Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 29

Mifalia Amin’izay Fandrosoana Vitanao!

Mifalia Amin’izay Fandrosoana Vitanao!

‘Aoka ny tsirairay samy hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.’​—GAL. 6:4.

HIRA 34 Tsy Hivadika Mandrakizay Aho

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana i Jehovah no tsy mampitaha antsika amin’ny olon-kafa?

TIA zavatra isan-karazany i Jehovah. Hita amin’ny zavaboary samihafa noforoniny izany, anisan’izany ny olombelona. Miavaka isika tsirairay. Izany no mahatonga an’i Jehovah tsy hampitaha anao amin’ny olon-kafa mihitsy. Mandinika ny fonao izy, izany hoe ny maha ianao anao. (1 Sam. 16:7) Fantany koa ny toetra tsaranao sy izay mety ho vitanao na tsy vitanao, ary ny fahalemenao sy ny fomba nitaizana anao. Tsy hampanao anao zavatra tsy ho vitanao izy. Mila miezaka isika mba hitovy amin’ny an’i Jehovah ny fiheverantsika ny tenantsika. ‘Hisaina tsara’ isika amin’izay, izany hoe tsy hanambony tena loatra, nefa koa tsy hanambany tena loatra.​—Rom. 12:3.

2. Nahoana no tsy tsara ny mampitaha tena amin’ny olon-kafa?

2 Marina fa mety handray soa isika raha mandinika ny ohatra tsara avelan’ny hafa. (Heb. 13:7) Mahafantatra rahalahy na anabavy mahita vokatra tsara amin’ny fanompoana angamba ianao. Raha mandinika ny ataony ianao, dia mety hahita hoe ahoana no azonao anatsarana ny fanompoanao. (Fil. 3:17) Tsy mitovy anefa ny hoe manahaka ny ohatra tsara avelan’ny olona iray, sy ny hoe mampitaha tena aminy mba hamaritana hoe sarobidy ve ianao sa tsia. Raha manao an’izany ianao, dia mety hialona na ho kivy na hahatsiaro ho tsy misy dikany mihitsy aza. Nianarantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha koa hoe mety ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, raha mifaninana amin’ny mpiara-manompo isika. Tia antsika àry i Jehovah ka mampirisika antsika hoe: ‘Aoka ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.’​—Gal. 6:4.

3. Inona ny fandrosoana vitanao ka mahafaly anao?

3 Tian’i Jehovah hifaly amin’ny fandrosoana vitanao ianao. Vita batisa ve, ohatra, ianao? Tokony ho faly be ianao hoe nahatratra an’io tanjona io. Ianao ihany no nandray an’izany fanapahan-kevitra izany, satria ianao tia an’Andriamanitra. Eritrereto koa ny fandrosoanao taorian’izay. Lasa tianao kokoa ve ny mamaky Baiboly sy mianatra samirery? Lasa misy dikany kokoa ve ny vavaka ataonao sady tena vokatry ny fo? (Sal. 141:2) Sa ianao lasa mahay miresaka kokoa amin’ny olona itorianao, dia hainao kokoa ny mampiasa ny fitaovana omena antsika mba hanaovana ny fanompoana? Ary ahoana raha manana fianakaviana ianao? Tsapanao ve hoe nampian’i Jehovah ianao, dia lasa vady tsara kokoa na ray na reny mahay mitaiza kokoa? Afaka ny ho faly sy ho afa-po amin’ireo fandrosoanao ireo ianao.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Azontsika atao koa ny manampy ny olon-kafa mba hifaly amin’izay fandrosoana vitany, sady tsy hampitaha tena amin’ny hafa. Hodinihintsika ato hoe ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany, ahoana no azon’ny mpivady ifanampiana, ary ahoana no azon’ny anti-panahy sy ny mpiara-manompo anampiana ny hafa. Handinika toro lalan’ny Baiboly koa isika. Hanampy antsika tsirairay izany mba hahita hoe inona no tanjona azontsika tratrarina mifanaraka amin’ny fahaizantsika sy izay zavatra iainantsika.

INONA NO AZON’NY RAY AMAN-DRENY SY NY MPIVADY ATAO?

