LAHATSORATRA FIANARANA 34

“Andramo” dia ho Hitanao fa Tsara i Jehovah!

“Andramo” dia ho Hitanao fa Tsara i Jehovah!

“Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah. Sambatra ny olona mialoka aminy.”​—SAL. 34:8.

HIRA 117 Ny Hatsaran-toetra

HO HITANAO ATO *

1-2. Araka ny Salamo 34:8, inona no tsy maintsy ataontsika mba hahitantsika hoe tsara i Jehovah?

ERITRERETO hoe asaina hihinana sakafo mbola tsy nohaninao mihitsy ianao. Mety hanampy anao hahafantatra momba an’io sakafo io ny paoziny, na ny fofony, na ny fomba nandrahoana azy. Azonao anontaniana koa ny hevitry ny hafa momba an’ilay izy. Tsy ho fantatrao mihitsy anefa hoe ho tianao ilay sakafo na tsia, raha tsy andramanao.

2 Rehefa mamaky Baiboly na ny boky sy gazetintsika ianao, dia lasa mahafantatra hoe tsara i Jehovah. Lasa mahafantatra an’izany koa ianao, rehefa maheno ny rahalahy sy anabavy mitantara ny fitahiana nomeny an-dry zareo. Tsy ho tsapanao anefa hoe tsara izy raha tsy ianao mihitsy no ‘manandrana’ an’izany. (Vakio ny Salamo 34:8.) Andao isika hijery fomba hanaovana an’izany. Ahoana, ohatra, raha te hanompo manontolo andro ianao? Mila manatsotra fiainana ianao mba hanatratrarana an’izany tanjona izany. Angamba ianao efa namaky matetika an’ilay fampanantenan’i Jesosy hoe hanome an’izay tena ilainao i Jehovah, raha ilay Fanjakana no ataonao voalohany eo amin’ny fiainana. (Mat. 6:33) Mety ho mbola tsy niaina an’izany anefa ianao. Na izany aza, dia matoky an’ilay fampanantenan’i Jesosy ianao, ka miezaka tsy mandany vola loatra sy mampihena ny ora iasanao ary mifantoka amin’ny fanompoana. Rehefa manao an’izany ianao, dia ianao mihitsy no mahita hoe tena mikarakara an’izay ilainao i Jehovah. Ianao mihitsy no ‘manandrana’ hoe tsara izy.

3. Araka ny Salamo 31:19, iza no omen’i Jehovah zavatra tsara?

3 “Tsara fanahy amin’ny rehetra” i Jehovah, na dia amin’ny olona tsy mahafantatra azy aza. (Sal. 145:9; Mat. 5:45) Izay tia sy manompo azy amin’ny fo manontolo anefa no tena omeny fitahiana be dia be. (Vakio ny Salamo 31:19.) Andao isika handinika ny zavatra tsara sasany nataon’i Jehovah ho antsika.

4. Inona ny zavatra tsara ataon’i Jehovah amin’ny olona manomboka mifandray akaiky aminy?

4 Isaky ny mampihatra an’izay atoron’i Jehovah isika, dia mahita hoe misy vokany tsara izany. Nampiany mba tsy hieritreritra na hanao zavatra tsy mampifaly azy, ohatra, isika rehefa nianatra momba azy sy lasa tia azy. (Kol. 1:21) Vao mainka isika nahita hoe tsara i Jehovah, rehefa nanokan-tena sy natao batisa. Nomeny feon’ny fieritreretana madio mantsy isika, ary nampiany mba ho lasa namany akaiky.​—1 Pet. 3:21.

5. Ahoana no ahitantsika hoe tsara i Jehovah rehefa manompo isika?

5 Rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana koa isika, dia mahita hoe tsara i Jehovah. Saro-kenatra ve ianao? Betsaka ny mpanompon’i Jehovah hoatr’izany. Ahoana, ohatra, tamin’ianao mbola tsy nanompo azy? Tsy noeritreretinao mihitsy angamba hoe ianao io no handeha handondòna eny am-baravaran’olona tsy fantatra, dia hiresaka hafatra tsy tian’olona. Manao an’izany tsy tapaka anefa ianao izao! Tsy vitan’izay fa nampian’i Jehovah ianao ka mankafy an’izany mihitsy. Hitanao hoe nanampy anao i Jehovah, ary be dia be ny fomba nanaovany an’izany. Nanampy anao ho tony, ohatra, izy rehefa nisy nanohitra ianao. Nampiany koa ianao mba hahatadidy andinin-teny mety tsara haseho amin’ny olona liana. Ankoatra izany, dia nomeny hery ianao amin’izay mahavita mitory foana na dia tsy mihaino aza ny olona.​—Jer. 20:7-9.

