Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Lasa Nisy Dikany Ihany ny Fiainako!

Lasa Nisy Dikany Ihany ny Fiainako!

NANDEHA sambo tany amin’ny Ranomasina Mediterane aho tamin’izay. Taitra be aho fa feno rano ilay sambo! Hay nisy goaka ilay izy! Ilay sambo koa moa efa tonta be. Nisy tafio-drivotra indray anefa avy eo. Natahotra aho dia nivavaka. Efa aman-taonany aho no tsy nanao an’izany. Aleo hotantaraiko hoe fa maninona aho no lasa teny afovoan-dranomasina teny.

Nipetraka tany Brezila izahay mianakavy tamin’izaho fito taona

Teraka tany Holandy aho tamin’ny 1948. Nifindra tany São Paulo, any Brezila, ny fianakavianay ny taona nanaraka. Mpivavaka nafana fo i Dada sy Neny, ary namaky Baiboly izahay isan-kariva rehefa avy nisakafo. Nifindra tany Massachusetts, any Etazonia, indray izahay tamin’ny 1959.

Niasa mafy i Dada mba hamelomana anay valo mianaka. Nisy fotoana izy nitety tanàna dia nivarotra. Efa niasa ho ana orinasa mpanao lalana koa izy. Tafiditra niasa tao amina kompaniam-pitaterana ana habakabaka izy tatỳ aoriana, dia faly be izahay satria lasa afaka nitety tany.

Nieritreritra matetika aho tamin’izaho tany amin’ny lise hoe: ‘Inona re no asa hataoko e?’ Nanohy fianarana teny amin’ny oniversite ny namako sasany, fa ny hafa indray nanao miaramila. Tsy nety tamiko anefa ny hanao miaramila. Mifamaly aman’olona aza efa tsy tiako, mainka fa hiady! Naleoko àry nianatra teny amin’ny oniversite, amin’izay tsy manao miaramila. Ny manampy olona anefa no tena tiako. Nieritreritra mantsy aho hoe hisy dikany ny fiainako raha manao an’izany aho.

NY FIAINANA TENY AMIN’NY ONIVERSITE

Efa aman-taonany aho no nikaroka hoe misy dikany ve ny fiainana

Nisy taranja hoe fandinihana ny olombelona sy ny fiaraha-monina teny, dia izay no nofidiko. Tiako ho fantatra mantsy hoe ahoana no nampisy antsika. Nianatra momba ny evolisiona izahay tany, ary nanantena ny mpampianatra fa hino an’ilay izy izahay. Hitako hoe tsy mitombina anefa ny fanazavana sasany, fa terena hino an-jambany an’ilay izy fotsiny ianao. Tsy tokony ho hoatr’izany anefa ny fanazavana ara-tsiansa.

Tsy nampianarina hanao ny tsara izahay, fa hoe ataovy fotsiny izay hahatafita anao. Falifaly aloha aho rehefa nanao fety niaraka tamin’ny namako sy nifoka zava-mahadomelina. Fahafinaretana nandalo fotsiny anefa izany. Lasa saina aho hoe: ‘Mba misy dikany ihany àry ve izao fiainako izao?’

Nifindra tany Boston aho dia tany indray no nanohy ny fianarako teny amin’ny oniversite. Nila niasa aho rehefa vakansy satria izaho ihany no niantoka ny fianarako. Tany am-piasana aho no nihaona tamina Vavolombelon’i Jehovah voalohany. Niresaka tamiko momba an’ilay “fe-potoana fito” ao amin’ny Daniela toko faha-​4 izy, dia nohazavainy fa miaina amin’ny andro farany isika. (Dan. 4:13-17) Tonga saina aho hoe raha manohy miresaka aminy aho ka mino an’izay lazainy, dia mila manova ny fomba fiainako. Nataoko àry izay tsy hihaonana taminy mihitsy.

Te hanao asa soa tany Amerika Atsimo aho, dia ny momba an’izay no nianarako teny amin’ny oniversite. Nieritreritra aho hoe mety hisy dikany ny fiainako raha manampy olona aho. Hitako ihany anefa hoe tsy nampiova na inona na inona izany. Diso fanantenana aho dia niala teny amin’ny oniversite rehefa nisasaka ny taom-pianarana.

