LAHATSORATRA FIANARANA 7

Ny Fahefana Napetrak’i Jehovah ao Amin’ny Fiangonana

Ny Fahefana Napetrak’i Jehovah ao Amin’ny Fiangonana

‘I Kristy no lohan’ny fiangonana, noho izy mpamonjy an’io vatana io.’​—EFES. 5:23.

HIRA 137 Vehivavy Manam-pinoana sy Tsy Mivadika

HO HITANAO ATO *

1. Inona no antony iray mahatonga ny fianakavian’i Jehovah hiray saina?

FALY isika hoe anisan’ny fianakavian’i Jehovah. Tena mihavana sy miray saina io fianakaviana io. Fa maninona? Satria miezaka be isika rehetra mba hanaja ny fahefana napetrak’i Jehovah. Vao mainka anefa isika hiray saina rehefa azontsika kokoa hoe hoatran’ny ahoana ny fahefana napetrany.

2. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Hiresaka momba ny fahefana nomen’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana isika ato. Ireto no fanontaniana hovaliantsika amin’izany: Inona no anjara asan’ny anabavy? Manana fahefana amin’ny anabavy rehetra ve ny rahalahy rehetra? Mitovy amin’ny fahefana ananan’ny loham-pianakaviana amin’ny vady aman-janany ve ny fahefana ananan’ny anti-panahy amin’ny rahalahy sy anabavy? Fa andao aloha hojerentsika hoe ahoana no tokony hiheverantsika ny anabavy.

AHOANA NO TOKONY HIHEVERANTSIKA NY ANABAVY?

3. Inona no hanampy antsika hankasitraka kokoa an’izay ataon’ny anabavy?

3 Tena sarobidy amintsika ny anabavy. Miasa mafy ry zareo mba hikarakarana ny fianakaviany sy hitoriana ny vaovao tsara ary hanohanana ny fiangonana. Inona àry no hanampy antsika hankasitraka kokoa ny anabavy? Mila mandinika ny fomba fahitan’i Jehovah sy Jesosy azy ireny isika. Hodinihintsika koa hoe ahoana no fomba nitondran’ny apostoly Paoly ny vehivavy. Ho afaka hanahaka azy isika amin’izay.

4. Inona no mampiseho fa samy sarobidy amin’i Jehovah na ny lehilahy na ny vehivavy?

4 Hita ao amin’ny Baiboly fa sarobidy amin’i Jehovah daholo na ny lehilahy na ny vehivavy. Nisy lehilahy sy vehivavy nomen’i Jehovah fanahy masina, ohatra, tamin’ny taonjato voalohany. Lasa niteny tamin’ny fiteny isan-karazany ry zareo, ary nahavita fahagagana hafa. (Asa. 2:1-4, 15-18) Lehilahy sy vehivavy koa no nohosoran’i Jehovah fanahy masina, ka ho afaka hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Gal. 3:26-29) Tsy izay ihany fa samy afaka manantena hiaina mandrakizay eto an-tany na ny lehilahy na ny vehivavy, ary samy irahina hitory ny vaovao tsara sy hampianatra. (Mat. 28:19, 20; Apok. 7:9, 10, 13-15) Miresaka momba ny anabavy antsoina hoe Prisila, ohatra, ny apostoly Paoly. Akoila no anaran’ny vadiny. Nohazavain’izy mivady marina kokoa tamin’i Apolosy ny fahamarinana, na dia efa betsaka aza ny zavatra fantany momba an’izany.​—Asa. 18:24-26.

5. Ahoana no fahitan’i Jesosy ny vehivavy, araka ny Lioka 10:38, 39, 42?

5 Nanome voninahitra sy nanaja ny vehivavy i Jesosy. Tsy nanao hoatran’ny Fariseo izy. Ry zareo mantsy nanambany vehivavy. Tsy hiresaka amin’ny vehivavy mihitsy ny Fariseo raha eny imason’olona, mainka moa hoe hiresaka ny Soratra Masina amin’izy ireny! I Jesosy kosa niresaka fahamarinana tena lalina, na dia tamin’ny vehivavy aza. * (Vakio ny Lioka 10:38, 39, 42.) Nisy vehivavy navelany hiaraka taminy rehefa nitory tany amin’ny tanàna samihafa izy. (Lioka 8:1-3) Vehivavy koa no nomen’i Jesosy tombontsoa hilaza tamin’ny apostoly hoe natsangana tamin’ny maty izy.—Jaona 20:16-18.

6. Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly hoe nanaja ny vehivavy izy?

6 Nasehon’ny apostoly Paoly hoe nanaja ny vehivavy izy. Nampahatsiahy an’i Timoty, ohatra, izy hoe ilaina ny manome voninahitra ny vehivavy. Nilaza taminy izy mba hataony ‘toy ny reny ny vehivavy zokiolona’ ary ‘toy ny anabavy ny vehivavy tanora.’ (1 Tim. 5:1, 2) Marina fa niezaka be i Paoly nanampy an’i Timoty mba ho lasa Kristianina matotra. Niaiky anefa izy hoe ny maman’i Timoty sy ny bebeny no nampianatra azy voalohany “ny Soratra Masina.” (2 Tim. 1:5; 3:14, 15) Nanonona anarana anabavy koa i Paoly tamin’izy nanoratra ny taratasiny ho an’ny Romanina, sady nirary soa ho azy ireo. Tsy hoe nahita ny asa nataon’ireny anabavy ireny fotsiny izy fa nisaotra an-dry zareo koa.​—Rom. 16:1-4, 6, 12; Fil. 4:3.

7. Inona indray izao no fanontaniana hodinihintsika?

7 Hitantsika tamin’ny fehintsoratra teo aloha fa tsy milaza ny Soratra Masina hoe ambany noho ny rahalahy ny anabavy. Tena manampy ny fiangonana aza ireny anabavy be fitiavana sy malala-tanana ireny. Miantehitra amin’ny anabavy koa ny anti-panahy mba hanampy ny fiangonana hihavana sy hiray saina. Misy fanontaniana tsara hovaliantsika ihany anefa ireto: Fa maninona ny anabavy no asain’i Jehovah misaron-doha amin’ny fotoana sasany? Manana fahefana amin’ny anabavy rehetra ve ny rahalahy rehetra? Ny rahalahy ihany mantsy no tendren’i Jehovah ho anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana.

MANANA FAHEFANA AMIN’NY ANABAVY REHETRA VE NY RAHALAHY REHETRA?

8. Araka Efesianina 5:23, manana fahefana amin’ny anabavy rehetra ve ny rahalahy rehetra? Hazavao.

8 Raha tsorina, dia tsia ny valiny! I Kristy no lohan’ny anabavy rehetra ao amin’ny fiangonana, fa tsy ny rahalahy. (Vakio ny Efesianina 5:23.) Manana fahefana amin’ny vadiny kosa ny lehilahy manambady. Tsy manana fahefana amin’ny mamany anefa ny zanaka lahy na dia vita batisa aza. (Efes. 6:1, 2) Voafetra koa ny fahefan’ny anti-panahy amin’ny rahalahy sy anabavy. (1 Tes. 5:12; Heb. 13:17) Ary ahoana ny anabavy tsy manambady sady tsy miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny intsony? Mbola manaja ny ray aman-dreniny izy, nefa tsy eo ambany fahefan’ny dadany intsony. Manaja ny anti-panahy koa izy. Hoatran’ny rahalahy rehetra ao amin’ny fiangonana anefa, dia i Jesosy ihany no lohany.

Ny mpitovo: Eo ambany fahefan’i Jesosy izy rehefa tsy miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny intsony (Fehintsoratra 8)

9. Fa maninona ny anabavy no mila manao saron-doha indraindray?

9 Ny rahalahy no notendren’i Jehovah hitarika amin’ny fanompoana azy sy ny fampianarana eo anivon’ny fiangonana, ary tsy nomeny an’izany fahefana izany ny anabavy. (1 Tim. 2:12) Fa maninona? Mba hahatonga ny fiangonana hilamina. Izany koa no nahatonga azy hanendry an’i Jesosy ho lohan’ny lehilahy rehetra. Raha tsy maintsy manao ny andraikitra tokony hataon’ny rahalahy anefa ny anabavy iray, dia asain’i Jehovah manao saron-doha izy. * (1 Kor. 11:4-7) Te hanambany ny anabavy ve i Jehovah matoa mitaky an’izany? Tsy izany mihitsy! Mitaky an’izany kosa izy satria tiany hampiseho ry zareo hoe manaja ny fahefana napetrany. Andao indray isika izao hamaly an’ilay fanontaniana hoe: Hoatran’ny ahoana ny fahefan’ny loham-pianakaviana sy ny anti-panahy?

