LAHATSORATRA FIANARANA 24

Tsy Voatery ho Voafandrik’i Satana Ianao!

Tsy Voatery ho Voafandrik’i Satana Ianao!

“Ho tonga saina izy ka ho afaka amin’ny fandriky ny Devoly.”​2 TIM. 2:26.

HIRA 36 Arovy ny Fonao

HO HITANAO ATO *

1. Inona no mampitovy an’i Satana amin’ny mpihaza?

IRAY ihany no tanjon’ny mpihaza, na ny hisambotra an’ilay biby na ny hamono azy. Mety hampiasa fandrika isan-karazany izy mba hanaovana an’izany, araka ny hita ao amin’ny Baiboly. (Joba 18:8-10) Ahoana no mety hataon’ny mpihaza mba hahatonga ny biby iray ho voafandrika? Mandinika tsara an’ilay biby izy, ohatra hoe aiza no alehany, inona no mahaliana azy, ary ahoana no hanatratrarana azy amin’ny fotoana tsy ampoiziny. Hoatr’izany mihitsy i Satana. Mandinika tsara antsika izy. Marihiny hoe aiza no alehantsika ary inona no mahaliana antsika. Mametraka fandrika izy avy eo, ary manantena hoe ho azony amin’iny isika sady tsy hanampo na inona na inona. Manome toky anefa ny Baiboly hoe na dia voafandrik’i Satana aza isika, dia mbola afaka miala. Resahin’ny Baiboly koa hoe ahoana no azontsika atao mba tsy ho tratrany.

Mampirisika ny olona hanambony tena sy hanana faniriana tsy mety afa-po i Satana. Anisan’ny fandrika mandaitra indrindra ampiasainy ireo (Fehintsoratra 2) *

2. Inona no fandrika mandaitra indrindra ampiasain’i Satana?

2 Mampirisika ny olona hanambony tena sy hanana faniriana tsy mety afa-po i Satana. * Anisan’ny fandrika mandaitra indrindra ampiasainy ireo. Efa an’arivony taona izy no nampiasa an’ireo ary nahomby. Hoatran’ny mpamandri-borona izy. Fitahiny ilay vorona mba ho voafandrika na ho tratra anaty harato. (Sal. 91:3) Tsy voatery ho azon’i Satana anefa isika. Fa maninona? Satria efa natoron’i Jehovah antsika hoe inona avy no tetika ampiasainy.—2 Kor. 2:11.

Hahavita hanalavitra na hiala amin’ny fandriky ny Devoly isika, raha mandray lesona avy amin’ny ohatra ratsy resahina ao amin’ny Baiboly (Fehintsoratra 3) *

3. Nahoana i Jehovah no nampanoratra tantara sasany ao amin’ny Baiboly?

3 Inona no fomba iray ampitandreman’i Jehovah antsika mba tsy hanambony tena sy tsy hanana faniriana tsy mety afa-po? Mampirisika antsika handray lesona avy amin’izay nanjo ny mpanompony taloha izy. Handinika sasany amin’izany isika izao. Ho hitantsika hoe na ny olona nanompo an’i Jehovah efa hatry ny ela aza dia voafandrik’i Satana ihany. Midika ve izany fa tsy maintsy ho azony koa isika? Tsy izany mihitsy! Nampanoratra an’ireny tantara ireny ao amin’ny Baiboly i Jehovah mba “ho fampitandremana ho antsika.” (1 Kor. 10:11) Fantany hoe afaka mandray lesona avy amin’izany isika mba tsy ho voafandriky ny Devoly. Na raha efa voafandrika isika, dia ho afaka hiala amin’izany.

TANDREMO SAO MANAMBONY TENA!

Fehintsoratra 4

4. Inona no hanjo antsika raha manambony tena isika?

4 Tian’i Satana hanambony tena isika. Fantany mantsy fa ho lasa hoatr’azy isika raha manambony tena, dia tsy hiaina mandrakizay. (Ohab. 16:18) Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hampitandrina hoe raha ‘mirehareha’ ny olona iray, dia “hihatra aminy koa ny fanamelohana azon’ny Devoly.” (1 Tim. 3:6, 7) Mety hanjo antsika rehetra izany, na vao haingana isika no nanompo an’i Jehovah na efa ela.

