mpinamana. Zokin’i Davida 30 taona teo ho eo, ohatra, i Jonatana. Mety ho afaka nieritreritra izy hoe: ‘Izaho ve dia hinamana amin’olona vao iray ranonorana sady zara raha nahita fiainana?’ Tsy nieritreritra hoatr’izany anefa i Jonatana ary tsy nanambany an’i Davida mihitsy.

8. Araka ny hevitrao, fa maninona i Jonatana no namana tsara ho an’i Davida?

8 Zanak’i Saoly Mpanjaka i Jonatana, ka afaka nanizingizina hoe izy no manan-jo handimby an’i Saoly. (1 Sam. 20:31) Nanana antony hialonana an’i Davida àry i Jonatana. Nanetry tena anefa izy sady tsy nivadika tamin’i Jehovah. Izany no nahatonga azy hanaiky tanteraka ny safidin’i Jehovah hoe i Davida no ho mpanjaka manaraka. Tsy nivadika tamin’i Davida koa izy na dia nampahatezitra be an’i Saoly aza izany.​—1 Sam. 20:32-34.

9. Nihevitra an’i Davida ho fahavalo ve i Jonatana? Hazavao.

9 Tsy nihevitra an’i Davida ho fahavalo i Jonatana satria niraiki-po taminy. Tena nahery fo i Jonatana sady zatra ady ary nahay nandefa zana-tsipìka. Nalaza ho “haingam-pandeha noho ny voromahery” sady “mahery noho ny liona” izy sy ny dadany. (2 Sam. 1:22, 23) Afaka nirehareha àry i Jonatana hoe nahavita zavatra niavaka. Tsy nifaninana tamin’i Davida mihitsy anefa izy sady tsy nialona azy. Tena niaiky kosa izy hoe be herim-po i Davida sady niantehitra tamin’i Jehovah. Lasa tia be an’i Davida, ohatra, izy rehefa avy namono an’i Goliata i Davida. Ahoana no hampisehoantsika hoe tena miraiki-po amin’ny rahalahy sy anabavy koa isika?

ASEHOY HOE MIRAIKI-PO AMIN’NY MPIARA-MANOMPO IANAO

10. Inona no dikan’ny hoe ‘mifankatia fatratra amin’ny fo’?

10 Milaza ny Baiboly hoe tokony ‘hifankatia fatratra amin’ny fo’ isika. (1 Pet. 1:22) Modely ho antsika i Jehovah. Tena lalina ny fitiavany antsika, ka tsy misy afaka manova an’izany raha mbola tsy mivadika aminy isika. (Rom. 8:38, 39) Manana heviny hoe manitatra na manenjana ilay teny grika nadika hoe “fatratra.” Mila ezaka ny manao an’izany. Indraindray koa isika mila miezaka vao mahavita miraiki-po amin’ny mpiara-manompo. Rehefa manao zavatra mampahatezitra antsika ry zareo, dia mila miezaka foana isika mba “hifampizaka amim-pitiavana, sy hiezaka mafy hitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.” (Efes. 4:1-3) Tsy hifantoka amin’ny fahadisoan’ny rahalahy sy anabavy isika, raha miezaka mafy mba hitandro fihavanana. Hanao izay rehetra azo atao kosa isika mba hitovy amin’ny fahitan’i Jehovah an-dry zareo ny fahitantsika azy.​—1 Sam. 16:7; Sal. 130:3.

Nampirisihin’i Paoly mba hiray saina i Eodia sy Syntyke. Mety tsy ho mora amintsika koa ny hifanaraka amin’ny mpiara-manompo indraindray (Fehintsoratra 11)

11. Nahoana no sarotra ny miraiki-po amin’ny mpiara-manompo indraindray?

11 Sarotra indraindray ny mampiseho fitiavana amin’ny mpiara-manompo, indrindra rehefa fantatsika ny fahadisoan-dry zareo. Izany angamba ny olana nanjo ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. Hoatr’izany i Eodia sy Syntyke. Azo inoana fa tsy sarotra tamin-dry zareo ny niara-niasa tamin’i Paoly “teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara.” Tsy hay anefa izay antony fa lasa tsy nifanaraka izy mirahavavy. Nampirisika an-dry zareo àry i Paoly mba “hiray saina ao amin’ny Tompo.”​—Fil. 4:2, 3.

Afaka ny ho mpinamana be ny anti-panahy na dia tsy mitovy taona aza (Fehintsoratra 12)

12. Inona no azonao atao mba hahatonga anao hiraiki-po amin’ny mpiara-manompo?

12 Inona àry no azontsika atao? Mila miezaka hahafantatra kokoa ny mpiara-manompo isika. Mety ho mora kokoa amintsika amin’izay ny hahazo ny fihetseham-pony sy hiraiki-po aminy. Afaka ny ho mpinamana isika na dia tsy mitovy taona sy kolontsaina aza. Tadidio fa zokin’i Davida 30 taona teo ho eo i Jonatana, nefa izy ninamana be taminy. Maninona raha miezaka minamana amin’ny olona zokinao na zandrinao ao amin’ny fiangonana? Rehefa manao an’izany ianao, dia mampiseho hoe ‘tia ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.’​—1 Pet. 2:17.

