LAHATSORATRA FIANARANA 43

Aza Milavo Lefona!

Aza Milavo Lefona!

“Aoka isika tsy ho sasatry ny manao ny tsara.”​—GAL. 6:9.

HIRA 68 Afafazo ny Voan’ilay Fanjakana

HO HITANAO ATO *

1. Inona no tena mahafaly antsika?

 VONINAHITRA lehibe ho antsika sady tena mahafaly antsika ny hoe Vavolombelon’i Jehovah! Mitondra ny anaran’Andriamanitra isika, ary manaporofo fa tena Vavolombelony rehefa mitory sy manao mpianatra. Faly isika rehefa mahavita manampy olona manana “toe-po tsara” mba ho lasa mpanompony. (Asa. 13:48) Hoatr’izany no tsapan’i Jesosy rehefa avy nitory ny mpianany ka nitantara taminy ny vokatra tsara azon-dry zareo. “Faly be” izy “sady feno fanahy masina.”​—Lioka 10:1, 17, 21.

2. Ahoana no hampisehoantsika hoe zava-dehibe amintsika ny fanompoana?

2 Tena zava-dehibe amintsika ny fanompoana. Izao no nampirisihin’ny apostoly Paoly an’i Timoty: “Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao.” Hoy koa izy: “Raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao.” (1 Tim. 4:16) Iankinan’ny aina àry ny asa fitoriana! Vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, ka mila ‘mitandrina tsara ny tenantsika foana.’ Ahoana no hanaovana an’izany? Mila manana fitondran-tena tsara foana isika, amin’izay manome voninahitra an’i Jehovah. Tokony hifanaraka amin’ny hafatra torintsika koa ny fomba fiainantsika. (Fil. 1:27) Ary ahoana ilay hoe ‘mitandrina tsara ny fampianarantsika foana’? Manao an’izany isika raha manomana tsara sy mangataka ny fanampian’i Jehovah alohan’ny hitory.

3. Inona indraindray no mitranga rehefa mitory isika? Manomeza ohatra.

3 Na dia manao izay fara herintsika aza isika, dia mety ho zara raha hahita olona liana ao amin’ny faritany na tsy hahita mihitsy. Izany no nanjo ny Rahalahy Georg Lindal. Nitory nanerana an’i Islandy izy nanomboka tamin’ny 1929 ka hatramin’ny 1947. Tsy nana-namana izy tamin’izany. Nahapetraka boky an’aliny izy, nefa tsy nisy olona lasa Vavolombelon’i Jehovah tany na dia iray aza. Izao no nosoratany: “Manohitra ny fahamarinana no fahitako ny olona sasany atỳ, fa ny ankamaroany indray tsy miraharaha tsotra izao.” Nanampy tamin’ny asa fitoriana tany ny misionera sasany niofana tamin’ny Sekolin’i Gileada. Sivy taona tatỳ aoriana anefa vao nisy olona nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa tany. *

4. Inona no mety ho tsapantsika rehefa tsy mandray ny olona itoriantsika na tsy mandroso ny olona ampianarintsika?

4 Diso fanantenana isika rehefa tsy mandray tsara ny olona itoriantsika na tsy mandroso ny olona ampianarintsika. Mety hitovy fihetseham-po amin’i Paoly mihitsy aza isika. ‘Nalahelo mafy’ sy “ory foana” izy, satria tsy nety nino ny Jiosy hoe i Jesosy no Mesia. (Rom. 9:1-3) Angamba ianao manana mpianatra Baiboly, dia miezaka be ianao mampianatra azy sady mivavaka mafy momba azy. Ahoana anefa raha tsy mampihatra an’izay ianarany izy, ka tokony hajanona ilay fianarana? Ary ahoana raha mbola tsy nisy mpianatrao tonga hatramin’ny batisa mihitsy? Midika ve izany hoe misy tsy mety nataonao, na hoe tsy mitahy ny fanompoanao i Jehovah? Fa rahoviana tokoa moa isika no lazaina hoe mahomby amin’ny fanompoana? Ary inona no tokony hotadidintsika rehefa manompo? Hamaly an’ireo isika ato.

