LAHATSORATRA FIANARANA 49

Mampianatra Antsika Hifandray Tsara Amin’ny Olon-kafa ny Bokin’ny Levitikosy

Mampianatra Antsika Hifandray Tsara Amin’ny Olon-kafa ny Bokin’ny Levitikosy

“Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”​—LEV. 19:18.

HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no nianarantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha? Inona no hodinihintsika ato?

 NIRESAKA hevitra mahasoa avy tao amin’ny Levitikosy toko faha-​19 isika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Ampirisihin’i Jehovah hanaja ny ray aman-dreniny, ohatra, ny Israelita eo amin’ny andininy faha-​3. Mampihatra an’izany isika raha manome an’izay ilain’ny ray aman-drenintsika sy mampahery an-dry zareo ary manampy an-dry zareo hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Nampahatsiahivin’Andriamanitra koa ny vahoakany eo amin’io andinin-teny io hoe tena ilaina ny mitandrina ny Sabata. Marina fa tsy voatery hitandrina ny Sabata isika amin’izao. Afaka mampihatra ny toro lalana ao amin’izy io anefa isika, ka manokana fotoana mba hanaovana zavatra ho an’i Jehovah isan’andro. Rehefa manao an’ireo isika dia ho hita hoe miezaka mafy mba ho masina, araka ny ampirisihin’ny Levitikosy 19:2 sy ny 1 Petera 1:15.

2 Mbola handinika ny Levitikosy toko faha-​19 isika ato amin’ity lahatsoratra ity, dia hamaly an’ireto: Ahoana no hampisehoantsika hoe tsara fanahy amin’ny olona manana kilema ara-batana isika? Ahoana no hampisehoantsika hoe manao ny marina isika amin’ny resaka varotra sy asa? Ahoana no hampisehoantsika hoe tiantsika ny olon-kafa? Tena ilaintsika ny mandinika an’ireo satria te ho masina hoatran’Andriamanitra isika.

MIEZAHA HO TSARA FANAHY AMIN’IREO MANANA KILEMA

Araka ny Levitikosy 19:14, ahoana no tokony hitondrantsika ny marenina sy ny jamba? (Fehintsoratra 3-5) *

3-4. Araka ny Levitikosy 19:14, ahoana no tokony hitondran’ny Israelita ny marenina sy ny jamba?

3 Vakio ny Levitikosy 19:14. Tian’i Jehovah ho tsara fanahy amin’ny olona manana kilema ny vahoakany. Tsy navelany hanozona olona marenina, ohatra, ny Israelita. Ny hoe manozona dia midika hoe mandrahona olona na maniry hoe hisy zava-dratsy hanjo azy. Tena mampalahelo raha olona efa marenina no mbola atao an’izany! Tsy maheno an’izay lazain’ny olona momba azy mantsy izy ka tsy afaka miaro tena.

4 Nandidy ny vahoakany koa i Jehovah eo amin’ny andininy faha-​14 hoe tsy tokony ‘hanisy sakana eo anoloan’ny jamba’ ry zareo. Izao no lazain’ny boky iray momba ny olona manana kilema: “Nohararaotina sy nampijalina ireny olona ireny tany Israely taloha.” Nanao sangy mihoatra ny loha angamba ny olona sasany na tena ratsy fanahy mihitsy, dia nametraka zavatra teo anoloan’ny jamba. Nanana fo vato mihitsy izay nanao an’izany! Nanome an’io didy io àry i Jehovah mba hanampiana ny vahoakany hahita hoe tokony hangoraka an’izay manana kilema ry zareo.

5. Ahoana no hampisehoantsika hoe mangoraka ny olona manana kilema isika?

5 Nangoraka ny olona nanana kilema i Jesosy. Manaporofo an’izany ilay hafatra nampitainy ho an’i Jaona Mpanao Batisa hoe: “Mahiratra ny jamba, mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina, [ary] atsangana ny maty.” Lasa ‘nidera an’Andriamanitra ny olona rehetra’ rehefa nahita ny fahagagana nataon’i Jesosy. (Lioka 7:20-22; 18:43) Te hanahaka azy ny Kristianina ka mangoraka an’izay manana kilema. Tsara fanahy sy manam-paharetana amin’ny olona hoatr’izany àry isika. Marina hoe tsy nomen’i Jehovah hery hanaovana fahagagana isika. Nomeny tombontsoa hiresaka ny vaovao tsara momba ny Paradisa anefa isika. Hifandray tsara amin’i Jehovah ny olona ary ho salama tsara daholo, rehefa tanteraka izany. Mitory an’izany hafatra izany amin’ny jamba ara-bakiteny sy jamba ara-panahy isika. (Lioka 4:18) Efa be dia be izao no nidera an’Andriamanitra rehefa naheno an’io hafatra torintsika io.