5. Araka ny Mpitoriteny 7:16, 20, ahoana no mety hahitana hoe manambony tena ny olona iray?

5 Tia tena ny olona manambony tena. Ataon’i Satana izay hahatonga antsika ho tia tena, izany hoe hieritreritra kokoa momba ny tenantsika fa tsy i Jehovah, indrindra rehefa misy olana. Nisy nanendrikendrika ve, ohatra, ianao sa niharan’ny tsy rariny? Tian’i Satana hanome tsiny an’i Jehovah na ny fandaminana ianao rehefa misy hoatr’izany. Tiany hieritreritra ianao hoe ny hevitrao ihany no mety mba hamahana an’ilay olana, fa tsy mila manaraka ny tari-dalan’i Jehovah ao amin’ny Teniny.​—Vakio ny Mpitoriteny 7:16, 20.

6. Inona no ianaranao avy amin’ny anabavy iray any Holandy?

6 Eritrereto ny nanjo ny anabavy iray any Holandy. Sorena tamin’ny nataon’ny mpiara-manompo izy. Tsy zakany intsony ilay izy dia tsy te hifandray tamin-dry zareo izy. Izao no nolazainy: “Nahatsiaro ho manirery aho, ary tsy vitako ny namela an-dry zareo. Nilaza tamin’ny vadiko aho hoe aleo mihitsy mifindra fiangonana.” Nijery ny Tele JW Martsa 2016 anefa izy. Noresahina tao hoe ahoana no atao mba hizakana ny fahalemen’ny hafa. Hoy koa izy: “Hitako hoe tsy tokony hitady hanova ny mpiara-manompo aho fa izaho aloha no mila mandini-tena tsara sy manetry tena, dia miaiky hoe izaho koa manao fahadisoana. Hitako koa hoe i Jehovah no tokony hoeritreretiko, ary izy no manana zo hitondra ny fiainantsika.” Inona no ianaranao avy amin’izany? I Jehovah eritreretina rehefa manana olana ianao. Iangavio izy mba hanampy anao hanova ny fomba fihevitrao, ka hitovy amin’ny fahitany ny olon-kafa ny fiheveranao azy ireny. Hitan’ilay Rainao any an-danitra ny fahadisoan-dry zareo, nefa vonona hamela an-dry zareo izy. Tiany hanao hoatr’izany koa ianao.​—1 Jaona 4:20.

Fehintsoratra 7

7. Inona no nanjo an’i Ozia Mpanjaka?

7 Nanambony tena i Ozia mpanjakan’ny Joda. Lasa sahisahy ratsy izy vokatr’izany, sady tsy nanaiky torohevitra. Marina fa nahavita zavatra tsara be dia be izy. Imbetsaka, ohatra, izy no nandresy tamin’ny ady. Nanorina tanàna be dia be koa izy, ary nanana toeram-pambolena maromaro. “Nataon’i Jehovah nahomby izy.” (2 Tan. 26:3-7, 10) “Raha vao nahery anefa izy, dia nirehareha ny fony, ka nitondra fahavoazana ho an’ny tenany izany.” Efa nanome didy i Jehovah hoe ny mpisorona ihany no mahazo manolotra emboka manitra ao amin’ny tempoly. Sahisahy ratsy anefa i Ozia Mpanjaka, dia nanao an’izany. Tsy faly tamin’io mpanjaka nanambony tena io i Jehovah, ka nataony boka mandra-pahafatiny izy.​—2 Tan. 26:16-21.

8. Inona no hanampy antsika tsy hanambony tena, rehefa jerena 1 Korintianina 4:6, 7?

8 Mety ho tratran’ilay fandrika nahazo an’i Ozia ve isika ka hanambony tena? Eritrereto ny nanjo ny anti-panahy atao hoe José. Mpandraharaha izy, dia nandeha tsara ny asany. Nohajain’ny mpiara-manompo koa izy, ary mpanao lahateny tamin’ny fivoriambe. Na ny mpiandraikitry ny faritra aza nangataka torohevitra taminy. Izao anefa no nolazainy: “Lasa natoky tena aho satria nahay sy ampy traikefa. Tsy niantehitra tamin’i Jehovah intsony aho. Nieritreritra aho hoe efa natanjaka ara-panahy, dia tsy nihaino ny fampitandreman’i Jehovah sy ny toroheviny.” Nanao fahotana lehibe i José dia voaroaka. Voaray indray izy, taona vitsivitsy lasa izay. Izao no nolazainy: “Nampianarin’i Jehovah ahy hoe ny manao an’izay asainy atao no tena zava-dehibe, fa tsy ny toerana ananako eo anivon’ny fandaminana.” Tokony hotadidintsika hoe avy amin’i Jehovah daholo ny fahaizantsika sy ny andraikitra nomena antsika eo anivon’ny fiangonana. (Vakio ny 1 Korintianina 4:6, 7.) Tsy hampiasa antsika i Jehovah raha manambony tena isika.