RAHOVIANA ISIKA NO MAHOMBY AMIN’NY FANOMPOANA?

5. Nahoana no tsy araka ny nieritreretantsika azy indraindray ny vokatry ny fanompoantsika?

5 Milaza ny Baiboly fa “hahomby daholo” izay ataon’ny olona manao ny sitrapon’Andriamanitra. (Sal. 1:3) Tsy midika anefa izany hoe ho araka ny nieritreretantsika azy foana izay ataontsika ho an’i Jehovah. “Feno zava-tsarotra” mantsy ny fiainantsika, satria tsy lavorary na isika na ny olon-kafa. (Sal. 90:10) Mety hisy fotoana koa ny mpanohitra hahavita hisakana ny karazana fanompoana fanaontsika. (1 Kor. 16:9; 1 Tes. 2:18) Ahoana àry no amaritan’i Jehovah hoe mahomby ny fanompoantsika azy? Handinika toro lalan’ny Baiboly vitsivitsy isika mba hamaliana an’izany.

Sarobidy amin’i Jehovah foana ny ezaka ataontsika, na mitory mivantana amin’ny olona isika, na an-taratasy, na an-telefaonina (Fehintsoratra 6)

6. Ahoana no amaritan’i Jehovah hoe mahomby ny fanompoantsika?

6 Ny ezaka ataontsika sy ny fikirizantsika no jeren’i Jehovah. Faly foana izy rehefa mazoto mitory isika sady manao an’izany amim-pitiavana, na mandray ny olona na tsia. Mahomby no fahitany ny fanompoantsika amin’izay. Izao no nosoratan’i Paoly: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.’ (Heb. 6:10) Tsaroan’i Jehovah àry ny ezaka nataonao sy ny fitiavana nasehonao, na dia tsy misy mpianatrao vita batisa aza. Mihatra aminao ny tenin’i Paoly tamin’ny Korintianina hoe ‘tsy very maina ny asa mafy ataonao ao amin’ny Tompo’, na dia tsy araka ny nantenainao aza ny vokany.​—1 Kor. 15:58.

7. Inona no ianarantsika avy amin’izay nolazain’i Paoly?

7 Nahita vokatra tena tsara ny apostoly Paoly rehefa nanao ny asa misionera. Lasa nisy fiangonana niforona, ohatra, tany amin’ny tanàna maro vokatry ny fanompoany. Nisy fotoana anefa ny olona nanakiana azy, ary nilaza hoe tsy mahay mampianatra izy. Inona no nolazainy mba hiarovana ny tenany? Ny isan’ny olona nampiany mba ho lasa Kristianina ve no notanisainy? Tsy izany! Ny “asa mafy manan-tombo be” nataony kosa no nasongadiny tamin’ireo olona nanambony tena ireo. (2 Kor. 11:23) Fantany mantsy fa ny ezaka ataony sy ny fikirizany no tena sarobidy amin’i Jehovah. Izany koa no tokony hotadidintsika.

8. Inona no tokony hotadidintsika?

8 Mampifaly an’i Jehovah ny fanompoantsika. Naniraka ny mpianany 70 mba hitory i Jesosy, ary “faly” ry zareo rehefa niverina. Nahoana? Izao no nolazain-dry zareo: “Manaiky anay hatramin’ny demonia noho ny fampiasanay ny anaranao.” Nanitsy ny fomba fisainan-dry zareo anefa i Jesosy, ka nilaza hoe: “Aza mifaly satria hoe manjary manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia kosa satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.” (Lioka 10:17-20) Fantatr’i Jesosy fa tsy hahita vokatra miavaka be hoatr’izany foana ny mpianany. Raha ny marina aza, dia tsy fantatsika akory hoe firy amin’ny olona nihaino an-dry zareo no lasa Kristianina. Tsy ny zava-bitan-dry zareo fotsiny àry no tokony hahafaly ny mpianatr’i Jesosy, fa ny mahafantatra koa hoe mampifaly an’i Jehovah ny ezaka be nataony. Izay no zava-dehibe kokoa!