INONA NO ANDRAIKITRY NY LOHAM-PIANAKAVIANA SY NY ANTI-PANAHY?

10. Inona no mety hahatonga ny anti-panahy hametraka fitsipika ho an’ny fiangonana?

10 Tia an’i Kristy ny anti-panahy sady tia ny ‘ondry’ nankinin’i Jehovah sy Jesosy tamin-dry zareo. (Jaona 21:15-17) Mety hieritreritra àry ny anti-panahy sasany hoe hoatran’ny dada ho an’ny olona ao amin’ny fiangonana izy, dia mahazo mametraka fitsipika ho an’ny ondrin’Andriamanitra. Manana zo hanao fitsipika hiarovana ny ankohonany mantsy ny loham-pianakaviana. Ny rahalahy sy anabavy sasany mihitsy koa no hoatran’ny hoe mampirisika ny anti-panahy hanao an’izany, satria mangataka an-dry zareo mba hanapa-kevitra eo amin’ny toerany. Mitovy ve anefa ny fahefan’ny anti-panahy sy ny fahefan’ny loham-pianakaviana?

Ny anti-panahy: Manampy ny fiangonana hifandray tsara amin’i Jehovah ny anti-panahy sady mampahery an-dry zareo. Nomen’i Jehovah andraikitra hiaro ny fiangonana mba hadio foana koa ry zareo (Fehintsoratra 11-12)

11. Inona no mampitovy ny andraikitry ny loham-pianakaviana sy ny an’ny anti-panahy?

11 Hita amin’ny tenin’ny apostoly Paoly fa misy itovizany ihany ny andraikitry ny loham-pianakaviana sy ny an’ny anti-panahy. (1 Tim. 3:4, 5) Tian’i Jehovah hankatò ny loham-pianakaviana, ohatra, ny vady aman-janany. (Kol. 3:20) Tian’i Jehovah hankatò ny anti-panahy koa ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Na ny anti-panahy na ny loham-pianakaviana, dia samy asain’i Jehovah manampy ny olona iandraiketany mba hifandray tsara aminy. Samy mampahery ny olona iandraiketany koa ry zareo. Manao hoatran’ny loham-pianakaviana koa ny anti-panahy, ka manampy an’izay rahalahy sy anabavy manana olana. (Jak. 2:15-17) Samy tian’i Jehovah hanampy ny olon-kafa hankatò ny lalàny koa ry zareo, ary mampitandrina an-dry zareo izy mba tsy ‘hihoatra an’izay voasoratra’ ao amin’ny Baiboly.​—1 Kor. 4:6.

Ny loham-pianakaviana: Nomen’i Jehovah fahefana hanapa-kevitra ho an’ny ankohonany izy. Raha be fitiavana izy, dia hanontany ny hevitry ny vadiny aloha vao manapa-kevitra (Fehintsoratra 13)

12-13. Inona no maha samy hafa ny andraikitry ny loham-pianakaviana sy ny anti-panahy, raha jerena ny Romanina 7:2?

12 Misy tena maha samy hafa ny andraikitry ny anti-panahy sy ny loham-pianakaviana koa anefa. Ny anti-panahy, ohatra, no notendren’i Jehovah ho mpitsara fa tsy ny loham-pianakaviana. Nomeny andraikitra handroaka ny mpanota tsy mibebaka koa ry zareo.​—1 Kor. 5:11-13.

13 Misy fahefana sasany kosa nomen’i Jehovah ny loham-pianakaviana, fa tsy nomeny ny anti-panahy. Ny loham-pianakaviana izao no nomeny fahefana hametraka fitsipika ho an’ny ankohonany sy hanitsy azy ireo raha tsy manaraka an’izany izy ireo. (Vakio ny Romanina 7:2.) Manan-jo hanapa-kevitra, ohatra, ny loham-pianakaviana hoe amin’ny firy ny zanany no tokony hody amin’ny hariva. Manana fahefana hanasazy ny zanany koa izy raha tsy mankatò ry zareo. (Efes. 6:1) Mazava ho azy fa hanontany ny vadiny aloha ny lehilahy be fitiavana vao hametraka fitsipika ho an’ny fianakaviany. “Nofo iray ihany” mantsy ry zareo. *​—Mat. 19:6.