Asehoy amin’ny zanakao tsirairay hoe faly amin’ny ezaka ataony ianao (Fehintsoratra 5-6) *

5. Inona no tsy tokony hataon’ny ray aman-dreny, araka ny Efesianina 6:4?

5 Tokony hitandrina ny ray aman-dreny mba tsy hampitaha ny zanany iray amin’ny zanany hafa, na hitaky zavatra tsy ho vitany. Mety hahakivy azy mantsy izany. (Vakio ny Efesianina 6:4.) Izao no nolazain’ny anabavy atao hoe Sachiko: * “Nanantena ny mpampianatra anay hoe hahay kokoa noho ny mpiara-mianatra tamiko aho. Tian’ny mamanay hahay be koa aho tany am-pianarana. Fitoriana vita ho azy amin’ny mpampianatra sy Dada, hono, izany. Tsy Vavolombelon’i Jehovah mantsy i Dada. Tsy tian’i Neny hanao diso mihitsy aho rehefa fanadinana, nefa aiza moa no hahavitako an’izany! Efa ela izany no nitranga, nefa mbola misy vokany amiko hatramin’izao. Lasa mieritreritra aho indraindray hoe sao dia mba tsy mahafa-po an’i Jehovah ny ataoko, na dia efa manao izay tsara indrindra vitako aza aho.”

6. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’ny Salamo 131:1, 2?

6 Misy lesona lehibe ho an’ny ray aman-dreny ao amin’ny Salamo 131:1, 2. (Vakio.) Nilaza i Davida Mpanjaka hoe “tsy nikatsaka ny ambony loatra” izy, na “naniry hahazo zavatra avo loatra”, izany hoe zavatra sarotra loatra taminy. Nanetry tena izy sady niaiky hoe voafetra ny mety ho vitany. Lasa tony izy vokatr’izany ary nahavita nifehy ny faniriany. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’izany? Mila manetry tena ry zareo, ary miaiky hoe voafetra ny mety ho vitany. Mila manaiky koa anefa izy hoe voafetra ny mety ho vitan’ny zanany, ka tsy hitaky be loatra aminy. Rehefa mametraka tanjona hotratrarin’ny zanany ry zareo, dia mila mijery hoe inona no mety ho vitany sy tsy ho vitany. Hanampy ny zanak’izy ireo mba hahatsiaro ho misy vidiny izany. Izao no nolazain’ny anabavy antsoina hoe Marina: “Efatra mianadahy izahay, nefa tsy nampitaha ahy tamin’ny iray tam-po tamiko mihitsy i Mama, sady tsy nampitaha ahy tamin’ny ankizy hafa. Nampianariny ahy hoe samy manana ny zavatra hainy ny olona tsirairay, ary sarobidy amin’i Jehovah daholo. Soa ihany aho fa nampianariny an’izany, dia lasa tsy dia mampitaha tena amin’ny olon-kafa.”

7-8. Inona no azon’ny lehilahy atao mba hampisehoana hoe manome voninahitra ny vadiny izy?

7 Tsy maintsy manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy kristianina. (1 Pet. 3:7) Ny hoe manome voninahitra olona iray, dia midika hoe mitondra azy amin’ny fomba miavaka sy manaja azy. Manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy raha mampiseho aminy hoe tena sarobidy aminy izy. Tsy mitaky zavatra tsy ho vitany izy, ary tsy mampitaha azy amin’ny vehivavy hafa. Ahoana tokoa moa no mety ho fihetseham-pon’ny vehivavy iray raha manao an’izany ny vadiny? Tsy Vavolombelona ny vadin’ny anabavy atao hoe Rosa, ary matetika izy no mampitaha azy amin’ny vehivavy hafa. Mandratra ny fon’i Rosa ny teniny. Lasa mihevi-tena ho tsy misy dikany i Rosa, ary misalasala raha mba misy tia azy. Hoy izy: “Mila omena toky foana aho hoe sarobidy amin’i Jehovah.” Ny lehilahy kristianina kosa manome voninahitra ny vadiny. Fantany hoe misy vokany tsara amin’ny fifandraisany amin’ny vadiny izany, sady mahatonga azy hihavana tsara amin’i Jehovah. *

