LAHATSORATRA FIANARANA 47

Hatanjaka Tsara ve ny Finoanao?

Hatanjaka Tsara ve ny Finoanao?

“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Minoa an’Andriamanitra.”​—JAONA 14:1.

HIRA 119 Tena Ilaina ny Finoana

HO HITANAO ATO *

1. Inona no mety hahalasa saina antsika?

MITEBITEBY ve ianao indraindray rehefa mieritreritra an’izay hitranga atsy ho atsy, anisan’izany ny fandringanana ny fivavahan-diso sy ny fanafihan’i Goga avy any Magoga ary ny ady Aramagedona? Efa nieritreritra ve ianao hoe: ‘Hahavita tsy hivadika ve aho mandritra an’ireo zava-mitranga mampahatahotra ireo?’ Raha efa tonga tao an-tsainao ireo, dia hanampy anao ny fandinihana ny tenin’i Jesosy ao amin’ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity. Nilaza tamin’ny mpianany izy hoe: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Minoa an’Andriamanitra.” (Jaona 14:1) Raha manana finoana matanjaka isika, dia ho tony tsara foana sady ho be herim-po na inona na inona hitranga.

2. Inona no hanampy antsika hanatanjaka ny finoantsika? Inona no hodinihintsika ato?

2 Inona no hanampy antsika hanana finoana matanjaka, ka hahavita hiaritra an’izay hitranga amin’ny hoavy? Ilaina ny mandinika hoe manahoana ny finoantsika amin’izao rehefa miatrika olana isika. Ho hitantsika amin’izany hoe inona no mbola azo hatsaraina mba hanatanjahana ny finoantsika. Isaky ny mahavita miatrika zava-tsarotra isika, dia mihamatanjaka ny finoantsika ka ho vitantsika ny hiaritra an’izay mbola hitranga. Hita hoe mbola nila finoana bebe kokoa ny mpianatr’i Jesosy rehefa niatrika olana. Hijery efatra amin’ny olana natrehin’izy ireo isika, ary handinika an’ireto avy eo: Inona ny zava-tsarotra mety hatrehintsika ka mitovy amin’izany? Inona no hanampy antsika hiomana mba ho vonona hiatrika ny hoavy?

MANDRESY FANAHIANA NY FINOANA

Mety ho sahirana ara-bola ianao, nefa hahavita hifantoka amin’ny fanompoana raha manam-pinoana (Fehintsoratra 3-6)

3. Inona no lesona lehibe nampianarin’i Jesosy momba ny finoana, araka ny Matio 6:30, 33?

3 Ara-dalàna raha te hanome sakafo sy fitafiana ary fialofana ho an’ny vady aman-janany ny loham-pianakaviana. Tsy mora anefa izany indraindray amin’izao fotoan-tsarotra izao. Misy mpiara-manompo amintsika, ohatra, very asa ary tsy mety mahita asa na dia efa miezaka be aza. Misy indray nahita asa ihany, fa tsy mety amin’ny Kristianina ilay izy dia naleony tsy nanaiky. Rehefa miatrika olana hoatr’izany isika, dia mila matoky tanteraka hoe tsy maintsy hahita fomba hanomezana an’izay ilaintsika sy ny fianakaviantsika i Jehovah. Niresaka an’izany mazava tsara tamin’ny mpianany i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Vakio ny Matio 6:30, 33.) Hahavita hifantoka amin’ny fanompoana isika, rehefa resy lahatra tanteraka hoe tsy hahafoy antsika mihitsy i Jehovah. Inona no vokany rehefa hitantsika hoe manampy antsika hahazo an’izay ilaintsika izy? Vao mainka isika hatoky hoe tena misy izy ka hatanjaka kokoa ny finoantsika.

4-5. Inona no nanampy ny fianakavian-dry Miguel rehefa nanahy be ry zareo?

4 Mipetraka any Venezoelà i Miguel Castro sy Yurai vadiny ary ny fianakaviany. Nisy fotoana ry zareo tena nanahy satria sahirana. Nanampy an-dry zareo anefa i Jehovah. Nanana toeram-pambolena sy fiompiana ry zareo taloha, dia iny no mba fidiram-bola keliny. Nisy jiolahy nitondra fiadiana anefa naka an-keriny ny tanin-dry zareo, dia nanery an-dry zareo hiala. Hoy i Miguel: “Nindrana ampahana tany kely tamin’olona izahay, dia eo indray no mamboly. Izay no tena fivelomanay izao. Vao manomboka ny andro, dia mangataka amin’i Jehovah aho mba hanome anay an’izay ilainay ho an’io andro io.” Tsy mora ny fiainan’izy mianakavy, nefa mivory sy manompo tsy tapaka miaraka amin’ny fiangonana ry zareo. Matoky tanteraka mantsy ry zareo hoe hahavita hanome an’izay ilainy isan’andro ilay Rainy be fitiavana any an-danitra. Manao loha laharana an’ilay Fanjakana ry zareo, dia karakarain’i Jehovah tsara.

