LAHATSORATRA FIANARANA 30

Ankamamio ny Toeranao ao Amin’ny Fianakavian’i Jehovah

Ankamamio ny Toeranao ao Amin’ny Fianakavian’i Jehovah

“Efa nataonao ambany kely noho ireo anjely izy, ary nosatrohanao voninahitra sy famirapiratana.”​—SAL. 8:5, f.a.p.

HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

HO HITANAO ATO *

1. Inona no fanontaniana mety ho tonga ao an-tsaintsika, rehefa mieritreritra ny zava-drehetra noforonin’i Jehovah isika?

METY hitovy fihetseham-po amin’i Davida mpanao salamo isika, rehefa mieritreritra ny zava-drehetra noforonin’i Jehovah. Nivavaka izy hoe: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, ary ny volana aman-kintana noforoninao, dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao? Ary inona moa izay zanak’olombelona no karakarainao?” (Sal. 8:3, 4) Mety hieritreritra koa isika hoe kely raha oharina amin’ny kintana maro be noforonin’i Jehovah, nefa mahagaga fa mbola mikarakara antsika ihany izy. Ho hitantsika rehefa avy eo anefa fa tsy hoe nikarakara an’ilay mpivady voalohany fotsiny i Jehovah, fa nataony anisan’ny fianakaviany koa ry zareo.

2. Inona no fikasan’i Jehovah ho an’i Adama sy Eva?

2 I Adama sy Eva no zanak’i Jehovah voalohany teto an-tany, ary tena Ray be fitiavana izy. Nisy asa nampanaoviny an-dry zareo, araka ilay teniny hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Gen. 1:28) Nasainy niteraka sy nikarakara ny tany àry izy mivady. Raha nankatò ry zareo ka nanao an’izay nampanaovin’i Jehovah Andriamanitra azy, dia ho anisan’ny fianakaviany mandrakizay izy sy ny taranany.

3. Inona no porofo hoe nanome voninahitra an’i Adama sy Eva i Jehovah?

3 Nomen’i Jehovah voninahitra i Adama sy Eva. Manamarina an’izany ny voalazan’ny Salamo 8:5 sy ny fanamarihana ambany pejy. Izao no nolazain’i Davida ao amin’io andininy io: “Efa nataonao ambany kely noho ireo anjely [ny olombelona], ary nosatrohanao voninahitra sy famirapiratana.” Marina fa tsy mitovy hery sy fahaizana amin’ny anjely ny olombelona, ary tsy mahavita ny vitan’izy ireny. (Sal. 103:20) “Ambany kely” fotsiny anefa isika raha oharina amin’ireny anjely mahery ireny. Eritrereto ange izany e! Tena nataon’i Jehovah tsara fiandohana ny mpivady voalohany.

4. Inona no nanjo an’i Adama sy Eva noho ry zareo tsy nankatò an’i Jehovah? Inona no hodinihintsika ato?

 4 Mampalahelo fa tsy nankatò an’i Jehovah i Adama sy Eva, ka lasa tsy anisan’ny fianakaviany intsony. Nisy vokany ratsy be tamin’ny taranany izany, araka ny ho hitantsika ato. Tsy niova anefa ny fikasan’i Jehovah. Mbola tiany ho zanany mandrakizay ny olombelona mankatò. Nanome voninahitra ny olombelona izy, ary handinika an’izany isika ato. Horesahintsika avy eo hoe inona no azontsika atao dieny izao mba hampisehoana fa te ho anisan’ny fianakaviany isika. Horesahintsika farany hoe inona no fitahiana mandrakizay ho azon’ny zanak’i Jehovah eto an-tany.

AHOANA NO NANOMEZAN’I JEHOVAH VONINAHITRA NY OLOMBELONA?

Ahoana no nanomezan’i Jehovah voninahitra antsika? (Fehintsoratra 5-11) *

5. Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka an’i Jehovah isika noho isika nataony araka ny endriny?