9. Araka ny Galatianina 6:7-9, inona no ho vokany raha manohy manompo foana isika?

9 Hahazo fiainana mandrakizay isika raha manohy manompo foana. “Mamafy ho an’ny fanahy” koa isika, raha manao izay tsara indrindra vitantsika rehefa mitory sy mampianatra. Mamela ny fanahy masina hiasa tsara eo amin’ny fiainantsika mantsy isika amin’izay. Inona no ho vokany raha “tsy reraka” manompo isika sady tsy milavo lefona? Manome toky i Jehovah hoe hanome antsika fiainana mandrakizay, na nahavita nanampy olona hanokan-tena ho azy isika na tsia.​—Vakio ny Galatianina 6:7-9.

INONA NO TOKONY HOTADIDINTSIKA?

10. Inona no mahatonga ny olona sasany hihaino na tsy hihaino antsika?

10 Miankina betsaka amin’izay ao am-pon’ny olona no mahatonga azy hihaino na tsy hihaino antsika. Nanazava an’izany i Jesosy rehefa nilaza fanoharana momba ny mpamafy. Namafy voa teo amin’ny tany isan-karazany izy, nefa ny teo amin’ny iray ihany no namokatra. (Lioka 8:5-8) Tsy mitovy ny vokatry ny fitoriana “ny tenin’Andriamanitra” eo amin’ny fon’ny olona. (Lioka 8:11-15) Nilaza i Jesosy fa ireny olona ireny no asehon’ireo tany samy hafa ao amin’ilay fanoharana. Tsy afaka manery ny olona handray ny hafatra torintsika isika, hoatran’ilay mpamafy tsy afaka manery ny voa mba hamoa. Miankina amin’izay any am-pony mantsy izany. Mila manohy mitory ny hafatra momba an’ilay Fanjakana kosa isika, satria izay no andraikitsika. Nilaza ny apostoly Paoly hoe ‘samy hahazo ny valisoany araka ny asa mafy nataony ny tsirairay’, fa tsy araka ny vokatry ny asany.​—1 Kor. 3:8.

Tsy nivadika i Noa fa nitory foana nandritra ny taona maro. Tsy nisy olon-kafa nihaino azy sy nankao amin’ny sambofiara anefa, ankoatra ny vady aman-janany. Na izany aza, dia nahomby i Noa satria nankatò an’Andriamanitra (Fehintsoratra 11)

11. Nahoana i Jehovah no faly tamin’ny fitoriana nataon’i Noa na dia tsy nihaino aza ny olona? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

11 Betsaka ny mpanompon’i Jehovah nitory tamin’ny olona tsy nanaiky hihaino. Anisan’izany i Noa. “Mpitory ny fahamarinana” no iantsoana azy, ary angamba izy nanao an’izany nandritra ny 40 na 50 taona teo ho eo. (2 Pet. 2:5) Azo antoka fa nanantena izy hoe hihaino ny hafatra toriny ny olona. Tsy nilaza an’izany anefa i Jehovah. Izao kosa no nolazainy rehefa naniraka an’i Noa hanao sambofiara: “Midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ireo zanakao lahy sy ny vadinao ary ireo vadin’ny zanakao.” (Gen. 6:18) Mety ho efa nampoizin’i Noa koa hoe vitsy ihany no hihaino azy, rehefa nandinika ny refy sy ny haben’ilay sambofiara nasain’Andriamanitra nataony izy. Fantany mantsy fa tsy ho antonona olona be dia be izy io. (Gen. 6:15) Dia inona tokoa no nitranga? Tsy nisy olona nihaino azy na dia iray aza! (Gen. 7:7) Nieritreritra ve i Jehovah hoe tsy nanao tsara ny asa fitoriana i Noa? Tsy izany mihitsy! Nahomby no fahitany an’i Noa, satria nanao an’izay rehetra nasainy natao izy.​—Gen. 6:22.