5 Niezaka nifantoka tamin’ny fomba ikarakaran’i Jehovah an-dry zareo foana i Miguel sy ny vadiny. Nisy fotoana i Jehovah nampiasa mpiara-manompo mba hanomezana fanampiana kely ho an-dry zareo, na mba hanampiana an’i Miguel hahita asa mety tsara. Nataon’i Jehovah koa indraindray izay hahazoan’izy ireo izay tena nilainy, tamin’ny alalan’ny fanampiana nalamin’ny biraon’ny sampana. Mbola tsy nanary an-dry zareo mihitsy i Jehovah! Nihanatanjaka ny finoan’izy mianakavy vokatr’izany. Rehefa avy niresaka momba ny fanampiana iray avy amin’i Jehovah i Yoselin, vavimatoan-dry zareo, dia izao no noteneniny: “Mampihetsi-po ny mahita hoe io ny tanan’i Jehovah fa manampy anao. Tena namako izy ary azoko ianteherana foana.” Hoy koa i Yoselin: “Noho izahay mianakavy niatrika an’ireny, dia lasa vonona hiatrika olana mafimafy kokoa izahay.”

6. Inona no hanampy anao hanana finoana matanjaka rehefa sahirana ara-bola ianao?

6 Sahirana ara-bola ve ianao? Tena tsy mora izany! Na mafy hoatran’ny inona aza anefa ny mahazo anao, dia azonao hararaotina izany mba hanatanjahana ny finoanao. Mivavaha amin’i Jehovah, dia vakio sy saintsaino ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:25-34. Mitadiava koa tantaran’olona manaporofo hoe omen’i Jehovah an’izay ilainy foana izay be atao amin’ny fanompoana azy. (1 Kor. 15:58) Hatoky kokoa ianao amin’izay fa hanampy anao ilay Rainao any an-danitra, hoatran’ny nataony tamin’ny olon-kafa niatrika olana mitovy amin’ny anao. Fantany hoe inona no ilainao ary ahoana no hanomezana anao an’izany. Rehefa tsapanao fa manampy anao i Jehovah, dia vao mainka hatanjaka ny finoanao ka hahavita hiatrika olana lehibe kokoa ianao amin’ny hoavy.​—Hab. 3:17, 18.

MANDRESY ‘RANOMASINA MISAMBOARAVOARA’ NY FINOANA

Hahavita hiatrika olana lehibe hoatran’ny ranomasina misamboaravoara ianao, raha matanjaka tsara ny finoanao (Fehintsoratra 7-11)

7. Araka ny Matio 8:23-26, inona no nitranga ka nisedra ny finoan’ny mpianatr’i Jesosy?

7 Nisamboaravoara be tampoka ny ranomasina indray mandeha, tamin’i Jesosy sy ny mpianany nandeha sambo. Nohararaotin’i Jesosy iny zava-nitranga iny mba hampisehoana tamin-dry zareo hoe nila nanatanjaka ny finoany ry zareo. (Vakio ny Matio 8:23-26.) Nanonja be ny ranomasina tamin’izay, dia tafiditry ny rano ilay sambo. I Jesosy anefa tony be sady natory tsara. Natahotra be ny mpianany dia nanaitra azy, ary nangataka azy mba hamonjy an-dry zareo. Nanontany an-dry zareo moramora anefa ny Tompo hoe: “Nahoana ianareo no saro-tahotra, ry kely finoana?” Tokony ho fantatr’izy ireo fa vitan’i Jehovah tsara ny miaro an’i Jesosy sy izay niaraka taminy. Inona ny lesona raisintsika avy amin’izany? Hahavita hiatrika olana lehibe hoatran’ny ranomasina misamboaravoara isika, raha matanjaka tsara ny finoantsika.

8-9. Inona ny olana nisedra ny finoan’i Anel? Inona no nanampy azy hiatrika an’izany?

