LAHATSORATRA FIANARANA 38

Miezaha ho Tia Kokoa An’i Jehovah sy ny Mpiara-manompo

Miezaha ho Tia Kokoa An’i Jehovah sy ny Mpiara-manompo

“Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho.”​—JAONA 20:17.

HIRA 3 Ianao no Tokinay

HO HITANAO ATO *

1. Ahoana no azontsika iantsoana an’i Jehovah?

ANISAN’NY fianakavian’i Jehovah i Jesosy, ilay “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” Hoatr’izany koa ireo anjely be dia be. (Kol. 1:15; Sal. 103:20) Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia nampahafantariny ny olona tsy mivadika hoe afaka mihevitra an’i Jehovah ho Rainy izy ireo. Niantso an’i Jehovah hoe “Raiko” sy “Rainareo”, ohatra, izy rehefa niresaka tamin’ny mpianany. (Jaona 20:17) Ary isika? Lasa anisan’io fianakaviana be fitiavana io isika, rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa.​—Mar. 10:29, 30.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Sarotra amin’ny olona sasany ny hihevitra an’i Jehovah ho Ray be fitiavana. Misy indray tsy mahay mampiseho fitiavana amin’ny mpiara-manompo. Azo atao tsara anefa ny mifandray akaiky amin’i Jehovah sy mihevitra azy ho Ray tena tia. Ho hitantsika ato hoe manampy antsika hahavita an’izany i Jesosy. Handinika koa isika hoe inona avy no azo atao raha te hanahaka an’i Jehovah rehefa mifandray amin’ny rahalahy sy anabavy.

TIAN’I JEHOVAH HO AKAIKY AZY IANAO

3. Nahoana ilay vavaka modely no manampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah?

3 Tsy manam-pahefana masiaka sy be baikobaiko i Jehovah. Ray be fitiavana sy tsara fanahy kosa izy ary mora iresahana. Hoatr’izany no fiheveran’i Jesosy an’i Jehovah. Tiany ho hoatr’izany koa no fiheverantsika an’i Jehovah, ary manaporofo an’izany ilay vavaka nampianariny ny mpianany. Ahoana no nanombohany azy io? Nilaza izy hoe: “Rainay.” (Mat. 6:9) Fa maninona isika no tsy nasainy hiantso an’i Jehovah hoe “Mahery Indrindra”, na “Mpamorona”, na “Mpanjakan’ny Mandrakizay”? (Gen. 49:25; Isaia 40:28; 1 Tim. 1:17) Tsy ho diso izy raha nilaza an’izany, satria anaram-boninahitra iantsoana an’i Jehovah daholo ireo ao amin’ny Baiboly. Tsy izany anefa no nampianarin’i Jesosy. Nasainy hampiasa an’ilay teny maneho fitiavana hoe “Ray” kosa isika rehefa miantso an’i Jehovah.

4. Ahoana no ahafantarantsika fa tian’i Jehovah ho akaiky azy isika?

4 Sarotra amin’ny sasany amintsika ny mieritreritra hoe Ray be fitiavana i Jehovah. Hoatr’izany ve ianao? Tsy azonao sary an-tsaina angamba hoe hoatran’ny ahoana izany dada be fitiavana izany, satria mety hoe tsy tsara fanahy taminao ny dadanao. Aza manahy fa azon’i Jehovah tsara ny fihetseham-ponao! Tsy mampahery anao ve izany? Tena tiany ho akaiky azy ianao. Izany no mahatonga azy hilaza hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jak. 4:8) Tena tia anao i Jehovah, ary mampanantena fa ho Ray tsara indrindra ho anao.

