Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 26

Afaka Manome Tanana Amin’ny Asa Fanaovana Mpianatra ve Ianao?

Afaka Manome Tanana Amin’ny Asa Fanaovana Mpianatra ve Ianao?

‘Andriamanitra no miasa ao anatinareo. Amin’izay dia sady maniry ianareo no manatanteraka.’​—FIL. 2:13.

HIRA 64 Mahafaly ny Asa Fijinjana

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nataon’i Jehovah ho anao?

AHOANA no nahatonga anao ho lasa Vavolombelon’i Jehovah? Naheno “ny vaovao tsara” aloha ianao, angamba avy tamin’ny ray aman-dreninao, na mpiara-miasa taminao, na mpiara-mianatra taminao, na koa nisy mpitory tonga tao an-tranonao. (Mar. 13:10) Nisy olona niezaka mafy avy eo sady nanokana fotoana be mba hampianarana Baiboly anao. Rehefa nianatra ianao, dia lasa tia an’i Jehovah ary fantatrao hoe izy koa tia anao. Notaomin’i Jehovah hanaraka ny fahamarinana ianao. (Jaona 6:44) Lasa manantena hiaina mandrakizay ianao, satria mpianatr’i Jesosy Kristy. Azo antoka fa mankasitraka an’i Jehovah ianao, noho izy nampiasa olona mba hampianatra anao ny fahamarinana. Azo inoana koa hoe faly ianao satria nekeny ho mpanompony.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Mahafantatra ny fahamarinana ianao izao, ka manana tombontsoa hanampy ny hafa handeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana miaraka amintsika. Tsy sarotra aminao angamba ny mitory isan-trano, fa tsy hoatr’izany kosa ny manasa olona hianatra Baiboly na mampianatra azy mihitsy. Raha izany, dia misy soso-kevitra mety hanampy anao ato. Horesahintsika hoe fa maninona isika no te hanao mpianatra. Ho hitantsika koa hoe inona avy ny olana mety hisakana antsika tsy hampianatra Baiboly, ary inona no azo atao rehefa mitranga izany. Hojerentsika anefa aloha hoe fa maninona isika no tsy mitory fotsiny, fa tsy maintsy mampianatra ny vaovao tsara koa.

NANDIDY ANTSIKA HITORY SY HAMPIANATRA I JESOSY

3. Fa maninona isika no mitory?

3 Nisy asa roa nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany, tamin’izy tetỳ an-tany. Voalohany, nasainy nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy ireo, ary natorony azy ireo ny fomba hanaovana an’izany. (Mat. 10:7; Lioka 8:1) Natorony, ohatra, hoe ahoana no hatao rehefa mandray tsara an’ilay hafatra ny olona, ary ahoana no hatao rehefa mandà an’izany izy ireo. (Lioka 9:2-5) Nolazainy koa hoe “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra” izy ireo, ka hitory amin’ny olona betsaka sy amin’ny toerana maro. (Mat. 24:14; Asa. 1:8) Tokony hitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataon’izy io ny mpianatr’i Jesosy, na mandray ny olona na tsia.

4. Inona no tsy maintsy ataontsika ankoatra ny mitory momba an’ilay Fanjakana, raha jerena ny Matio 28:18-20?

4 Faharoa, nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hampianatra ny olona hitandrina an’izay rehetra nandidiany. Misy mieritreritra hoe ny mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany ihany no tokony hitory sy hampianatra. Marina ve izany? Tsia. Nilaza mantsy i Jesosy hoe hitohy “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” io asa lehibe io, izany hoe hatramin’izao androntsika izao. (Vakio ny Matio 28:18-20.) Niseho tamin’ny mpianany maherin’ny 500 i Jesosy indray mandeha, ary tamin’izay angamba izy no nanome an’io didy io. (1 Kor. 15:6) Nasehon’i Jesosy mazava tsara tao amin’ilay fahitana nomeny an’i Jaona fa tiany hampianatra ny olona momba an’i Jehovah ny mpianany rehetra.—Apok. 22:17.

