Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 44

Tsy Miovaova ny Fitiavan’i Jehovah Anao!

Tsy Miovaova ny Fitiavan’i Jehovah Anao!

“Mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.”​—SAL. 136:1.

HIRA 108 Tsy Miovaova ny Fitiavan’Andriamanitra

HO HITANAO ATO *

1. Mampirisika antsika hanao inona i Jehovah?

 TENA tia maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, na fitiavana tsy miovaova, i Jehovah. (Mika 7:18) Mampirisika ny mpanompony ho tia an’io toetra io koa izy. Nasainy nanoratra, ohatra, i Mika mpaminany hoe: ‘Inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny ho tia hatsaram-panahy [izany hoe fitiavana tsy miovaova]?’ (Mika 6:8) Mazava ho azy fa tsy afaka ny ho tia an’io toetra io isika, raha tsy fantatsika aloha hoe inona marina izy io.

2. Inona no atao hoe fitiavana tsy miovaova?

2 Miverina in-200 eo ho eo ilay teny hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana”, ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Azo adika hoe fitiavana tsy miovaova koa izy io. Io heviny io no tiana horesahina amin’ny hoe “hatsaram-panahy” na “hatsaram-panahy feno fitiavana”, ao amin’ny andinin-teny rehetra ato amin’ity lahatsoratra ity. Ny hoe fitiavana tsy miovaova dia midika hoe fitiavana olona iray, satria tsy te hivadika aminy sy te hifikitra mafy aminy ary miraiki-po aminy. Ilazana ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona izy io matetika, nefa koa ilazana ny fitiavana asehon’ny olona iray amin’ny olon-kafa. Tsy miovaova ny fitiavan’i Jehovah, ary izy no ohatra tsara indrindra amin’izany. Horesahintsika ato hoe ahoana no ampisehoany an’io fitiavana io amin’ny olombelona. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no hanahafantsika azy rehefa mifandray amin’ny mpiara-manompo.

MAMPIAVAKA AN’I JEHOVAH NY FITIAVANA TSY MIOVAOVA

3. Inona no nolazain’i Jehovah an’i Mosesy?

3 Taoriana kelin’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, dia nampahafantarin’i Jehovah an’i Mosesy ny anarany sy ny toetrany. Izao no nolazainy: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana ho an’ny taranaka an’arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana.” (Eks. 34:6, 7) Misy zavatra miavaka nampahafantarin’i Jehovah an’i Mosesy momba ny fitiavany, rehefa nilaza an’ireo teny mampihetsi-po ireo izy. Inona izany?

4-5. a) Inona no nolazain’i Jehovah momba ny tenany? b) Inona ny fanontaniana hovaliantsika izao?

4 Tsy nilaza fotsiny i Jehovah hoe manana hatsaram-panahy feno fitiavana izy, fa hoe “be hatsaram-panahy feno fitiavana” izy. Impito ireo teny ireo no miverina ao amin’ny Baiboly, ankoatra ny eo amin’io andininy io. (Nom. 14:18; Neh. 9:17; 13:22; Sal. 86:15; 103:8; Joela 2:13; Jona 4:2) I Jehovah irery no lazaina hoe be hatsaram-panahy feno fitiavana eo amin’ireo andinin-teny ireo, fa tsy olombelona mihitsy. Hita amin’izany fa tena tian’i Jehovah hoantitranterina hoe tsy miovaova ny fitiavany. Azo antoka àry fa tena zava-dehibe aminy io toetra io. * Tsy mahagaga raha nilaza i Davida Mpanjaka hoe: “Jehovah ô, [tonga hatrany] an-danitra ny hatsaram-panahinao feno fitiavana. ... Sarobidy tokoa ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, Andriamanitra ô! Ary eo ambany elatrao no ialofan’ny zanak’olombelona.” (Sal. 36:5, 7) Tena faly i Davida hoe tsy miovaova ny fitiavan’Andriamanitra! Sarobidy be aminao koa ve io toetrany io?