8 Anabavy mpitovo avy any Porto Rico i Anel. Vao mainka natanjaka ny finoany rehefa avy niatrika olana lehibe izy. Tamin’ny 2017 ilay izy no nanomboka. Nandalo ny Rivo-doza Maria tamin’izay, dia rava ny tranony ary lasa tsy an’asa izy tatỳ aoriana. Izao no nolazainy: “Tena tsy mora tamin’izany dia nitebiteby be aho. Nianatra ny hatoky an’i Jehovah anefa aho ka nivavaka taminy. Tsy navelako hisakana ahy tsy hanao an’izay tokony hataoko ny tebiteby.”

9 Nilaza koa i Anel hoe nanampy azy hiatrika an’ilay olana ny fankatoavana. Hoy izy: “Tsapako hoe lasa tony foana aho rehefa nanaraka ny toromarika nomen’ny fandaminana. Nampiasa ny mpiara-manompo koa i Jehovah mba hanampiana ahy. Nampahery ahy ry zareo sady nanome an’izay nilaiko. Nomen’i Jehovah mihoatra noho izay nangatahiko aho, ka vao mainka natanjaka ny finoako!”

10. Inona no azonao atao raha miatrika olana hoatran’ny ranomasina misamboaravoara ianao?

10 Miatrika olana hoatran’ny ranomasina misamboaravoara ve ianao? Mijaly angamba ianao vokatry ny rivo-doza na loza hafa. Na ianao marary mafy dia kivy be, ary tsy hitanao izay hatao. Marina fa mety hitebiteby be ianao indraindray. Aza avela hisakana anao tsy hatoky an’i Jehovah anefa izany. Mivavaha mafy mba ho akaiky azy kokoa. Saintsaino ny fomba efa nanampian’i Jehovah anao, fa hanatanjaka ny finoanao izany. (Sal. 77:11, 12) Matokia fa tsy handao anao mihitsy izy, na amin’izao na amin’ny hoavy.

11. Nahoana isika no tokony ho tapa-kevitra hankatò an’ireo mitarika antsika?

11 Inona koa no hanampy anao hiaritra ny olana mahazo anao? Efa nolazain’i Anel teo ilay izy. Tena ilaina ny mankatò. Mianara matoky an’izay atokisan’i Jehovah sy Jesosy. Hafahafa amintsika indraindray ny toromarika omen’ireo voatendry hitarika antsika. Tahin’i Jehovah foana anefa isika rehefa mankatò! Hitantsika avy amin’ny tantara ao amin’ny Baiboly sy izay niainan’ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika hoe mamonjy aina izany. (Eks. 14:1-4; 2 Tan. 20:17) Saintsaino ireny, dia ho tapa-kevitra kokoa ianao hoe hanaraka ny tari-dalan’ny fandaminana, na amin’izao na amin’ny hoavy. (Heb. 13:17) Tsy hatahotra mihitsy ianao amin’izay rehefa ho avy ny fahoriana lehibe, izay efa tena akaiky.—Ohab. 3:25.

HANAMPY ANAO HIARITRA NY TSY RARINY NY FINOANA

Hihamatanjaka ny finoanao raha tsy mitsahatra mivavaka ianao (Fehintsoratra 12)

12. Araka ny Lioka 18:1-8, nahoana no manampy antsika hiaritra ny tsy rariny ny finoana?

12 Fantatr’i Jesosy fa ho voasedra ny finoan’ny mpianany, rehefa iharan’ny tsy rariny ry zareo. Nilaza fanoharana iray ao amin’ny bokin’i Lioka àry izy mba hanampiana azy ireo. Nilaza izy hoe nisy mpitondratena te hahazo rariny, dia nivezivezy tany amin’ny mpitsara iray tsy nanao ny marina. Nitalaho mafy taminy imbetsaka ilay mpitondratena, ary natoky fa tsy ho very maina ny fikirizany. Nanome rariny azy ilay mpitsara tamin’ny farany. Ianarantsika avy amin’io tantara io hoe manao ny rariny foana i Jehovah. Izay no nahatonga an’i Jesosy hilaza hoe: “Tsy hataon’Andriamanitra tokoa ve izay hampiharana ny rariny amin’ny olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina?” (Vakio ny Lioka 18:1-8.) Nilaza i Jesosy avy eo hoe: ‘Rehefa tonga ny Zanak’olona, tena hahita finoana toy izany etỳ an-tany ve izy?’ Rehefa miaritra ny tsy rariny isika, dia mila manahaka an’io mpitondratena io ka manam-paharetana sy mampiseho fikirizana. Porofointsika amin’izany hoe manana finoana matanjaka isika. Rehefa matanjaka tsara hoatr’izany ny finoantsika, dia afaka matoky isika fa hanampy antsika i Jehovah na ho ela na ho haingana. Mila mino koa isika hoe tena misy heriny ny vavaka. Mety tsy hampoizintsika indraindray ny vokatry ny vavaka ataontsika.