NIKAROKA TANY AN-TANY HAFA INDRAY AHO

Nifindra tany Amsterdam, any Holandy, aho tamin’ny Mey 1970, dia niasa tao amin’ilay kompania niasan’i Dada. Afaka nitety tany aho vokatr’izany. Nankany Afrika, Amerika, Eoropa, ary Azia, ohatra, aho. Vetivety dia hitako hoe manana olana be ny firenena rehetra, sady hoatran’ny tsy misy mahavaha an’ilay izy. Lasa te hanova zavatra be indray aho dia nanapa-kevitra hiverina any Etazonia, ary nianatra tao amin’ilay oniversite tao Boston indray.

Mbola tsy voavaly ihany anefa ny fanontaniako momba ny fiainana. Tsy hitako intsony izay natao, dia nangataka torohevitra tamin’ilay mpampianatra anay aho. Gaga be aho fa izao no noteneniny: “Koa inona moa no mbola ianaranao atỳ? Raha izaho ianao mijanona!” Dia zarako aza! Tsy niverina tany intsony aho.

Mbola tsapako ihany anefa hoe tsy nisy dikany ny fiainako. Nanapa-kevitra àry aho hoe hiaraka amina antokon’olona atao hoe hippie. Tsy nanaraka ny fanaon’ny fiaraha-monina ry zareo, ary hoatran’ny hoe nampirisika ny olona hihavana sy hifankatia. Nanavatsava an’i Etazonia izaho sy ny namako, dia nankany Acapulco, any Meksika. Nisakana aotomobilina teny an-dalana teny izahay ary nandeha tamin’izay nanaiky hitondra anay. Niara-nipetraka tamin’ny hippie izahay. Hoatran’ny tsy nanana olana mihitsy ry zareo. Rehefa niara-niaina tamin-dry zareo anefa aho dia hitako hoe tsy nisy dikany ny fiainany, sady na hoatran’ny hoe faly aza ry zareo dia tsy naharitra izany. Betsaka koa no tsy nanao ny marina sady tsy azo nitokisana.

SADY NANDEHA SAMBO AHO NO NIKAROKA

Nitady nosy tsara tarehy izaho sy ny namako

Tadidiko indray ny nofinofiko tamin’izaho mbola kely. Te hanao dia an-dranomasina aho, saingy tsy te ho tantsambo aho fa te ho kapitenin-tsambo mihitsy. Tsy maintsy hoe nanana sambo aho vao tanteraka izany. Te hanao hoatr’izany koa ny namako iray. Tom no anarany. Nanapa-kevitra izahay hoe handeha sambo, dia hiaraka hitety an’izao tontolo izao. Te hitady nosy kely tsara tarehy aho, dia mba miala amin’ny fitsipika mifehy ny fiaraha-monina.

Nankany Arenys de Mar, any akaikin’i Barcelone, any Espaina, izahay sy Tom. Nividy sambokely antsoina hoe Llygra izahay tany. Sivy metatra sy sasany teo ho eo ilay izy. Namboarinay tsara ilay izy, amin’izay tsy atahorana rehefa eny an-dranomasina. Nesorinay koa ny maotera satria tsy nisy nahamaika anay, dia nataonay fitehirizana rano fisotro ny toerana nisy an’ilay izy. Nividy fivoy roa koa izahay. Dimy metatra ny halavan’ilay izy. Ireo no nampiasainay rehefa hiditra tao amina seranana kelikely. Te ho any Seychelles, any amin’ny Oseana Indianina, izahay. Nieritreritra izahay hoe hanaraka ny morontsiraka andrefan’i Afrika, dia handalo amin’ny cap de Bonne-Espérance, any Afrika atsimo. Nampiasa sarintany sy boky ary fitaovana tsotsotra izahay sady nijery ny toeran’ny kintana, mba hahitanay ny lalana tokony haleha. Gaga aho hoe nahavita namantatra ny toerana nisy anay izahay sady marina tsara ilay izy.

Tsy ela dia hitanay hoe tsy azo entina mamakivaky ranomasina ilay sambokelinay fa efa tonta be. Nampiditra rano 20 litatra teo ho eo isan’ora ilay izy! Nisy tafio-drivotra avy eo dia natahotra be aho, araka ny noresahiko terỳ aloha. Nivavaka tamin’Andriamanitra aho tamin’izay, ary efa aman-taonany aho no tsy nanao an’izany. Nampanantena taminy aho hoe raha tsy maty dia hiezaka hahafantatra azy. Nijanona ilay tafio-drivotra avy eo ary nitana ny teniko aho.

