Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana no tokony hitandrina ny Kristianina rehefa mampiasa programa fandefasana hafatra?

Misy Kristianina mampiasa programa fandefasana hafatra mba hifandraisana amin’ny fianakaviany na amin’ny mpiara-manompo. Mitadidy an’izao torohevitra izao anefa ny Kristianina matotra: “Mahatsinjo ny loza ny malina ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.”​—Ohab. 27:12.

Fantatsika hoe te hiaro antsika i Jehovah. Izany no mahatonga antsika tsy hifandray amin’ny olona mampisara-bazana na voaroaka na mampianatra zavatra diso. (Rom. 16:17; 1 Kor. 5:11; 2 Jaona 10, 11) Mety tsy hankatò an’izay lazain’ny Baiboly ny mpiara-manompo sasany na ny olona sasany mifandray amin’ny fiangonana. (2 Tim. 2:20, 21) Mila mitadidy an’izany isika rehefa mifidy olona hatao namana. Mety ho sarotra anefa ny hifidy namana tsara raha programa fandefasana hafatra no ampiasaintsika.

Raha mieritreritra hiditra amina groupe de discussion, na hafatra itambarana, feno olona be dia be isika, dia tokony hieritreritra tsara hoe olona hoatran’ny ahoana no hifandraisantsika ao. Nisy Kristianina niditra tamin’ireny hafatra itambarana feno olona be dia be ireny, dia nisy vokany ratsy izany. Ahoana tokoa moa no hahafahan’ny rahalahy na anabavy iray hitandrina tsara, raha an-jatony na an’arivony ny olona ao amin’ilay hafatra itambarana? Tsy ho fantatsika hoe iza daholo no ao, iza marina ry zareo, ary manao ahoana ny ara-panahin’izy rehetra. Izao no lazain’ny Salamo 26:4: “Tsy miara-mipetraka amin’ny olona tsy marina aho, ary tsy mifanerasera amin’ireo manafina ny tena maha izy azy.” Tsy hitanao amin’izany ve hoe aleo mifandray amin’ny olona fantatrao tsara?

Na dia vitsivitsy aza anefa ny olona mandray anjara amin’ilay hafatra itambarana, dia mbola mandinika foana ny Kristianina hoe hoatran’ny ahoana ny fotoana laniny ao sy ny resaka atao ao. Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy maintsy mamaly foana na inona na inona resahina ao, ary na hafiriana na hafiriana ny faharetan’ilay resaka. Nampitandrina an’i Timoty i Paoly hoe hisy olona “mpifosafosa sy mitsabaka amin’ny fiainan’ny olona.” (1 Tim. 5:13) Mety hitranga koa izany amin’izao rehefa mampiasa programa fandefasana hafatra.

Tsy misy Kristianina matotra handeha hanakiana mpiara-manompo, na hamoaka tsiambaratelo momba azy ireny. Tsy hihaino resaka hoatr’izany koa izy. (Sal. 15:3; Ohab. 20:19) Tsy hihaino na hanaparitaka vaovao tsy voamarina na resaka nitarina be koa izy. (Efes. 4:25) Efa mahazo sakafo ara-panahy ampy tsara sy tatitra azo antoka isika ao amin’ny tranonkalantsika jw.org, sy amin’ny fandaharana isam-bolana ao amin’ny Tele JW.

Mampiasa an’ireny programa fandefasana hafatra ireny koa ny Vavolombelon’i Jehovah sasany, mba hivarotana na hividianana entana na hanaovana dokam-barotra na handefasana tolotr’asa. Resaka asa sy varotra anefa ireo fa tsy misy ifandraisany amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy manararaotra ny mpiara-manompo mba hahazoana vola mihitsy ny Kristianina tsy te ho tia vola.​—Heb. 13:5.

Ary mety ve ny mampiasa programa fandefasana hafatra mba hangatahana vola ho an’ny mpiara-manompo sahirana na tra-boina? Marina hoe tia sy miahy ny mpiara-manompo isika, dia matetika isika no manampy sy mampahery azy ireo. (Jak. 2:15, 16) Efa misy fandaharana tsara kokoa alamin’ny biraon’ny sampana na ny fiangonana anefa mba hanampiana an-dry zareo. Mety hanelingelina an’izany fandaharana izany isika, raha mandamina fanampiana amin’ny alalan’ny hafatra itambarana feno olona be dia be. (1 Tim. 5:3, 4, 9, 10, 16) Tsy tiantsika koa raha misy olona mieritreritra hoe nahazo fanendrena manokana isika mba hikarakara ny ondrin’i Jehovah.

Izay hanomezana voninahitra an’Andriamanitra no tiantsika hatao. (1 Kor. 10:31) Eritrereto daholo àry hoe inona no mety hampidi-doza rehefa mampiasa programa fandefasana hafatra na teknolojia hafa, dia mitandrema tsara!