5. Araka ny Lioka 10:22, nahoana i Jesosy no afaka manampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah?

5 Afaka manampy antsika mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah i Jesosy. Mahafantatra tsara an’i Jehovah mantsy izy sady manahaka tanteraka ny toetrany. Izany no nahatonga azy hiteny hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray.” (Jaona 14:9) Hoatran’ny hoe zokintsika i Jesosy, dia mampianatra antsika hanaja sy hankatò ny Dadantsika. Atorony antsika hoe inona no tokony hatao raha tsy te hampalahelo azy, ary ahoana no hahazoana sitraka aminy. Hita amin’ny fiainan’i Jesosy tetỳ an-tany koa hoe tena tsara fanahy sy be fitiavana i Jehovah. (Vakio ny Lioka 10:22.) Hijery ohatra vitsivitsy manaporofo an’izany isika.

Ray be fitiavana i Jehovah ka naniraka anjely mba hampaherezana ny Zanany (Fehintsoratra 6) *

6. Manomeza ohatra manaporofo fa nihaino an’i Jesosy i Jehovah.

6Mihaino ny zanany i Jehovah. Izany no nataony tamin’ilay Zanany lahimatoa. Nivavaka imbetsaka io Zanany io tamin’izy tetỳ an-tany, ary azo antoka fa nohenoiny foana. (Lioka 5:16) Nihaino an’i Jesosy izy tamin’i Jesosy handray fanapahan-kevitra lehibe, anisan’izany ny fifidianana ny apostoly 12. (Lioka 6:12, 13) Nohenoiny koa io Zanany io rehefa niady saina, ohatra hoe rehefa hamadika azy i Jodasy. Nitalaho momba ny fitsapana mafy hatrehiny izy tamin’izay. Tsy hoe nihaino fotsiny anefa i Jehovah, fa nandefa anjely koa mba hampaherezana an’ilay Zanany malala.​—Lioka 22:41-44.

7. Inona no tsapanao rehefa mieritreritra hoe henoin’i Jehovah ny vavaka ataonao?

7 Mbola mihaino ny vavaka ataon’ny mpanompony i Jehovah amin’izao. Mamaly an’izany amin’ny fotoana mety izy, ary amin’ny fomba tsara indrindra. (Sal. 116:1, 2) Izany mihitsy no niainan’ny anabavy iray any Inde. Niady saina be io anabavintsika io, ary nivavaka mafy tamin’i Jehovah momba an’izany. Izao no nosoratany: “Tena natao ho ahy ilay fandaharana tamin’ny Tele JW volana Mey 2019! Noresahina tamin’ilay izy hoe ahoana no hatao rehefa manahy sy mitaintaina. Valin’ny vavaka nataoko mihitsy iny!”

8. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tia an’i Jesosy izy?

8 Tia sy mikarakara antsika i Jehovah, hoatran’ny nataony tamin’i Jesosy rehefa nanao ny asa sarotra nampanaoviny azy tetỳ an-tany io Zanany io. (Jaona 5:20) Nanampy an’i Jesosy mba hanana finoana matanjaka, ohatra, izy, dia nampahery azy tamin’izy niady saina, ary nikarakara ny zavatra hafa nilainy. Tsy nisalasala koa i Jehovah nilaza tamin’ilay Zanany hoe tiany sy nankasitrahany izy. (Mat. 3:16, 17) Tsy nahatsiaro ho irery mihitsy i Jesosy satria natoky fa ho eo foana ny Rainy ary hanampy azy.​—Jaona 8:16.

9. Inona no porofo hoe tia antsika i Jehovah?

9 Betsaka ny porofo nahitan’i Jesosy hoe tia azy i Jehovah, ary azo inoana fa manana porofo betsaka hoatr’izany koa isika rehetra. Eritrereto ange e! Notaomin’i Jehovah mba ho lasa namany isika. (Jaona 6:44) Nomeny fianakaviana be fitiavana sy miray saina koa isika. Manampy antsika mba ho faly ry zareo ary mampahery antsika rehefa kivy isika. Manome antsika sakafo ara-panahy tsy tapaka koa i Jehovah, amin’izay matanjaka foana ny finoantsika. Manampy antsika mba hahazo an’izay ilaintsika eo amin’ny fiainana andavanandro mihitsy aza izy! (Mat. 6:31, 32) Vao mainka isika tia an’i Jehovah rehefa mieritreritra ny fitiavany antsika.