6. Nahoana ny fampiofanana omen’i Jehovah antsika no mampiseho hoe tsara izy?

6 Mampiofana antsika amin’ny fanompoana i Jehovah, ary hita amin’izany koa fa tsara izy. (Jaona 6:45) Maheno hevitra azo resahina eny amin’ny fanompoana, ohatra, isika rehefa manatrika fivoriana andavanandro. Efa voaomana tsara izy ireny, ary ampirisihina hampihatra azy ireny isika rehefa manompo. Somary natahotra angamba ianao tamin’ny voalohany hoe hanandrana fomba fitory vaovao. Rehefa nanandrana anefa ianao, dia nahita hoe tena nety tamin’ny olona teny amin’ny faritany ilay izy. Ankoatra izany, dia ampirisihina isika rehefa any am-pivoriana sy eny amin’ny fivoriambe, mba hanandrana fanompoana mbola tsy nataontsika. Marina fa mety hampahatahotra antsika koa izany, satria tsy maintsy hiala amin’ny mahazatra isika. Hamaly soa antsika anefa i Jehovah. Afaka manandrana fomba vaovao mba hanomezana ny tsara indrindra ho an’i Jehovah àry isika, na manao ahoana na manao ahoana ny zavatra iainantsika. Hotahiny isika raha manao an’izany. Andao isika handinika ny sasany amin’izany fitahiana izany. Hojerentsika koa hoe inona no azo atao mba hampitomboana ny fanompoantsika.

TAHIN’I JEHOVAH IZAY MATOKY AZY

7. Inona ny fitahiana ho azontsika rehefa miezaka mafy mampitombo ny fanompoana isika?

7 Vao mainka ianao ho akaiky an’i Jehovah. Eritrereto izay nitranga tamin’ny anti-panahy antsoina hoe Samuel. * Manompo any Kolombia izy sy ny vadiny. Mpisava lalana ry zareo tany amin’ny fiangonana nisy azy taloha, ary nankafy an’izany. Te hampitombo ny fanompoany anefa izy mivady, dia hanampy any amin’izay fiangonana mila mpitory betsaka kokoa. Nila nanao sorona sasany ry zareo mba hanatratrarana an’izany tanjona izany. Hoy i Samuel: “Nampihatra ny Matio 6:33 izahay, dia lasa tsy nividy zavatra tsy nilainay. Ilay nifindra trano anefa no mafy indrindra taminay. Nety be taminay mantsy ilay tranonay taloha, sady tsy nisy vola nila naloanay tamin’ilay izy intsony.” Ny ampahenin’ny karamany taloha dia efa ampy hiveloman’izy mivady, rehefa nifindra tany amin’ilay fiangonana vaovao ry zareo. Izao no nolazain’i Samuel: “Hitanay ny fomba nitarihan’i Jehovah anay sy namaliany ny vavaka nataonay. Tsapanay hoe mankasitraka anay sy tia anay izy, ary vaovao be aminay ny fomba ampisehoany an’izany.” Ary ianao ve afaka mampitombo ny fanompoanao? Matokia fa ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao raha manao an’izany, ary hikarakara anao izy.​—Sal. 18:25.

8. Inona no ianaranao avy amin’izay nolazain’i Ivan sy Viktoria?

8 Hahafaly anao ny fanompoanao. Nahatsapa an’izany i Ivan sy Viktoria. Mpisava lalana any Kirghizistan izy mivady. Niezaka hanana fiainana tsotra foana izy roa mba ho afaka handray anjara amin’izay fanompoana azony atao, ohatra hoe manao fanorenana. Izao no nolazain’i Ivan: “Manao izay tsara indrindra vitanay izahay amin’izay fanompoana rehetra ataonay. Marina hoe reraka izahay rehefa hariva ny andro. Milamin-tsaina sy afa-po anefa izahay, satria nampiasainay ho an’i Jehovah ny herinay. Faly be koa izahay fa nahazo namana sy fahatsiarovana mahafinaritra be.”​—Mar. 10:29, 30.