5. Inona no ohatra nampiasain’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 3:6-9 mba hampisehoana hoe mifandray ny asa fitoriana sy ny fampianarana?

5 Nampitovin’ny apostoly Paoly tamin’ny fambolena ny asa fanaovana mpianatra. Nasehony hoe tsy ampy ny mametraka ny voa ao anaty tany. Nampahatsiahy ny Korintianina izy hoe: ‘Izaho namboly, i Apolosy nanondraka, ary ianareo dia saha volena izay samy an’Andriamanitra.’ (Vakio ny 1 Korintianina 3:6-9.) Mpamboly ao amin’ilay ‘sahan’Andriamanitra’ isika. Hoatran’ny hoe mandatsaka ny voa ao anaty tany isika rehefa mitory, ary manondraka azy io rehefa mampianatra. (Jaona 4:35) Fantatsika anefa fa Andriamanitra no mampitombo an’ilay voa, izany hoe izy no mitaona ny olona hanatona azy.

6. Tsy maintsy ampiantsika hanao inona ny olona ampianarintsika?

6 Mitady an’izay ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’ isika. (Asa. 13:48) Inona no tokony hataontsika mba hanampiana an’ireny olona ireny ho lasa mpianatr’i Kristy? Tsy maintsy ampiantsika izy ireo mba 1) hahazo, sy 2) hanaiky, ary 3) hampihatra an’izay ianarany avy ao amin’ny Baiboly. (Jaona 17:3; Kol. 2:6, 7; 1 Tes. 2:13) Afaka manampy ny mpianatra Baiboly daholo ny olona ao amin’ny fiangonana. Manao an’izany isika rehefa mampiseho fitiavana amin’ireny vaovao ireny, sy mandray tsara azy rehefa tonga mivory izy. (Jaona 13:35) Mila mandany fotoana sy hery be dia be angamba ny mpitory iray mba hanampiana ny mpianany hiala amin’ny zavatra diso inoany, na izay fanao tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Mety ho “efa mafy orina” ao aminy mantsy izy ireny. (2 Kor. 10:4, 5) Amam-bolana angamba isika vao hahavita hanampy olona iray hanao fiovana, izay izy vao hahafeno fepetra hatao batisa. Tsy ho very maina anefa izany!

NY FITIAVANA NO MANDRISIKA ANTSIKA HANAO MPIANATRA

7. Inona no mandrisika antsika hitory sy hanao mpianatra?

7 Fa maninona isika no mitory sy manao mpianatra? Voalohany, satria tiantsika i Jehovah. Asehonao hoe tia azy ianao rehefa manao izay tsara indrindra vitanao mba hankatoavana an’ilay didy hitory sy hanao mpianatra. (1 Jaona 5:3) Ny fitiavanao an’i Jehovah no nahatonga anao ho sahy hitory isan-trano. Tsy mora taminao angamba ny nanao an’izany. Azo inoana hoe nitaintaina be ianao rehefa nanatona an’ilay trano voalohany hitorianao. Fantatrao anefa hoe tian’i Jesosy hanao an’io asa io ianao dia nankatò ny didiny ianao. Lasa mora kokoa taminao angamba ny mitory rehefa nandeha ny fotoana. Ary ahoana indray ilay hoe hampianatra Baiboly? Matahotra ve ianao na dia mieritreritra an’izany fotsiny aza? Raha izany, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hampiany tsy hatahotra sy ho sahy hanasa olona hianatra Baiboly. Hanampy anao hahavita an’izany i Jehovah.