12. Nahoana i Jeremia no faly, na dia tsy niraika sy nanohitra aza ny olona nitoriany?

12 Nitory tamin’ny olona tsy niraika sy nanohitra koa i Jeremia mpaminany, nandritra ny 40 taona mahery. Kivy be izy satria ‘natao tsinontsinona sy noharabina’, ary efa saika tsy hanohy intsony. (Jer. 20:8, 9) Tsy nilavo lefona anefa izy. Inona no nanampy azy mba tsy ho kivy intsony fa ho faly amin’ny fanompoana? Nifantoka tamin’ireto zava-dehibe roa ireto izy: Voalohany, hafatra mahatonga ny olona hanana ‘hoavy sy fanantenana’ no nasain’Andriamanitra nampitainy. (Jer. 29:11) Faharoa, nifidy an’i Jeremia i Jehovah mba hitondra ny anarany, ka ho mpitondra teniny. (Jer. 15:16) Hoatr’izany koa isika. Mitondra hafatra manome fanantenana ho an’ny olona eto amin’ity tontolo manjombona ity isika, ary mitondra ny anaran’i Jehovah satria Vavolombelony. Ho faly foana isika raha mifantoka amin’ireo zava-dehibe ireo, na mandray ny olona na tsia.

13. Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Marka 4:26-29?

13 Mandeha tsikelikely ny fandrosoana ara-panahy. Niresaka momba an’izany i Jesosy, tao amin’ilay fanoharana momba ny mpamafy iray natory. (Vakio ny Marka 4:26-29.) Nitombo tsikelikely ny voa nafafiny, ary tsy nisy azony natao mba hanafainganana an’izany. Mety ho elaela koa vao ho hitantsika ny fandrosoan’ny olona ampianarintsika, satria mandeha tsikelikely izany. Tsy afaka manery ny voa nafafiny mba hitombo haingana araka izay tiany ilay mpamboly. Tsy afaka manery ny mpianatra Baiboly mba handroso haingana araka ny itiavantsika azy koa isika. Aza kivy na milavo lefona àry raha elaela izy vao mandroso. Mila manam-paharetana ianao rehefa manao mpianatra, hoatran’ny rehefa mamboly ihany.​—Jak. 5:7, 8.

14. Milazà ohatra mampiseho hoe mety ho elaela ny olona vao handray tsara antsika.

14 Efa an-taonany maro atỳ aoriana indraindray vao hita ny vokatry ny fitoriantsika, any amin’ny faritany sasany. Hoatr’izany ny faritany nitorian’i Gladys sy Ruby Allen. * Mpirahavavy ry zareo sady mpisava lalana maharitra. Voatendry hanompo tany amin’ny faritanin’i Québec, any Kanada, ry zareo tamin’ny 1959. Natahotra ny fiaraha-monina sy ny mompera anefa ny ankamaroan’ny olona tany, ka tsy nety nihaino. Hoy i Gladys: “Adiny valo isan’andro izahay no nitory isan-trano nandritra ny roa taona, nefa tsy nisy nandray na dia iray aza! Tonga teo am-baravarana ihany ny tompon-trano, fa vao nahita anay dia lasa. Na izany aza dia nanohy nitory foana izahay.” Lasa nihatsara fanahy ny olona tatỳ aoriana, ary nisy aza nanomboka nihaino. Misy fiangonana telo izao ao amin’io tanàna io.​—Isaia 60:22.

15. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny 1 Korintianina 3:6, 7?

