LAHATSORATRA FIANARANA 51

“Henoy” Foana Izy!

“Henoy” Foana Izy!

“Io no Zanako malalako izay sitrako. Henoy izy.”​—MAT. 17:5.

HIRA 54 “Ity no Lalana”

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Inona no nasain’Andriamanitra nataon’ny apostolin’i Jesosy anankitelo? Nankatò ve ry zareo? b) Inona no hodinihintsika ato?

 NAHAZO fahitana miavaka ny apostoly Petera sy Jakoba ary Jaona, taorian’ny Paska taona 32. Teny amin’ny tendrombohitra avo be ry zareo tamin’izay, angamba ny Tendrombohitra Hermona, dia niova tarehy teo anatrehany i Jesosy. “Namirapiratra toy ny masoandro ny tavany, ary nanjary nanjelanjelatra toy ny hazavana ny akanjony ivelany.” (Mat. 17:1-4) Rehefa akaiky hifarana ilay fahitana, dia naheno an’Andriamanitra niteny hoatr’izao ireo apostoly ireo: “Io no Zanako malalako izay sitrako. Henoy izy.” (Mat. 17:5) Tena nihaino an’i Jesosy ry zareo ary hita teo amin’ny fiainany izany. Tokony hanahaka an-dry zareo koa isika.

2 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa misy zavatra sasany tsy hataontsika intsony raha mihaino ny feon’i Jesosy isika. Fa inona kosa no nolazainy hoe tokony hataontsika? Handinika roa amin’izany isika ato.

“MIDIRA AMIN’NY VAVAHADY TERY”

3. Inona no tokony hataontsika, araka ny Matio 7:13, 14?

3 Vakio ny Matio 7:13, 14. Mariho fa niresaka vavahady roa i Jesosy. Mankany amin’ny lalana roa samy hafa izy ireo, ka ny iray “malalaka” fa ny iray “tery.” Tsy niresaka lalana fahatelo izy. Tsy maintsy mifidy isika hoe iza amin’ireo lalana roa ireo no handehanantsika. Io no fanapahan-kevitra lehibe indrindra horaisintsika. Miankina amin’izany mantsy ny hoe hiaina mandrakizay isika na tsia.

4. Hoatran’ny ahoana ilay lalana “malalaka”?

4 Mila mitadidy isika hoe inona no tsy mampitovy an’ireo lalana roa ireo. Be mpitia ilay lalana “malalaka” satria mora ny mandeha amin’ilay izy. Mampalahelo fa be dia be no mifidy ny hijanona eo amin’izy io sy manaraka ny ataon’ny daholobe fotsiny. Tsy tonga ao an-tsainy hoe i Satana Devoly no mitaona ny olona handeha eo amin’io lalana io, ary fahafatesana no miandry any amin’ny farany.​—1 Kor. 6:9, 10; 1 Jaona 5:19.

5. Inona no nataonao mba hahitana an’ilay lalana “tery” sy handehanana amin’izy io?

5 Tsy “malalaka” kosa ilay lalana iray fa “tery.” Nilaza i Jesosy hoe vitsy ny olona hahita azy io. Fa maninona? Mariho ange izay nolazainy eo amin’ny andininy manaraka e! Nampitandrina ny mpanara-dia azy izy hoe hisy mpaminany sandoka. (Mat. 7:15) Araka ny tatitra sasany, dia an’arivony ny fivavahana misy amin’izao, ary milaza ho mampianatra ny marina ny ankamaroany. Olona an-tapitrisany no kivy be vokatr’izany na tsy mahita intsony hoe iza no harahina. Misy aza tsy miezaka intsony mba hitady an’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. Azo atao tsara anefa ny mahita an’io lalana io. Hoy mantsy i Jesosy: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:31, 32) Tena tsara ny nataonao satria tsy nanaraka ny ataon’ny besinimaro fotsiny fa nikaroka ny marina. Nianatra tsara ny Tenin’Andriamanitra ianao mba hahafantarana an’izay takiny amintsika. Nihaino ny fampianaran’i Jesosy koa ianao. Nianaranao, ohatra, hoe tsy tian’i Jehovah hanaraka ny fampianaran’ny fivavahan-diso isika, ary tsy tiany hanaraka ny fomba amam-panao sy ny fety avy amin’ny mpanompo sampy. Hitanao hoe tsy mora indraindray ny manao izay takin’i Jehovah sy miala amin’ny fanao tsy mampifaly azy. (Mat. 10:34-36) Mafy taminao angamba ny nanova ny fiainanao. Niezaka foana anefa ianao satria tianao ilay Rainao any an-danitra ary te hankasitrahany ianao. Matokia fa faly izy mahita an’izany!​—Ohab. 27:11.

