LAHATSORATRA FIANARANA 22

Ahoana no Hanampiana ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa?

Ahoana no Hanampiana ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa?

“Aoka samy hatao batisa ... ianareo tsirairay.”​—ASA. 2:38.

HIRA 72 Ambarao ny Fahamarinana Momba Ilay Fanjakana

HO HITANAO ATO *

1. Nampirisihina hanao inona ny vahoaka be anankiray tamin’ny taonjato voalohany?

NISY vahoaka be tafavory tamin’io andro io. Lehilahy sy vehivavy avy tany amin’ny firenena maro ry zareo, ary samy hafa ny fiteniny. Tampoka teo anefa dia lasa nisy Jiosy nahay ny fitenin-dry zareo. Gaga be ireo vahiny ireo! Mbola niavaka kokoa noho izany aza ny hafatra nampitain’ireo Jiosy ireo, sy izay nolazain’ny apostoly Petera tamin’ny olona teo. Nampahafantarina an-dry zareo hoe ho voavonjy izay maneho finoana an’i Jesosy Kristy. Tena nanohina ny fon’ilay vahoaka izany, ka nanontany ry zareo hoe: “Inona izao no hataonay?” Namaly i Petera hoe: “Aoka samy hatao batisa ... ianareo tsirairay.”​—Asa. 2:37, 38.

Rahalahy manompo miaraka amin’ny vadiny. Mampianatra Baiboly tovolahy anankiray izy mivady. Ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! no ampiasain-dry zareo (Fehintsoratra 2)

2. Inona no hodinihintsika ato? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

2 Olona 3 000 teo ho eo no natao batisa taorian’izay ka lasa mpianatr’i Kristy. Tena miavaka izany! Tamin’izay no nanomboka ilay asa lehibe nasain’i Jesosy nataon’ny mpanara-dia azy, ary mbola mitohy hatramin’izao. Tsy mahavita manampy olona handroso sy hatao batisa ao anatin’ny ora vitsivitsy hoatr’izany isika amin’izao. Amam-bolana na herintaona na maherin’izany mihitsy angamba ny mpianatra iray vao mety hahatratra an’izany tanjona izany. Mitaky ezaka be ny manampy olona ho lasa mpianatr’i Kristy, ary hainao tsara angamba izany raha manana mpianatra Baiboly ianao. Ahoana àry no azonao anampiana ny mpianatrao mba ho vita batisa? Hiresaka an’izany isika ato.

AMPIO IZY HAMPIHATRA AN’IZAY IANARANY

3. Inona no tsy maintsy ataon’ny mpianatra Baiboly mba handroso ka hatao batisa, rehefa jerena ny Matio 28:19, 20?

3 Tsy maintsy mampihatra an’izay lazain’ny Soratra Masina ny mpianatra Baiboly, izay vao azo atao batisa. (Vakio ny Matio 28:19, 20.) Hitovy amin’ilay “lehilahy malina” ao amin’ny fanoharan’i Jesosy izy raha manao an’izany. Rehefa nanao trano io lehilahy io, dia nihady lalina aloha mba hahita vatolampy, ary teo no nandatsaka ny fototra. (Mat. 7:24, 25; Lioka 6:47, 48) Ahoana àry no azo anampiana ny mpianatra Baiboly mba hampihatra an’izay ianarany? Handinika soso-kevitra telo isika izao.

4. Ahoana no azonao anampiana ny mpianatrao mba hiezaka foana, ka ho vita batisa amin’ny farany? (Jereo koa ilay hoe “ Ampio Izy mba Hanana Tanjona sy Hanatratra An’izany.”)

