Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsiky Iray Fotsiny no Nahatonga An’izany!

Tsiky Iray Fotsiny no Nahatonga An’izany!

NISY ankizivavy roa nandalo tamina toerana be fivarotana tany Baguio, any Philippines. Nahita fampirantiana ry zareo fa tsy nanatona an’ilay izy. Nitsikitsiky be tamin-dry zareo i Helen, ilay anabavy teo amin’ny fampirantiana. Nanohy ny diany ihany izy roa vavy, nefa nahafinaritra be an-dry zareo ny tsikitsikin’i Helen.

Nandeha bisy izy roa vavy rehefa nody, dia nahita soratra ngezabe hoe jw.org teo amin’ny Efitrano Fanjakana iray. Tadidin-dry zareo hoe nisy an’io soratra io koa teo amin’ilay fampirantiana. Niala ny bisy àry ry zareo, dia nankeo amin’ilay Efitrano Fanjakana. Nojeren-dry zareo teo amin’ny vavahady hoe amin’ny firy ao no misy fivoriana.

Tonga dia nanatrika ny fivoriana manaraka izy roa vavy. Vao niditra ny Efitrano Fanjakana ry zareo, dia iza no hitany? I Helen! Tonga dia tadidin-dry zareo hoe io ilay vehivavy nitsikitsiky be tarỳ! Izao no nolazain’i Helen: “Natahotahotra kely aho rehefa nanatona ahy izy roa vavy. Nieritreritra aho hoe sao dia mba nisy zavatra tsy nety nataoko àry!” Nohazavain-dry zareo tamin’i Helen anefa hoe inona no nitranga.

Faly be mihitsy izy roa vavy namonjy fivoriana sy niaraka tamin’ny mpiara-manompo. Tonga dia tamana ry zareo! Nahita ny mpiara-manompo nanadio ry zareo rehefa nirava, dia nanontany raha afaka manampy. Efa tsy any Philippines intsony izao ny iray amin’izy roa vavy. Ny iray kosa mbola any ary efa mivory sy mianatra Baiboly. Tsiky iray fotsiny no nahatonga an’izany!