Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 33

Mifalia Amin’izay Efa Ataonao ho An’i Jehovah Amin’izao!

Mifalia Amin’izay Efa Ataonao ho An’i Jehovah Amin’izao!

“Aleo mifaly amin’izay hitan’ny maso toy izay avezivezin’ny faniriana.”​—MPITO. 6:9.

HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika

HO HITANAO ATO a

1. Ahoana no ataon’ny mpanompon’i Jehovah maro mba hampitomboana ny fanompoany?

  VAO mainka betsaka ny asantsika arakaraka ny anatonan’ny farany. (Mat. 24:14; Lioka 10:2; 1 Pet. 5:2) Te hanao izay rehetra azo atao daholo isika mba hanompoana an’i Jehovah. Betsaka, ohatra, no mampitombo ny fanompoany. Misy izao te hanao mpisava lalana. Ny hafa indray te hanompo ao amin’ny Betela, na hanao fanorenana. Betsaka koa ny rahalahy miezaka hahafeno fepetra mba ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy. (1 Tim. 3:1, 8) Faly erỳ izao i Jehovah mahita hoe mazoto manompo azy ny mpanompony.​—Sal. 110:3; Isaia 6:8.

2. Ahoana no mety ho tsapantsika raha misy tanjona tsy tratrantsika?

2 Ahoana raha efa ela ihany izay, nefa mbola tsy tratranao ny tanjonao? Mety ho kivy ianao. Na ianao mety ho diso fanantenana raha misy tombontsoa tsy azonao noho ny taonanao, na noho ny antony hafa. (Ohab. 13:12) Hoatr’izany i Melissa. b Tena te hanompo ao amin’ny Betela izy, na hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Izao anefa no nolazainy: “Nofinofy sisa izany satria efa mihoatra ny taonako, dia kivy aho indraindray.”

3. Inona no tokony hataon’ny mpiara-manompo sasany mba hahafeno fepetra hahazo andraikitra fanampiny?

3 Tanora sy salama tsara ny rahalahy sy anabavy sasany. Mila mihamatotra sy miezaka hanana toetra tsara anefa ry zareo, izay vao hahafeno fepetra hahazo tombontsoa fanampiny. Angamba izy mahay sy mazoto ary sahy manapa-kevitra. Mety hila hianatra hanam-paharetana kokoa anefa izy, na hikaly asa kokoa, na hanaja ny hafa kokoa. Raha mifantoka amin’ny fomba hanatsarana ny toetranao ianao, dia mety hahazo andraikitra amin’ny fotoana tsy ampoizinao. Eritrereto izay nitranga tamin’i Nick. Tena diso fanantenana izy satria tsy voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana, tamin’izy 20 taona. Nieritreritra izy tamin’izany hoe: “Izaho mihitsy angamba no olana!” Tsy kivy anefa izy fa niezaka hanana toetra tsara foana. Nanao izay tsara indrindra vitany izy tamin’ny fanompoana sy tao amin’ny fiangonana. Anisan’ny komitin’ny sampana izy amin’izao.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Diso fanantenana ve ianao satria mbola tsy tratranao ny tanjonao? Raha izany, dia mivavaha amin’i Jehovah ary resaho aminy izay tsapanao. (Sal. 37:5-7) Ankoatra izany, dia manontania rahalahy matotra hoe ahoana no azonao anatsarana ny fanompoanao an’i Jehovah. Miezaha mafy avy eo hampihatra ny soso-kevitra homeny. Raha manao an’izany ianao, dia mety ho tratranao ihany ny tanjonao. Ahoana anefa raha tsy azonao mihitsy ny tombontsoa irinao amin’izao, hoatran’ny nanjo an’i Melissa? Inona no hanampy anao ho faly foana? Mba hamaliana an’izany, dia hodinihintsika hoe: 1) Inona no tena mahafaly? 2) Ahoana no hampitomboantsika ny fifaliantsika? 3) Inona no tanjona azonao tratrarina mba hahatonga anao ho faly kokoa?

INONA NO TENA MAHAFALY?

5. Inona no tokony hifantohantsika raha te ho faly isika? (Mpitoriteny 6:9)

5 Resahin’ny Mpitoriteny 6:9 hoe inona no hanampy antsika ho faly. (Vakio.) Mankasitraka an’izay ananany ny olona mifaly “amin’izay hitan’ny maso.” Afa-po amin’izay toe-javatra misy azy amin’izao, ohatra, izy. Tsy hoatr’izany ny olona “avezivezin’ny faniriana.” Izay tsy mety azony foana no tadiaviny. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony hifantoka amin’izay ananantsika isika raha te ho faly, ary hifantoka amin’izay tanjona tena azontsika tratrarina.