9. Ahoana no nataon’ny anabavy iray manana olana mba hampitomboana ny fanompoany? Inona no vokatr’izany?

9 Afaka ny ho faly isika rehefa manompo an’i Jehovah, na dia manana olana aza. Hoatr’izany ny anabavy atao hoe Mirreh. Any Afrika Andrefana izy no mipetraka. Efa antitra izy sady maty vady. Dokotera izy taloha, ary nanomboka nanao mpisava lalana rehefa nisotro ronono. Voan’ny aretin’ny tonon-taolana i Mirreh, dia manaintaina be rehefa mandeha. Adiny iray ihany àry no vitany rehefa mitory isan-trano. Mahavita mitory ela kokoa anefa izy rehefa manao fampirantiana. Manana fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly be dia be koa izy. Amin’ny telefaonina no iresahany amin’ny sasany amin’ireo. Fa maninona i Mirreh no niezaka nampitombo ny fanompoany? Izao no nolazainy: “Tena tia an’i Jehovah sy Kristy Jesosy aho. Matetika aho no mivavaka amin’i Jehovah mba hampiany hanompo azy betsaka araka izay azoko atao.”​—Mat. 22:36, 37.

10. Inona no omen’i Jehovah an’izay miezaka hanompo azy bebe kokoa, araka ny 1 Petera 5:10?

10 Hahazo fampiofanana fanampiny avy amin’i Jehovah ianao. Nahatsapa an’izany i Kenny, mpisava lalana any Maorisy. Rehefa nahalala ny fahamarinana izy, dia tsy nianatra teny amin’ny oniversite intsony, fa natao batisa ary nanomboka nanompo manontolo andro. Izao no noteneniny: “Te hanana ny toe-tsain’i Isaia mpaminany aho. Izy mantsy nilaza hoe: ‘Intỳ aho iraho!’” (Isaia 6:8) Nandray anjara tamin’ny tetikasa fanorenana maromaro i Kenny, ary nanampy tamin’ny fandikana ny boky sy gazetintsika tamin’ny fiteniny. Izao koa no nolazainy: “Nampiofanina aho dia lasa nahay ny asa nanendrena ahy.” Tsy ny fomba fanaovana an’ilay asa fotsiny anefa no nianarany. Hoy ihany izy: “Lasa hitako koa hoe inona ny toetra tokony hiezahako mba ho azon’i Jehovah sy ny fandaminana ampiasaina bebe kokoa aho.” (Vakio ny 1 Petera 5:10.) Maninona àry raha dinihina ny fiainanao dia jerena sao misy fiovana azo atao, mba hahazoanao fampiofanana fanampiny avy amin’i Jehovah?

Mpivady mitory any amin’ny toerana mila mpitory bebe kokoa; anabavy tanora mandray anjara amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana; mpivady zokiolona mitory an-telefaonina. Mahatonga an-dry zareo ho faly be ny fanompoany (Fehintsoratra 11)

11. Inona ny ezaka nataon’ny anabavy sasany tany Korea Atsimo mba hahafahan’izy ireo hitory? Inona no vokatr’izany? (Jereo koa ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

11 Na Vavolombelon’i Jehovah efa ela aza mandray soa, rehefa ampiofanina mba hanandrana karazana fanompoana vaovao. Izao, ohatra, no nosoratan’ny anti-panahy any Korea Atsimo, nandritra an’ilay valanaretina COVID-19: “Nisy mpitory tsy afaka nitory firy taloha satria tsy salama. Mitory amin’ny alalan’ny vidéoconférence anefa ry zareo izao. Nisy anabavy 80 taona mahery, ohatra, nianatra an’io teknolojia vaovao io. Telo ry zareo ary efa ho isan’andro no manompo.” (Sal. 92:14, 15) Te hampitombo ny fanompoanao ve ianao, ka hahita bebe kokoa hoe tsara i Jehovah? Ireto misy zavatra sasany azonao atao.

INONA NO AZONAO ATAO?

12. Inona no ampanantenain’i Jehovah an’izay matoky azy?

12 Mianara miantehitra amin’i Jehovah. Nampanantena izy hoe homeny fitahiana be dia be izay matoky azy sy manome ny tsara indrindra ho azy. (Mal. 3:10) Nahatsapa an’izany i Fabiola, anabavy any Kolombia. Te hanao mpisava lalana maharitra izy taoriana kelin’ny batisany. Tsy maintsy niasa anefa izy mba hanampiana ny vadiny hamelona ny zanany telo mianadahy. Rehefa ampy taona hisotro ronono àry izy, dia nivavaka mafy mba hampian’i Jehovah. Hoy izy: “Elaela matetika vao mivaly ny fangatahana vola fisotroan-dronono. Ny ahy anefa iray volana taorian’ny fangatahako dia nivaly. Tena hoe fahagagana e!” Roa volana taorian’izay izy dia nanomboka nanao mpisava lalana. Efa 70 taona mahery izy izao, ary 20 taona mahery no nanao mpisava lalana. Olona valo no nampiany mba ho vita batisa, tao anatin’izay fotoana izay. Izao no nolazainy: “Mahatsiaro hoe lany hery aho indraindray, nefa manampy ahy i Jehovah isan’andro dia mahavita manaraka ny fandaharam-potoanako aho.”