4 Ampio izy mba hanana tanjona. Fa maninona? Eritrereto hoe hanao dia lavitra ianao. Tsy mba hijanonjanona sy hiato kely eny an-dalana eny ve ianao, rehefa misy toerana mahafinaritra? Azo inoana hoe ho mora kokoa ilay dia amin’izay. Tsara raha manao hoatr’izany ny mpianatra Baiboly. Mila manana tanjona madinidinika izy. Rehefa tratrany ireny, dia ho hitany hoe hay azo tratrarina tsara koa ilay tanjona hoe hatao batisa. Misy efajoro hoe “Tanjona” ao amin’ilay boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Azonao ampiasaina izy io mba hanampiana an’ilay mpianatra handroso. Isaky ny mahavita lesona iray ianareo, dia iaraho midinika hoe fa maninona ilay tanjona voaresaka eo no hanampy azy hampihatra an’izay nianarany tao amin’ilay lesona. Raha misy tanjona hafa tianao hotratrariny, dia azo soratana eo ambanin’ilay hoe “Tanjona Hafa” izany. Ampiasao matetika io efajoro io mba hanampiana an’ilay mpianatra hahita hoe inona no tanjona mety ho tratrany vetivety, ary inona no tanjona lavitra ezaka azony iezahana.

5. Araka ny Marka 10:17-22, inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny lehilahy iray mpanankarena, ary nahoana?

5 Ampio izy mba hahavita hiova. (Vakio ny Marka 10:17-22.) Nasain’i Jesosy hivarotra ny fananany rehetra ny lehilahy iray mpanankarena. Efa fantany anefa fa ho sarotra amin’ilay lehilahy ny hanao an’izany fiovana lehibe izany. (Mar. 10:23) Fa maninona àry i Jesosy no mbola nampirisika azy hanao an’izany? Satria tiany io lehilahy io. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hitantsika angamba hoe misy fiovana tokony hataon’ny olona ampianarintsika, raha te hampihatra an’izay ianarany izy. Mety hisalasala hiteny azy anefa isika, satria mieritreritra hoe mbola tsy vonona hiova izy. Marina aloha fa mety ho elaela ny olona vao ho afaka amin’ny fahazaran-dratsy ka hanana ny toetra vaovao. (Kol. 3:9, 10) Arakaraka ny iresahanao haingana momba an’ilay olana anefa, no hahafahan’ilay mpianatrao hiova haingana kokoa. Hasehonao amin’izany hoe tia azy ianao.​—Sal. 141:5; Ohab. 27:17.

6. Nahoana isika no tokony hanontany ny hevitry ny mpianatra Baiboly?

6 Tena ilaina ny manontany ny hevitr’ilay mpianatra. Fa maninona? Amin’izay ho fantatrao hoe azony ve ilay zavatra ianarany, ary inona no inoany. Raha manao an’izany matetika ianao, dia ho mora kokoa aminao ny hiresaka aminy momba ny zavatra sasany mety tsy heken’ny sainy. Misy fanontaniana be dia be hoatr’izany ao amin’ilay boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Izao, ohatra, ny fanontaniana ao amin’ny lesona faha-4: “Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah rehefa mampiasa ny anarany ianao?” Misy fanontaniana hoatr’izao koa ao amin’ny lesona faha-9: “Inona, ohatra, ny zavatra mba tianao horesahina amin’ny vavaka?” Mety hieritreritra elaela ilay mpianatra amin’ny voalohany, izay vao hahavita hamaly ny fanontaniana hoatr’ireny. Ahoana àry no azonao anampiana azy? Zaro hisaintsaina momba ny andinin-teny sy ny sary ao amin’ilay boky izy.

7. Ahoana no azontsika ampiasana ny tantaran’olona mba hanampiana an’ilay mpianatra?

7 Rehefa azon’ilay mpianatra hoe inona no tokony hataony, dia mitadiava tantaran’olona handrisika azy hanao an’ilay izy. Ahoana, ohatra, raha tsy mahavita mivory tsy tapaka izy? Azonao aseho azy ilay video hoe Tena Nikarakara Ahy i Jehovah. Misy an’io video io ao amin’ny lesona faha-14, ao amin’ilay efajoro hoe “Jereo koa Ireto.” Misy tantaram-piainana hafa koa ao amin’ny lesona maro ao amin’ilay boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, eo amin’ilay efajoro hoe “Jereo koa Ireto” sy ilay hoe “Andao Hohalalinintsika.” * Mitandrema mba tsy hampitaha an’ilay mpianatra amin’ny olon-kafa ka hilaza, ohatra, hoe: “Vitan’ny hafa ve dia tsy ho vitanao?” Aleo izy ihany no ho tonga saina amin’izany. Inona kosa no azonao atao? Resaho hoe inona no nanampy an’ilay olona tao amin’ilay video mba hampihatra an’izay lazain’ny Baiboly. Andinin-teny angamba izany na zavatra hafa. Asongadino hoe ahoana no nanampian’i Jehovah an’ilay olona, rehefa afaka manao an’izany ianao.

