Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 50

Henoy ny Feon’ilay Mpiandry Tena Tsara

Henoy ny Feon’ilay Mpiandry Tena Tsara

“Hihaino ny feoko izy.”​—JAONA 10:16.

HIRA 3 Ianao no Tokinay

HO HITANAO ATO *

1. Inona no mety ho nahatonga an’i Jesosy hampitovy ny mpanara-dia azy tamin’ny ondry?

 MIFANDRAY akaiky ny mpiandry ondry sy ny ondriny, ary nampitovin’i Jesosy tamin’izany ny fifandraisany amin’ny mpanara-dia azy. (Jaona 10:14) Mety tsara izany fampitahana izany. Mahafantatra ny mpiandry azy mantsy ny ondry ary manao izay teneniny. Manaporofo an’izany ny zavatra notantarain’ny mpizaha tany iray. Hoy izy: “Te haka sary ondry vitsivitsy izahay indray mandeha, dia nataonay izay hahatonga an-dry zareo hanatona anay. Tsy nety nanatona anefa ry zareo satria tsy fantany ny feonay. Nisy ankizilahikely mpiandry ondry tonga avy eo. Vao niantso fotsiny izy dia nanaraka azy ilay andian’ondry.”

2-3. a) Ahoana no ampisehoan’ny mpanara-dia an’i Jesosy hoe mihaino ny feony izy ireo? b) Inona no horesahintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka?

2 Mampahatsiahy antsika an’izay nolazain’i Jesosy momba ny ondriny, na ny mpianany, ny tenin’io mpizaha tany io. Izao no nolazainy: “Hihaino ny feoko [ny ondriko].” (Jaona 10:16) Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Fa i Jesosy ange any an-danitra e! Dia ahoana no hahafahantsika hihaino azy?’ Mila mampihatra an’izay nampianariny isika. Izay no fomba lehibe iray ampisehoantsika hoe mihaino azy isika.​—Mat. 7:24, 25.

3 Handinika ny torohevitra sasany nomen’i Jesosy isika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka. Ho hitantsika hoe misy zavatra sasany tsy tokony hataontsika intsony, ary misy zavatra sasany indray tokony hataontsika. Hodinihintsika voalohany ny zavatra roa nolazain’ilay Mpiandry Tena Tsara hoe tsy tokony hataontsika intsony.

“AZA BE FANAHIANA INTSONY”

4. Inona no mety hahatonga antsika ho “be fanahiana”? (Lioka 12:29)

4 Vakio ny Lioka 12:29. Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe tsy tokony ho “be fanahiana intsony” izy ireo, izany hoe tsy tokony hanahy be intsony momba an’izay ilainy. Fantatsika fa tsy diso mihitsy ny torohevitr’i Jesosy ary mahasoa foana, ka te hampihatra an’ilay izy isika. Sarotra anefa izany indraindray. Fa maninona?

5. Inona no mety hahatonga ny Kristianina sasany hanahy be momba an’izay ilainy?

 5 Mety hanahy be momba an’izay ilainy ny Kristianina sasany, ohatra hoe ahoana no hahazoana sakafo sy fitafiana ary trano hipetrahana. Ambany be angamba ny toe-karena any amin’ny tany misy azy. Mety ho sahirana be àry izy vao hahita vola ampy hividianana an’izay ilain’ny fianakaviany. Na mety hoe maty ilay olona namelona ny fianakaviana, ka lasa tsy misy fidiram-bola ry zareo. Ny sasany indray lasa tsy an’asa vokatry ny valanaretina COVID-19. (Mpito. 9:11) Misy mahazo anao ve ny iray amin’ireo, sa ianao manana olana hafa? Raha izany, dia ahoana no azonao ampiharana an’ilay torohevitr’i Jesosy hoe: “Aza be fanahiana intsony”?