8. Araka ny Marka 6:34, inona koa no handrisika antsika hampianatra ny hafa?

8 Faharoa, mampianatra ny fahamarinana isika satria tia ny mpiara-belona. Reraka be, ohatra, i Jesosy sy ny mpianany indray mandeha rehefa avy nitory tany amin’ny faritra maro. Nitady toerana hakana aina ry zareo nefa hitan’ny vahoaka avy eo. Nangoraka an’ilay vahoaka i Jesosy, dia nanomboka nampianatra azy ireo “zavatra maro.” (Vakio ny Marka 6:34.) Mbola niezaka be izy na dia efa vizana aza. Fa maninona? Satria nipetraka teo amin’ny toeran’ireo olona ireo izy, dia tsapany hoe nijaly be izy ireo. Hitany hoe nila fanantenana ilay vahoaka, dia te hanampy izy. Hoatr’izany koa ny olona amin’izao fotoana izao. Sambatra sy afa-po no fahitana an-dry zareo, nefa manana olana ry zareo dia mila fanantenana. Hoatran’ny ondry very ry zareo, ary tsy manana mpiandry hitarika azy. Noresahin’ny apostoly Paoly hoe tsy manana an’Andriamanitra sy tsy manana fanantenana ny olona hoatr’izany. (Efes. 2:12) Mandeha amin’ilay “lalana mankany amin’ny fandringanana” ry zareo! (Mat. 7:13) Tena mila mahafantatra an’Andriamanitra ny olona ao amin’ny faritanintsika. Rehefa mieritreritra an’izany isika dia te hanampy an-dry zareo, satria tia sy mangoraka an-dry zareo. Ny manasa azy ireo hianatra Baiboly no fomba tsara indrindra azontsika anampiana an-dry zareo.

9. Ahoana no azon’i Jehovah anampiana anao, araka ny Filipianina 2:13?

9 Mitaky fotoana ny manomana sy mampianatra Baiboly, dia izany angamba no mahatonga anao hisalasala hanasa olona hianatra Baiboly. Resaho amin’i Jehovah àry izay tsapanao. Angataho izy mba hanampy anao haniry hahazo sy hitarika fampianarana Baiboly. (Vakio ny Filipianina 2:13.) Nanome toky antsika ny apostoly Jaona fa hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra rehefa mifanaraka amin’ny sitrapony izany. (1 Jaona 5:14, 15) Afaka matoky àry ianao hoe hanampy anao haniry hanao mpianatra i Jehovah.

FOMBA HIATREHANA OLANA HAFA

10-11. Fa maninona isika no mety hisalasala hampianatra Baiboly?

10 Mety hiatrika olana isika, ka tsy hahavita betsaka araka izay tiantsika amin’ny asa fanaovana mpianatra. Na izany aza, dia tena zava-dehibe amintsika ny mampianatra Baiboly. Andao isika izao handinika ny olana sasany mety hitranga sy ny fomba hiatrehana an’izany.

11 Mety ho voafetra ny azonao atao. Efa antitra, ohatra, ny mpitory sasany na tsy salama. Hoatr’izany koa ve ianao? Raha izany, dia eritrereto ny zavatra nianarantsika noho ilay valanaretina COVID-19. Hay azo atao tsara ny mampianatra Baiboly amin’ny alalan’ny telefaonina na fitaovana elektronika hafa! Afaka manomboka sy mitarika fampianarana Baiboly àry ianao, na dia ao an-trano aza. Tsy vitan’izany fa misy olona te hianatra Baiboly, saingy tsy afaka izy amin’ny fotoana itorian’ny ankamaroan’ny mpitory. Vao maraina na alina be angamba izy vao afaka. Sao dia afaka mampianatra ianao amin’ireny fotoana ireny? I Jesosy izao tamin’ny alina no nampianatra an’i Nikodemosy, satria izay no fotoana nety tamin’i Nikodemosy.—Jaona 3:1, 2.