8. Ahoana no azontsika anampiana ny mpianatra Baiboly mba ho tia an’i Jehovah?

8 Ampio izy ho tia an’i Jehovah. Ahoana no hanaovana an’izany? Mitadiava fomba hanasongadinana ny toetran’i Jehovah. Ampio ilay mpianatrao mba hahita hoe Andriamanitra falifaly i Jehovah, ary manampy an’izay tia azy. (1 Tim. 1:11; Heb. 11:6) Hazavao aminy fa handray soa izy rehefa mampihatra an’izay ianarany, ary ireny soa raisiny ireny no porofo hoe tia azy i Jehovah. (Isaia 48:17, 18) Vao mainka hazoto hanao izay fiovana ilaina ny mpianatrao, rehefa lasa tia kokoa an’i Jehovah.​—1 Jaona 5:3.

AMPIO IZY HINAMANA AMIN’NY MPIARA-MANOMPO

9. Tsy maintsy manao sorona ny olona iray mba ho vita batisa. Inona no hanampy azy hahavita an’izany, araka ny Marka 10:29, 30?

9 Misy sorona tsy maintsy ataon’ny mpianatra Baiboly raha te handroso izy ka hatao batisa. Mety ho tsy maintsy mahafoy vola sy harena, ohatra, ny sasany, hoatran’ilay lehilahy mpanankarena noresahina teo aloha. Tsy maintsy miova asa mihitsy angamba izy, raha tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny asany. Betsaka koa no manana namana tsy tia an’i Jehovah, ka tsy maintsy misaraka amin’izy ireny. Misy indray narian’ny fianakaviany satria mankahala Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Nilaza i Jesosy fa mety tsy ho mora amin’ny olona sasany ny hanao sorona hoatr’izany. Nampanantena anefa izy hoe tsy ho diso fanantenana izay manara-dia azy. Hamaly soa an-dry zareo mantsy i Jehovah, satria hanome azy ireo fianakaviana be fitiavana. (Vakio ny Marka 10:29, 30.) Fanomezana tena tsara izany! Ahoana no azonao anampiana ny mpianatrao mba handray soa avy amin’izany?

10. Inona no ianaranao avy amin’izay nolazain’i Manuel?

10 Miezaha hinamana aminy. Tena tokony hasehonao amin’ilay mpianatrao hoe tia azy ianao. Fa maninona? Eritrereto izay nolazain’i Manuel, rahalahy any Meksika. Tadidiny tamin’izy mbola nianatra Baiboly. Hoy izy: “Isaky ny hianatra izahay, dia nanontany ahy ilay mpampianatra hoe manao ahoana aho. Nataony nahazo aina tsara aho, ary navelany hiresaka momba an’izay tiako horesahina. Tsapako hoe tena tia ahy izy.”

11. Inona no ho vokany raha miaraka manao zavatra amin’ilay mpianatra isika?

11 Manokàna fotoana hiarahana amin’ny mpianatrao, hoatran’ny nataon’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy. (Jaona 3:22) Azonao asaina any an-tranonao izy raha hitanao hoe efa mandroso. Maninona, ohatra, raha miaraka misotro kafe na misakafo na mijery fandaharana mivoaka isam-bolana ao amin’ny Tele JW? Mety ho tena tiany raha amin’ny andro fety ianao no manasa azy, satria mety hahatsiaro ho manirery izy. Izao no notenenin’i Kazibwe, rahalahy any Ogandà: “Marina hoe niana-javatra betsaka momba an’i Jehovah aho isaky ny nianatra Baiboly. Betsaka hoatr’izany koa anefa no lasa fantatro rehefa niaraka nanao zavatra tamin’ilay mpampianatra ahy aho. Hitako hoe tena tian’i Jehovah ny vahoakany ary tena sambatra ry zareo. Izany mihitsy no notadiaviko!”