Toy ny hoe milentika isika raha manahy be momba an’izay ilaintsika. Aleo kosa miezaka hatoky kokoa an’i Jehovah (Fehintsoratra 6-8) *

6. Inona no nanjo ny apostoly Petera indray mandeha?

6 Nandeha sambo teny amin’ny Ranomasin’i Galilia ny apostoly Petera sy ny apostoly hafa indray mandeha, ary nisy tafio-drivotra. Nahita an’i Jesosy nandeha teny ambony rano ry zareo tamin’izay, dia niteny i Petera hoe: “Raha ianao tokoa io, Tompoko, dia asaivo manatona anao eny ambony rano aho.” Namaly i Jesosy hoe: “Avia àry!” Dia nidina avy tao amin’ilay sambo i Petera, ka “nandeha teo ambony rano ary nanatona an’i Jesosy.” Inona anefa no nitranga avy eo? ‘Natahotra izy nony nahita ny tafio-drivotra. Dia nanomboka nilentika izy, ka niantsoantso hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!”’ Nanatsotra ny tanany i Jesosy dia namonjy an’i Petera. Mariho fa nahavita nandeha teny ambonin’ilay ranomasina nisamboaravoara i Petera rehefa nifantoka tamin’i Jesosy. Nanomboka nilentika anefa izy rehefa nijery an’ilay tafio-drivotra, ka lasa nisalasala sy natahotra be.​—Mat. 14:24-31.

7. Inona no azontsika ianarana avy amin’i Petera?

7 Misy lesona azontsika raisina avy amin’i Petera. Tsy nampahatahotra azy ilay tafio-drivotra tamin’ny voalohany, rehefa niala tao amin’ilay sambo izy ka nanomboka nandeha teo ambony rano. Tsy nieritreritra izy hoe: ‘Aza hitako aho ka hilentika!’ Ny handeha teo ambony rano foana no tao an-tsainy mandra-pahatongany teny amin’ny Tompony. Mampalahelo anefa fa lasa tsy nifantoka tamin’izany tanjona izany izy! Marina fa tsy afaka mandeha eo ambony rano isika. Mila finoana hoatran’i Petera ihany anefa isika raha te hahavita hiatrika olana. Raha tsy mitadidy an’i Jehovah sy ny fampanantenany isika, dia hihena ny finoantsika ka toy ny hoe hilentika isika. Na manana olana lehibe hoatran’ny tafio-drivotra aza ianao, dia aza manadino an’i Jehovah mihitsy. Tadidio koa hoe mahavita manampy anao izy. Inona no tokony hataonao raha tsy te hanadino an’izany ianao?

8. Inona no hanampy antsika mba tsy hanahy be loatra momba an’izay ilaintsika?

8 Handray soa isika raha tsy manahy be loatra fa matoky an’i Jehovah. Tadidio fa efa nanome toky antsika ilay Raintsika be fitiavana hoe hanome an’izay ilaintsika izy, raha ny fanompoana azy no ataontsika voalohany. (Mat. 6:32, 33) Mbola tsy nivadika tamin’io teniny io mihitsy izy hatramin’izay. (Deot. 8:4, 15, 16; Sal. 37:25) Eritrereto koa hoe ny vorona sy ny voninkazo aza karakarain’i Jehovah, ka mainka fa isika! Tsy tokony hampanahy be antsika àry ny sakafo sy ny fitafiana. (Mat. 6:26-30; Fil. 4:6, 7) Manome an’izay ilain’ny zanany ny ray aman-dreny tsara fanahy satria tiany izy ireo. Hoatr’izany koa ilay Raintsika any an-danitra. Manome an’izay ilain’ny mpanompony izy satria tiany izy ireo. Afaka matoky tanteraka àry isika hoe hikarakara antsika i Jehovah!