5 Nataon’i Jehovah araka ny endriny isika. (Gen. 1:26, 27) Manana toetra tsara be dia be izy, ohatra hoe be fitiavana, mangoraka, tsy mivadika, ary tia rariny. (Sal. 86:15; 145:17) Afaka manahaka azy àry isika satria natao araka ny endriny. Manome voninahitra an’i Jehovah isika rehefa miezaka hanana toetra tsara hoatr’izany, ary mampiseho hoe mankasitraka azy. (1 Pet. 1:14-16) Lasa sambatra sy afa-po isika rehefa manao izay tian’ilay Raintsika any an-danitra. Nataon’i Jehovah araka ny endriny isika, amin’izay afaka manana ny toetran’ny olona ekeny ho fianakaviany.

6. Ahoana no nanomezan’i Jehovah voninahitra ny olombelona rehefa namorona ny tany izy?

6 Nanomana toerana miavaka hipetrahan’ny olombelona i Jehovah. Efa ela be talohan’ny namoronana ny olombelona voalohany izy no nanomana ny tany. (Joba 38:4-6; Jer. 10:12) Tsara fanahy sy malala-tanana izy, dia nanome zavatra tsara be dia be mba hankafizintsika. (Sal. 104:14, 15, 24) Rehefa naka fotoana handinihana ny zavatra noforoniny izy, dia ‘nahita fa tsara izany.’ (Gen. 1:10, 12, 31) Nanome voninahitra ny olombelona koa i Jehovah, rehefa nanendry an-dry zareo “hanjaka” amin’ny zavatra tsara rehetra noforoniny teto an-tany. (Sal. 8:6) Tian’i Jehovah ho faly hanao an’izany mandrakizay ny olombelona lavorary. Misaotra an’i Jehovah matetika ve ianao noho izany fampanantenany tsara be izany?

7. Nahoana ny Josoa 24:15 no manaporofo hoe avelan’i Jehovah hanao safidy ny olona?

7 Nataon’i Jehovah afaka manao safidy ny olona. Afaka mifidy isika hoe inona no hataontsika eo amin’ny fiainana. (Vakio ny Josoa 24:15.) Faly ilay Andriamanitsika be fitiavana rehefa mifidy ny hanompo azy isika. (Sal. 84:11; Ohab. 27:11) Ankoatra izany anefa, dia mbola betsaka ny safidy tsara azontsika atao. Eritrereto ny safidy nataon’i Jesosy.

8. Inona, ohatra, ny safidy nataon’i Jesosy?

8 Afaka misafidy ny hanao hoatran’i Jesosy isika. Izay hahasoa ny hafa aloha no noeritreretiny izay vao ny azy. Reraka be izy sy ny apostoliny indray mandeha, dia nankany amin’ny toerana mangina mba haka aina. Tsy afaka nanao an’izany anefa ry zareo. Nisy vahoaka tonga tany koa mantsy, dia tena te hampianarin’i Jesosy ry zareo. Tsy sosotra anefa i Jesosy. Nangoraka an’ilay vahoaka kosa izy. Inona no nataony? “Nanomboka nampianatra azy zavatra maro izy.” (Mar. 6:30-34) Manome voninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra isika rehefa manahaka an’i Jesosy, ka mahafoy ny fotoanantsika sy ny herintsika mba hanampiana ny olon-kafa. (Mat. 5:14-16) Raha manao an’izany koa isika, dia hampiseho amin’i Jehovah hoe te ho anisan’ny fianakaviany.

9. Inona no tokony hotadidin’ny ray aman-dreny?

9 Nataon’i Jehovah afaka manan-janaka ny olombelona, ary nomeny andraikitra hampianatra azy ireo ho tia sy hanompo azy. Fanomezana tena miavaka izany! Mankasitraka an’izany ve ianao, raha ray na reny? Eritrereto ny anjely. Marina hoe nataon’i Jehovah mahavita zavatra tsara be dia be ry zareo. Tsy nataony afaka miteraka anefa ny anjely. Raha manan-janaka àry ianao, dia tadidio fa tombontsoa be ny hoe mitaiza. Nanankinana andraikitra lehibe ianao, dia ny hitaiza ny zanakao “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efes. 6:4; Deot. 6:5-7; Sal. 127:3) Namoaka fitaovana maro be miorina amin’ny Baiboly ny fandaminana mba hanampiana ny ray aman-dreny. Anisan’izany ny boky, video, hira ary lahatsoratra ao amin’ny Internet. Tsy hitanao amin’izany ve fa tian’ilay Raintsika any an-danitra sy Jesosy ny zanakao? (Lioka 18:15-17) Faly i Jehovah rehefa miantehitra aminy ny ray aman-dreny, sady manao izay tsara indrindra azony atao mba hikarakarana ny zanany. Rehefa manao an’izany koa izy ireo, dia manampy ny zanany mba ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah mandrakizay.