Natoky an’i Jehovah i Abrahama sy Saraha, Jakoba, ary ny mpisorona niampita ny Reniranon’i Jordana. Ahoana no nampisehoany an’izany? (Fehintsoratra 13)

13-14. Ny tantaran’iza no afaka manampy antsika hatoky an’i Jehovah sy hampitombo ny fanompoantsika?

13 Mianara avy amin’ireo olona natoky an’i Jehovah. Be dia be ny olona tantaraina ao amin’ny Baiboly hoe niezaka be tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ry zareo no nanao zavatra voalohany, izay i Jehovah vao nanome fitahiana miavaka ho azy. Misy ohatra maromaro manaporofo an’izany ao amin’ny Baiboly. Efa avy niala tany amin’ny nisy azy, ohatra, i Abrahama vao notahin’i Jehovah. “Tsy fantany” akory anefa tamin’izay “hoe ho aiza” izy. (Heb. 11:8) Hoatr’izany koa i Jakoba. Efa avy nitolona tamin’ilay anjely izy vao nahazo fitahiana miavaka. (Gen. 32:24-30) Mbola hoatr’izany koa rehefa hiditra ny Tany Nampanantenaina ny firenen’Israely. Efa niroboka tao anatin’ilay Reniranon’i Jordana nisasasasa be ny mpisorona, izay ilay rano vao nijanona ka afaka niampita ny vahoaka.​—Jos. 3:14-16.

14 Misy mpanompon’i Jehovah matoky azy sy mampitombo ny fanompoany koa amin’izao. Afaka mianatra avy amin’izy ireny ianao. Hoatr’izany i Payton sy Diana. Tia namaky ny tantaran’ny rahalahy sy anabavy nampitombo ny fanompoany ry zareo. Anisan’izany ny ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Nahafoy Tena Izy Ireo.” * Izao no nolazain’i Payton: “Rehefa namaky an’ireny izahay, dia hoatran’ny hoe nijery olona nihinana sakafo matsiro be. Arakaraka ny nijerenay an-dry zareo no nahatonga anay hilendalenda. Lasa te ‘hanandrana’ koa izahay mba hahitanay hoe ‘tsara i Jehovah.’” Nandeha nanitatra izy mivady tatỳ aoriana. Ianao ve efa namaky an’io andian-dahatsoratra io? Efa nojerenao koa ve ilay video hoe Fitoriana any Amin’ny Faritany Mitokana: Aostralia sy ilay hoe Fitoriana any Amin’ny Faritany Mitokana: Irlandy? Ao amin’ny jw.org no misy an’ireo. Mety hanampy anao hahita fomba hampitomboana ny fanompoanao izany.

15. Inona no vokany rehefa mpiara-manompo manao loha laharana an’ilay Fanjakana no ataontsika namana?

15 Izay mpiara-manompo manao loha laharana an’ilay Fanjakana atao namana. Hazoto hanandrana sakafo vaovao isika raha miaraka amin’ny olona mankafy an’ilay izy. Hoatr’izany koa amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Raha olona manao loha laharana ny fanompoana no ataonao namana, dia vao mainka ianao te hitady hevitra hampitomboana ny fanompoanao. Izany no nitranga tamin’i Kent sy Veronica. Izao no nolazain’i Kent: “Nampirisika anay hanandrana fanompoana mbola tsy nataonay ny namanay sy ny fianakavianay. Hitanay hoe rehefa miaraka amin’ny olona manao loha laharana an’ilay Fanjakana ianao, dia lasa sahy manandrana karazana fanompoana vaovao.” Mpisava lalana manokana any Serbia izao izy mivady.