5 Hamaly fanontaniana roa isika izao, mba hahafantarantsika bebe kokoa ny atao hoe fitiavana tsy miovaova: Iza no ampisehoan’i Jehovah an’io fitiavana io? Inona no soa raisintsika noho izy mampiseho an’izany amintsika?

IZA NO ANEHOAN’I JEHOVAH FITIAVANA TSY MIOVAOVA?

6. Iza no anehoan’i Jehovah fitiavana tsy miovaova?

6 Hita ao amin’ny Baiboly hoe betsaka ny zavatra azo tiavina, anisan’izany ny “fambolena”, ny “fahalalana”, ny “anatra”, ny “divay sy menaka”, ny “fahendrena”, sy ny sisa. (2 Tan. 26:10; Ohab. 12:1; 21:17; 29:3) Tsy zavatra na hevitra anefa no anehoana fitiavana tsy miovaova, fa olona ihany. Na izany aza, dia tsy ny olona rehetra no anehoan’i Jehovah an’io toetra io, fa izay mifandray akaiky aminy ihany. Tsy mivadika amin’ny namany ilay Andriamanitsika. Manomana hoavy tena tsara ho azy ireo izy, ary ho tia azy ireo foana.

Tian’i Jehovah ny olombelona rehetra ka omeny zavatra tsara, na dia izay tsy manompo azy aza (Fehintsoratra 7) *

7. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tiany ny olona rehetra?

7 Maneho fitiavana amin’ny olona rehetra i Jehovah. Nilaza tamin’i Nikodemosy, ohatra, i Jesosy hoe: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao [izany hoe ny olombelona rehetra], ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”​—Jaona 3:1, 16; Mat. 5:44, 45.

Araka ny tenin’i Davida Mpanjaka sy Daniela mpaminany, dia anehoan’i Jehovah fitiavana tsy miovaova ny olona mahafantatra azy, matahotra azy, tia azy, ary mitandrina ny didiny (Fehintsoratra 8-9)

8-9. a) Nahoana i Jehovah no maneho fitiavana tsy miovaova amin’ny mpanompony? b) Inona indray izao no hodinihintsika?

8 Hitantsika teo fa izay mifandray akaiky amin’i Jehovah ihany no anehoany fitiavana tsy miovaova, izany hoe ny mpanompony. Manamarina an’izany ny tenin’i Davida Mpanjaka sy Daniela mpaminany. Izao no nolazain’i Davida: “Aza mitsahatra maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’izay mahalala anao.” Hoy koa izy: ‘Efa hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay ny hatsaram-panahin’i Jehovah ho an’izay matahotra azy.’ (Sal. 36:10; 103:17) I Daniela indray niteny hoe: ‘Jehovah ô, maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ireo tia anao sy mitandrina ny didinao ianao.’ (Dan. 9:4) Hita amin’izany fa ny mpanompony no anehoan’i Jehovah fitiavana tsy miovaova, satria mahafantatra azy sy matahotra azy ary tia azy ry zareo sady mankatò ny didiny. Atokan’i Jehovah ho an’izay tena manompo azy àry io fitiavany io.

9 Nanehoan’i Jehovah an’ilay fitiavana asehony amin’ny olona rehetra isika, tamin’isika mbola tsy nanompo azy. (Sal. 104:14) Rehefa lasa mpanompony anefa isika, dia lasa anehoany an’ilay fitiavana tsy miovaova koa. Manome toky ny mpanompony i Jehovah hoe: ‘Tsy hesorina aminao ny hatsaram-panahiko feno fitiavana.’ (Isaia 54:10) “Miavaka ny fomba hitondran’i Jehovah ny olony tsy mivadika”, ary nahatsapa tsara an’izany i Davida. (Sal. 4:3) Hafa mihitsy àry ny fomba ikarakaran’i Jehovah antsika. Ahoana no tokony hamaliantsika an’izany fitiavany izany? Hoy ny mpanao salamo iray: “Ny hendry dia izay mandinika izany sy mampifantoka ny sainy amin’ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’i Jehovah.” (Sal. 107:43) Andao àry isika handinika fomba telo ampisehoan’i Jehovah fitiavana tsy miovaova. Horesahintsika avy eo ny soa raisintsika rehefa anehoany an’io fitiavana io.