Tena tiako ny namaky Baiboly teny amin’ny Ranomasina Mediterane! Feno karazana trondro nitsambikimbikina teny, dia tazako terỳ lavitra terỳ ny faravodilanitra. Nahavariana be ahy koa ny Vahindanitra Mivolondronono tamin’ny alina. Vao mainka aho resy lahatra hoe tena misy Andriamanitra, ary tia antsika olombelona izy.

Herinandro maromaro izahay no teny an-dranomasina, dia avy eo tonga tao amin’ny seranan’i Alicante, any Espaina. Niezaka nivarotra an’ilay sambonay izahay tao, amin’izay afaka mividy tsara kokoa. Sarotsarotra ihany aloha ny nahita mpividy e! Iza koa moa no mila sambo tonta sy tsy misy maotera sady efa goaka? Tsy nampaninona ahy anefa ny niandry, satria afaka nanararaotra namaky Baiboly aho.

Arakaraka ny namakiako azy io no nahitako fa afaka manampy antsika mba ho sambatra izy io. Gaga be aho hoe mazava tsara ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Tsy azoko anefa hoe fa maninona no be dia be ny olona milaza azy ho Kristianina nefa tsy manaraka an’izay voalaza ao akory. Izaho koa aza moa anisan’izany!

Tapa-kevitra hiova tanteraka aho, dia tsy nampiasa zava-mahadomelina intsony. Nieritreritra aho hoe tsy maintsy misy olona manaraka tsara ny fitsipiky ny Baiboly any ho any, dia te hihaona amin-dry zareo aho. Nivavaka indray àry aho mba hahita an-dry zareo. Izay no vavaka faharoa nataoko.

NITADY NY FIVAVAHANA MARINA AHO

Nanao lisitra aho rehefa nikaroka ny fivavahana marina, dia nesoriko tao izay noeritreretiko hoe tsy izy. Nahita karazana fiangonana be dia be aho teny amin’ny lalan’i Alicante. Nisy sary anefa ny ankamaroan’izy ireny, dia tonga aho dia nieritreritra hoe tsy izy izany.

Teny amin’ny tendrombohitra iray izay aho indray alahady tolakandro. Nahatazana ny seranana aho teny. Namaky ny Jakoba 2:1-5 aho tamin’izay. Voalaza ao hoe tsy mety ny miangatra amin’ny manankarena. Nahita trano hoatran’ny toeram-pivavahana aho avy eo, rehefa teny an-dalana ho any amin’ilay sambonay. Nisy soratra teo amin’ny fidirana hoe: “Vavolombelon’i Jehovah—Efitranon’ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Nieritreritra aho hoe: ‘Handeha hotsapaiko ireto olona ireto, dia ho hita eo hoe ahoana no handraisany ahy.’ Niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana àry aho. Tsy nikiraro aho sady be volombava be, ary nanao pataloa jinina rovidrovitra. Nampidirin’ilay mpikarakara ny mpanatrika anefa aho, dia nomeny toerana teo akaikin’izay ramatoa efa be taona izay. Tena tsara fanahy io ramatoa io! Nampiany hamadika Baiboly aho nandritra an’ilay lahateny. Gaga be koa aho rehefa nirava fa tsara fanahy daholo izay tonga niarahaba ahy. Nisy lehilahy iray izay aza nanasa ahy ho any an-tranony mba hiresadresaka momba ny Baiboly. Mbola tsy nahavita namaky Baiboly hatramin’ny farany anefa aho, dia nolazaiko taminy hoe: “Teneniko eo ihany ianao rehefa vonona aho.” Nanatrika ny fivoriana rehetra aho taorian’izay.

Nankany an-tranon’io lehilahy io aho, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Voavaliny daholo ny fanontaniako momba ny Baiboly. Nomeny harona feno akanjo tsara be aho herinandro taorian’izay. Nigadra, hono, ny tompon’ireo akanjo ireo satria nankatò an’ilay didin’ny Baiboly hoe tokony hifankatia sy tsy hianatra ady intsony. (Isaia 2:4; Jaona 13:34, 35) Resy lahatra aho tamin’izay hoe hitako izay notadiaviko! Ireo olona ireo no mampihatra ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Lasa tsy te hitady nosy tsara tarehy intsony aho, fa te handalina ny Baiboly. Niverina tany Holandy àry aho.