TAHAFO I JEHOVAH REHEFA MIFANDRAY AMIN’NY MPIARA-MANOMPO IANAO

10. Ahoana no hampisehoantsika hoe manahaka an’i Jehovah isika, ka tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika?

10 Tian’i Jehovah ny rahalahy sy anabavintsika. Mety tsy ho mora amintsika foana anefa ny ho tia sy hampiseho fitiavana amin’izy ireo. Tsy mitovy mantsy ny kolontsaintsika sy ny fomba nitaizana antsika. Manao fahadisoana koa isika rehetra, ka mety hampahatezitra sy handiso fanantenana ny hafa. Na izany aza, dia afaka miezaka mafy isika rehetra mba ho tia kokoa ny mpiara-manompo amintsika. Ahoana no hanaovana an’izany? Mila manahaka an’ilay Raintsika isika. (Efes. 5:1, 2; 1 Jaona 4:19) Andao isika handinika hoe inona no azo ianarana avy amin’ny modely omen’i Jehovah.

11. Inona no mampiseho hoe ‘be fangorahana’ hoatran’i Jehovah i Jesosy?

11‘Be fangorahana’ i Jehovah. (Lioka 1:78) Malahelo ny olona mangoraka rehefa mahita olon-kafa mijaly, sady mitady fomba hanampiana sy hampaherezana azy. Hita tamin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona hoe tena miahy azy ireny izy, hoatran’i Jehovah. (Jaona 5:19) Rehefa nahita vahoaka i Jesosy indray mandeha, dia ‘nangoraka azy ireo satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry’ ry zareo. (Mat. 9:36) Tsy fihetseham-po fotsiny ny fangorahan’i Jesosy fa nasehony tamin’ny atao koa. Nanasitrana ny marary, ohatra, izy sady namelombelona an’izay ‘niasa mafy sy navesatra entana.’​—Mat. 11:28-30; 14:14.

Manaova hoatran’i Jehovah, ka miezaha hangoraka ny mpiara-manompo sy halala-tanana amin’izy ireo (Fehintsoratra 12-14) *

12. Ahoana, ohatra, no azontsika ampisehoana hoe mangoraka isika?

12 Inona no hanampy antsika hampiseho hoe mangoraka ny rahalahy sy anabavy isika? Mila mieritreritra ny olana mahazo an-dry zareo aloha isika. Andao hatao hoe marary mafy ny anabavy iray. Tsy mitaraina mihitsy izy nefa azo inoana fa ho faly raha mahazo fanampiana. Eritrereto àry hoe: Mbola vitany ve ny mikarakara an’izay ilain’ny fianakaviany? Sao dia mba mila ampiana kely izy hahandro sakafo na hanadio trano? Mety hoe mahafantatra rahalahy tsy an’asa koa isika. Maninona raha omena vola kely izy? Tsy voatery hampahafantarina azy hoe avy amintsika ilay vola. Mety hanampy azy izany mandra-pahitany asa indray.

13-14. Inona no azontsika atao raha te halala-tanana hoatran’i Jehovah isika?

13Malala-tanana i Jehovah. (Mat. 5:45) Tsy tokony hiandry ny rahalahy sy anabavy hangataka fanampiana isika, izay vao hampiseho hoe mangoraka an-dry zareo. Maninona raha tonga dia manao zavatra, hoatran’i Jehovah? Mampiposaka ny masoandro ho antsika izy isan’andro, na dia tsy mangataka an’izany akory aza isika. Ny olon-drehetra koa no mandray soa avy amin’ny hafanan’izy io, fa tsy izay mankasitraka an’izany fotsiny. Tsy hitanao ve hoe tia antsika i Jehovah matoa manome izay ilaintsika? Tena tiantsika i Jehovah satria tsara fanahy be izy sady malala-tanana!