MANAO NY MARINA AMIN’NY RESAKA ASA

6. Nahoana ny Levitikosy toko faha-​19 no manampy antsika hahazo kokoa ny Didy Folo?

6 Manampy antsika hahazo kokoa ny Didy Folo ny andinin-teny sasany ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19. Milaza fotsiny, ohatra, ny didy fahavalo hoe: “Aza mangalatra.” (Eks. 20:15) Mety hieritreritra ny olona iray hoe efa mankatò an’io didy io izy, raha mitandrina tsara mba tsy haka zavatr’olona. Mety ho mbola mangalatra ihany anefa izy fa amin’ny fomba hafa.

7. Inona no mety hahatonga ny mpivarotra iray handika an’ilay didy fahavalo?

7 Mety hieritreritra ny mpivarotra iray hoe tsy nangalatra izy satria mbola tsy naka zavatr’olona mihitsy. Ahoana anefa no ataony rehefa mivarotra? Izao no nolazain’i Jehovah ao amin’ny Levitikosy 19:35, 36: “Aza manao ny tsy marina rehefa mitsara, na mandrefy, na mandanja, na mamatra. Tokony ho mizana marina sy vatomizana marina no hanananareo, ary koa efaha marina sy hina marina.” Azo lazaina hoe mangalatra àry ny mpivarotra iray, raha tsy marina tsara ny fitaovana fandanjana sy fandrefesana ampiasainy satria izy te hamitaka mpividy. Manamafy an’izany ny andinin-teny hafa ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19.

Inona no tokony hoeritreretin’ny Kristianina iray momba ny asany na ny varotra ataony rehefa avy mandinika ny Levitikosy 19:11-13? (Fehintsoratra 8-10) *

8. Nahoana ny tsipiriany ao amin’ny Levitikosy 19:11-13 no nanampy ny Jiosy mba hampihatra ny toro lalana ao amin’ny didy fahavalo? Inona no lesona raisintsika avy amin’izany?

8 Vakio ny Levitikosy 19:11-13. Izao no teny voalohany ao amin’ny Levitikosy 19:11: “Aza mangalatra.” Ny andininy faha-​13 indray milaza hoe: “Aza manambaka olona.” Mifandray ireo andininy ireo. Midika izany fa naman’ny mangalatra ihany ny olona iray raha manambaka olona, izany hoe tsy manao ny marina amin’ny varotra na asa hafa. Milaza fotsiny ny didy fahavalo fa ratsy ny mangalatra. Ny tsipiriany ao amin’ny Levitikosy kosa nanampy ny Jiosy mba hahafantatra hoe ahoana no azon’izy ireo ampiharana ny toro lalana ao amin’io lalàna io, ka hanao ny marina amin’ny zava-drehetra. Mahasoa antsika ny misaintsaina hoe rahoviana ny olona iray no heverin’i Jehovah hoe manao ny tsy marina na mangalatra. Eritrereto àry izao: ‘Rehefa mandinika ny Levitikosy 19:11-13 aho, dia misy fiovana tokony hataoko ve? Tokony hahitsiko ve ny zavatra sasany fanaoko amin’ny resaka varotra na asa?’

9. Nahoana ilay lalàna ao amin’ny Levitikosy 19:13 no niaro ny mpiasa?

9 Tokony handinika ny Levitikosy 19:13 koa ny Kristianina manakarama olona. Misy lesona hafa momba ny fanaovana ny marina mantsy ao. Izao no voalaza ao: “Aza tazonina any aminao mandritra ny alina ka mandra-maraina ny karaman’olona karamainao.” Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan’ny olona tany Israely. Nikarama isan’andro ry zareo ka nahazo karama isaky ny nifarana ny andro. Raha tsy nandoa ny karamany àry ny mpampiasa azy, dia tsy hanam-bola hamelomana ny fianakaviany izy tamin’iny andro iny. Izao no nolazain’i Jehovah momba an’izany: “Tra-pahasahiranana izy ka iny no andrandrainy.”​—Deot. 24:14, 15; Mat. 20:8.

10. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Levitikosy 19:13?

10 Misy olona mikarama isan’andro koa amin’izao, fa betsaka koa no mahazo karama indray mandeha na indroa isam-bolana. Na ahoana na ahoana, dia mbola azo ampiharina foana ny toro lalana ao amin’ny Levitikosy 19:13. Misy mpampiasa sasany, ohatra, manararaotra ny mpiasany ka kely loatra ny karama omeny an-dry zareo fa tsy araka ny tokony ho izy. Fantany mantsy hoe mety tsy hanan-tsafidy ry zareo fa tsy maintsy hiasa ao aminy na dia hikarama vary masaka aza. Hoatran’ny hoe ‘mitazona ny karaman’olona karamainy’ ihany izy rehefa manao an’izany. Mila mampihatra an’io toro lalana io ny Kristianina raha mampiasa olona. Mbola misy lesona hafa koa anefa ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19.