16. Fa maninona isika no tokony ho vonona hanao sorona, raha jerena ny Lioka 12:16-21?

16 Manaova sorona ho an’i Jehovah. Tsy voatery hahafoy an’izay rehetra mahafinaritra antsika isika mba hampifaliana an’i Jehovah. (Mpito. 5:19, 20) Ahoana anefa raha tsy te hanompo bebe kokoa isika, satria tsy vonona hamoy ny zavatra sasany tiantsika? Mety hamerina ny fahadisoana nataon’ilay lehilahy ao amin’ny fanoharan’i Jesosy isika. Nanao izay hampiadanana ny tenany izy fa tsy niraharaha an’Andriamanitra. (Vakio ny Lioka 12:16-21.) Izao no nolazain’i Christian, rahalahy any Frantsa: “Hitako hoe tsy ny tsara indrindra tamin’ny fotoanako sy ny heriko no nomeko an’i Jehovah sy ny fianakaviako.” Nanapa-kevitra hanao mpisava lalana àry izy mivady. Tsy maintsy niala tamin’ny asany anefa ry zareo vao nahavita an’izany. Dia ahoana no nivelomany? Nanokatra orinasa kely manadio trano ry zareo. Lasa kely kokoa ny vola azony, dia nianatra ny ho afa-po tamin’izany ry zareo. Nanenina ve izy mivady hoe nanao sorona hoatr’izany? Hoy i Christian: “Tianay kokoa izao ny fanompoana, ary faly izahay hoe mianatra momba an’i Jehovah ny olona ampianarinay Baiboly sy tsidihinay.”

17. Inona ny olana natrehin’ny anabavy iray, ary inona no nanampy azy?

17 Manandrama karazana fanompoana mbola tsy nataonao. (Asa. 17:16, 17; 20:20, 21) Izany no nataon’i Shirley nandritra an’ilay valanaretina COVID-19. Mpisava lalana any Etazonia izy. Tsy sahy nitory an-telefaonina izy taloha. Nampiofanina hanao an’izany anefa izy nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra, dia lasa nitory an-telefaonina matetika. Izao no nolazainy: “Tena natahotra aho tamin’ny voalohany! Izao anefa ilay izy lasa tiako be. Mahavita miresaka amin’ny olona betsaka kokoa izahay, raha oharina amin’ny tamin’ny nitory isan-trano.”

18. Inona no azonao atao raha mahita olana ianao rehefa miezaka mampitombo ny fanompoanao?

18 Eritrereto izay tianao hatao, dia tanteraho ilay izy. Mivavaka isika rehefa misy olana, ary mieritreritra tsara hoe inona no azo atao mba hamahana an’ilay izy. (Ohab. 3:21) Eritrereto i Sonia. Mpisava lalana ao amin’ny antoko-mpitory miteny rômania any Eoropa izy. Izao no nolazainy: “Soratako amin’ny taratasy izay tiako hatao, dia apetrako amin’ny toerana talaky maso iny taratasy iny. Manana sarina sampanan-dalana koa aho eo ambonin’ny latabatro. Rehefa misy fanapahan-kevitra tokony horaisiko, dia mandinika an’io sampanan-dalana io aho sady mieritreritra hoe iza no fanapahan-kevitra hanampy ahy hanatratra ny tanjoko.” Miezaka hanana toe-tsaina tsara foana koa izy rehefa misy olana. Hoy ihany izy: “Isaky ny manana olana aho, dia mila misafidy hoe hataoko hoatran’ny rindrina hanakana ahy tsy handroso ve ilay izy, sa hoatran’ny tetezana hanampy ahy hanatratra ny tanjoko. Miankina amin’ny toe-tsaiko izany.”

19. Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka ny zavatra tsara omen’i Jehovah isika?

19 Be dia be tokoa ny fitahiana omen’i Jehovah antsika! Asehonao hoe tena mankasitraka an’izany ianao, raha manao izay rehetra azo atao mba hiderana azy. (Heb. 13:15) Maninona, ohatra, raha mitady fomba vaovao hampitomboana ny fanompoana? Vao mainka ianao hotahin’i Jehovah raha manao an’izany. Mitadiava hevitra isan’andro mba hampiharana an’ilay hoe: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.” Hanahaka an’i Jesosy ianao amin’izay. Nilaza izy hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.”​—Jaona 4:34.

HIRA 80 “Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”

^ feh. 5 Avy amin’i Jehovah ny zavatra tsara rehetra, ary omeny an’izany daholo ny olona na ny ratsy fanahy aza. Ny mpanompony tsy mivadika anefa no tena tiany homena zavatra tsara. Hojerentsika ato hoe ahoana no anaovan’i Jehovah an’izany amin’ny mpanompony. Ho hitantsika koa hoe miavaka ny fomba ampisehoan’i Jehovah an’izany amin’ny olona mampitombo ny fanompoany.

^ feh. 7 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 14 Tao amin’ny Tilikambo Fiambenana no nisy an’io andian-dahatsoratra io taloha, fa ao amin’ny jw.org kosa izy io izao. Midira ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY > FITANTARANA > TANJONA AMIN’NY FANOMPOANA.