INONA NO HANAMPY ANAO TSY HIALA AMIN’ILAY LALANA TERY?

Afaka manampy antsika mba tsy hiala amin’ilay lalana “tery” ny torohevitr’Andriamanitra sy ny fitsipiny (Fehintsoratra 6-8) *

6. Inona no hanampy antsika tsy hiala amin’ilay lalana tery? (Salamo 119:9, 10, 45, 133)

6 Ahoana raha efa mandeha amin’ilay lalana tery ianao? Inona no hanampy anao tsy hiala amin’izy io? Andao haka ohatra. Any amin’ny tany sasany, dia matetika no misy fefy ny sisin’ny lalana tery eny an-tendrombohitra. Natao hiarovana ny mpamily sy ny fiarany izy ireny, amin’izay ry zareo tsy manara-morony be na mihoatra an’ilay fefy. Azo antoka fa tsy hisy mpamily himenomenona mihitsy hoe: ‘Mba maneritery koa itony fefy itony!’ Hoatran’io fefy io ny fitsipik’i Jehovah ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika mba tsy hiala amin’ilay lalana tery izy ireny.​—Vakio ny Salamo 119:9, 10, 45, ary 133.

7. Ahoana no tian’i Jehovah hiheveran’ny tanora an’ilay lalana tery?

7 Ry tanora, mieritreritra ve ianareo indraindray hoe maneritery be ny fitsipik’i Jehovah? Faly i Satana raha izany no ao an-tsainareo. Tiany hifantoka amin’izay ataon’ny olona eo amin’ilay lalana malalaka ianareo. Hoatran’ny hoe mankafy fiainana erỳ mantsy izy ireny. Mety hataon’i Satana izay hahatonga anareo hieritreritra hoe matiantoka be ianareo, satria tsy mba mifalifaly hoatran’ny ankizy any am-pianarana na ny olona ao amin’ny Internet. Tiany hieritreritra ianareo hoe misakana anareo tsy hankafy fiainana tsara ny fitsipik’i Jehovah. * Tadidio anefa izao: Tsy tian’i Satana ho fantatry ny olona mandeha amin’ilay lalana malalaka hoe mitondra an-dry zareo mankaiza io lalana io. I Jehovah kosa mampahafantatra mazava tsara ny hatsaran’ny fiainana miandry anareo raha mandeha amin’ilay lalana tery ianareo.​—Sal. 37:29; Isaia 35:5, 6; 65:21-23.

8. Inona no azon’ny tanora ianarana avy amin’i Olaf?

8 Afaka mandray lesona avy amin’ny nataon’ny rahalahy tanora antsoina hoe Olaf * ianao. Nampirisika azy haloto fitondran-tena ny mpiara-mianatra taminy. Tsy nanaiky anefa izy ary nohazavainy hoe manaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena ny Vavolombelon’i Jehovah. Vao mainka ny ankizivavy sasany niezaka be mba handresy lahatra azy hanao firaisana tamin-dry zareo. Na izany aza, dia tsy niova hevitra mihitsy i Olaf! Tsy vita teo anefa ny fisedrana nahazo azy. Hoy ihany izy: “Nampirisika mafy ahy ny mpampianatra anay hoe mila manao fianarana ambony aho mba hohajain’ny olona. Tsy ho tafita mihitsy, hono, aho raha tsy izany.” Nahavita nanda an’izany koa i Olaf. Inona no nanampy azy? Izao no notantarainy: “Nifandray akaiky tamin’ny olona tao amin’ny fiangonana aho. Lasa hoatran’ny fianakaviako mihitsy ry zareo. Niezaka koa aho mba hianatra tsara kokoa ny Baiboly. Arakaraka ny nianarako azy io no nahatonga ahy ho resy lahatra hoe nahita ny marina aho. Lasa tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah aho vokatr’izany.”

9. Inona no tokony hataonao raha tsy te hiala amin’ilay lalana tery ianao?

9 Te hitarika anao hiala amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana i Satana. Tiany hanaraka ny daholobe ianao, ka handeha amin’ilay lalana malalaka “mankany amin’ny fandringanana.” (Mat. 7:13) Hahavita hanohitra azy anefa ianao, raha mihaino an’i Jesosy foana sady mitadidy hoe natao hiarovana anao ilay lalana tery. Misy zavatra hafa koa anefa nasain’i Jesosy nataontsika. Izay no hodinihintsika izao.