INONA NO SOA RAISINTSIKA AVY AMIN’IZANY?

Anehoan’i Jehovah fitiavana tsy miovaova ny olona manompo azy ka omeny fitahiana fanampiny (Fehintsoratra 10-16) *

10. Nahoana no mahasoa antsika ny mahalala hoe tsy miova mandrakizay ny fitiavan’i Jehovah antsika? (Salamo 31:7)

10 Tsy hoe tsy miova fotsiny ny fitiavan’i Jehovah, fa maharitra mandrakizay mihitsy. Miverina in-26 io hevitra io ao amin’ny Salamo faha-​136. Milaza, ohatra, ny andininy voalohany hoe: “Misaora an’i Jehovah, fa tsara izy: Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.” (Sal. 136:1) Mbola miverina eo amin’ny andininy faha-2 ka hatramin’ny faha-26 koa ilay hoe “fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.” Rehefa mandinika ny andinin-teny hafa ao amin’io Salamo io isika, dia mahavariana hoe misy fomba be dia be ampisehoan’i Jehovah fa tsy miovaova ny fitiavany, ary tsy mitsahatra mampiseho an’izany izy. Ilay teny miverimberina hoe “fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana”, dia manome toky antsika hoe tsy mivadika Andriamanitra fa tiany foana ny mpanompony. Tena mampahery ny mahafantatra hoe tsy mora miala amin’ny mpanompony i Jehovah. Rehefa miraiki-po amin’ny olona iray manompo azy izy dia mifikitra aminy, indrindra rehefa misy zava-tsarotra. Inona no soa raisintsika avy amin’izany? Lasa faly sy mahazo hery isika rehefa mahafantatra hoe mifikitra amintsika i Jehovah. Mahavita miatrika an’izay olana mahazo antsika isika vokatr’izany, sady mahavita manompo azy foana.—Vakio ny Salamo 31:7.

11. Araka ny Salamo 86:5, nahoana i Jehovah no mamela heloka?

11 Mamela heloka i Jehovah satria tsy miovaova ny fitiavany. Inona no ataony rehefa hitany hoe mibebaka ny mpanota iray sady miala amin’ny fahazaran-dratsiny? Mamela ny fahadisoany izy satria tsy miovaova ny fitiavany. Izao no nolazain’i Davida momba an’i Jehovah: “Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy, na mamaly ny fahadisoantsika araka izay tokony ho sahaza antsika.” (Sal. 103:8-11) Mampijaly izany hoe enjehin’ny eritreritra izany, ary i Davida mihitsy no efa niaina an’izany. Hitany tamin’ny zavatra niainany koa anefa hoe “vonona hamela heloka” i Jehovah. Fa inona no mahatonga an’i Jehovah hanao an’izany? Mamaly an’izany ny Salamo 86:5. (Vakio.) Hitantsika amin’io vavak’i Davida io hoe mamela heloka i Jehovah, satria tena be fitiavana amin’izay rehetra miantso azy.

12-13. Inona no hanamaivana antsika raha tototry ny alahelo isika satria enjehin’ny eritreritsika?

12 Mety ny manenina amin’izay ratsy natao. Mahasoa mihitsy aza izany, satria mety handrisika antsika hibebaka sy hanitsy ny fomba fiainantsika. Malahelo be foana anefa ny mpanompon’i Jehovah sasany, satria enjehin’ny eritreriny noho ny fahotana vitany. Manameloka azy ny fony ka lasa mieritreritra foana izy hoe tsy hamela ny fahotany mihitsy i Jehovah, na mibebaka hoatran’ny inona aza izy. Hoatr’izany ve no tsapanao? Azo inoana hoe hahatsiaro ho maivamaivana ianao, rehefa azonao tsara fa tena te hampiseho fitiavana tsy miovaova amin’ny mpanompony i Jehovah.