8 Inona no hataon’ny lehilahy raha manome voninahitra ny vadiny izy? Milaza zavatra tsara momba azy amin’ny olona izy, dia midera azy ary manome toky azy hoe tiany izy. (Ohab. 31:28) Izany no nataon’ny vadin’i Katerina, ilay voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Tiany hampiana mantsy i Katerina mba tsy hihevi-tena ho tsy misy vidiny. Nanambanimbany azy ny mamany tamin’izy mbola kely. Matetika koa izy no nampitaha azy tamin’ny ankizivavy hafa, anisan’izany ny namany. Lasa nampitaha tena tamin’ny olon-kafa àry i Katerina mba hahitany hoe misy vidiny ve izy. Mbola nanao an’izany izy, na dia efa lasa Vavolombelon’i Jehovah aza. Nampian’ny vadiny anefa izy mba hiova ka hatoky tena kokoa. Izao no nolazainy: “Tena tia ahy ny vadiko. Derainy aho rehefa misy zavatra tsara ataoko. Mivavaka ho ahy koa izy. Ampahatsiahiviny ahy ny toetra mahafinaritra ananan’i Jehovah, dia ampiany aho mba hanitsy ny fomba fisainako.”

INONA NO AZON’NY ANTI-PANAHY SY NY OLON-KAFA ATAO?

9-10. Ahoana no nanampian’ny anti-panahy ny anabavy iray mba tsy hampitaha tena amin’ny hafa?

9 Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana an’izay zatra mampitaha tena amin’ny hafa? Hoatr’izany ny anabavy iray atao hoe Hanuni. Zara raha nahazo teny fiderana izy tamin’ny mbola kely. Izao no nolazainy: “Saro-kenatra aho ary nieritreritra hoe mahay noho izaho ny ankizy hafa. Mbola kely aho dia efa nampitaha tena tamin’ny olon-kafa.” Mbola nanao hoatr’izany izy na dia efa lasa Vavolombelon’i Jehovah aza. Nieritreritra àry izy hoe tsy dia nisy dikany ny zavatra nataony tao amin’ny fiangonana. Mpisava lalana falifaly anefa izy izao. Inona no nampiova azy?

10 Nilaza i Hanuni hoe nisy anti-panahy tsara fanahy nanampy azy. Nasehon-dry zareo fa natoky azy izy, ary nidera azy ry zareo noho izy nanome ohatra tsara. Izao no nosoratan’i Hanuni: “Imbetsabetsaka ny anti-panahy no nangataka ahy mba hampahery rahavavy nila fanampiana. Nahatsapa hoe nilaina aho rehefa nasaina nanao an’ireny. Mbola tadidiko hoe nisy anti-panahy be fitiavana nisaotra ahy noho izaho nampahery rahavavy tanora vitsivitsy. Novakin-dry zareo tamiko avy eo ny 1 Tesalonianina 1:2, 3. Tena nanohina ny foko izany! Faly be aho izao satria tsapako hoe ilaina aho ao amin’ny fiangonana. Ireny anti-panahy be fitiavana ireny no tena nanampy ahy tamin’izany.”

11. Ahoana no azo anampiana ny olona “torotoro fo” resahin’ny Isaia 57:15?

11 Vakio ny Isaia 57:15. Tena tian’i Jehovah ny olona “torotoro fo.” Isika rehetra mihitsy no afaka mampahery an’ireny rahalahy sy anabavy malalantsika ireny, fa tsy ny anti-panahy ihany. Hampahery an-dry zareo, ohatra, isika raha mampiseho hoe miahy azy. Tian’i Jehovah hasehontsika amin’izy ireny hoe tena tiany ry zareo. (Ohab. 19:17) Hanampy azy ireo koa isika raha manetry tena sy tsy mirehareha. Tsy tiantsika ny hisarika ny sain’ny olona amintsika ka hahatonga ny hafa hialona. Ampiasaintsika mba hampaherezana ny mpiara-manompo kosa ny fahaizantsika sy ny fahalalantsika.​—1 Pet. 4:10, 11.

Nahafinaritra ny mpianatr’i Jesosy ny niaraka taminy satria izy tsy mba nanambony tena mihitsy. Faly koa i Jesosy niaraka tamin’ny namany (Fehintsoratra 12)

12. Nahoana no nahafinaritra ny olon-tsotra ny niaraka tamin’i Jesosy? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

12 Ahoana no tokony hitondrantsika ny olon-kafa? Afaka mianatra avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpanara-dia azy isika. Mbola tsy nisy lehilahy niavaka hoatr’azy teto an-tany. ‘Nalemy fanahy sy nanetry tena’ anefa izy. (Mat. 11:28-30) Tsy nampideradera ny fahaizany izy, na dia nahira-tsaina be sy nahalala zavatra betsaka aza. Nampiasa teny tsotra sy fanoharana mora azo kosa izy rehefa nampianatra. Nanohina ny fon’ny olon-tsotra izany. (Lioka 10:21) Tsy nanambony tena hoatran’ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny izy. Tsy nataony nahatsapa mihitsy ny olona hoe tsy misy dikany amin’Andriamanitra. (Jaona 6:37) Nanome voninahitra ny olon-tsotra kosa izy.

