LAHATSORATRA FIANARANA 36

Sarobidy ny Tanjaky ny Tanora

Sarobidy ny Tanjaky ny Tanora

“Ravaky ny tanora ny tanjany.”​—OHAB. 20:29.

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

HO HITANAO ATO *

1. Inona no tanjona azontsika tratrarina rehefa mihamandroso taona isika?

REHEFA mandroso taona isika, dia mety hatahotra sao hihena ny azontsika atao ho an’i Jehovah. Marina aloha hoe mety tsy hitovy amin’ny taloha intsony ny herintsika. Betsaka anefa ny fahendrena sy traikefa azontsika. Afaka mampiasa an’izany isika mba hanampiana ny tanora. Amin’izay ry zareo ho azon’ny fandaminan’i Jehovah ampiasaina sy ho afaka hiantsoroka andraikitra bebe kokoa. Hoy ny anti-panahy efa ela iray: “Nisy zavatra sasany tsy vitako intsony rehefa nandroso taona aho. Faly anefa aho hoe nisy rahalahy tanora kokoa nahafeno fepetra sady afaka nanao an’ilay izy.”

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny soa raisin’ny tanora, rehefa miezaka hifandray akaiky kokoa amin’ny be taona ry zareo. Horesahina ato kosa ny toetra sasany ilain’ny be taona mba hahatonga azy hahay hiara-miasa amin’ny tanora, ka hitondra soa ho an’ny fiangonana. Mila manetry tena, ohatra, izy, manaiky hoe voafetra ny azony atao, mahay mankasitraka, ary tia mizara.

MIEZAHA HANETRY TENA

3. Inona no atao hoe manetry tena, araka ny Filipianina 2:3, 4? Nahoana ny Kristianina no mila an’io toetra io?

3 Tsy maintsy manetry tena ny be taona raha te hanampy ny tanora. Mihevitra ny hafa ho ambony noho ny tenany ny olona manetry tena. (Vakio ny Filipianina 2:3, 4.) Raha manetry tena ny be taona, dia hiaiky hoe matetika no misy fomba maro azo amitana tsara ny asa iray sady tsy mifanohitra amin’ny Baiboly. Tsy hieritreritra àry ry zareo hoe tokony ho hoatran’ny nanaovany azy taloha no hanaovan’ny olon-kafa an’ilay izy. (Mpito. 7:10) Marina fa manana traikefa sarobidy azo zaraina amin’ny tanora ry zareo. Manaiky koa anefa ry zareo hoe “miovaova ny sehatr’ity tontolo ity”, ka angamba mila mianatra fomba fanaovana zavatra vaovao ry zareo.​—1 Kor. 7:31.

Tia mizara ny traikefa ananany ny be taona (Fehintsoratra 4-5) *

4. Ahoana no ampisehoan’ny mpiandraikitra ny faritra hoe mitovy amin’ny an’ny Levita ny toe-tsain’izy ireo?

4 Raha manetry tena ny be taona, dia hanaiky hoe tsy mahavita betsaka hoatran’ny taloha intsony izy ireo rehefa mihantitra. Eritrereto, ohatra, ny mpiandraikitra ny faritra. Miova fanendrena izy ireo rehefa 70 taona. Mety ho sarotra amin-dry zareo izany fiovana izany. Tena nahafaly azy ireo mantsy ny nanampy ny mpiara-manompo. Nahafinaritra an-dry zareo ny asan’ny faritra, ary satriny hanohy an’izany foana. Hitan’izy ireo anefa hoe aleo ny tanora kokoa no manao an’ilay asa. Manana toe-tsaina mitovy amin’ny an’ny Levita tany Israely izy ireo. Tsy nanompo tao amin’ny tranolay masina intsony ny Levita rehefa feno 50 taona. Tsy niankina tamin’izany anefa ny fifaliany. Nataony tsara daholo izay mbola azony natao, ary nanampy ny Levita tanora kokoa izy. (Nom. 8:25, 26) Hoatr’izany koa ny mpiandraikitra ny faritra. Marina fa tsy manampy fiangonana be dia be hoatran’ny taloha intsony ry zareo rehefa feno 70 taona. Tena manampy ny fiangonana anendrena azy anefa ry zareo.