12. Inona no manome toky antsika hoe afaka ny ho mpampianatra mahay isika?

12 Matahotra angamba ianao hoe tsy hahay hampianatra Baiboly. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Aleo aloha aho tsy hampianatra Baiboly, raha tsy rehefa mihabetsaka ny zavatra fantatro sy rehefa mahay mampianatra tsara aho.’ Raha izany, dia andao isika handinika hevitra telo hanampy anao hatoky tena kokoa. Voalohany, i Jehovah no mahita hoe ampy fahaizana mba hampianatra ianao. (2 Kor. 3:5) Faharoa, i Jesosy no nandidy anao hampianatra, ary izy no manana “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Mat. 28:18) Midika izany hoe matoky anao izy. Fahatelo, afaka miantehitra amin’i Jehovah sy ny mpiara-manompo ianao. Natoron’i Jehovah an’i Jesosy izay tokony hotenenina, ary afaka manao an’izany ho anao koa izy. (Jaona 8:28; 12:49) Ankoatra izany, dia afaka mangataka amin’ny olon-kafa ianao mba hanampy anao hanomboka sy hitarika fampianarana Baiboly. Azonao anontaniana, ohatra, ny mpiandraikitra ny andia-mpitorinareo, na mpisava lalana mahay, na mpitory za-draharaha. Maninona raha miaraka amin’ny iray amin’ireo mpitory ireo rehefa mampianatra izy? Hanampy anao hatoky tena kokoa izany.

13. Nahoana isika no tokony ho vonona hanaraka fiovana?

13 Mety ho sarotra aminao ny hanaraka fomba fiasa vaovao sy hampiasa fitaovana vaovao. Lasa niova ny fomba fampianarantsika Baiboly. Ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! izao no tena ampiasaintsika rehefa mampianatra. Hafa ny fomba fanomanana an’io boky io, ary tsy mitovy amin’ny taloha ny fomba fampianarana aminy. Vitsy kokoa ny fehintsoratra vakina, ary mampirisika an’ilay mpianatra hiresaka kokoa isika. Lasa mampiasa video betsaka kokoa sy lahatsoratra avy ao amin’ny tranonkalantsika sy ny JW Library® isika rehefa mampianatra. Ahoana raha tsy manavanana anao ny mampiasa an’ireo? Miresaha amin’ny olona afaka manoro anao. Marina hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Afaka manampy anao anefa i Jehovah sy ny olon-kafa, ka ho mora kokoa aminao ny hampianatra Baiboly ary vao mainka aza hahafinaritra anao. Hoy ny mpisava lalana iray: “Samy mankafy an’ilay fomba fianatra vaovao, na ny mpampianatra na ny mpianatra.”

14. Inona no tokony hotadidintsika raha tsy mandray ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny faritanintsika? Nahoana no mampahery antsika ny 1 Korintianina 3:6, 7?

14 Sarotra angamba ny manomboka fampianarana Baiboly any aminareo. Tsy miraharaha ny hafatra torintsika ny olona sasany na manohitra mihitsy. Inona no hanampy anao tsy ho kivy? Tadidio hoe mety hiova tampoka ny fiainan’ny olona eto amin’ity tontolo mikorontana ity. Mety ho tonga saina àry izy ireny hoe mila an’Andriamanitra, na dia tsy liana tamin’izany aza taloha. (Mat. 5:3) Nisy, ohatra, tsy nety nandray ny bokintsika nefa nanaiky hianatra Baiboly ihany tatỳ aoriana. Fantatsika koa hoe i Jehovah no Tompon’ny vokatra. (Mat. 9:38) Anjarany ny mampitombo, nefa tiany hamboly sy hanondraka foana isika. (1 Kor. 3:6, 7) Mbola tsy manana fampianarana Baiboly angamba ianao izao. Mampahery anefa ny mitadidy hoe tsy miankina amin’ny vokatra azonao no hamalian’i Jehovah soa anao, fa miankina amin’ny ezaka ataonao. *

HO FALY IANAO RAHA MANAO MPIANATRA!