9. Inona no azo ianarana avy amin’izay nitranga tamin’ny mpivady iray?

9 Tena manome an’izay ilaintsika i Jehovah, rehefa jerena ny tantaran’ny mpivady iray. Mpisava lalana ry zareo. Nandeha naka anabavy vitsivitsy tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana izy mivady, ary nitondra an-dry zareo nivory. Efa tranainy be ny fiaran-dry zareo, ka adiny iray mahery vao tonga tany. Nitantara ilay rahalahy hoe: “Nasainay hisakafo ireo anabavy ireo rehefa vita ny fivoriana. Tsy tonga saina izahay hoe hay moa tsy nisy na inona na inona azo aroso akory tany an-trano.” Ahoana no nataon’izy mivady? Hoy ihany ilay rahalahy: “Gaga be izahay fa nisy harona be anankiroa feno sakafo teo anoloan’ny varavaranay rehefa tonga izahay. Tsy fantatray hoe iza no nanatitra an’ilay izy. Tena nikarakara anay i Jehovah!” Simba koa ny fiaran-dry zareo tatỳ aoriana. Nilain-dry zareo tamin’ny fanompoana ilay izy, nefa tsy nanam-bola hanamboarana azy ry zareo. Nentiny tany amin’ny garazy ihany ilay izy hahitana hoe ohatrinona ny manamboatra azy. Nisy lehilahy niditra tamin’izay dia nanontany hoe: “Fa an’iza io?” Namaly ilay rahalahy hoe aotomobiliny ilay izy ary nila namboarina. Dia hoy ilay lehilahy: “Tsy olana izany! Hoatran’io mihitsy ilay aotomobilina tadiavin’ny vadiko, dia hoatr’izao koa ny loko tiany. Fa ohatrinona no handefasanao an’io?” Novidin’ilay olona ilay izy, ary ampy hividianana aotomobilina hafa ny vola azo. Izao no nolazain’ilay rahalahy: “Faly loatra izahay rehefa vita iny andro iny! Fantatray hoe tsy kisendrasendra ireny fa avy amin’i Jehovah.”

10. Araka ny Salamo 37:5, nahoana isika no tsy tokony hanahy be loatra?

10 Afaka matoky isika hoe hikarakara antsika i Jehovah, rehefa mihaino an’ilay Mpiandry Tena Tsara isika ka tsy manahy be intsony momba an’izay ilaintsika. (Vakio ny Salamo 37:5; 1 Pet. 5:7) Eritrereto indray ilay olana noresahina teo amin’ny  fehintsoratra faha-5. Ny loham-pianakaviana na ny mpampiasa angamba no nampiasain’i Jehovah hatramin’izay mba hanomezana an’izay ilainao isan’andro. Ahoana anefa raha tsy afaka manao an’izany intsony ilay loham-pianakaviana, na very asa ianao? Hahita fomba hafa i Jehovah, fa tsy maintsy hanome an’izay ilainao izy. Andao isika izao handinika zavatra hafa nolazain’ilay Mpiandry Tena Tsara hoe tsy tokony hataontsika intsony.

“AZA MITSARA INTSONY”

Aza mifantoka amin’izay hitan’ny maso, dia tsy hitsaratsara ny hafa intsony ianao (Fehintsoratra 11, 14-16) *

11. Araka ny Matio 7:1, 2, inona no nolazain’i Jesosy hoe tsy tokony hataontsika intsony? Nahoana no mety ho sarotra izany?

11 Vakio ny Matio 7:1, 2. Fantatr’i Jesosy hoe mora manakiana ny hafa ny olombelona tsy lavorary. Izany no nahatonga azy hilaza hoe: “Aza mitsara intsony.” Efa miezaka mafy angamba ianao mba tsy hitsaratsara ny mpiara-manompo. Tsy lavorary daholo anefa isika. Inona àry no tokony hataonao raha hitanao hoe manakiana ny hafa ianao indraindray? Henoy i Jesosy ka miezaha mafy mba tsy hitsaratsara intsony.

12-13. Hoatran’ny ahoana no fahitan’i Jehovah an’i Davida? Nahoana no hahavita tsy hitsaratsara intsony isika raha misaintsaina an’izany?