Hazoto hivory kokoa ny mpianatrao raha mitondra mpitory samihafa ianao rehefa mampianatra azy (Fehintsoratra 12) *

12. Nahoana isika no tokony hiovaova namana rehefa mampianatra?

12 Miaraha amin’ny mpitory samihafa rehefa mampianatra Baiboly. Aleonao ve mandeha irery rehefa mampianatra, sa mitovy foana ny mpitory entinao miaraka aminao? Mety ho tsotra kokoa aloha izay e! Azo inoana anefa hoe handray soa ilay mpianatrao, raha miovaova namana ianao rehefa mampianatra azy. Izao no nolazain’i Dmitrii, rahalahy any Moldavia: “Samy nanana ny fomba nanazavany hevitra ny mpitory tonga tao amiko. Lasa nahita fomba samihafa azoko ampiharana an’ilay zavatra nianarako aho. Tsy dia menatra koa aho rehefa nivory voalohany, satria betsaka tamin’ny rahalahy sy anabavy tany no efa nihaona tamiko.”

13. Nahoana no tsy maintsy ampiantsika ilay mpianatra mba hivory?

13 Ampio izy hanatrika fivoriana. Fa maninona? Satria i Jehovah no mandidy antsika hivory, ary anisan’ny fanompoantsika azy izany. (Heb. 10:24, 25) Tsy vitan’izany fa toy ny fianakaviantsika ny mpiara-manompo. Hoatran’ny hoe miara-misakafo amin-dry zareo isika rehefa miara-mivory. Anisan’ny dingana lehibe indrindra tokony hataon’ny olona te hatao batisa ny manatrika fivoriana. Ahoana anefa raha sarotra aminy izany? Afaka manampy azy handresy an’izay olana misakana azy tsy hivory ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

14. Inona no azontsika atao mba hahatonga an’ilay mpianatra hazoto hivory?

14 Ampiasao ny lesona faha-10 amin’ilay boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, mba hanampiana ny mpianatrao hazoto hivory. Tamin’ny mbola tsy navoaka io boky io, dia efa nisy mpitory za-draharaha nasaina nanandrana nampiasa an’io lesona io mba hanampiana ny mpianany hivory. Tena nisy vokany tsara ilay izy! Aza miandry hoe efa eo amin’ny lesona faha-10 anefa vao hanasa ny mpianatrao hivory. Asao haingana araka izay azo atao izy, ary ataovy matetika izany. Tsy mitovy ny olana atrehin’ny mpianatra Baiboly. Noho izany, dia diniho hoe inona no ilain’ny mpianatrao, ary jereo hoe ahoana no azonao anampiana azy. Aza kivy raha elaela izy vao tonga mivory. Manàna faharetana sy fikirizana.

AMPIO IZY HANDRESY NY TAHOTRA

15. Inona no mety hatahoran’ny mpianatra Baiboly?

15 Ianao ve mba natahotra ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah? Nieritreritra angamba ianao hoe tsy ho vitanao mihitsy izany hitory isan-trano izany. Natahotra koa angamba ianao hoe mety hanohitra anao ny fianakavianao na ny namanao. Raha efa nanjo anao izany, dia azonao tsara ny mahazo an’ilay mpianatrao. I Jesosy koa efa niteny hoe mety hatahotra ny olona sasany. Na izany aza, dia nampirisika ny mpanara-dia azy izy mba tsy hamela ny tahotra hisakana an-dry zareo tsy hanompo an’i Jehovah. (Mat. 10:16, 17, 27, 28) Ahoana no nanampiany ny mpanara-dia azy mba handresy ny tahotra? Ary ahoana no azonao anahafana azy?