10-11. Inona no vokany rehefa nanome ny vidim-panavotana ho antsika i Jehovah?

10 Nahafoy an’ilay Zanany tiany indrindra i Jehovah, amin’izay isika afaka ny ho fianakaviany indray. Hitantsika teo amin’ny  fehintsoratra faha-4 fa noho i Adama sy Eva nanota, dia tsy afaka ny ho fianakavian’i Jehovah intsony izy sy ny taranany. (Rom. 5:12) Rariny raha tsy neken’Andriamanitra ho zanany intsony izy mivady, satria nanao fanahy iniana tsy nankatò azy. Hoatr’izany koa ve anefa ny taranany? Be fitiavana i Jehovah ka nanao zavatra mba ho anisan’ny fianakaviany indray izay olombelona mankatò. Nafoiny mba hatao sorona i Jesosy Kristy, ilay Zanany lahitokana. (Jaona 3:16; Rom. 5:19) Noho io sorona io, dia olona tsy mivadika 144 000 no atsangan’Andriamanitra ho zanany.​—Rom. 8:15-17; Apok. 14:1.

11 Misy olona tsy mivadika an-tapitrisany koa mankatò an’Andriamanitra sy manao ny sitrapony. Manantena ny ho lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah ry zareo aorian’ny fitsapana farany, rehefa tapitra ny Fanjakana Arivo Taona. (Sal. 25:14; Rom. 8:20, 21) Noho ry zareo manantena an’izany, dia efa miantso an’ilay Mpamorona hoe ‘Ray’ ry zareo dieny izao. (Mat. 6:9) Mety ho lasa fianakavian’i Jehovah koa ny olona hatsangana amin’ny maty raha mankatò. Hampianarina an’izay takin’i Jehovah mantsy ry zareo.

12. Inona indray no horesahintsika izao?

12 Hitantsika teo fa betsaka ny zavatra efa nataon’i Jehovah mba hanomezana voninahitra ny olombelona. Efa natsangany ho zanany ny voahosotra, ary nampanantena ny “vahoaka be” izy hoe ho lasa zanany koa ry zareo ao amin’ny tontolo vaovao. (Apok. 7:9) Inona àry no azontsika atao dieny izao mba hampisehoana amin’i Jehovah hoe te ho anisan’ny fianakaviany mandrakizay isika?

ASEHOY AMIN’I JEHOVAH HOE TE HO ANISAN’NY FIANAKAVIANY IANAO

13. Inona no azontsika atao mba ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah? (Marka 12:30)

13 Manompoa an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo mba hanaporofoana ny fitiavanao azy. (Vakio ny Marka 12:30.) Betsaka ny fanomezana nataon’i Jehovah ho antsika noho izy tsara fanahy, fa ny tsara indrindra amin’izany angamba dia hoe afaka manompo azy isika. Raha mankatò ny didin’i Jehovah isika dia mampiseho aminy hoe tia azy. (1 Jaona 5:3) Anisan’ny tian’i Jehovah hankatoavintsika ilay didin’i Jesosy mba hanao mpianatra sy hanao batisa azy ireo. (Mat. 28:19) Nandidy antsika mba hifankatia koa i Jesosy. (Jaona 13:35) Raha mankatò isika, dia heken’i Jehovah ho anisan’ny fianakaviany.​—Sal. 15:1, 2.