13. Milazà ohatra mampiseho hoe tena manampy ny vavaka rehefa iharan’ny tsy rariny.

13 Mipetraka any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny anabavy atao hoe Vero. Tsy Vavolombelona ny vadiny ary manan-janaka vavy 15 taona ry zareo. Tsy maintsy nitsoaka ry zareo indray mandeha, satria nisy miaramila nanafika ny tanànany. Rehefa tonga teo amin’ny barazy iray anefa ry zareo, dia nosamborin’ny miaramila ary norahonany hoe hovonoina. Nanomboka nitomany i Vero. Niezaka nampangina azy ny zanany vavy, ka nivavaka tamin’ny feo avo. Naverimberiny tao anatin’ilay vavaka ny anaran’i Jehovah. Nanontany an’ilay ankizivavy ny lehiben’ny miaramila avy eo hoe: “Fa iza no nampianatra an-dry hivavaka?” Namaly izy hoe: “Ny mamanay no nampianatra ahy, dia ilay ao amin’ny Matio 6:9-13 no nataony modely.” Izao no nolazain’ilay lehiben’ny miaramila avy eo: “Mahazo mandeha soa aman-tsara ianao sy ny ray aman-dreninao. Enga anie i Jehovah Andriamanitrareo ka hiaro anareo!”

14. Inona no mety hisedra ny finoantsika, ary inona no hanampy antsika hiaritra?

14 Hitantsika amin’ireo tantara ireo fa tsy tokony hanao tsinontsinona ny vavaka mihitsy isika. Ahoana anefa raha tsy mivaly haingana ny vavaka ataontsika, na tsy miavaka be ny fomba amalian’i Jehovah an’ilay izy? Manaova hoatran’ilay mpitondratena ao amin’ny fanoharan’i Jesosy, ka mivavaha foana. Matokia koa hoe tsy hanary anao Andriamanitra, ary tsy maintsy hisy fomba hamaliany ny vavaka ataonao amin’ny fotoana mety. Ankoatra izay, dia iangavio foana izy mba hanome fanahy masina anao. (Fil. 4:13) Tadidio fa tsy ho ela izy dia hanome fitahiana be dia be ho anao, ka ho hadinonao daholo izay rehetra nampijaly anao. Vao mainka ianao ho vonona hiatrika an’izay hitranga amin’ny hoavy, rehefa ampian’i Jehovah ka miaritra ny fisedrana mahazo anao amin’izao.​—1 Pet. 1:6, 7.

MANDRESY OLANA LEHIBE NY FINOANA

15. Araka ny Matio 17:19, 20, inona ny zava-tsarotra natrehin’ny mpianatr’i Jesosy?

15 Hoatran’ny tsy ho voavaha koa indraindray ny olana mahazo antsika. Nampianarin’i Jesosy ny mpianany anefa hoe hanampy an-dry zareo handresy olana lehibe ny finoana. (Vakio ny Matio 17:19, 20.) Tsy nahavita namoaka demonia, ohatra, ry zareo indray mandeha na dia nahavita an’izany aza teo aloha. Fa inona ny olana? Nohazavain’i Jesosy fa nila finoana bebe kokoa ny mpianany. Nilaza izy hoe raha ampy finoana ry zareo, dia hahavita handresy olana goavana hoatran’ny tendrombohitra.

Na tototry ny alahelo aza ianao, dia hahavita ho be atao amin’ny fanompoana foana raha manam-pinoana (Fehintsoratra 16)

16. Nahoana ny finoana no nanampy an’i Geydi rehefa nidonam-pahoriana izy ary nalahelo be?

16 Eritrereto ny nahazo an’i Geydi, anabavy avy any Goatemalà. Nisy namono i Edi vadiny tamin-dry zareo handeha hody avy nivory. Nanampy an’i Geydi hahazaka ny fahoriany ve ny finoany? Izany mihitsy! Izao no nolazainy: “Afaka mametraka an’izay manavesatra ahy amin’i Jehovah aho rehefa mivavaka. Manampy ahy ho tony izany. Hitako hoe mampiasa ny fianakaviako sy ny namako ao amin’ny fiangonana izy mba hikarakarana ahy. Maivamaivana koa ny fahoriako rehefa variana manompo an’i Jehovah aho. Manampy ahy izany mba tsy hanahy be loatra momba ny ampitso, fa hifantoka amin’ny androany. Nianarako tamin’iny nanjo ahy iny hoe na inona na inona olana mbola hitranga, dia hahavita hiatrika an’izany aho satria hanampy ahy i Jehovah sy Jesosy ary ny fandaminana.”