14 Be dia be ny rahalahy sy anabavy manahaka an’ilay Raintsika any an-danitra. Tonga dia manome fanampiana ry zareo fa tsy miandry angatahina. Nandravarava an’i Philippines, ohatra, ilay Rivo-doza Haiyan tamin’ny 2013. Betsaka ny mpiara-manompo namoy ny tranony sy ny fananany. Nifarimbona nanampy an-dry zareo anefa ny rahalahy sy anabavy maneran-tany. Maro, ohatra, no nandefa vola na nandray anjara tamin’ny fanorenana. Trano efa ho 750 àry no namboarina na naorina, ary tsy ampy herintaona akory izany dia vita! Ankoatra izany, dia niezaka be ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampy ny mpiara-manompo aminy, nandritra an’ilay valanaretina COVID-19. Asehontsika hoe tena tia ny mpiara-manompo isika, rehefa mailaka manampy an-dry zareo.

15-16. Araka ny Lioka 6:36, inona no tokony hataontsika raha te hanahaka an’ilay Raintsika any an-danitra isika?

15Mamindra fo sy mamela heloka ilay Raintsika any an-danitra. (Vakio ny Lioka 6:36.) Manao an’izany amintsika izy isan’andro. (Sal. 103:10-14) Tsy lavorary ny mpanara-dia an’i Jesosy, nefa namindra fo sy namela ny helok’izy ireo izy. Nahafoy ny ainy mihitsy aza izy mba ho voavela ny fahotantsika. (1 Jaona 2:1, 2) Tsy vao mainka ve ianao te ho naman’i Jehovah sy Jesosy rehefa mieritreritra hoe mamindra fo sy mamela heloka ry zareo?

16 Vao mainka mifankatia isika rehefa ‘mifamela heloka tanteraka.’ (Efes. 4:32) Marina aloha hoe sarotra be ny manao an’izany indraindray, dia mitaky ezaka avy amintsika ilay izy. Nanampy ny anabavy iray hahavita an’izany anefa ny lahatsoratra iray tao amin’ny Tilikambo Fiambenana hoe “Aoka Isika Hifamela Heloka Tanteraka.” * Izao no nosoratany: “Rehefa nianatra an’ilay lahatsoratra aho, dia hitako hoe mahasoa ahy ny mamela heloka. Nohazavaina tao fa ny mamela heloka akory tsy midika hoe mankasitraka an’ilay zavatra ratsy nataon’ilay olona, na manamaivana ny vokatr’ilay izy. Midika kosa izy io hoe tsy mitana lolompo amin’ilay olona noho ilay fahadisoany, ary miezaka hilamin-tsaina foana.” Rehefa mamela tanteraka ny rahalahy sy anabavy isika, dia mampiseho hoe tia an-dry zareo ary manahaka an’ilay Raintsika.

TADIDIO FA TOMBONTSOA NY HOE ANISAN’NY FIANAKAVIAN’I JEHOVAH

Samy mampiseho fitiavana amin’ny mpiara-manompo na ny ankizy na ny olon-dehibe (Fehintsoratra 17) *

17. Ahoana no azontsika anomezana voninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra, araka ny Matio 5:16?

17 Tena faly isika fa manana fianakaviana maneran-tany, sady mifankatia. Tiantsika ho betsaka araka izay azo atao ny olona manompo an’Andriamanitra miaraka amintsika. Tokony hitandrina àry isika mba tsy hanao zavatra manala baraka an’i Jehovah mihitsy na hanaratsy laza ny vahoakany. Miezaka ny ho tsara fitondran-tena kosa isika, amin’izay te hianatra momba an’i Jehovah sy te hanompo azy ny olona.​—Vakio ny Matio 5:16.