14. Ahoana no hampisehoantsika ny fitiavantsika ny olon-kafa? (Matio 9:36-38; Romanina 12:10)

14 Asehoy hoe tianao ny olon-kafa. Ny fitiavana no toetran’i Jehovah lehibe indrindra. (1 Jaona 4:8) Mbola tsy nahafantatra azy akory isika dia efa nampisehoany fitiavana. (1 Jaona 4:9, 10) Manahaka azy isika rehefa mampiseho fitiavana amin’ny olon-kafa. (Efes. 5:1) Inona no anisan’ny fomba tsara indrindra ampisehoantsika an’izany? Mila manampy ny olona hahafantatra momba an’i Jehovah isika dieny mbola misy fotoana. (Vakio ny Matio 9:36-38.) Raha manao an’izany isika, dia ho fantany hoe inona no tokony hataony mba ho lasa anisan’ny fianakavian’Andriamanitra. Rehefa vita batisa izy, dia tsy maintsy mbola mampiseho fitiavana aminy sy manaja azy isika. (1 Jaona 4:20, 21) Ahoana no hanaovantsika an’izany? Matoky, ohatra, isika hoe antony tsara no mahatonga azy hanao zavatra. Raha misy tsy azontsika àry ny zavatra nataony, dia tsy hieritreritra isika hoe tia tena izy na ratsy saina. Manome voninahitra azy kosa isika, ka mihevitra azy ho ambony noho isika.​—Vakio ny Romanina 12:10; Fil. 2:3.

15. Amin’iza isika no tokony hamindra fo sy ho tsara fanahy?

15 Tokony hamindra fo sy ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra isika. Tsy maintsy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra isika raha tiantsika ho Raintsika mandrakizay i Jehovah. Nampianarin’i Jesosy, ohatra, hoe tokony hamindra fo sy ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra isika na dia amin’ny fahavalontsika aza. (Lioka 6:32-36) Ahoana raha sarotra amintsika izany indraindray? Tsy maintsy mianatra manahaka ny fomba fisainan’i Jesosy sy izay nataony isika. Rehefa miezaka mafy mankatò an’i Jehovah sy manahaka an’i Jesosy isika, dia mampiseho amin’ilay Raintsika any an-danitra hoe te ho fianakaviany mandrakizay.

16. Ahoana no azontsika iarovana ny lazan’ny fianakavian’i Jehovah?

16 Arovy ny lazan’ny fianakavian’i Jehovah. Matetika no manahaka ny zokiny lahy ny ankizilahikely. Ho modely ho an’ilay ankizilahikely ilay zokiny raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Raha maditra kosa izy, dia mety haditra koa ny zandriny. Hoatr’izany koa ao amin’ny fianakavian’i Jehovah. Inona no mety hitranga raha lasa nivadi-pinoana ny Kristianina tsy mivadika iray, na naloto fitondran-tena, na nanao zavatra ratsy hafa? Mety hisy mpiara-manompo hanahaka ny nataony. Manimba ny lazan’ny fianakavian’i Jehovah izay manao an’izany. (1 Tes. 4:3-8) Tsy maintsy mitandrina àry isika mba tsy hanahaka an’izay manao ratsy. Tsy tokony havelantsika hisy na inona na inona hanimba ny fifandraisantsika amin’ilay Raintsika be fitiavana koa.

17. Inona no toe-tsaina tsy tokony hananantsika, ary nahoana?

17 Matokia an’i Jehovah fa tsy ny harena. Mampirisika antsika i Jehovah mba hanao ny Fanjakany eo amin’ny toerana voalohany sy hikatsaka ny fahamarinany, izany hoe hankatò ny fitsipiny. Mampanantena izy fa raha manao an’izany isika, dia homeny sakafo sy fitafiana ary fialofana. (Sal. 55:22; Mat. 6:33) Matoky an’izany isika, ka tsy mieritreritra hoe ny harena eto amin’ity tontolo ity no hiaro antsika sy hahasambatra antsika. Fantatsika fa rehefa manao ny sitrapon’i Jehovah ihany isika vao tena hiadan-tsaina. (Fil. 4:6, 7) Marina fa mety hanam-bola hividianana zavatra be dia be isika. Tsy maintsy dinihintsika anefa hoe tena hanam-potoana na hery hampiasana sy hikarakarana azy ireny ve isika. Mila mandinika koa isika sao dia efa miraiki-po be loatra amin’ny fananantsika. Tadidio fa misy asa ampanaovin’i Jehovah ny fianakaviany. Midika izany fa tsy tokony ho varimbariana isika. Tsy te hanao hoatran’ilay tovolahy resahina ao amin’ny Marka toko faha-​10 isika. Afaka nanompo an’i Jehovah sy lasa zanany izy nefa nanda an’izany. Fa maninona? Satria niraiki-po tamin’ny fananany. Kely ihany anefa izany raha oharina amin’ny tombontsoa tokony ho azony.​—Mar. 10:17-22.