5. Inona no ianaranao avy amin’i Dan sy Katie?

5 Eritrereto i Dan. Mpiandraikitra ny faritra nandritra ny 23 taona izy. Voatendry ho mpisava lalana manokana izy sy Katie vadiny, rehefa feno 70 taona i Dan. Faly amin’ilay fanendrena vaovao ve ry zareo? Nilaza i Dan hoe mbola tsy be atao hoatran’ny amin’izao izy. Sady manao ny andraikiny ao amin’ny fiangonana izy no manampy rahalahy hahafeno fepetra ho mpanampy amin’ny fanompoana. Tsy vitan’izany fa mampiofana mpitory izy mba hahay hitory any amin’ny tanàn-dehibe sy any amin’ny fonja. Raha be taona àry ianao, dia tadidio fa betsaka no azonao atao mba hanampiana ny hafa, na manompo manontolo andro ianao na tsia. Ankafizo ny fiovana eo amin’ny fiainanao. Manàna tanjona vaovao, ary mifantoha amin’izay azonao atao fa tsy amin’izay tsy vitanao intsony.

EKEO FA VOAFETRA NY AZONAO ATAO

6. Fa maninona no hendry ianao raha manaiky hoe voafetra ny azonao atao? Hazavao amin’ny ohatra.

6 Eken’ny olona manetry tena hoe voafetra ny azony atao. (Ohab. 11:2) Tsy mitaky be loatra amin’ny tenany izy vokatr’izany. Tsy mihena àry ny fifaliany sady mahavita zavatra foana izy. Mitovy amin’ny olona mitondra aotomobilina miaka-piakarana ny olona hoatr’izany. Ahenany ny hafainganam-pandehany, amin’izay izy afaka manohy miakatra foana. Mandroso foana ilay aotomobilina na dia mety handeha miadana kokoa aza. Hoatr’izany koa ny olona manaiky hoe voafetra ny azony atao. Fantany hoe rahoviana izy no mila manao fiovana, dia mampihena ny zavatra ataony eo amin’ny fanompoana. Tsy hitsahatra hanompo an’i Jehovah mihitsy izy amin’izay, sady hahavita hanampy ny hafa foana.​—Fil. 4:5.

7. Nanaiky i Barzilay hoe voafetra ny azony natao. Ahoana no nampisehoany an’izany?

7 Modely ho antsika i Barzilay. Valopolo taona izy rehefa nanasa azy mba ho anisan’ny mpanolo-tsainy i Davida Mpanjaka. Tsy nety anefa izy satria niaiky hoe voafetra ny azony natao noho izy efa be taona. Lehilahy tanora kokoa noho izy no nasainy hanaraka an’i Davida. Kimama no anarany. (2 Sam. 19:35-37) Manahaka an’i Barzilay ny rahalahy be taona, ka faly mamela ny rahalahy tanora kokoa hiantsoroka andraikitra.

Nanaiky ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra i Davida Mpanjaka hoe ny zanany no hanorina ny tempoly (Fehintsoratra 8)

8. Nanaiky i Davida hoe voafetra ihany ny azony natao. Ahoana no nampisehoany an’izany tamin’izy te hanorina ny tempoly?

8 Modely koa i Davida Mpanjaka, satria niaiky hoe voafetra ny azony natao. Naniry mafy hanorina trano ho an’i Jehovah izy. Ahoana anefa no nataony rehefa nilazan’i Jehovah izy hoe i Solomona zanany no hahazo an’izany tombontsoa izany? Nanaiky ny fanapahan-kevitr’i Jehovah izy, dia nanao izay rehetra azony natao mba hanohanana an’ilay tetikasa. (1 Tan. 17:4; 22:5) Tsy nieritreritra i Davida hoe mahay kokoa izy ka tokony hanao an’ilay asa, satria i Solomona “mbola kely sy tanora fanahy.” (1 Tan. 29:1) Fantany fa miankina amin’ny fitahian’i Jehovah no hahavitana an’ilay tempoly, fa tsy miankina amin’ny taonan’ireo mitarika na ny traikefan’izy ireo. Manahaka an’i Davida ny be taona ka manao izay azony atao ho an’i Jehovah foana, na dia miova aza ny andraikiny. Matoky izy hoe hotahin’i Jehovah ny tanora manao ny asa nataony teo aloha.

9. Nanaiky ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana hoe voafetra ny azony atao. Ahoana no nampisehoany an’izany?