18. Inona no hanampy antsika ho sahy hitory?

18 Mety hisy olona hanambany na hanenjika antsika mihitsy indraindray, noho isika mankatò an’ilay Raintsika any an-danitra. Vokatr’izany, dia mety tsy ho sahy hiresaka momba an’izay inoantsika isika. Inona àry no azonao atao raha mitranga aminao izany? Matokia fa hanampy anao i Jehovah sy ny Zanany. Nanome toky ny mpianany i Jesosy hoe tsy mila manahy momba an’izay hotenenina sy izay fomba hilazana an’izany ry zareo. Fa maninona? Nanazava izy hoe: “Homena anareo amin’izany ora izany izay tokony holazainareo. Tsy hoe ianareo fotsiny mantsy no miteny, fa ny fanahin’ny Rainareo no miteny amin’ny alalanareo.”​—Mat. 10:19, 20.

19. Ahoana no nampisehoan’ny rahalahy iray fa sahy nitory izy?

19 Tena sahy nitory i Robert. Nisy fotoana izy niakatra fitsarana tany Afrika Atsimo, tamin’izy vao nianatra Baiboly. Mbola kely ihany ny zavatra fantany tamin’izany. Tsy natahotra anefa izy nanazava teo anatrehan’ny fitsarana hoe tsy hanao miaramila satria tia ny rahalahy sy anabaviny. Tena faly izy hoe anisan’ny fianakavian’i Jehovah! Nisy mpitsara iray nanontany azy tampoka hoe: “Fa iza no rahalahy sy anabavinao?” Tsy nampoizin’i Robert ilay fanontaniana, nefa tonga dia tadidiny ilay andinin-teny ho an’ny andro. Ny Matio 12:50 ilay izy. Izao no voaresaka ao: “Na iza na iza manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” Na dia vao mpianatra Baiboly aza i Robert, dia nanampy azy ny fanahin’i Jehovah ka voavaliny ilay fanontaniana sy ny fanontaniana maro hafa tsy nampoiziny. Azo antoka fa faly be tamin’i Robert i Jehovah! Tena faly koa izy raha miantehitra aminy isika mba ho sahy hitory, na dia rehefa misy zava-tsarotra aza.

20. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika? (Jaona 17:11, 15)

20 Sambatra isika hoe anisan’ny fianakaviana be fitiavana! Enga anie isika hankamamy an’izany foana. Manana ny Ray tsara indrindra isika sady manana rahalahy sy anabavy tena tia antsika. Tsy tokony hataontsika tsinontsinona mihitsy izany! Miezaka mafy i Satana sy ny mpanohana azy mba hahatonga antsika hisalasala hoe tia antsika ilay Raintsika any an-danitra. Ataony koa izay hahatonga antsika tsy hiray saina intsony. I Jesosy kosa nivavaka tamin’ny Raintsika mba hiaro antsika, amin’izay isika miray saina foana. (Vakio ny Jaona 17:11, 15.) Mamaly an’io vavaka io i Jehovah. Enga anie isika hanahaka an’i Jesosy, ka tsy hisalasala mihitsy hoe tia antsika ilay Raintsika ary hanampy antsika foana. Miezaha àry ho tapa-kevitra ny ho tia kokoa an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo.

HIRA 99 Vavolombelona Maro

^ feh. 5 Manana tombontsoa miavaka isika, dia ny hoe anisan’ny fianakaviambe iray be fitiavana. Tokony hifankatia kokoa anefa isika rehetra. Ahoana no hanaovana an’izany? Mila miezaka isika mba hanahaka ny fomba ampisehoan’i Jehovah fitiavana amintsika sy hanahaka an’i Jesosy ary ny mpiara-manompo.

^ feh. 16 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2012, pejy 26-30.

^ feh. 57 SARY: Nandefa anjely i Jehovah mba hampaherezana an’i Jesosy, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane.

^ feh. 59 SARY: Betsaka no nikarakara sy nizara sakafo ho an’ny mpiara-manompo nandritra an’ilay valanaretina COVID-19.

^ feh. 61 SARY: Manoratra taratasy mampahery ho an’ny rahalahy iray migadra ny ankizivavy iray. Manampy azy ny mamany.