TOMBONTSOA SY FITAHIANA MANDRAKIZAY

18. Inona ny voninahitra lehibe sy fitahiana ho azon’ny olombelona mankatò?

18 Ho afaka ny ho tia sy hanompo an’i Jehovah mandrakizay ny olombelona mankatò, ary tsy misy voninahitra lehibe noho izany. Tena ho faly koa ireo manantena hiaina eto an-tany. Ho afaka hikarakara an’ity planeta tsara tarehy nataon’i Jehovah hipetrahantsika ity mantsy ry zareo. Tsy ho ela dia hohavaozin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tany sy ny zava-drehetra eo aminy. Hovahan’i Jesosy daholo ny olana vokatr’ilay fanapahan-kevitr’i Adama sy Eva hoe hiala tsy ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah. Olona an-tapitrisany no hatsangan’i Jehovah amin’ny maty, ka ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa. (Lioka 23:42, 43) Ho salama tsara daholo izy ireo amin’izany. Rehefa lasa lavorary ny olona anisan’ny fianakavian’i Jehovah eto an-tany, dia hanana an’ilay “voninahitra sy famirapiratana” noresahin’i Davida izy rehetra.​—Sal. 8:5.

19. Inona no tokony hotadidintsika?

19 Manana fanantenana tena tsara ianao raha anisan’ny “vahoaka be.” Tia anao Andriamanitra, ary tiany raha mba lasa anisan’ny fianakaviany ianao. Ataovy àry izay rehetra azonao atao mba hampifaliana azy. Ataovy ao an-tsainao sy ao am-ponao foana ny fampanantenan’Andriamanitra, ary manaova zavatra mifanaraka amin’izany isan’andro. Aza hadinoina mihitsy hoe tombontsoa be ny manompo an’ilay Rainao any an-danitra, ary tena sarobidy ilay fanantenana hoe ho afaka hidera azy mandrakizay.

HIRA 107 Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra

^ feh. 5 Raha te ho sambatra ny fianakaviana, dia tsy maintsy mahafantatra ny tokony hataony ny tsirairay. Tsy maintsy mifanampy koa ry zareo. Ny lehilahy no loham-pianakaviana, ary tokony ho be fitiavana izy rehefa mitondra ny ankohonany. Mila manohana azy ny vadiny. Ny ankizy indray tokony hankatò ny ray aman-dreniny. Hoatr’izany koa ny fianakavian’i Jehovah. Tsy maintsy mahafantatra an’izay tian’i Jehovah hataontsika koa isika. Raha manao zavatra mifanaraka amin’izany isika, dia ho anisan’ny fianakaviany mandrakizay.

^ feh. 55 SARY: Afaka mifaneho fitiavana sy mifangoraka ny mpivady iray, satria nataon’Andriamanitra araka ny endriny. Afaka mampiseho an’izany toetra izany amin’ny zanany koa ry zareo. Tia an’i Jehovah izy mivady, ary ampiany mba ho tia sy hanompo azy koa ny zanany. Te hampiseho mantsy izy ireo hoe mankasitraka ny fanomezan’i Jehovah, dia ny hoe navelany hanan-janaka. Mampiasa video izy roa mba hanazavana amin’ny zanany hoe fa maninona i Jehovah no nanome an’i Jesosy ho vidim-panavotana. Ampianariny ny zanany koa hoe hikarakara ny tany sy ny biby isika ao amin’ny Paradisa, ary hanao an’izany mandrakizay.