6. Inona no fanoharana hodinihintsika izao? Inona no ianarantsika avy amin’izy io?

6 Tena azo atao ve izany hoe afa-po amin’izay efa ataonao na anananao izany? Betsaka no mihevitra hoe tsy misy mahavita an’izany, satria tia mianatra manao zavatra vaovao foana ny olombelona. Azo atao tsara anefa izany. Afaka ny hifaly amin’izay hitan’ny maso mihitsy aza isika, fa tsy hoe hanaiky tsy fidiny an’izany fotsiny. Ahoana no hanaovana an’izany? Mamaly an’izany ny fanoharan’i Jesosy momba ny talenta, ao amin’ny Matio 25:14-30. Ianarantsika avy amin’izy io hoe inona no tokony hataontsika mba ho faly amin’izay ananantsika amin’izao, ary ahoana no hampitomboana an’izany fifaliana izany.

AHOANA NO HAMPITOMBOANAO NY FIFALIANAO?

7. Fintino ilay fanoharan’i Jesosy momba ny talenta.

7 Hanao dia lavitra ilay lehilahy tao amin’ilay fanoharana. Niantso ny mpanompony izy alohan’ny hiaingany, dia samy nomeny talenta izy ireo mba hampitomboiny. c Fantatr’ilay lehilahy hoe tsy mitovy ny fahaizan’ireo mpanompony ireo, dia nomeny talenta dimy ny voalohany, roa ilay faharoa, ary iray ilay farany. Niasa mafy ny mpanompo roa voalohany mba hampitomboana ny volan’ny tompony. Tsy nampiasa an’ilay vola anefa ilay mpanompo fahatelo, dia noroahin’ilay tompony.

8. Fa maninona no afaka ny ho faly ilay mpanompo voalohany?

8 Tsy maintsy hoe faly ilay mpanompo voalohany, satria nomen’ny tompony talenta dimy. Vola be izany, ary hita amin’izany hoe tena natoky azy ny tompony. Ary ahoana ilay mpanompo faharoa? Kivy ve izy fa tsy nahazo talenta betsaka hoatran’ilay mpanompo voalohany? Tsy izany. Fa ahoana no nataony?

Inona no azo ianarana avy amin’ilay mpanompo faharoa tao amin’ny fanoharan’i Jesosy? 1) Nomen’ny tompony talenta roa izy. 2) Niasa mafy izy mba hampitomboana ny volan’ny tompony. 3) Nampitomboiny avo roa heny ny talentan’ny tompony (Fehintsoratra 9-11)

9. Inona no tsy nolazain’i Jesosy momba an’ilay mpanompo faharoa? (Matio 25:22, 23)

9 Vakio ny Matio 25:22, 23. Tsy nilaza i Jesosy hoe tezitra sy nitana lolompo ilay mpanompo faharoa, satria talenta roa fotsiny no azony. Tsy nilaza koa i Jesosy hoe nimenomenona hoatr’izao ilay mpanompo: “Ity fotsiny ve no azoko? Izaho ange mba mahay hoatran’ilay mpanompo nahazo talenta dimy koa e! Haleviko angamba ireto talenta ireto rehefa tsy mankasitraka ahy ny tompoko. Aleoko mitady izay mahasoa ahy fa tsy miasa ho azy intsony.”

10. Inona no nataon’ilay mpanompo faharoa tamin’ny talenta azony?

10 Niasa mafy hoatran’ilay mpanompo voalohany ilay mpanompo faharoa. Fantany mantsy hoe lehibe ny andraikitra nankinin’ny tompony taminy. Nampitomboiny avo roa heny àry ny talenta nomena azy. Namaly soa azy ny tompony satria niasa mafy sy nampiasa ny fahaizany izy. Tsy hoe faly fotsiny ny tompony fa nanome azy andraikitra fanampiny koa.

11. Ahoana no hampitomboantsika ny fifaliantsika?

11 Hoatr’izany koa fa ho faly kokoa isika raha miasa mafy araka izay azontsika atao, na inona na inona ampanaovina antsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. ‘Mifantoha tanteraka’ amin’ny fitoriana, dia mandraisa anjara betsaka araka izay vitanao amin’izay ataon’ny fiangonana. (Asa. 18:5; Heb. 10:24, 25) Omano tsara ny fivoriana mba ho afaka hanome valin-teny mampahery ianao. Ataovy tsara izay anjara ampanaovina anao mandritra ny fivoriana andavanandro. Raha misy asa asaina ataonao ao amin’ny fiangonana, dia miezaha ho mari-potoana sy ho azo ianteherana. Na inona na inona ampanaovina anao, dia aza mieritreritra hoe tsy zava-dehibe ilay izy ka tsy tokony handanianao fotoana. Miezaha hampitombo ny fahaizanao. (Ohab. 22:29) Vao mainka ianao handroso haingana kokoa sy ho faly kokoa, rehefa variana amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy amin’ny asa ampanaovina anao. (Gal. 6:4) Tsy vitan’izany fa ho mora kokoa aminao ny hiaraka hifaly amin’ny hafa, rehefa mahazo fanendrena nirinao ry zareo.​—Rom. 12:15; Gal. 5:26.