17. Inona no azontsika atao raha sendra olana lehibe hoatran’ny tendrombohitra isika?

17 Malahelo be ve ianao satria maty ny olona iray akaikin’ny fonao? Raha izany, dia makà fotoana hamakiana ny tantaran’ireo olona natsangana tamin’ny maty ao amin’ny Baiboly. Vao mainka hino ianao hoe tena hatsangana ny maty. Sa ianao kivy be satria misy havanao voaroaka? Manaova fikarohana mba hahatonga anao ho resy lahatra hoe ny fomba hanitsian’i Jehovah foana no tsara indrindra. Na inona na inona olana mianjady aminao, dia hararaoty izany mba hanatanjahana ny finoanao. Aborahy amin’i Jehovah izay ao am-ponao. Aza mitokantokana fa miaraha foana amin’ny rahalahy sy anabavy. (Ohab. 18:1) Manaova zavatra hanampy anao hiaritra, na dia amin-dranomaso aza no anaovanao an’izany. (Sal. 126:5, 6) Mandehana foana mivory sy mitory ary tohizo foana ny famakiana Baiboly. Saintsaino foana koa ny fitahiana tsara be efa omanin’i Jehovah ho anao. Vao mainka ianao hino an’i Jehovah rehefa hitanao ny fomba anampiany anao.

“AMPITOMBOY NY FINOANAY”

18. Inona no azonao atao raha hitanao hoe tsy matanjaka tsara ny finoanao?

18 Ahoana raha niatrika olana ianao taloha na amin’izao, ka hitanao hoe tsy matanjaka tsara ny finoanao? Aza kivy fa hararaoty izany mba hanatanjahana ny finoanao. Manaova hoatran’ny apostolin’i Jesosy. Nangataka ry zareo hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” (Lioka 17:5) Saintsaino koa ny ohatra nodinihintsika tato. Manahafa an’i Miguel sy Yurai, ka tadidio ny fotoana rehetra efa nanampian’i Jehovah anao. Manaova koa hoatran’ny zanak’i Vero sy hoatran’i Anel. Mivavaha mafy amin’i Jehovah, indrindra rehefa miatrika olana lehibe. Ankoatra izany, dia tadidio hoe mety hanampy anao amin’ny alalan’ny fianakavianao na ny namanao i Jehovah, hoatran’ny nataony tamin’i Geydi. Raha avelanao hanampy anao handresy ny olana mahazo anao amin’izao i Jehovah, dia vao mainka ianao hatoky hoe hanampy anao hiaritra an’izay olana rehetra mbola ho avy izy.

19. Inona no natokisan’i Jesosy, ary inona no azonao atokisana?

19 Marina fa nilaza i Jesosy hoe mbola nila niezaka hanana finoana matanjaka kokoa ny mpianany. Na izany aza, dia tsy nisalasala mihitsy izy hoe ho vitan’izy ireo ny hiatrika an’izay olana ho avy. Fantany mantsy fa hanampy azy ireo i Jehovah. (Jaona 14:1; 16:33) Natoky izy hoe hisy vahoaka be hanana finoana matanjaka, ka ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. (Apok. 7:9, 14) Ho anisan’izy ireo ve ianao? Izany mihitsy, raha manararaotra ny fanampian’i Jehovah ianao ka manao izay rehetra azo atao dieny izao mba hanatanjahana ny finoanao.​—Heb. 10:39.

HIRA 118 “Ampitomboy ny Finoanay”

^ feh. 5 Efa tsy andrintsika ny hifaranan’ity tontolo ity. Mety ho lasa saina anefa isika indraindray hoe: ‘Hatanjaka tsara ve ny finoako ka hahavita hiaritra hatramin’ny farany aho?’ Handinika tantaran’olona nahavita niatrika zava-tsarotra isika ato, ary handray lesona avy amin’izy ireo. Hanampy antsika mba hanatanjaka ny finoantsika izany.