15 Ifarimbonana ny asa fanaovana mpianatra. Afaka manampy ny mpianatra Baiboly mba ho vita batisa ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana. (Vakio ny 1 Korintianina 3:6, 7.) Andao hatao hoe misy rahalahy manome taratasy mivalona na gazety amin’ny olona liana. Tery be anefa ny fotoanany ka tsy ho afaka hiverina hitsidika azy izy. Mpitory hafa àry no asainy mankany, dia manomboka mianatra Baiboly ilay olona. Mitondra rahalahy sy anabavy samihafa io mpitory io isaky ny mampianatra azy. Samy mampahery an’ilay mpianatra ry zareo, ary samy manana ny fomba anaovany an’izany. Azo lazaina hoe manondraka ny voan’ny fahamarinana daholo ireo rahalahy sy anabavy ireo. Afaka mifaly daholo àry izay nanampy an’io olona io rehefa vita batisa izy. Nilaza mantsy i Jesosy hoe afaka mifaly amin’ny fijinjana, na ny mpamafy na ny mpijinja.​—Jaona 4:35-38.

16. Nahoana ianao no afaka ny ho faly amin’ny fanompoanao na dia marary aza na kely hery?

16 Ahoana raha tsy afaka mitory sy mampianatra firy intsony ianao satria tsy salama, na mihantitra dia lasa kely hery? Matokia fa mbola afaka ny ho faly amin’izay vitanao amin’ilay asa fijinjana ianao. Andraisantsika lesona momba an’izany ny tantara iray ao amin’ny Baiboly. Nisy Amalekita nanafika ny fianakavian-dry Davida Mpanjaka sy ny namany tamin’izay, dia naka ny fananan-dry zareo. Nila namonjy an-dry zareo àry ry Davida. Nijanona niambina ny entana anefa ny 200 lahy tamin-dry zareo, satria vizana loatra dia tsy afaka nandeha niady. Nandresy ry Davida avy eo, ary naka zava-tsarobidy be dia be tany amin’ny fahavalony. (1 Sam. 30:21-25) Rehefa nozaraina izany, dia nasain’i Davida nomena anjara mitovy na izay nandeha niady na izay nijanona niambina ny entana. Inona no azo ianarana avy amin’izany? Angamba ianao tsy mahavita betsaka araka izay tianao amin’ilay asa fanaovana mpianatra. Raha manao izay tsara indrindra vitanao anefa ianao, dia afaka ny ho faly isaky ny misy olona voavonjy avy any amin’ny tontolon’i Satana ka mahafantatra an’i Jehovah sy atao batisa.

17. Inona no tokony hisaorantsika an’i Jehovah?

17 Misaotra an’i Jehovah isika satria be fitiavana izy ka tsy mitaky be loatra amintsika. Fantany hoe tsy afaka manery ny olona hihaino antsika na hanompo azy isika. Ny fo manolotra sy ny ezaka mafy ataontsika no jeren’i Jehovah, dia mamaly soa antsika izy. Ampianariny antsika koa hoe inona no atao mba ho faly amin’ilay asa fijinjana lehibe, na inona na inona anjara biriky entintsika amin’izany. (Jaona 14:12) Afaka matoky isika hoe hankasitraka an’izay ataontsika ho azy i Jehovah raha tsy milavo lefona mihitsy isika.

HIRA 67 “Torio ny Teny”

^ feh. 5 Faly isika rehefa mandray tsara ny olona itoriantsika sady mandroso, fa diso fanantenana kosa rehefa tsy hoatr’izany. Ahoana, ohatra, raha tsy mampihatra an’izay ianarany ny olona ampianarinao? Na ahoana raha mbola tsy nisy mpianatrao nandroso mihitsy ka natao batisa? Midika ve izany hoe tsy manao tsara ny fanompoanao ianao? Ho hitantsika ato hoe nahoana isika no afaka ny hahomby amin’ny fanompoana sy ho faly foana, na inona na inona vokatry ny ezaka ataontsika.

^ feh. 3 Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005, pejy 205-211.

^ feh. 14 Jereo ny tantaram-piainan’i Gladys Allen hoe “Tsy Hanova na Inona na Inona Aho!”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2002.