13. Inona no mampiseho hoe tsara fanahy sy be fitiavana tamin’ny mpianany i Jesosy?

13 Tsara fanahy sy be fitiavana tamin’ny mpianany i Jesosy. Fantany hoe samy hafa ny fahaizan’izy ireo sy ny zavatra niainany, ka tsy nitovy ny andraikitra azony natao. Tsy nitovy koa ny mety ho vitan’izy ireo teo amin’ny fanompoana. Fantany hoe nanao izay tsara indrindra vitany ny tsirairay tamin-dry zareo, dia nankasitraka an’izany izy. Hita ao amin’ilay fanoharana momba ny talenta izany fomba fihevitr’i Jesosy izany. Resahina ao amin’io fanoharana io hoe nanome asa ny mpanompony ny lehilahy iray, ary nampifanarahany tamin’ny fahaizan’ny tsirairay izany. Samy nazoto ny mpanompony roa, fa ny iray no nahazo tombony kokoa. Samy noderain’ny tompony anefa izy roa lahy, ka nilazany hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mendri-pitokisana!”​—Mat. 25:14-23.

14. Ahoana no hanahafantsika ny fomba nitondran’i Jesosy ny hafa?

14 Tsara fanahy sy be fitiavana amintsika i Jesosy. Fantany hoe tsy mitovy ny fahaizantsika sy ny zavatra iainantsika, ary faly izy rehefa manao izay tsara indrindra avy amintsika isika. Tsara raha manahaka an’i Jesosy isika. Tsy tokony hataontsika mihitsy izay hahatonga ny rahalahy na anabavy iray hieritreritra hoe tsy misy dikany izy. Tsy mety koa raha ataontsika izay hahatonga azy ho menatra satria tsy mahavita betsaka hoatran’ny vitan’ny hafa izy. Aleo kosa mitady hirika hiderana azy noho izy manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah.

TANJONA METY AMINAO TRATRARINA

Ho faly ianao raha manana tanjona mety aminao, sady miezaka manatratra an’izany (Fehintsoratra 15-16) *

15-16. Inona no soa noraisin’ny anabavy iray rehefa niezaka nanatratra tanjona nety tsara taminy izy?

15 Lasa misy dikany sy mahafa-po ny fiainantsika, rehefa manana tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika. Tokony hataontsika mifanaraka amin’ny fahaizantsika sy ny zavatra iainantsika anefa ny tanjona tratrarintsika, fa tsy ampifanarahantsika amin’ny an’ny olon-kafa. Raha tsy izany mantsy, dia mety ho diso fanantenana sy ho kivy isika. (Lioka 14:28) Eritrereto ny nanjo ny anabavy mpisava lalana antsoina hoe Midori.

16 Tsy Vavolombelona ny dadany ary nampitaha azy tamin’ny iray tam-po taminy sy ny mpiara-mianatra taminy foana, tamin’izy mbola kely. Izao no nolazain’i Midori: “Lasa nahatsiaro ho tsy misy dikany aho.” Natoky tena kokoa anefa io anabavintsika io rehefa nihalehibe. Hoy ihany izy: “Namaky Baiboly isan’andro aho, satria nanampy ahy mba ho tony izany. Nanampy ahy koa izany mba hahatsapa hoe tia ahy i Jehovah.” Niezaka hanana tanjona nety tsara taminy koa izy, ary nivavaka mba hampian’i Jehovah hanatratra an’ireny tanjona ireny. Lasa faly tamin’ny fandrosoana vitany i Midori vokatr’izany.