TIAVO NY NAMANAO TAHAKA NY TENANAO

11-12. Inona no nantitranterin’i Jesosy rehefa namerina an’izay voalazan’ny Levitikosy 19:17, 18 izy?

11 Tsy ampy ny hoe tsy manisy ratsy olona. Fa inona koa no tian’i Jehovah hataontsika? Miresaka an’izany ny Levitikosy 19:17, 18. (Vakio.) Izao no didy mazava tsara voalaza ao: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Tsy maintsy manao an’izany ny Kristianina raha te hampifaly an’Andriamanitra.

12 Nasongadin’i Jesosy hoe tena zava-dehibe io didy ao amin’ny Levitikosy 19:18 io. Nisy Fariseo nanontany azy indray mandeha hoe: “Inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?” Izao no navalin’i Jesosy azy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo. Izany no didy lehibe indrindra.” Namerina ny voalazan’ny Levitikosy 19:18 izy avy eo, ka niteny hoe: “Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’” (Mat. 22:35-40) Be dia be ny fomba azontsika ampisehoana an’izany, fa andao indray isika handinika an’izay voaresaka ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19.

13. Inona no mampiseho hoe mifanaraka amin’izay voalazan’ny Levitikosy 19:18 no nataon’i Josefa?

13 Asehontsika hoe tiantsika ny olon-kafa raha mampihatra ny Levitikosy 19:18 isika. Izao no voalaza ao: “Aza mamaly faty na manao an-dolompo.” Mahafantatra olona manao an’izany ny ankamaroantsika. Misy, ohatra, efa aman-taonany no tezitra tamin’ny mpiara-miasa taminy na mpiara-mianatra taminy na havany! Tadidio fa nitana lolompo tamin’i Josefa ny rahalahiny folo, ka lasa nankahala sy nampijaly azy tamin’ny farany. (Gen. 37:2-8, 25-28) Tsy nanao hoatr’izany tamin-dry zareo anefa i Josefa. Nahazo fahefana izy tatỳ aoriana ary afaka namaly faty. Tsy nitana lolompo anefa izy fa naleony namindra fo. Mifanaraka amin’izay voalazan’ny Levitikosy 19:18 no nataony.​—Gen. 50:19-21.

14. Inona no manaporofo fa mbola tokony hampihatra an’ilay toro lalana ao amin’ny Levitikosy 19:18 isika?

14 Modely ho an’ny Kristianina te hampifaly an’Andriamanitra i Josefa, satria namela heloka izy fa tsy nitana lolompo na namaly faty. Mifanaraka amin’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy izany. Nampirisika antsika mantsy izy mba hamela an’izay nanota tamintsika. (Mat. 6:9, 12) Nanoro hevitra ny Kristianina koa ny apostoly Paoly hoe: “Aza mamaly faty, ry malala.” (Rom. 12:19) Tsy izay ihany fa nilaza izy hoe: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.” (Kol. 3:13) Tsy miova ny toro lalan’i Jehovah. Mbola tokony hankatò ny toro lalana ao amin’ilay lalàna resahin’ny Levitikosy 19:18 àry isika.

Tsy mety ny mikitikitika foana ny ratra mahazo antsika. Tsy tsara koa ny mieritreritra foana an’izay nandratra ny fontsika fa aleo miezaka manadino (Fehintsoratra 15) *

15. Manomeza ohatra mampiseho hoe tokony hamela heloka sy hanadino isika?

15 Andao isika haka ohatra. Azo oharina amin’ny ratra ny alahelo tsapantsika rehefa misy manao zavatra tsy mety amintsika. Ratra kely ny sasany fa ny hafa indray lalina kokoa. Mety haratra, ohatra, isika rehefa mamaofy legioma. Marina hoe mety hanaintaina be ilay izy, nefa vetivety ihany dia ho sitrana. Tsy ho tadidintsika akory aza angamba hoe taiza ilay naratra rehefa afaka iray na roa andro. Tsy olana lehibe koa indraindray no mahatonga antsika halahelo. Tsy mieritreritra tsara, ohatra, ny namantsika indraindray dia lasa miteny na manao zavatra mampahatezitra antsika. Tsy sarotra ny mamela heloka amin’izay. Ahoana indray raha maratra be isika? Tsy maintsy hozairin’ny dokotera angamba ilay izy ary hofeheziny. Raha kitikitihintsika foana anefa ilay ratra, dia vao mainka harary. Mampalahelo fa hoatr’izany no ataon’ny olona sasany rehefa misy zavatra mandratra mafy ny fony. Mieritreritra foana momba ny alahelony sy izay tsy zakany tamin’ny nataon’ilay olona izy. Izy ihany anefa no ho voa raha mitana lolompo. Aleo lavitra àry mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Levitikosy 19:18.