NITADY ASA AHO

Nanakana aotomobilina teny an-dalana aho mba hahatongavana tany Groningue, any Holandy. Efatra andro aho vao tonga! Nila nitady asa aho rehefa tonga tany mba hivelomako. Tao amina mpandrafitra iray izay aho no nandeha. Nisy taratasy nasaina nofenoiko, dia nanontaniana tao hoe inona no fivavahako. “Vavolombelon’i Jehovah” no nosoratako. Rehefa namaky an’ilay izy anefa ilay mpampiasa, dia hitako hoe niova be ny endriny. Hoy izy: “Ao fa hantsoiko ianao!” Tsy niantso mihitsy anefa izy.

Niteny tamina mpandrafitra hafa aho taorian’izay hoe sao dia mila fanampiana izy. Nangataka ny diplaomako izy ary nanontany ny asa efa nataoko. Nohazavaiko hoe efa nanamboatra simba tamina sambolay aho. Gaga be aho fa voaray! Nilaza izy hoe: “Amin’ny tolakandro ianao no manomboka. Fa izao, Vavolombelon’i Jehovah aho dia manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy tiako raha miteraka olana ato am-piasana ato ianao.” Taitra aho sady namaly hoe: “Izaho koa ange Vavolombelon’i Jehovah e!” Fa tsy nino ahy angamba izy satria izaho sady lava volo no be volombava, dia hozy hoe: “Hay! Hampianariko Baiboly ianao izany.” Nanaiky aho sady faly erỳ! Azoko amin’izay hoe fa maninona ilay mpandrafitra voalohany no tsy niantso ahy mihitsy. Nomen’i Jehovah an’izay nirin’ny foko aho mantsy. (Sal. 37:4) Niasa tao amin’io rahalahy io nandritra ny herintaona aho, dia nampianariny Baiboly. Natao batisa aho tamin’ny Janoary 1974.

LASA MISY DIKANY NY FIAINAKO!

Nanomboka nanao mpisava lalana aho iray volana taorian’izay. Tena nahafa-po ahy izany! Nifindra tany Amsterdam aho ny volana nanaraka, ary nanampy tao amin’ny antoko-mpitory espaniola. Vao niforona izy io. Tiako be ny nampianatra Baiboly tamin’ny teny espaniola sy portogey. Voatendry ho mpisava lalana manokana aho tamin’ny Mey 1975.

Nisy anabavy mpisava lalana manokana tonga nivory tao aminay. Ineke no anarany. Nanana mpianatra Baiboly avy any Bolivia izy, dia nentiny nivory tao aminay io mpianany io. Nifanoratra izahay sy Ineke satria te hifankahafantatra bebe kokoa. Tsy ela dia hitanay hoe nitovy ny tanjonay. Nivady izahay tamin’ny 1976, ary nanao mpisava lalana manokana foana hatramin’ny 1982. Voasa hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-73 mantsy izahay tamin’io taona io. Gaga sy faly be izahay fa voatendry hanompo tany Afrika Atsinanana. Nanompo tany Mombasa, eto Kenya, izahay nandritra ny dimy taona, dia voatendry ho any Tanzania tamin’ny 1987. Efa tsy voarara intsony ny asa fitoriana tany tamin’izany. Nanompo tany nandritra ny 26 taona izahay, ary avy eo niverina teto Kenya.

Faly be izahay mivady rehefa nanampy ny olona tany Afrika Atsinanana mba hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly

Lasa nisy dikany ny fiainanay rehefa nanampy ny olona manetry tena mba hianatra ny fahamarinana izahay. Hoatr’izany tamin’ny mpianatro Baiboly voalohany tany Mombasa. Teny am-pitoriana no nahitako azy. Nomeko gazety roa izy, dia hozy hoe: “Inona no hataoko rehefa voavakiko ireto?” Nanomboka nianatra Baiboly izahay ny herinandro nanaraka. Ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany no nampiasainay. Vao nivoaka tamin’ny teny swahili izy io tamin’izany. Natao batisa izy herintaona taorian’izay ary nanao mpisava lalana maharitra. Efa ho 100 izao ny olona nampian’izy mivady mba hanokan-tena sy hatao batisa.

Tsapanay sy Ineke hoe ataon’i Jehovah misy dikany ny fiainantsika mpanompony

Rehefa fantatro hoe tena misy dikany ny fiainana, dia azoko tsara ny tsapan’ilay mpivaro-mandeha nahita perla miavaka. Tsy te hivarotra an’ilay izy mihitsy izy! (Mat. 13:45, 46) Lasa te hampiasa ny fiainako manontolo aho mba hanampiana ny hafa hahafantatra an’izany koa. Izahay mivady mihitsy no nahatsapa hoe ataon’i Jehovah misy dikany ny fiainantsika mpanompony.