MIHAVÀNA AMIN’NY RAHALAHINAO

10. Inona no nolazain’i Jesosy hoe tokony hataontsika, araka ny Matio 5:23, 24?

10 Vakio ny Matio 5:23, 24. Fotoan-dehibe ho an’ny Jiosy ilay noresahin’i Jesosy ao amin’ireo andinin-teny ireo. Alao sary an-tsaina hoe ao amin’ny tempoly ny Jiosy iray, ary efa vonona hanome biby ho an’ny mpisorona mba hatao sorona. Ahoana raha amin’iny fotoana iny izy no mahatsiaro hoe misy rahalahiny manana alahelo aminy? Tsy maintsy navelany teo ilay biby ary lasa aloha izy ‘nandeha.’ Fa maninona? Mbola nisy zava-dehibe kokoa noho ny hoe manolotra sorona ho an’i Jehovah ve? Izany mihitsy! Nilaza mazava tsara i Jesosy hoe: “Mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao.”

Nanetry tena i Jakoba ka niezaka nihavana tamin’ny rahalahiny. Hanahaka azy ve ianao? (Fehintsoratra 11-12) *

11. Inona avy ny ezaka nataon’i Jakoba mba hihavanana tamin’i Esao?

11 Afaka manampy antsika mba hihavana amin’ny hafa ny zava-nitranga iray teo amin’ny fiainan’i Jakoba. Efa 20 taona teo ho eo izy tamin’izay no tsy tany an-tanindrazany. Naniraka anjely Andriamanitra mba hilaza taminy hoe mila mody izy. (Gen. 31:11, 13, 38) Nisy olana anefa. Te hamono azy ho faty i Esao zokiny lahy. (Gen. 27:41) “Natahotra mafy i Jakoba sady nitebiteby” satria nieritreritra hoe mbola tezitra taminy i Esao. (Gen. 32:7) Inona àry no nataony mba hihavanana tamin’ny rahalahiny? Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aloha izy. Nandefa fanomezana be dia be ho an’i Esao izy avy eo. (Gen. 32:9-15) Tsy vitan’izany fa izy no nanao zavatra voalohany mba hanomezana voninahitra an’i Esao, rehefa nihaona izy mirahalahy. Niondrika teo anatrehan’i Esao izy, ary tsy indray mandeha na indroa fotsiny, fa impito be izao! Nanetry tena sy nanaja an’ilay rahalahiny i Jakoba ka lasa nihavana indray ry zareo.​—Gen. 33:3, 4.

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jakoba?

12 Inona avy ny fiomanana nataon’i Jakoba rehefa hihaona tamin’i Esao? Ahoana koa no fomba nanatonany azy? Mariho fa nanetry tena i Jakoba ka nangataka fanampiana tamin’i Jehovah. Nasehony hoe tena vokatry ny fony ilay vavaka, satria nanao izay tratry ny heriny izy mba hahafinaritra ny fihaonan’izy roa lahy. Rehefa nihaona indray ry zareo, dia tsy nifanditra tamin’i Esao izy hoe iza tamin-dry zareo no nanana ny rariny ary iza no diso. Ny hihavana no tanjony. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jakoba?

AHOANA NO HATAO MBA HIHAVANANA AMIN’NY HAFA?

13-14. Inona no tokony hataontsika raha nampalahelo ny mpiara-manompo ny zavatra nataontsika?

13 Mila miezaka mihavana amin’ny hafa foana isika, raha tsy te hiala amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. (Rom. 12:18) Inona àry no azonao atao raha tonga saina ianao hoe nampalahelo ny mpiara-manompo ny zavatra nataonao? Mila manahaka an’i Jakoba ianao, dia mitalaho mafy amin’i Jehovah. Afaka mangataka aminy ianao mba hotahiny ny ezaka ataonao hihavanana amin’ilay olona.

14 Ilaina koa ny mandini-tena. Tsara, ohatra, ny mieritreritra hoe: ‘Vonona hampandefitra ny hambom-poko ve aho, dia hanetry tena sy hiala tsiny ary hanao izay hihavanana aminy? Inona no ho tsapan’i Jehovah sy Jesosy raha izaho mihitsy no miezaka hamitram-pihavanana?’ Handrisika anao ny valin’ireo mba hihaino an’i Jesosy, ka hanetry tena sy hanatona an’ilay mpiara-manompo ary hiezaka hihavana aminy. Afaka manahaka ny modely navelan’i Jakoba ianao rehefa manao an’ireo.

15. Nahoana isika no hahavita hihavana amin’ny hafa raha mampihatra ny Efesianina 4:2, 3?

15 Azonao sary an-tsaina ve hoe inona no ho nitranga, raha be hambom-po i Jakoba rehefa nihaona tamin’ny rahalahiny? Mety ho ratsy be ny niafaran’ny fihaonan’izy roa lahy. Ilaina àry ny manetry tena rehefa mankany amin’ilay rahalahy na anabavy ianao mba hihavana aminy. (Vakio ny Efesianina 4:2, 3.) Hoy ny Ohabolana 18:19: “Sarotra azo kokoa noho ny tanàna misy manda ny rahalahy voaisy ratsy, ary ny fifandirana sasany dia toy ny bara vy hidin’ny tilikambo fonenana.” Mety ho vonona hihavana aminao anefa izy raha manetry tena ianao ka miala tsiny aminy. Hoatran’ny hoe manokatra an’ilay “tilikambo” mihidy mafy ianao amin’izay.