16. Araka ny Levitikosy 19:33, 34, ahoana no tokony hataon’ny Israelita tamin’ny vahiny? Inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

16 Rehefa nandidy ny Israelita mba ho tia ny hafa i Jehovah, dia tsy ny olona iray fiaviana na iray firenena tamin-dry zareo ihany no tiany holazaina. Tokony ho tian-dry zareo koa ny vahiny. Miresaka mazava tsara momba an’izany ny Levitikosy 19:33, 34. (Vakio.) Tokony hataon’ny Israelita hoatran’ny “teratany” ny vahiny, ary tokony ho ‘tiany tahaka ny tenany.’ Tsy maintsy navelan-dry zareo hitsimpona ny vokatra teny amin’ny sahany, ohatra, na ny vahiny na ny mahantra. (Lev. 19:9, 10) Tokony ho tia ny vahiny koa ny Kristianina. (Lioka 10:30-37) An-tapitrisany ny olona mifindra any an-tany hafa amin’izao, ary mety hisy amin’izy ireny mipetraka eny akaikinareo. Ahoana no azonao ampisehoana hoe tianao izy ireny? Tena ilaina ny miezaka manaja azy ireny, na lehilahy izy, na vehivavy, na ankizy.

LESONA HAFA TSY AO AMIN’NY LEVITIKOSY TOKO FAHA-​19

17-18. a) Inona no tokony hataontsika rehefa avy mandinika ny Levitikosy 19:2 sy ny 1 Petera 1:15? b) Inona ilay asa lehibe nampirisihin’i Petera hataontsika?

17 Mampirisika ny mpanompon’i Jehovah mba ho masina ny Levitikosy 19:2 sy ny 1 Petera 1:15. Manoro antsika izay azo atao mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah koa ny andinin-teny maro hafa ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19. Hitantsika tao amin’ny andinin-teny nodinihintsika tato, ohatra, ny zavatra sasany tokony hatao sy tsy tokony hatao. * Mbola tian’i Jehovah hampihatra an’ireny toro lalana ireny isika, rehefa jerena ny Soratra Grika Kristianina. Misy zavatra hafa noresahin’ny apostoly Petera anefa.

18 Manao zavatra isan-karazany ho an’i Jehovah angamba isika sady manao soa be dia be ho an’ny olon-kafa. Misy zavatra iray nasongadin’i Petera anefa. Izao no nolazainy talohan’ny hampirisihana antsika mba ho masina amin’ny fitondran-tena rehetra: “Hatanjaho hiatrika asa ny sainareo.” (1 Pet. 1:13, 15) Inona izany asa izany? Nilaza i Petera fa ‘hanambara hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay niantso’ azy ireo ny voahosotra rahalahin’i Kristy. (1 Pet. 2:9) Ny Kristianina rehetra mihitsy amin’izao no mandray anjara amin’io asa lehibe io, ary tsy misy mahasoa ny olona mihoatra an’io. Tena sambatra ny vahoaka masin’Andriamanitra hoe mazoto mitory sy mampianatra ary manao an’izany tsy tapaka. (Mar. 13:10) Hita hoe tena tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona isika, rehefa miezaka mafy mba hampihatra ny toro lalana ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19. Asehontsika amin’izany koa hoe te ho “masina” amin’ny fitondran-tena rehetra isika.

HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika

^ feh. 5 Marina fa tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina. Miresaka zavatra be dia be tokony hataontsika sy tsy tokony hataontsika anefa io Lalàna io. Hahay hampiseho fitiavana amin’ny olon-kafa sy hampifaly an’Andriamanitra isika raha mianatra azy ireny. Hiresaka lesona sasany azontsika ianarana avy amin’ny Levitikosy toko faha-​19 ity lahatsoratra ity.

^ feh. 17 Tsy nodinihintsika tato ny andinin-teny momba ny hoe manavakavaka, manendrikendrika, mihinana ra, mifandray amin’ny fanahy ratsy, milaza ny hoavy, ary mijangajanga.​—Lev. 19:15, 16, 26-29, 31.—Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ato amin’ity gazety ity.

^ feh. 52 SARY: Rahalahy marenina any amin’ny hopitaly. Misy rahalahy iray mandika teny ho azy mba hahafahany hifampiresaka amin’ny dokotera.

^ feh. 54 SARY: Rahalahy manana orinasa mpandoko trano. Manome karama ny olona iray miasa ao aminy izy.

^ feh. 56 SARY: Mora manadino ny ratra kely nahazo azy ny anabavy iray. Hifidy ny hanadino hoatr’izany koa ve izy raha maratra be?