TANDREMO NY FANIRIANA TSY METY AFA-PO!

Fehintsoratra 9

9. Inona no nataon’i Satana sy Eva noho ry zareo nanana faniriana tsy mety afa-po?

9 I Satana Devoly angamba no tonga ao an-tsaintsika rehefa miresaka hoe faniriana tsy mety afa-po. Anjelin’i Jehovah izy ka azo antoka hoe nanana tombontsoa be dia be. Tsy ampy azy anefa izany. Tiany hoe izy no tompoina nefa i Jehovah irery no mendrika an’izany. Tian’i Satana ho lasa hoatr’azy isika, dia izany no mahatonga azy hampirisika antsika mba tsy ho afa-po amin’izay ananantsika. Nanomboka nanao an’izany izy rehefa niresaka tamin’i Eva. Be fitiavana i Jehovah ka nomeny sakafo tsara be dia be i Eva sy ny vadiny. Navelany hihinana tamin’ny “hazo rehetra” tao amin’ny zaridainan’i Edena ry zareo, fa ny voan’ny hazo iray ihany no tsy navelany hohanina. (Gen. 2:16) Voafitak’i Satana ihany anefa i Eva, dia lasa nieritreritra hoe nila nihinana tamin’ny voan’io hazo voarara io. Lasa tsy nankasitraka an’izay nananany izy fa nitady zavatra hafa. Efa fantatsika ny niafarany. Nanota izy dia maty tamin’ny farany.​—Gen. 3:6, 19.

Fehintsoratra 10

10. Inona no vokany rehefa nanana faniriana tsy mety afa-po i Davida Mpanjaka?

10 Afaka mandray lesona avy amin’i Davida Mpanjaka koa isika. Efa nomen’i Jehovah fitahiana be dia be izy, ohatra hoe harena sy toerana ambony ary nataony nandresy fahavalo maro. Tena nankasitraka an’i Jehovah izy, ary niaiky hoe “maro loatra” ny soa nataony ho azy ka “tsy ho voatanisa.” (Sal. 40:5) Nisy fotoana anefa izy lasa nanana faniriana tsy mety afa-po. Inona no vokatr’izany? Hadinony izay efa nomen’i Jehovah azy. Tsy afa-po tamin’izay nananany intsony izy. Efa nanana vady be dia be i Davida, nefa mbola nitsiriritra vadin’olona ihany. I Batseba no anaran’ilay vehivavy ary i Oria Hetita no vadiny. Tia tena i Davida ka nanao firaisana tamin’i Batseba dia nahabevohoka azy. Tsy vitan’izay fa mbola nataony koa izay hamonoana an’i Oria. (2 Sam. 11:2-15) Fa inona no tao an-tsain’i Davida? Nieritreritra ve izy hoe tsy ho hitan’i Jehovah? Marina fa tsy nivadika nandritra ny taona maro izy. Lasa nanana faniriana tsy mety afa-po anefa izy, ary novidiny lafo izany. Soa ihany fa nanaiky ny fahadisoany izy tatỳ aoriana dia nibebaka. Tena faly izy hoe namela ny helony i Jehovah.​—2 Sam. 12:7-13.