12 Handray soa ianao raha misaintsaina ny ataon’i Jehovah. Mifantoka amin’izay tsara hitany amin’ny olona mantsy izy. Hoatr’izany no nataony tamin’i Davida Mpanjaka. Nanao fahadisoana lehibe i Davida, satria nijangajanga tamin’i Batseba ary namono ny vadiny mihitsy. (2 Sam. 11:2-4, 14, 15, 24) Nijaly i Davida sy ny fianakaviany vokatr’izany, anisan’izany ny vadiny hafa. (2 Sam. 12:10, 11) Nisy fotoana koa izy tsy nitoky tanteraka tamin’i Jehovah, satria nanome baiko mba hanisana ny miaramila israelita. Tsy nasain’i Jehovah nanao an’izany anefa izy. Inona no mety ho nahatonga azy hanao an’izany? Nirehareha angamba izy hoe matanjaka ny tafiny, ary izany no nantenainy hiaro azy. Inona no vokany? Israelita 70 000 be izao no matin’ny areti-mandringana!​—2 Sam. 24:1-4, 10-15.

13 Andao hatao hoe Israelita tamin’izany ianao. Ahoana re no mety ho fahitanao an’i Davida e? Mety ho nieritreritra ve ianao hoe tsy mendrika ny famindram-pon’i Jehovah izy? Tsy nieritreritra an’izany i Jehovah. Ny tsy fivadihan’i Davida hatramin’izay no nifantohany sy ilay izy nibebaka tamin’ny fony manontolo. Namela an’i Davida izy vokatr’izany, na dia ratsy be aza ny fahotana vitany. Fantany hoe tena tia azy i Davida ary te hanao ny tsara. Tsy faly ve ianao hoe izay tsara ao amintsika no jeren’ilay Andriamanitsika?​—1 Mpanj. 9:4; 1 Tan. 29:10, 17.

14. Inona no toe-tsaina hanampy antsika tsy hitsaratsara ny hafa intsony?

14 Raha i Jehovah aza tsy mitaky be loatra amintsika olombelona tsy lavorary, dia tsy tokony hanao hoatr’izany amin’ny hafa koa ve isika ka hiezaka hifantoka amin’izay tsara ao amin-dry zareo? Mora matetika ny mahita an’izay tsy mety ataon’ny hafa sy manakiana azy ireo. Raha manahaka an’i Jehovah anefa isika, dia hahavita hiara-miasa tsara amin’ny hafa foana na dia mahita ny fahalemeny aza. Eritrereto ny diamondra. Tsy dia manintona ilay izy amin’ny voalohany raha mbola tsy notefena. Tsy mifantoka amin’ilay ivelany marokoroko iny anefa ny olona mahalala ny hasarobidin’ny diamondra, fa mitadidy hoe mbola ho lasa vatosoa tena kanto ilay izy rehefa voatefy tsara. Hoatr’izany no ataon’i Jehovah sy Jesosy. Tsy mifantoka amin’ny ivelany izy ireo fa mijery ny toetra tsaran’ny olona. Mila miezaka manahaka azy ireo koa isika.

15. Nahoana isika no hahavita tsy hitsaratsara ny hafa raha mieritreritra momba ny fiainany sy izay mahazo azy?

15 Ankoatra ny hoe mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny hafa, inona no hanampy antsika tsy hanakiana na hitsaratsara azy ireo? Alao sary an-tsaina ny fiainany sy izay mahazo azy. Izany no nataon’i Jesosy. Nahita mpitondratena tao amin’ny tempoly izy indray mandeha. Nahantra ilay vehivavy dia vola madinika roa faran’izay kely vidy no narotsany tao amin’ny vata fandatsaham-bola. Tsy nanakiana azy anefa i Jesosy ka niteny hoe: “Fa maninona izao izy raha mba nanome betsaka kokoa?” Tsy nifantoka tamin’ny habetsahan’ny vola narotsak’ilay mpitondratena izy, fa nieritreritra ny fiainany sy ny antony nahatonga azy hanome. Nanao izay rehetra azony natao ilay vehivavy ka nidera azy i Jesosy.​—Lioka 21:1-4.