12. Inona no nataon’i Melissa sy Nick mba ho faly kokoa?

12 Tadidinao ve i Melissa, ilay anabavy te hanompo ao amin’ny Betela na hanatrika Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana? Na dia tsy afaka manao an’ireo aza izy, dia izao no nolazainy: “Mpisava lalana aho, ary manao izay tsara indrindra vitako amin’ny fanompoana. Miezaka manao an’ireny fomba fitory isan-karazany ireny koa aho. Lasa faly be aho!” Ary ahoana indray no nataon’i Nick rehefa diso fanantenana izy hoe tsy voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana? Hoy izy: “Nifantoka tamin’izay azoko natao aho, ohatra hoe nitory sy nanome valin-teny tany am-pivoriana. Nangataka hanompo tao amin’ny Betela koa aho, dia voaray ny taona nanaraka.”

13. Inona no ho vokany raha mifantoka amin’izay ampanaovina anao izao ianao? (Mpitoriteny 2:24)

13 Hahazo andraikitra fanampiny ve ianao raha mifantoka tsara amin’izay ampanaovina anao izao? Mety hitranga izany, hoatran’ny tamin’i Nick. Na tsy izany aza anefa no mitranga, dia hitombo ny fifalianao ary ho afa-po ianao hoatran’i Melissa. (Vakio ny Mpitoriteny 2:24.) Ankoatra izay, dia ho faly be ianao rehefa mahafantatra hoe mampifaly an’i Jesosy Kristy Tompo ny ezaka ataonao.

TANJONA HANAMPY ANTSIKA HO FALY KOKOA

14. Mbola tokony hanana tanjona ve isika, na dia efa miezaka manao tsara an’izay ampanaovina antsika aza?

14 Andao hatao hoe efa mifantoka amin’ny asa ampanaovina anao amin’izao ianao. Midika ve izany fa tsy tokony hampitombo ny fanompoanao an’i Jehovah intsony ianao? Tsy izany mihitsy! Tokony hanana tanjona hanampy antsika hahay hitory sy hampianatra kokoa isika, ary tanjona hahafahantsika hanampy kokoa ny mpiara-manompo. Ho tratrantsika izany tanjona izany raha manetry tena isika, ka mifantoka amin’ny fanampiana ny hafa fa tsy mifantoka amin’ny tenantsika.​—Ohab. 11:2; Asa. 20:35.

15. Inona no tanjona hanampy anao ho faly kokoa?

15 Inona no tanjona azonao tratrarina? Angataho i Jehovah mba hanampy anao hamantatra hoe inona no tena mety ho vitanao. (Ohab. 16:3; Jak. 1:5) Maninona raha manatratra ny iray amin’ireo tanjona noresahina tao amin’ny  fehintsoratra voalohany, ohatra hoe manao mpisava lalana mpanampy na maharitra, na manompo ao amin’ny Betela, na manao fanorenana? Sa ianao afaka mianatra fiteny vaovao, amin’izay afaka mampitombo ny fanompoana na manitatra faritany mihitsy? Ahoana raha te hahafantatra mombamomba an’ireo ianao? Azonao vakina ny toko faha-10 ao amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah. d Miresaha koa amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo. Rehefa miezaka hanatratra an’ireo tanjona ireo ianao, dia ho hitan’ny hafa ny fandrosoanao ary ho faly kokoa ianao.

16. Ahoana raha misy tanjona iray tsy azonao tratrarina aloha amin’izao?

16 Ahoana anefa raha tsy afaka manatratra ny iray amin’ireo tanjona noresahina teo ianao amin’izao? Miezaha hanana tanjona hafa mety ho tratranao. Ireto misy sasantsasany amin’izany.

Inona no tanjona azonao tratrarina? (Fehintsoratra 17) f

17. Inona no azon’ny rahalahy atao mba ho lasa mpampianatra mahay kokoa, araka ny 1 Timoty 4:13, 15?

17 Vakio ny 1 Timoty 4:13, 15. Raha rahalahy vita batisa ianao, dia afaka miezaka mba hahay hampianatra kokoa sy hahay hanao lahateny kokoa. Handray soa mantsy ny olona mihaino anao, rehefa miezaka mafy ianao mba hahay hamaky teny tsara sy hahay handaha-teny ary hahay hampianatra. Azonao atao tanjona, ohatra, ny mianatra sy mampihatra ny lesona tsirairay ao amin’ilay bokikely hoe Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra. Ianaro tsirairay izy ireny, dia manaova fanazaran-tena tsara ao an-trano. Ampiharo ilay izy rehefa manao anjara ianao. Mangataha soso-kevitra amin’ny mpanome torohevitra mpanampy, e na amin’ny anti-panahy hafa “mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana.” (1 Tim. 5:17) Aza variana mampihatra ny lesona ao amin’ilay bokikely fotsiny anefa. Miezaha koa hanampy ny mpihaino anao hanatanjaka ny finoany sy hazoto hampihatra an’izay ianarany. Samy ho faly kokoa ianareo amin’izay.