11. Inona no hanampy antsika mba tsy hanana faniriana tsy mety afa-po, araka ny Efesianina 5:3, 4?

11 Inona no ianarantsika avy amin’izay nanjo an’i Davida? Mila mankasitraka an’izay rehetra omen’i Jehovah foana isika, raha tsy te hanana faniriana tsy mety afa-po. (Vakio ny Efesianina 5:3, 4.) Tsy maintsy miezaka ny ho afa-po amin’izay ananantsika isika. Matetika no ampirisihintsika ny olona vao mianatra Baiboly mba hieritreritra zavatra tsara anankiray nataon’i Jehovah ho azy, dia hisaotra an’i Jehovah. Raha manao an’izany isan’andro izy, dia hahita zavatra fito hisaorana an’i Jehovah ao anatin’ny herinandro. (1 Tes. 5:18) Manao hoatr’izany koa ve ianao? Hahay hankasitraka ianao raha misaintsaina an’izay rehetra nataon’i Jehovah ho anao. Ary rehefa mahay mankasitraka ianao, dia hahay hianina amin’izay anananao. Tsy hanana faniriana tsy mety afa-po ianao amin’izay.

Fehintsoratra 12

12. Inona no nataon’i Jodasy Iskariota noho izy nanana faniriana tsy mety afa-po?

12 Lasa mpamadika maharikoriko i Jodasy. Inona no nahatonga an’izany? Faniriana tsy mety afa-po. Tsy hoatr’izany anefa izy tamin’ny voalohany. (Lioka 6:13, 16) Nifidy azy ho apostoly mantsy i Jesosy. Azo antoka hoe nahay sy azo nitokisana izy matoa nasaina niandraikitra ny boatim-bola. Nampiasa ny vola tao anatin’io boaty io i Jesosy sy ny apostoly mba hividianana an’izay nilain-dry zareo rehefa nanompo. Mitovitovy amin’ny fanomezana atao ho an’ny asa maneran-tany izany. Nanomboka nangalatra anefa i Jodasy tatỳ aoriana, na dia efa imbetsaka aza i Jesosy no nampitandrina momba ny faniriana tsy mety afa-po. (Mar. 7:22, 23; Lioka 11:39; 12:15) Tsy noraharahian’i Jodasy ireny fampitandremana ireny.

13. Oviana no niharihary hoe nanana faniriana tsy mety afa-po i Jodasy?

13 Taloha kelin’ny hamonoana an’i Jesosy no niharihary hoe nanana faniriana tsy mety afa-po i Jodasy. Nivahiny tao amin’i Simona boka i Jesosy sy ny mpianany tamin’izay, ary tao koa i Maria sy Marta. Nitsangana i Maria rehefa nisakafo ry zareo, dia nandraraka menaka manitra lafo vidy teo amin’ny lohan’i Jesosy. Tezitra be i Jodasy sy ny mpianatra hafa rehefa nahita an’izany. Nieritreritra angamba ireo mpianatra ireo hoe tokony ho namidy ilay menaka, ary nampiasaina mba hanampiana ny mahantra ilay vola. Hafa mihitsy anefa ny tao an-tsain’i Jodasy. ‘Mpangalatra izy’ ary te haka vola tao amin’ilay boaty. Namadika an’i Jesosy tamin’ny vidina andevo izy tatỳ aoriana, ary mbola faniriana tsy mety afa-po no nahatonga an’izany.​—Jaona 12:2-6; Mat. 26:6-16; Lioka 22:3-6.

14. Ahoana no nampiharan’ny mpivady iray ny Lioka 16:13?

14 Nampahatsiahy ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” (Vakio ny Lioka 16:13.) Mbola marina izany hatramin’izao. Nampihatra an’izany ny mpivady iray tany Romania. Nahita asa tsy maharitra tany amin’ny tany manankarena kokoa ry zareo. Izao no nolazainy: “Nisy vola be nila naloanay tamin’ny banky, dia nieritreritra izahay tamin’ny voalohany hoe fitahian’i Jehovah ilay asa.” Nisy olana anefa. Hanelingelina ny fanompoan-dry zareo an’i Jehovah ilay asa. Nanapa-kevitra àry ry zareo hoe tsy hanaiky an’ilay izy. Namaky lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2008 mantsy izy mivady. Izao no lohateniny: “Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo.” Hoy ihany ry zareo: “Ho lasa eo amin’ny toerana faharoa ny fanompoanay an’i Jehovah, raha ny hitady vola bebe kokoa no handehananay any an-tany hafa. Fantatray hoe tsy maintsy hanimba ny fifandraisanay amin’i Jehovah izany.” Inona no nitranga taorian’izay? Nahita asa tao amin’ny firenena nisy azy ihany ilay rahalahy, ary nahasahana tsara an’izay nilain-dry zareo ny karamany. Hoy ny vadiny: “Tsy fohy mihitsy ny tanan’i Jehovah!” Faly izy mivady satria nampiseho hoe i Jehovah no Tompony, fa tsy ny vola.