16. Ahoana no azo ampiofanana an’ilay mpianatra mba hiresaka momba ny zavatra ianarany?

16 Ampio tsikelikely izy mba hiresaka momba ny zavatra ianarany. Natahotra angamba ny mpianatr’i Jesosy rehefa nirahiny hitory. Ahoana no nanampian’i Jesosy an-dry zareo? Natorony hoe iza no tokony hitoriana, ary inona no hafatra tokony hampitaina. (Mat. 10:5-7) Ahoana no azonao anahafana an’i Jesosy? Atoroy an’ilay mpianatrao hoe iza no azony itoriana. Anontanio, ohatra, izy hoe sao dia mahalala olona mety handray soa avy amin’ny hevitra iray resahin’ny Baiboly. Ampio izy avy eo mba hanomana fomba tsotra hiresahana an’ilay izy amin’ilay olona. Azonareo ampiasaina mba hanaovana fanazaran-tena ilay hoe “Misy Miteny Hoe”, ao amin’ilay boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Azonareo ampiasaina koa ilay hoe “Mety Hisy Hanontany Hoe.” Rehefa manao an’izany ianareo, dia ampiofano izy hahay hampiasa ny Baiboly mba hanomezana valiny tsotra. Ampio koa izy mba hitsinjo ny fihetseham-pon’ilay olona.

17. Ahoana no azo ampiasana ny Matio 10:19, 20, 29-31 mba hanampiana an’ilay mpianatra hatoky an’i Jehovah?

17 Ampio izy hatoky an’i Jehovah. Nanome toky ny mpianany i Jesosy fa hanampy an-dry zareo i Jehovah satria tia azy ireo. (Vakio ny Matio 10:19, 20, 29-31.) Ampahatsiahivo àry ny mpianatrao hoe hanampy azy koa i Jehovah. Ahoana no azonao anampiana azy mba hiantehitra amin’i Jehovah? Miaraha mivavaka aminy momba ny tanjony. Izao no nolazain’i Franciszek, rahalahy any Polonina: “Niresaka matetika momba ny tanjoko ilay mpampianatra ahy rehefa nivavaka. Hitako hoe namaly ny vavaka nataony i Jehovah, dia nanomboka nivavaka koa aho tsy ela taorian’izay. Tsapako hoe nampian’i Jehovah aho rehefa nangataka andro tsy hiasana mba hanatrehana fivoriana sy fivoriambe. Mbola vao haingana anefa aho no nanao an’io asa io.”

18. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hampianarana olona?

18 Tena tian’i Jehovah ny olona ampianarintsika Baiboly. Fantany hoe miezaka be isika manampy an’ireny olona ireny mba hifandray akaiky kokoa aminy. (Isaia 52:7) Tena tiany isika noho izany! Ahoana anefa raha tsy manana mpianatra ianao amin’izao? Miaraha amin’ny mpitory hafa, amin’izay ianao afaka manampy ny mpianany mba handroso ka hatao batisa.

HIRA 60 Iankinan’ny Aina io Asa Io

^ feh. 5 Horesahina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe ahoana no nanampian’i Jesosy ny olona mba ho lasa mpianany, ary ahoana no hanahafantsika azy. Ho hitantsika ato koa hoe inona no mampiavaka an’ilay boky vaovao hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Natao mba hanampiana ny mpianatra Baiboly handroso sy hatao batisa izy io.

^ feh. 7 Misy tantaram-piainana azonao ampiasaina koa ao amin’ireto: 1) Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Midira ao amin’ilay hoe “Baiboly”, dia avy eo ao amin’ilay hoe “Mahasoa”, ary jereo ilay lohateny hoe “‘Manova Olona ny Baiboly’ (Andian-dahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana).” 2) JW Library®. Midira ao amin’ilay hoe Multimédia, dia avy eo ao amin’ilay hoe “Fanadinadinana sy Fitantarana.”

^ feh. 62 SARY: Rahalahy miara-manompo amin’ny vadiny. Mampianatra Baiboly tovolahy iray izy mivady. Misy fotoana koa izy mitondra rahalahy samihafa rehefa mampianatra an’io tovolahy io.