Eritrereto hoe inona no soa ho azon’ny olona iray raha mitory aminy sy mampianatra azy ianao (Fehintsoratra 15-17) *

15. Inona no tsapan’i Jehovah rehefa misy olona manaiky hianatra Baiboly sy mampihatra an’izay ianarany?

15 Faly i Jehovah rehefa manaiky ny fahamarinana ny olona iray ary mizara an’izany amin’ny hafa. (Ohab. 23:15, 16) Azo antoka hoe faly be izy amin’izao, satria mazoto mitory sy mampianatra ny vahoakany! Na teo aza, ohatra, ilay valanaretina niely eran-tany, dia nitarika fampianarana Baiboly 7 705 765 isika nandritra ny taom-panompoana 2020. Nanampy olona 241 994 mba hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa izany. Hampianatra Baiboly sy hanao mpianatra betsaka kokoa ireo mpianatr’i Jesosy vaovao ireo. (Lioka 6:40) Afaka matoky isika hoe faly i Jehovah mahita antsika manao mpianatra!

16. Inona no tanjona tsara azonao tratrarina?

16 Asa mafy ny manao mpianatra. Hanampy anao anefa ilay Rainao any an-danitra, dia ho afaka hampianatra an’ireo vaovao mba ho tia azy ianao. Maninona àry raha atao tanjona ny hitarika fampianarana Baiboly iray, fara fahakeliny? Mety tsy ho araka ny eritreretinao ny ho vokany, raha manasa olona hianatra Baiboly ianao isaky ny mahita hirika hanaovana an’izany. Afaka matoky ianao hoe hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao.

17. Inona no ho vokany raha mahavita mampianatra Baiboly isika?

17 Tombontsoa be ny mitory sy mampianatra ny fahamarinana! Tena faly isika rehefa manao an’io asa io. Nahatsapa an’izany ny apostoly Paoly rehefa nanampy olona be dia be tao Tesalonika mba ho lasa mpianatr’i Jesosy. Izao no nolazainy: “Inona moa ny fanantenanay na fifalianay na satroboninahitra iravoravoanay eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika mandritra ny fanatrehany? Tsy ianareo ve? Ianareo tokoa no voninahitray sy fifalianay.” (1 Tes. 2:19, 20; Asa. 17:1-4) Betsaka ny rahalahy sy anabavy mahatsapa hoatr’izany. Anisan’izany ny anabavy antsoina hoe Stéphanie. Nanampy olona be dia be mba ho vita batisa izy sy ny vadiny. Izao no nolazainy: “Tsy misy mahafaly noho ny hoe manampy olona hanokan-tena ho an’i Jehovah!”

HIRA 57 Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra

^ feh. 5 Tsy omen’i Jehovah tombontsoa hitory fotsiny isika. Nasainy hampianatra ny olona hitandrina an’izay rehetra nandidian’i Jesosy koa isika. Fa maninona isika no te hampianatra ny hafa? Inona no olana atrehintsika rehefa mitory sy manao mpianatra? Inona no azontsika atao rehefa mitranga izany? Handinika an’ireo isika ato.

^ feh. 14 Inona no azon’ny tsirairay ao amin’ny fiangonana atao mba hanampiana ny mpianatra Baiboly ho lasa mpianatr’i Jesosy? Mamaly an’izany ilay lahatsoratra hoe “Andao Hifarimbona Hanampy ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa!” Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2021 no misy azy io.

^ feh. 53 SARY: Hita eo amin’ny sary hoe inona ny fiovana vitan’ny olona iray rehefa mianatra Baiboly izy: Hoatran’ny hoe tsy misy dikany ny fiainany amin’ny voalohany satria izy tsy mifandray amin’i Jehovah. Misy Vavolombelon’i Jehovah mitory aminy avy eo, ary manaiky hianatra Baiboly izy. Nahatonga azy hanokan-tena sy hatao batisa ny zavatra nianarany. Manampy olona mba ho lasa mpianatr’i Jesosy koa izy atỳ aoriana. Miaraka any amin’ny Paradisa daholo ry zareo amin’ny farany.