HAJAO I KRISTY SATRIA IZY NO LOHAN’NY FIANGONANA

Jesosy: Eo ambany fahefan’i Jehovah izy, ary manome tari-dalana ny fiangonana (Fehintsoratra 14)

14. a) Fa maninona no mety tsara hoe i Jesosy no notendrena ho lohan’ny fiangonana, araka ny Marka 10:45? b) Inona no andraikitry ny Filan-kevi-pitantanana? (Jereo ilay hoe “ Ny Andraikitry ny Filan-kevi-pitantanana.”)

14 Rehefa nanome ny vidim-panavotana i Jehovah, dia nividy ny ain’ny olona tsirairay ao amin’ny fiangonana sy ny ain’izay rehetra mety mbola hino an’i Jesosy. (Vakio ny Marka 10:45; Asa. 20:28; 1 Kor. 15:21, 22) Rariny àry raha notendreny ho lohan’ny fiangonana i Jesosy, satria nanome ny ainy hanavotana antsika. Noho izany, dia manana fahefana hametraka fitsipika izy mba harahin’ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny fiangonana manontolo. (Gal. 6:2) Afaka manitsy antsika koa izy raha tsy manaraka an’ireny fitsipika ireny isika. Tsy hoe mametraka fitsipika fotsiny anefa i Jesosy. Tia sy mikarakara antsika tsirairay koa izy.​—Efes. 5:29.

15-16. Inona no ianaranao avy amin’izay nolazain’i Marley sy Benjamin?

15 Manaja an’i Kristy ny anabavy rehefa manaraka ny tari-dalan’ireo lehilahy notendreny hikarakara an-dry zareo. Izao, ohatra, no nolazain’i Marley, anabavy any Etazonia: “Sarobidy amiko ny andraikitro ao an-trano sy ny anjara asako ao amin’ny fiangonana. Mila miezaka be foana aloha aho mba hanaja ny fahefana napetrak’i Jehovah e! Mora kokoa amiko anefa ny manao an’izany, satria manaja ahy ny vadiko sy ny ranadahy ao amin’ny fiangonana sady mankasitraka an’izay ataoko.” Be dia be ny anabavy miombon-kevitra amin’i Marley.

16 Ahoana no ampisehoan’ny rahalahy hoe azony tsara ny fahefana napetrak’i Jehovah? Manao an’izany ry zareo rehefa manaja ny anabavy. Izao no nolazain’i Benjamin, rahalahy any Angletera: “Be dia be mihitsy ny zavatra nianarako avy tamin’ny valin-tenin’ny anabavy. Natoron-dry zareo ahy koa hoe ahoana no hatao rehefa mianatra samirery ary ahoana no hahitana vokatra rehefa manompo. Hitako hoe tena ilaina ny asa ataon-dry zareo.”

17. Nahoana isika no tokony hanaja ny fahefana napetrak’i Jehovah?

17 Tokony hahazo tsara ny fahefana napetrak’i Jehovah ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana, na ny lehilahy na ny vehivavy na ny loham-pianakaviana na ny anti-panahy. Hifandray tsara ny fiangonana amin’izay. Hanome voninahitra an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra koa izany, ary izany no zava-dehibe indrindra.—Sal. 150:6.

HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

^ feh. 5 Inona no anjara asan’ny vehivavy eo anivon’ny fiangonana? Manana fahefana amin’ny anabavy rehetra ve ny rahalahy rehetra? Mitovy ve ny fahefana ananan’ny loham-pianakaviana sy ny anti-panahy? Handinika an’izay resahin’ny Baiboly momba an’ireo isika ato.

^ feh. 5 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ampaherezo ny Anabavy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Septambra 2020, fehintsoratra 6.

^ feh. 13 Iza no manapa-kevitra hoe aiza ny fiangonana tokony hisy ny fianakaviana iray? Mamaly an’izany Ny Tilikambo Fiambenana Aogositra 2020, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Hajao ny Olona Rehetra ao Amin’ny Fiangonana”, fehintsoratra 17-19.

^ feh. 59 Raha mila tsipiriany bebe kokoa ianao, dia jereo ilay boky hoe “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, pejy 209-212.

^ feh. 64 Raha mila tsipiriany betsaka kokoa momba ny andraikitry ny Filan-kevi-pitantanana ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2013, pejy 20-25.