9 Modely tsara koa ny mpiara-manompo amin’izao andro izao. Anisan’izany ny Rahalahy Shigeo. Voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana izy tamin’ny 1976, tamin’izy 30 taona. Lasa mpandrindra ny Komitin’ny Sampana izy tamin’ny 2004. Tonga saina izy tatỳ aoriana hoe lasa tsy natanjaka hoatran’ny taloha intsony, ary ela kokoa vao nahavita ny asany. Noresahiny tamin’i Jehovah ilay izy. Nieritreritra koa izy hoe inona no ho tombony raha rahalahy tanora kokoa no manao ny andraikiny. Rahalahy hafa àry no lasa mpandrindra. Mbola anisan’ny Komitin’ny Sampana anefa i Shigeo, ary miara-miasa tsara amin’ny rahalahy hafa ao amin’izy io. Inona àry no ianarantsika avy amin’i Barzilay sy Davida Mpanjaka ary Shigeo? Raha manetry tena ny be taona ary manaiky hoe voafetra ny azony atao, dia tsy hifantoka amin’izay mbola tsy hain’ny tanora izy fa hifantoka amin’ny toetra tsaran’izy ireo sy izay efa hainy. Mpiara-miasa aminy no hiheverany ny tanora fa tsy mpifaninana aminy.​—Ohab. 20:29.

MAHAIZA MANKASITRAKA

10. Ahoana no fiheveran’ny be taona ny tanora ao amin’ny fiangonana?

10 Mihevitra ny be taona hoe fanomezana avy amin’i Jehovah ny tanora, ary mankasitraka ny ataon’izy ireny ry zareo. Mihamihena ny herin’ny zokiolona, ka zarany aza hoe misy tanora vonona sy matanjaka afaka manohy ny asa sy manampy ny fiangonana.

11. Mandray soa ny be taona rehefa manaiky hampian’ny tanora. Nahoana ny Rota 4:13-16 no manaporofo an’izany?

11 Miresaka momba an’i Naomy ny Baiboly. Tena ohatra tsara izy, satria be taona nefa nanaiky hampian’ny tanora ary nankasitraka an’izany. Rehefa maty ny zanakalahin’i Naomy, dia nasain’i Naomy nody tany amin’ny fianakaviany i Rota vinantovaviny. Tsy nanaiky anefa i Rota fa nisisika hiaraka aminy ho any Betlehema. Nahafaly an’i Naomy izany, ary nanaiky hampian’i Rota izy. (Rota 1:7, 8, 18) Samy nandray soa izy mianaka noho izany. (Vakio ny Rota 4:13-16.) Hanao hoatran’i Naomy ny be taona raha manetry tena.

12. Ahoana no ahitana hoe nankasitraka ny fanampiana nomena azy ny apostoly Paoly?

12 Nankasitraka ny fanampiana nomena azy ny apostoly Paoly. Nisaotra ny Kristianina tany Filipy, ohatra, izy noho ny fanomezana nalefan-dry zareo ho azy. (Fil. 4:16) Nankasitraka ny fanampiana nomen’i Timoty koa izy. (Fil. 2:19-22) Tsy izay ihany fa nisaotra an’Andriamanitra i Paoly hoe nisy mpiara-manompo tonga nampahery azy, rehefa nentina higadra tany Roma izy. (Asa. 28:15) Olona navitrika i Paoly, ary nanao dia an’arivony kilaometatra mba hitoriana sy hampaherezana ny fiangonana. Nanetry tena anefa izy ka nanaiky hampian’ny mpiara-manompo.

13. Ahoana no hampisehoan’ny be taona hoe mankasitraka ny tanora ry zareo?

13 Be taona àry ve ianao? Maro ny fomba azonao ampisehoana hoe mankasitraka ny tanora ao amin’ny fiangonana ianao. Raha te hanampy anao amin’ny fitaterana na fiantsenana na zavatra hafa, ohatra, izy, dia ekeo izany ary isaory izy. Tadidio hoe porofon’ny fitiavan’i Jehovah anao ireny. Mety ho lasa mpinamana be mihitsy aza ianao sy ilay tanora. Miezaha foana koa hanampy ny tanora handroso ara-panahy. Lazao azy hoe faly ianao mahita azy miezaka manampy kokoa ny fiangonana. Manokàna koa fotoana hiarahana aminy sy hitantarana aminy an’izay efa niainanao. Raha manao an’izany ianao, dia hampiseho amin’i Jehovah hoe mankasitraka azy noho izy nitaona ny tanora ho ao amin’ny fiangonana.​—Kol. 3:15; Jaona 6:44; 1 Tes. 5:18.