13 Inona no soa raisintsika avy amin’izany? Afaka ny ho faly manompo an’i Jehovah isika sady hanana feon’ny fieritreretana madio, na dia mbola tsy lavorary aza. Nahoana? Satria “ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.” (1 Jaona 1:7) Inona àry no azonao atao rehefa kivy ianao noho ianao tsy lavorary? Tadidio hoe vonona hamela ny heloky ny mpanota mibebaka i Jehovah sady tena te hanao an’izany. Misy ifandraisany ny fitiavana tsy miovaova sy ny famelan-keloka. Izao mantsy no nosoratan’i Davida: “Toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany ny haben’ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehony amin’izay matahotra azy. Fa toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana, no anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.” (Sal. 103:11, 12) Vonona ‘hamela heloka tanteraka’ àry i Jehovah satria tsy miovaova ny fitiavany.—Isaia 55:7.

14. Inona no nolazain’i Davida momba ny fitiavana tsy miovaova asehon’i Jehovah? Nahoana?

14 Voaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah noho izy mampiseho fitiavana tsy miovaova amintsika. Izao no vavaka nataon’i Davida: ‘Ianao no fiafenako, ary hiaro ahy tsy ho azom-pahoriana ianao. Fihobiana no hataonao manodidina ahy satria manafaka ahy ianao. Voahodidina hatsaram-panahy feno fitiavana izay matoky an’i Jehovah.’ (Sal. 32:7, 10) Miaro ny mponina ao amin’ny tanàna iray ny manda manodidina azy. Hoatr’izany koa ny fitiavana tsy miovaova asehon’i Jehovah. Hoatran’ny manda manodidina antsika izy io, ka miaro antsika amin’izay rehetra mety hanimba ny fifandraisantsika aminy. Noho i Jehovah manana fitiavana tsy miovaova koa no mahatonga azy hitaona antsika hanatona azy.—Jer. 31:3.

15. Nahoana no lazaina hoe fialofana sy fiarovana mafy ny fitiavana tsy miovaova asehon’i Jehovah?

15 Nampiasa ohatra hafa koa i Davida, mba hanazavana ny fomba iarovan’Andriamanitra ny vahoakany. Hoy izy: “Tendrombohitra fandosirako Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra naneho hatsaram-panahy tamiko.” Nilaza koa izy hoe: ‘Izy ilay maneho hatsaram-panahy amiko sy fiarovana mafy ho ahy, Tendrombohitra fandosirako sy Mpanafaka ahy, Ampingako sy Fialofako.’ (Sal. 59:17; 144:2) Fa maninona no nampitovin’i Davida tamin’ny tendrombohitra fandosirana sy fiarovana mafy ny fitiavana tsy miovaova asehon’i Jehovah? Satria raha mbola manompo an’i Jehovah isika dia hanome an’izay rehetra ilaintsika izy mba hiarovana ny fifandraisantsika aminy, na aiza na aiza misy antsika. Manome toky antsika hoatr’izany koa ny Salamo faha-​91. Izao no noresahin’ny mpanoratra azy io: “Hilaza amin’i Jehovah aho hoe: ‘Fialofako ianao, ary fiarovana mafy ho ahy.’” (Sal. 91:1-3, 9, 14) Niresaka zavatra mitovitovy amin’izany i Mosesy. (Sal. 90:1) Nilaza koa izy rehefa akaiky ho faty hoe: “Ilay Andriamanitry ny andro fahiny no fiafenanao [na fialofanao], ary manohana anao ireo sandriny izay maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Deot. 33:27) Misy tsipiriany mampahery nasongadin’i Mosesy eo. Nilaza izy hoe: “Manohana anao ireo sandriny izay maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” Inona no tiany horesahina amin’izany?