16. Inona avy no tokony hodinihina tsara raha te hihavana amin’ny olona iray, ary nahoana?

16 Mila mifidy tsara an’izay holazaina sy ny fomba hitenenana an’ilay izy koa ianao, rehefa miezaka hamitram-pihavanana amin’olona. Rehefa vonona hanatona azy ianao, dia ny hanala ny ratra ao am-pony no tokony ho tanjonao. Marina fa mety hanao teny maharary izy amin’ny voalohany. Mety ho tezitra ianao amin’izay na hiezaka hanamarin-tena. Hanampy anareo hihavana ve anefa izany? Mazava ho azy fa tsia! Tadidio fa mbola zava-dehibe kokoa ny hoe mihavana aminy noho ny manaporofo hoe iza aminareo no manana ny rariny ary iza no diso.​—1 Kor. 6:7.

17. Inona no azonao ianarana avy amin’i Gilbert?

17 Niezaka be mba hihavana tamin’ny hafa ny rahalahy antsoina hoe Gilbert. Izao no notantarainy: “Nanana olana be izaho sy ny zanako vavy. Te hihavana taminy aho, dia niezaka niresaka tamim-pahatsorana taminy nandritra ny roa taona mahery sady niezaka ny ho tony tsara foana.” Tsy izay fotsiny anefa no nataon’i Gilbert. Izao koa no nolazainy: “Nivavaka aho isaky ny hiresaka taminy. Nanomana ny saiko koa aho mba hahavita hizaka an’izay teny maharary mety holazainy. Niezaka mba ho vonona hamela heloka aho sady nianatra nandefitra na dia nanana ny rariny aza. Nianarako koa hoe adidiko ny mampisy fihavanana.” Nisy vokany ve ny ezaka nataony? Hoy ihany i Gilbert: “Milamin-tsaina aho izao satria mifandray tsara amin’ny mpianakaviko rehetra.”

18-19. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika raha nampalahelo olona? Nahoana?

18 Tokony ho tapa-kevitra hanao inona àry ianao, raha nanao zavatra nampalahelo mpiara-manompo? Araho ny torohevitr’i Jesosy ka miezaha hihavana aminy. Resaho amin’i Jehovah ilay olana, ary mangataha fanahy masina mba hanampy anao hamitram-pihavanana. Ho sambatra ianao raha manao an’izany. Ho hita amin’izany koa hoe tena mihaino an’i Jesosy ianao.​—Mat. 5:9.

19 Misaotra an’i Jehovah isika hoe tia antsika izy ka omeny torohevitra tena tsara isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay “lohan’ny fiangonana.” (Efes. 5:23) Enga anie isika ka ho tapa-kevitra ny ‘hihaino’ an’io Zanany io, hoatran’ny nataon’ny apostoly Petera sy Jakoba ary Jaona. (Mat. 17:5) Hitantsika tato hoe mihaino azy isika rehefa miezaka hihavana amin’ny mpiara-manompo. Raha manao an’izany isika sady tsy miala amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana, dia hahazo fitahiana be dia be ary ho sambatra mandrakizay.

HIRA 130 Andao Hifamela

^ feh. 5 Mampirisika antsika i Jesosy mba hiditra amin’ilay vavahady tery, ka handeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. Asainy miezaka hihavana amin’ny mpiara-manompo koa isika. Inona ny olana mety hisakana antsika tsy hahavita an’ireo? Inona anefa no mety hanampy antsika?

^ feh. 7 Jereo ny fanontaniana faha-6 hoe “Inona no Hataoko mba Tsy ho Voatarika Haditra?” ao amin’ilay bokikely hoe Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora, sy ilay video hoe Eh! Aza Maditra Hoatr’ireny! ao amin’ny www.pr418.com. (Midira ao amin’ny FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA.)

^ feh. 8 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 56 SARY: Hoatran’ny hoe nasian’Andriamanitra fefy ny lalana andehanantsika. Ho voaro isika raha tsy miala amin’io lalana “tery” io. Hahatohitra fakam-panahy isika ka tsy hijery sary vetaveta sy tsy haloto fitondran-tena. Tsy ny fianarana ambony koa no hataontsika zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana.

^ feh. 58 SARY: Niondrika im-be dia be teo anatrehan’i Esao i Jakoba satria te hihavana taminy.