16. Inona no ianaranao avy amin’i Veronica?

16 Tena ilaina ny mieritreritra ny fiainan’ny olon-kafa sy izay mahazo azy. Manaporofo an’izany ny zavatra notantarain’ny anabavy atao hoe Veronica. Nisy reny nitaiza irery ny zanany lahy tao amin’ny fiangonan-dry zareo. Hoy i Veronica: “Tsy tena nazoto nivory sy nanompo no fahitako azy mianaka. Lasa nitsaratsara an-dry zareo aho. Niara-nanompo tamin’ilay rahavavy anefa aho indray mandeha, dia noresahiny tamiko ny olana mahazo azy noho izy mitaiza zaza sembana. Nanao izay rehetra azony natao izy mba hikarakarana an’izay ilain’izy mianaka sy hahatonga an-dry zareo hatanjaka ara-panahy. Tsy maintsy nivory tany amin’ny fiangonana hafa, hono, izy indraindray rehefa narary ilay zanany.” Hoy ihany i Veronica: “Izay aho vao tonga saina hoe tena mafy ny fiainany! Lasa tiako be io rahavavy io ary tena hajaiko, satria manao be ho an’i Jehovah izy.”

17. Inona no tokony hataontsika, araka ny Jakoba 2:8? Inona no hanampy antsika hahavita an’izany?

17 Inona no tokony hataonao raha tonga saina ianao hoe nitsaratsara mpiara-manompo? Tadidio hoe tsy maintsy tiantsika ny rahalahy sy anabavintsika. (Vakio ny Jakoba 2:8.) Mila mitalaho mafy amin’i Jehovah koa ianao mba hampiany tsy hitsaratsara ny hafa intsony. Manaova zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka avy eo, ka manatòna an’ilay olona ary miresaha aminy. Mety hahafantatra azy bebe kokoa ianao amin’izay. Azo atao koa ny manasa azy hiara-manompo aminao na hiara-misakafo aminao. Rehefa mahafantatra azy bebe kokoa ianao, dia miezaha hifantoka amin’ny toetra tsarany hoatran’ny ataon’i Jehovah sy Jesosy. Hasehonao amin’izany hoe mihaino an’ilay Mpiandry Tena Tsara ianao, ary manaraka an’ilay toroheviny hoe “aza mitsara intsony.”

18. Inona no hataontsika raha mihaino ny feon’ilay Mpiandry Tena Tsara isika?

18 Mihaino ny feon’i Jesosy ny mpanara-dia azy, hoatran’ny ondry mihaino ny feon’ny mpiandry azy. Hotahin’i Jehovah sy Jesosy isika, raha miezaka mba tsy hanahy be intsony momba an’izay ilaintsika sy tsy mitsaratsara ny hafa intsony. Enga anie isika hihaino sy hankatò foana ny feon’ilay Mpiandry Tena Tsara, na anisan’ny “ondry vitsy” isika na anisan’ny “ondry hafa.” (Lioka 12:32; Jaona 10:11, 14, 16) Inona anefa no nolazain’i Jesosy hoe tokony hataon’ny mpanara-dia azy? Handinika roa amin’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 101 Miara-miasa sy Miray Saina

^ Nilaza i Jesosy hoe hihaino ny feony ny ondriny. Midika izany fa hihaino ny fampianarany ny mpianany ary hampihatra an’izany. Handinika torohevitra miavaka anankiroa nampitain’i Jesosy isika ato. Ny voalohany hoe tsy tokony hanahy be intsony momba an’izay ilaintsika isika. Ary ny faharoa hoe tsy tokony hitsara ny hafa intsony isika. Ho hitantsika ato ny fomba azo ampiharana an’ireo.

^ SARY: Very asa ny rahalahy iray, ka tsy ampy hividianany sakafo ho an’ny vady aman-janany ny volany. Mila mifindra trano koa ry zareo. Mety hanahy be izy raha tsy mitandrina ka hanadino ny fanompoany an’Andriamanitra.

^ SARY: Tonga tara any am-pivoriana ny rahalahy iray. Mampiseho toetra tsara anefa izy, satria mitory tsy ara-potoana sy manampy ny be taona ary manampy amin’ny fikarakarana ny Efitrano Fanjakana.