OMEO NY TSARA INDRINDRA AVY AMINAO FOANA I JEHOVAH

17. Inona no hanampy antsika mba ‘hohavaozina hatrany eo amin’ny hery mibaiko ny saintsika’? Inona no ho vokatr’izany?

17 Efa zatra manambany tena ve ianao? Tadidio fa mety tsy ho afaka vetivety izany. Izany no mahatonga an’i Jehovah hilaza fa tokony ‘hohavaozina hatrany isika eo amin’ny hery mibaiko ny saintsika.’ (Efes. 4:23, 24) Mazava ho azy fa mila mivavaka sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra ary misaintsaina ianao, mba hahavitana an’izany. Miezaha mafy àry hanao an’ireo, ary mangataha hery amin’i Jehovah. Homeny fanahy masina ianao, ka hahavita tsy hampitaha tena amin’ny olon-kafa. Hanampy anao koa izy mba hahita raha lasa mialona ianao na mirehareha. Tsy izay ihany, fa hanampy anao hiova haingana izy.

18. Nahoana no mampahery anao ny 2 Tantara 6:29, 30?

18 Vakio ny 2 Tantara 6:29, 30. Fantatr’i Jehovah ny ao am-ponao. Hainy koa ny ady mafy ataonao. Hitany hoe miezaka ianao mba tsy ho voataonan’ity tontolo ity hanao ratsy, sy hahavita hanohitra ny fanirian-dratsy ao aminao. Vao mainka tia anao izy rehefa hitany hoe miady mafy hoatr’izany ianao.

19. Inona no ohatra ampiasain’i Jehovah mba hampisehoana hoe tena tia antsika izy?

19 Ampitovin’i Jehovah amin’ny fitiavan’ny reny ny zanany ny fitiavany antsika. (Isaia 49:15) Izao no nolazain’ny anabavy atao hoe Rachel: “Teraka tsy tonga volana i Stéphanie zanako vavy. Kely be izy sady narefo, tamin’izy hitako voalohany. Natao tao anaty fitaovana fameloman-jaza izy, nandritra ny iray volana taorian’ny nahaterahany. Navelan’ny dokotera hitrotro azy anefa aho isan’andro, dia lasa nifandray am-po be izahay mianaka. Enin-taona i Stéphanie izao, ary kely izy raha oharina amin’ny ankizy mitovy taona aminy. Vao mainka anefa izy tiako be, satria niady mafy vao velona. Tena faly aho manana azy!” Mampahery hoe hoatr’izany koa ny fitiavan’i Jehovah anao. Vao mainka tiany ianao rehefa hitany hoe miady mafy mba hanompo azy amin’ny fo manontolo.

20. Mahafaly anao ve ny hoe mpanompon’i Jehovah? Hazavao.

20 Anisan’ny fianakavian’i Jehovah ianao satria manompo azy. Isan-karazany ny olona ao amin’io fianakaviana io, nefa miavaka ianao ary sarobidy. Tsy noho ianao tsara noho ny olon-kafa no nahatonga an’i Jehovah hitaona anao hanompo azy. Nitaona anao kosa izy satria nahita ny tao am-ponao. Hitany hoe manetry tena sy manaiky hampianarina ianao, ary azony volavolaina. (Sal. 25:9) Matokia hoe faly izy rehefa manao izay tsara indrindra vitanao ianao. Matoa ianao miaritra sy tsy mivadika, dia porofo izany hoe manana “fo tsara sy mahitsy” ianao. (Lioka 8:15) Izay tsara indrindra avy aminao foana àry omena an’i Jehovah. Hanana ‘antom-pifaliana ny amin’ny tenanao ihany’ ianao amin’izay.

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

^ feh. 5 Tsy mampitaha antsika amin’ny olon-kafa i Jehovah. Isika no mety hampitaha ny tenantsika amin’ny olon-kafa, dia lasa manambany tena. Horesahintsika ato hoe fa maninona no mety hanimba antsika izany. Hodinihintsika koa hoe ahoana no azontsika anampiana ny mpianakavintsika sy ny olona ao amin’ny fiangonana, mba hitovy amin’ny an’i Jehovah ny fiheverany ny tenany.

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 7 Marina fa ny lehilahy manambady no tena resahina ato, nefa betsaka amin’ny toro lalana voaresaka ato no mihatra amin’ny vehivavy manambady koa.

^ feh. 58 SARY: Mpivady sy ny zanany manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Manamboatra sambofiaran’i Noa ry zareo. Asehon’izy mivady hoe faly amin’izay ataon’ny zanany tsirairay izy.

^ feh. 62 SARY: Anabavy mitaiza irery ny zanany lahikely. Manamboatra fandaharam-potoana izy mba hahafahany hanao mpisava lalana mpanampy. Faly izy avy eo fa tratrany ny tanjony.