IALAO NY FANDRIK’I SATANA

15. Fa maninona isika no afaka matoky hoe azo atao ny miala amin’ny fandrik’i Satana?

15 Ahoana raha hitanao hoe efa manambony tena ianao na manana faniriana tsy mety afa-po? Mbola afaka miova ianao. Nilaza mantsy i Paoly fa na ny olona nataon’ny Devoly “sambo-belona” aza mbola afaka miala amin’ilay fandrika ihany. (2 Tim. 2:26) Hoatr’izany i Davida. Marina fa nanana faniriana tsy mety afa-po izy. Nihaino anefa izy rehefa nanarin’i Natana, dia nibebaka ary niezaka ninamana tsara tamin’i Jehovah indray. Aza hadinoina mihitsy hoe mahery noho i Satana Devoly i Jehovah! Raha manaiky hampian’i Jehovah isika, dia ho afaka hiala amin’ny fandrika rehetra ataon’i Satana.

16. Inona no hanampy antsika hanalavitra ny fandrik’i Satana?

16 Tsara kokoa ny manalavitra ny fandrik’i Satana, toy izay efa voa vao miezaka hiala. Rehefa ampian’Andriamanitra ihany anefa isika vao hahavita an’izany. Tsy tokony hatoky tena loatra àry isika! Na olona nanompo an’i Jehovah efa ela aza mantsy lasa nanambony tena na lasa nanana faniriana tsy mety afa-po. Ahoana anefa no hahalalanao raha efa manana an’ireo toetra ratsy ireo ianao? Iangavio isan’andro i Jehovah mba hanampy anao handinika ny eritreritrao sy izay ataonao. (Sal. 139:23, 24) Miezaha mafy mba tsy hanambony tena na hanana faniriana tsy mety afa-po.

17. Inona no hanjo ny Devoly fahavalontsika tsy ho ela?

17 Efa an’arivony taona i Satana no namandrika ny hafa. Tsy ho ela anefa dia izy indray no ho voafatotra, ary haringana amin’ny farany. (Apok. 20:1-3, 10) Tsy andrintsika izany! Mandra-pahatongan’izany, dia mila mailo isika sao voafandrik’i Satana. Miezaha mafy mba tsy hanambony tena na hanana faniriana tsy mety afa-po. Mila tapa-kevitra ianao hoe ‘hanohitra ny Devoly, dia handositra anao izy.’​—Jak. 4:7.

HIRA 127 Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

^ feh. 5 Hoatran’ny mpihaza mahay i Satana. Miezaka mamandrika antsika izy, na efa ela isika no nanompo an’i Jehovah na vao haingana. Anisan’ny fandrika ampiasainy ny fireharehana sy ny faniriana tsy mety afa-po. Ahoana no ampiasany an’ireo mba hanimbana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah? Ny tantaran’iza no azontsika andraisana lesona? Ahoana no atao mba tsy ho voafandrik’i Satana? Handinika an’ireo isika ato.

^ feh. 2 FANAZAVANA: Misy olona mieritreritra hoe tsara noho ny hafa izy na mahay noho ny hafa. Hoatr’izany ilay hoe manambony tena resahina ato. Ny olona manana faniriana tsy mety afa-po indray, dia olona tsy mahay mianina amin’izay ananany fa te hanana betsaka kokoa foana, ohatra hoe vola na fahefana na zavatra hafa. Anisan’izany koa ny olona te hanao firaisana foana.

^ feh. 53 SARY: Nanda torohevitra tsara ny rahalahy iray satria nanambony tena. Efa manan-javatra be dia be ny anabavy iray nefa mbola te hahazo betsaka kokoa.

^ feh. 55 SARY: Na anjely aza lasa nanambony tena. Nanao hoatr’izany koa i Ozia Mpanjaka. Lasa nihinana tamin’ilay voankazo voarara i Eva. Nijangajanga tamin’i Batseba i Davida. I Jodasy indray nangala-bola. Faniriana tsy mety afa-po daholo no nahatonga an’izany.