Fehintsoratra 12 *

13. Inona no mety hahatonga antsika ho akaiky kokoa ny olona sasany?

13 Ny hoe miraiki-po amin’ny mpiara-manompo ve midika hoe namantsika be daholo ny olona ao amin’ny fiangonana? Tsy hahavita an’izany isika. Ara-dalàna raha akaikin’ny fontsika kokoa ny olona sasany, satria mitovy ny zavatra tiantsika. Nilaza i Jesosy hoe ‘namany’ daholo ny apostoly, nefa i Jaona no tena akaikin’ny fony. (Jaona 13:23; 15:15; 20:2) Tsy niangaran’i Jesosy anefa i Jaona. Indray mandeha, ohatra, i Jaona sy Jakoba rahalahiny nangataka tamin’i Jesosy mba homena toerana ambony ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izao no navalin’i Jesosy an-dry zareo: “Ny hipetraka eo ankavanako na eo ankaviako, dia tsy anjarako ny manome izany.” (Mar. 10:35-40) Manahaka an’i Jesosy isika ka tsy tokony hiangarantsika ny namantsika akaiky. (Jak. 2:3, 4) Mety hahatonga ny fiangonana hisara-bazana mantsy izany. Tsy tokony hisy an’izany mihitsy anefa ao amin’ny fiangonana.​—Joda 17-19.

14. Araka ny Filipianina 2:3, inona no hanampy antsika tsy hifaninana?

14 Manampy ny fiangonana mba tsy hifaninana isika, rehefa miezaka hiraiki-po amin’ny mpiara-manompo. Tadidio hoe tsy nifaninana tamin’i Davida i Jonatana, ka tsy niezaka haka ny toerany sy ho lasa mpanjaka. Afaka manahaka an’i Jonatana isika rehetra. Aza raisina hoe mifaninana aminao ny mpiara-manompo raha mahay kokoa noho ianao. Miezaha kosa ‘hanetry tena ka hihevitra ny hafa ho ambony noho ianao.’ (Vakio ny Filipianina 2:3.) Tadidio fa samy afaka mitondra ny anjara birikiny mba hanampiana ny fiangonana ny rehetra. Raha manetry tena isika, dia hiaiky hoe manana toetra tsara ny hafa ary hanahaka azy.​—1 Kor. 12:21-25.

15. Inona no ianaranao avy amin’izay nanjo an’i Tanya sy ny fianakaviany?

15 Ahoana no ampaherezan’i Jehovah antsika rehefa miatrika olana tsy ampoizina isika? Mampiasa ny mpiara-manompo izy mba hanehoana fitiavana amintsika sy hanampiana antsika. Izany no nitranga tamin’ny fianakaviana iray, tamin-dry zareo nanatrika an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana!” tamin’ny 2019. Tany Etazonia ry zareo no nanatrika. Tanya no anaran’ilay anabavy ary manan-janaka telo mianadahy izy. Nisy zava-nitranga ny asabotsy taorian’ny fivoriambe. Izao no nolazain’i Tanya: “Handeha hody any amin’ny hotely izahay tamin’izay. Nisosososo avy any anefa ny aotomobilina anankiray, dia tonga dia nanitsy tany amin’ny aotomobilinay. Tsy nisy naratra aloha izahay e! Fa taitra be izahay dia nivoaka ny aotomobilina, ary nijoro teo amin’ny arabe teo. Nisy olona nikopakopaka anay terỳ ampita, dia niteny taminay mba hankeny amin’ny aotomobiliny. Hay ranadahy avy nanatrika fivoriambe koa izy! Tsy izy irery anefa no nijanona fa nisy mpiara-manompo dimy avy any Soeda koa. Nofihinin-dry zareo mafy izahay. Tena izay mihitsy no nilainay tamin’iny! Nanome toky an-dry zareo aho hoe tsy maninona izahay, nefa tsy nety niala teo ry zareo. Nijanona niaraka taminay ry zareo na dia efa tonga aza ny dokotera. Nokarakarain-dry zareo daholo koa izay nilainay. Tsapanay tao anatin’iny fotoan-tsarotra iny hoe tena tia anay i Jehovah. Vao mainka lasa tianay ny mpiara-manompo. Nitombo koa ny fitiavanay an’i Jehovah, dia vao mainka izahay lasa mankasitraka azy.” Ary ianao? Tadidinao ve hoe oviana ianao no nila fanampiana, dia nampiseho fitiavana taminao ny mpiara-manompo?

16. Fa maninona isika no tokony hampiseho hoe miraiki-po amin’ny mpiara-manompo?

16 Inona no vokany rehefa mampiseho amin’ny mpiara-manompo isika hoe miraiki-po aminy? Mampahery azy izany rehefa ao anatin’ny sarotra izy. Manampy ny vahoakan’i Jehovah mba hiray saina koa isika. Tsy izay ihany fa miharihary hoe mpianatr’i Jesosy isika, ary lasa te hanompo an’i Jehovah ny olona tso-po rehefa mahita an’izany. Rehefa manao an’izany koa isika, dia manome voninahitra an’i Jehovah, ilay “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, ary izany no tena zava-dehibe. (2 Kor. 1:3) Andao àry isika rehetra hiezaka hampitombo ny fitiavantsika ny mpiara-manompo ary hampiseho an’izany foana.

HIRA 130 Andao Hifamela

^ feh. 5 Nilaza i Jesosy hoe ny fifankatiavana no hamantarana ny mpianany. Miezaka hanam-pitiavana àry isika rehetra. Inona anefa no hanampy antsika ho tia kokoa ny mpiara-manompo? Mila miezaka hiraiki-po amin-dry zareo isika, izany hoe ho tia be an-dry zareo hoatran’ny itiavantsika ny fianakaviantsika akaiky. Hanampy antsika ity lahatsoratra ity mba ho tia kokoa ny mpiara-manompo sy hiraiki-po amin’izy ireo foana.

^ feh. 55 SARY: Anti-panahy tanora mandray soa avy amin’ny traikefan’ny anti-panahy be taona. Asain’ilay anti-panahy be taona sy ny vadiny ho any an-tranony izy mivady. Samy mampiseho fitiavana izy rehetra ary hita hoe malala-tanana.