Inona no tanjona azonao tratrarina? (Fehintsoratra 18) g

18. Inona no hanampy antsika hanatratra tanjona eo amin’ny fitoriana sy fampianarana?

18 Samy nasaina nitory sy nanao mpianatra daholo isika. (Mat. 28:19, 20; Rom. 10:14) Te ho havanana kokoa amin’io asa lehibe io ve ianao? Ianaro ilay bokikely Miezaha, dia eritrereto hoe inona no tanjona hanampy anao hampihatra an’izay nianaranao. Hahita soso-kevitra tsara koa ianao ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana, sy ao amin’ireo video mifandray amin’ny hevitra azo resahina alefa any am-pivoriana. Manandrama soso-kevitra maromaro mba hahitana hoe iza no mety indrindra amin’ny faritaninareo. Hahay hitory sy hampianatra kokoa ianao raha manao an’izany. (2 Tim. 4:5) Hitombo koa ny fifalianao.

Inona no tanjona azonao tratrarina? (Fehintsoratra 19) h

19. Inona no azonao atao mba hanananao toetra tian’Andriamanitra?

19 Rehefa mieritreritra tanjona ianao, dia tadidio fa anisan’ny tanjona lehibe indrindra ny miezaka hanana toetra tian’Andriamanitra. (Gal. 5:22, 23; Kol. 3:12; 2 Pet. 1:5-8) Andao hatao hoe te hanana finoana matanjaka kokoa ianao. Azonao atao, ohatra, ny mamaky lahatsoratra misy soso-kevitra momba an’izany. Afaka mijery ampahany amin’ny fandaharana mivoaka isam-bolana ao amin’ny Tele JW koa ianao. Misy amin’izy ireny miresaka tantarana rahalahy sy anabavy nampiseho finoana miavaka rehefa niatrika olana. Eritrereto avy eo hoe ahoana no azonao anahafana azy.

20. Inona no hanampy antsika ho faly kokoa sy tsy ho diso fanantenana loatra?

20 Azo antoka hoe te hanao betsaka kokoa ho an’i Jehovah isika rehetra amin’izao. Ao amin’ny tontolo vaovao anefa isika vao tena hahavita an’izay rehetra tiantsika hatao ho azy. Raha manararaotra manao izay azontsika atao anefa isika mandra-pahatongan’izany, dia ho faly kokoa sy tsy ho diso fanantenana loatra. Ary ny tena zava-dehibe dia hanome voninahitra sy hidera an’ilay “Andriamanitra falifaly” isika. (1 Tim. 1:11) Mifalia àry amin’izay efa ataonao ho an’i Jehovah amin’izao!

HIRA 82 ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’

a Tena tia an’i Jehovah isika, ary te hanao izay rehetra azontsika atao hanompoana azy. Izany no mahatonga antsika haniry hampitombo ny fanompoantsika, na hiezaka hahazo andraikitra fanampiny ao amin’ny fiangonana. Ahoana anefa raha tsy tratrantsika izany tanjona izany, na dia efa miezaka mafy aza isika? Inona no hanampy antsika hazoto sy ho faly foana? Manampy antsika hamaly an’ireo ny fanoharan’i Jesosy momba ny talenta.

b Novana ny anarana sasany

c FANAZAVANA: Karama raisin’ny mpiasa iray ao anatin’ny 20 taona eo ho eo ny talenta iray.

d Ampirisihina mba hiezaka hahafeno fepetra ho lasa mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy ny rahalahy vita batisa. Miresaka momba an’izany fepetra izany ny toko faha-​5 sy faha-​6 ao amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah.

e FANAZAVANA: Ny mpanome torohevitra mpanampy dia anti-panahy voatendry hanome torohevitra mitokana ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana, mahakasika ny anjara ataon’izy ireo ao amin’ny fiangonana.

f SARY: Rahalahy te hahay hampianatra kokoa, dia manao fikarohana ao amin’ny bokintsika.

g SARY: Anabavy manana tanjona hitory tsy ara-potoana. Rehefa tany amin’ny hotely àry izy, dia nomeny karatra jw.org ny mpandroso sakafo tao.

h SARY: Te hampiseho toetra tsara ny anabavy iray. Nanome fanomezana ho an’ny anabavy iray hafa àry izy. Tsy nampoizin’ilay anabavy izany.