16. Inona no soa raisintsika noho isika mahafantatra hoe afaka miantehitra amin’i Jehovah foana isika? (Salamo 136:23)

16 Mahatsiaro ho voaro isika rehefa mialoka amin’i Jehovah. Kivy anefa isika indraindray sady hoatran’ny hoe tsy mety tafarina mihitsy. Ahoana no hataon’i Jehovah amin’izay? (Vakio ny Salamo 136:23.) Hampiany isika mba hahavita hijoro sy hitraka indray, ka hoatran’ny hoe manarina antsika tsimoramora amin’ny sandriny izy. (Sal. 28:9; 94:18) Mahasoa antsika ny mahafantatra hoe afaka miantehitra amin’i Jehovah foana isika. Inona no soa raisintsika avy amin’izany? Voalohany, matoky isika hoe hiaro antsika foana i Jehovah na aiza na aiza misy antsika. Faharoa, matoky isika hoe tena miahy antsika ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra.

NAHOANA ISIKA NO MATOKY FA TSY HIOVA MIHITSY NY FITIAVAN’I JEHOVAH ANTSIKA?

17. Inona ny toky ananantsika? (Salamo 33:18-22)

17 Hitantsika teo hoe rehefa miatrika olana isika, dia afaka matoky fa hanampy antsika tsy hivadika i Jehovah. (2 Kor. 4:7-9) Izao no nolazain’i Jeremia mpaminany: “Ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’i Jehovah no tsy maharipaka tanteraka antsika, satria tsy ho lany ny famindram-pony.” (Fitom. 3:22) Afaka matoky isika fa tsy hiova mihitsy ny fitiavan’i Jehovah antsika, satria milaza ny Baiboly hoe: “Ny mason’i Jehovah mitsinjo an’izay matahotra azy, dia ireo miandry ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.”​—Vakio ny Salamo 33:18-22.

18-19. a) Inona no tokony hotadidintsika? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Inona no tokony hotadidintsika? Nanehoan’i Jehovah an’ilay fitiavana asehony amin’ny olona rehetra isika, tamin’isika mbola tsy nanompo azy. Rehefa lasa mpanompony anefa isika, dia lasa anehoany an’ilay fitiavana tsy miovaova koa. Io fitiavana io no mahatonga azy hamihina antsika amin’ny sandriny mahery mba hiarovana antsika. Hotazoniny eo akaikiny eo foana isika, ary hotanterahiny izay rehetra nampanantenainy antsika. (Sal. 46:1, 2, 7) Tiany ho namany mandrakizay isika. Matokia àry fa na inona na inona olana atrehinao, dia hanome anao ny hery ilainao mba tsy hivadihana aminy i Jehovah.

19 Hitantsika tato ny fomba ampisehoan’i Jehovah fa tsy miovaova ny fitiavany antsika. Inona no azontsika atao raha te hamaly fitia azy isika? Tiany hampiseho an’io toetra io amin’ny mpiara-manompo isika. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no hanaovana an’izany.

HIRA 136 ‘Valisoa avy Amin’i Jehovah’

^ feh. 5 Inona no atao hoe fitiavana tsy miovaova? Iza no ampisehoan’i Jehovah an’io toetra io? Ary inona no soa azon’izay anehoany azy io? Hamaly an’ireo fanontaniana ireo isika ato. Mbola hiresaka momba an’io toetra miavaka io koa ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 4 Misy andinin-teny hafa koa miresaka ny haben’ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’Andriamanitra.—Jereo ny Salamo 69:13; 106:7; ary ny Fitomaniana 3:32.

^ feh. 54 SARY: Maneho fitiavana amin’ny olombelona rehetra i Jehovah, anisan’izany ny mpanompony. Hita amin’ny sary ao anatin’ireo boribory ny fomba anehoany an’izany. Ny sorona nataon’i Jesosy no lehibe indrindra amin’izany.

^ feh. 62 SARY: Miavaka ny fomba itondran’i Jehovah ny olona lasa manompo azy sy mino ny sorom-panavotana. Anehoany an’ilay fitiavana asehony amin’ny olona rehetra ry zareo sady anehoany fitiavana tsy miovaova koa. Hita amin’ny sary ao anatin’ireo boribory eo ambany ny fomba sasany anehoany an’io fitiavana tsy miovaova io.