MIEZAHA HO TIA MIZARA

14. Ahoana no nampisehoan’i Davida fa tia nizara izy?

14 Anisan’ny toetra tokony hananan’ny be taona koa ny hoe tia mizara. Hoatr’izany i Davida Mpanjaka. Nanome vola sy zava-tsarobidy be dia be avy tamin’ny fananany manokana izy mba hanamboarana ny tempoly. (1 Tan. 22:11-16; 29:3, 4) Efa fantany tsara anefa hoe i Solomona zanany no hahazo voninahitra rehefa vita izy io. Ahoana àry raha tsy manana hery handraisana anjara amin’ny fanorenana intsony ianao? Mbola afaka manohana an’ireny tetikasa ireny ianao, raha manao fanomezana araka izay vitanao. Azonao atao koa ny mizara ny traikefa anananao mba hahasoa ny tanora.

15. Inona ny fanomezana sarobidy nozarain’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty?

15 Tia nizara traikefa ny apostoly Paoly. Nasainy hanao misionera niaraka taminy i Timoty. Natorony an’io rahalahy tanora io ny fomba fitoriny sy ny fomba fampianarany. (Asa. 16:1-3) Lasa nahay nitory sy nampianatra i Timoty noho ny fampiofanana nomen’i Paoly. (1 Kor. 4:17) I Timoty indray nampiasa ny zavatra nampianarin’i Paoly azy mba hampiofanana ny hafa.

16. Fa maninona i Shigeo no nampiofana ny hafa?

16 Tsy matahotra ny rahalahy be taona hoe sao dia tsy ilaina intsony, raha mampiofana tanora hanao ny asa nataon-dry zareo tao amin’ny fiangonana. Hoatr’izany i Shigeo, ilay voaresaka tetsy aloha. Efa aman-taonany izy no nampiofana an’ireo rahalahy tanora kokoa anisan’ny Komitin’ny Sampana any amin-dry zareo. Nanao an’izany izy mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana ao amin’ny tany misy azy. Rehefa nandeha ny fotoana ka tsy afaka ny ho mpandrindra intsony izy, dia nisy rahalahy efa voaofana tsara afaka nisolo azy. Efa 45 taona mahery i Shigeo no anisan’ny Komitin’ny Sampana, ary mbola mizara ny traikefa azony nandritra an’izay fotoana izay izy. Tena manampy ny vahoakan’Andriamanitra ny rahalahy hoatr’azy.

17. Inona no azon’ny be taona atao, raha ny Lioka 6:38 no jerena?

17 Ry rahalahy sy anabavy be taona, hitanay amin’ny ohatra omenareo hoe tsy misy tsara noho ny manompo an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy. Asehonareo koa hoe tsy matiantoka mihitsy izay mianatra sy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Ianareo mihitsy no nahita ny fomba fiasa taloha, nefa ianareo manaiky hoe ilaina ny manaraka fiovana. Ary ahoana ny amin’ireo be taona natao batisa vao haingana? Betsaka koa ny azonareo zaraina, ohatra hoe ny fifaliana tsapanareo rehefa nahafantatra an’i Jehovah. Ho faly ny tanora hihaino anareo mitantara ny zavatra niainanareo sy ny lesona noraisinareo teo amin’ny fiainana. Homen’i Jehovah fitahiana be dia be ianareo, raha zatra manome sy mizara izay traikefa azonareo.​—Vakio ny Lioka 6:38.

18. Inona ny soa ho azon’ny be taona sy ny tanora raha mifanampy izy ireo?

18 Ry be taona, inona no ho vokany raha miezaka ianareo mba hifandray kokoa amin’ny tanora? Ho afaka hifanohana ianareo. (Rom. 1:12) Ny be taona mantsy manana zava-tsarobidy tsy ananan’ny tanora, satria manana fahendrena sy traikefa izay voangony nandritra an’ireo taona niainany. Ny tanora indray manana zava-tsarobidy tsy ananan’ny be taona, satria manana hery sy tanjaka. Hanome voninahitra an’ilay Raintsika be fitiavana ianareo sady hitondra soa ho an’ny fiangonana, raha miara-miasa sy minamana tsara.

HIRA 90 Andao Isika Hifampahery

^ feh. 5 Tena faly isika hoe manana tanora be dia be ao amin’ny fiangonana. Manao izay tsara indrindra vitany ry zareo, mba hanohanana ny fandaminan’i Jehovah. Na inona na inona kolontsain’ny be taona na fiaviany, dia afaka manampy ny tanora ry zareo mba hampiasa ny heriny rehetra hanompoana an’i Jehovah.

^ feh. 55 SARY: Feno 70 taona ny mpiandraikitra ny faritra iray, dia nahazo fanendrena vaovao izy sy ny vadiny. Afaka mampiofana ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana anompoany ry zareo izao, satria nahazo traikefa be dia be.